-Toliary : Tanora Actif an’i Madagasikara organise une formation sur le leadership, la décentralisation et la constitution pour les jeunes.
- Atsimo Andrefana : installation d'une centrale hybride solaire à  Toliary II.
- Atsinanana : la commune de Toamasina sensibilise les habitants à se méfier des arnaqueurs qui prétendent travailler en faveur du plan d’urbanisme. Â
-Mahajanga : qualification des Barea Beach Soccer pour la CAN Beach Soccer 2022 au Mozambique.
-Toliary : mikarakara fiofanana momba ny fitarihana, fitsinjaram-pahefana ary ny lalam-panorenana ho an’ny tanora, ny Tanora Actif an’I Madagasikara. Â
-Atsimo Andrefana : nametrahana tobimpamokarana herinaratra nampivadiana tamin’ny angovo avy amin’ny masoandro tao Toliary faharoa.
-Atsinanana : manentana ireo mponina ho mailo amin’ireo mpisoloky ho mpanara-maso ny drafi-pananjariana ny tanan-dehibe ny ao Toamasina.
-Mahajanga : tafiakatra amin’ny CAN Beach Soccer 2022, atao ao Mozambique ny Barea Beach Soccer.
L’exposition « Mahajanga, port du bout du Monde » par le photographe Rijasolo se déroule actuellement au musée de la photographie de Madagascar à Anjohy- Antananarivo, jusqu’au 28 aout. C’est un projet initié par l'Office des Nations Unies contre la drogue et le crime, ainsi que la Commission de l'océan Indien et ses partenaires ayant pour grand thème «Connecter les ports et les Hommes ». L’exposition met en valeur l’importance économique et sociale du port sur la vie des habitants. Interview avec Rijasolo, le photographe.Â
Misy fampirantiana sary hataon’ny mpaka sary matihanina, Rijasolo, ao amin’ny Mozean’ny sary eny Anjohy – Antananarivo hatramin’ny 28 aogositra. Tafiditra anatin’ilay tetik’asa « port – connecting people » na hoe « seranan-tsambo mampifandray ny olona » izay karakarain’ny ofisin’ny firenena mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava izy io. Ny tanjona dia ny hanehoana ny mahazava-dehibe ny fisian’ny seranan-tsambo eo amin’ny toe-karena sy ny fiaraha-monina manodidina izany. Resadresaka niarahana tamin’i Rijasolo, mpaka sary.
Les étudiants ont réclamé trois grandes lignes lors de la grève en 13 Mei 1972 : la malgachisation, la démocratisation et la décentralisation du pouvoir. Ce qu’ils ont obtenu c’était la malgachisation selon Jean Rabenalisoa Ravalitera, chercheur et enseignant à l’université. Il estime que les étudiants actuels n’ont pas le même courage comme ceux à l’époque à cause de la différence de leur niveau de vie.
Zavatra telo no fototry ny fitakian’ireo mpianatra nanatanteraka ny hetsika tamin’ny 13 mey 1972 dia ny fanagasiana ny fampianarana, ny fahafahana maneho hevitra ary ny fitsinjaram-pahefana. Ny isan’ny tafapetraka hatramin’izao dia ny fanagasiana hoy i Rabenalisoa Ravalitera Jean izay mpampianatra sy mpandalina ny fanagasiana. Fa antony tsy ahavitan’ny tanora amin’izao manatanteraka fitakiana lehibe, tahaka ireny hoy hatrany izy dia noho tsy fitovian’ny fari-pananan’ny zaza malagasy tamin’izany sy amin’izao.
Bien plus que de simples utilisateurs, les jeunes malgaches s’initient progressivement à la création d’outils d’intelligence artificielle. Pour promouvoir la culture numérique à Madagascar, Christelle Julias, ingénieur en Intelligence artificielle, suggère la réduction du prix d’accès à internet et l’intégration de l’intelligence artificielle dans le programme scolaire. D’autre part, la société Huawei soutient les universités comme le MISA à Ankatso en termes d’équipements et compétences pour valoriser la culture numérique à Madagascar.
Tsy mpampiasa fotsiny fa efa mpamorona fitaovana misy « intelligence artificielle » ihany koa ny tanora Malagasy amin’izao fotoana izao. Ny fampihenana ny vidin’ny aterineto sy ny fampidirana ny resaka « Intelligence artificielle » anaty fandaharam-pianarana manomboka any amin’ny kilasy ambany no soso-kevitry i Christelle Julias, izay manam-pahaizana momban’ny fikirakirana Intelligence artificielle, hampiroboroboana kolotsaina nomerika ity eto Madagasikara. Fa ankoatra izay dia manohana ireo sekoly ambony amin’ny resaka fitaovana sy fahaiza-manao ihany koa ny orinasa Huawei hampiroboboana izay kolontsaina nomerika izay, isan’izany ohatra ny MISA eny Ankatso.
- Situation des lois sur la protection des lanceurs d’alerte dans le monde.
- Produits d’importation périmés au port de Toamasina : Une question de défaillance en terme de conditionnement.
- Quelles sont les distinctions honorifiques à Madagascar ?
- L’émission Tsorabitsika reprendra à partir de demain.
Â
- Mbola vitsy ireo firenena afrikanina manana lalà na miaro ny mpisintona lakolosy.
- Inona ny fepetra haazoana mari-boninahim-pirenena ?
- Diplaoma hosoka : Misy fanamarinana manokana atao hamantarana azy.
- Fandaharana tsora-bitsika, nanamarika fahazazan’ny olona maro.
Â
Les jeunes ont exprimé leurs opinions dans Ndao Hilaoeky. Liantsoa Ramiadanjatovo, ​​​​une jeune bachelière de 2021, Herivahatraina Andonirina Tsiry et Manantenantsoa Norelia, première année à l’université, sont les  invités. L'enseignement de la matière mathématique de base, le multiple meurtre à Ankazobe et les divertissements à développer pour les jeunes, ce sont les thèmes abordés.
Naneho hevitra indray ireo tanora ao anatin’ny Ndao hilaoeky. Ramiadanjatovo Liantsoa, vao afaka baccalauréat ny taona 2021, Herivahatraina Andonirina Tsiry sy Manantenantsoa Norelia, taona voalohany eny amin’ny amabaratonga ambony, no vahinin’ny fandaharana. Ny fampianarana ny taranja matematika eny amin’ny ambaratonga fototra, ny mikasika ilay famonoan’olona tao Ankazobe ary ny fialamboly tokony hovelarina ho an’ny tanora. Ireo no lohahevitra noresahana.
Â
- Menabe : célébration du rite traditionnel « Fitampoha » à Belo sur Tsiribihina du 4 au 12 août 2022.
- Atsinanana : remise en place du « Bokimbahiny » pour préserver la sécurité.
-Alaotra Mangoro : distribution de masse de copie de naissance à Amparafaravola.
Â
-Menabe : hetsika arapombandrazana Fitampoha ao Belo sur Tsiribihina ny 4 hatramin’ny 12 Aogositra 2022.
-Atsinanana : averina ny fampiasana ny bokimbahiny ho fitandroana ny fahalemana.
-Alaotra Mangoro : hetsika fizarana kopia faobe tao Amparafaravola.
- Faux diplôme universitaire : traqués à l’aide d’une demande d’authentification.
- Fier Mada : les jeunes se lancent aussi dans l’agriculture.
- Forum National de l’éducation : deux jours de concertation pour la transformation permanente de l’éducation à Madagascar.Â
- « bebe Mémé » s’est éteinte à l’âge de 94 ans.
Â
Â
- Fier Mada : Mandray anjara mavitrika ny tanora.
- Dinika nationaly momba ny fanabeazana : roa andro nanapahana ny rafi-pampianarana vaovao tokony hapetraka eto Madagasikara.
- Nodimandry teo amin’ny faha 94 taonany i Meme, mpilalao tantara sy sarimihetsika.
- Fifamoivoizana any amin’ny distrikan’Arivonimamo : ny fiatrehan’ireo mpisehatra an’izany.
Â
- Analanjirofo : 2ème édition du championnat de Madagascar de Karate-Do, dans la commune de Mahambo, district de Fenoarivo Atsinanana.
- Vatovavy : revalorisation de la culture de café.
- Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, Sofia et Betsiboka : formation sur le respect des protocoles sanitaires pour lutter contre le COVID-19.
Â
- Analanjirofo : donaben’i Madagasikara amin’ny Karate-Do andiany faharoa any amin’ny Kaominina Mahambo, district Fenoarivo Atsinanana.
- Vatovavy : averina omen-danja ny voly kafe.
- Antsinanana, Analanjirofo, Boeny, Sofia ary Betsiboka : fampiofanana momba ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana iadiana amin’ny COVID-19.
La prévention du cancer du col va de la vaccination au dépistage. Les vaccins, gardasil et cravarix contre le papillomavirus humain (HPV), responsable du cancer du col, ne sont pas encore disponibles à Madagascar. Mais à l’étranger, la vaccination se fait à partir de l’age de 14 ans. A part la vaccination, le dépistage peut diminuer le risque de contracter le papillomavirus. Se faire dépister avant l’apparition des symptômes permet d’intervenir avant que le cancer ne soit à un stade élevé. Selon les explications du docteur Christine Bergeron, gynécologue, entendues sur RFI, dès qu’une femme est sexuellement active elle devrait se faire dépister. Et même si elle ne l’est pas, elle devrait le faire à partir de 25 ans. Un deuxième dépistage est nécessaire un an après si le résultat est négatif. Si le résultat est toujours négatif, le dépistage doit se faire tous les 3 ans jusqu’à l’âge de 30 ans. Après, c’est tous les 5 ans jusqu’à 60 ans. Il faut savoir également que tous les CSBII de Madagascar font le dépistage gratuitement. Le docteur Andrianarison Vonjy Angelo, oncologue et radiothérapeute du Clinique Ivokoloaina nous fait savoir que le cancer du col de l’utérus est contracté lors d’un rapport sexuel non protégé. Les symptômes telles que les saignements, des pertes anormaux se manifestent 10 ou 15 ans après avoir été infecté par le HPV. Si le cancer est détecté à temps, il est plus facile de le guérir.
Â
Â
Ny fisorohana ny homamiadan'ny vozon-tranonjaza dia manomboka amin'ny vaksiny ka hatramin'ny fitiliana. Tsy mbola misy eto Madagasikara ny vaksiny gardasil sy cravarix miady amin’ny otrikaretina papillomavirus (HPV) mahatonga ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza. Fa any ivelany, ny vaksiny dia azo atao manomboka eo amin’ny faha-14 taona eo. Ankoatra ny vaksiny, ny fitiliana dia mampihena ny mety hisian’izay homamiadana izay. Ny fanaovana fitiliana alohan'ny hisehoan'ny soritr'aretina dia ahafahanao miady amin’ilay homamiadana hisorohana ny fahasarotana amin’ny trangan’aretina.  Araka ny fanazavan’ny dokotera Christine Bergeron, manampahaizana manokana momba ny vehivavy, heno tao amin’ny RFI, raha vao miditra amin’ny firaisana ara-nofo ny vehivavy dia tokony hanao fitiliana. Na dia mbola tsy ao anatin’izany ary izy dia tokony hanao fitiliana ihany manomboka eo amin’ny faha-25 taonany. Rehefa avy nanao ny fitiliana voalohany tsy maintsy manao indray rehefa afaka herintaona. Avy eo, atao isaky ny 3 taona hatramin'ny 30 taona izany. Aorian’izay dia isaky ny 5 taona hatramin’ny faha-60 taonany. Ny CSBII rehetra eto Madagasikara dia manao fitiliana maimaim-poana avokoa. Nambaran’ny dokotera Andrianarison Vonjy Angelo, oncologue sady radiotherapeute avy ao amin’ny Clinique Ivokoloaina fa ny firaisana ara-nofo tsy voaaro no mahatonga ny homamiadan’ny  vozon-tranonjaza. Ny soritr'aretina toy ny fandehanan-dra, ny « perte » dia miseho 10 na 15 taona aorian'ny nidiran’ny HPV ao amin’ny vatana. Raha hita ara-potoana ny homamiadana dia mora sitrana.
Â
Le webcup est une compétition de développement web entre les pays de l'Océan Indien. Cette année, Madagascar est une fois de plus nominé parmi les groupes finalistes. Les participants repartis entre une à cinq personnes par groupe ont 24 heures pour finir leur site web selon les critères requis par le jury. Le plus convaincant sera donc nominé.
Â
Ny webcup dia fifaninanan'ireo firenena ao amin'ny ranomasim-be Indiana manamboatra tranonkala. Mbola isan'ireo anaty dingana famaranana i Madagasikara amin'ity taona ity raha toa ka efa nahazo ny amboara ny taon-dasa. Mitsinjara ho olona iray ka hatramin'ny efatra isaky ny vondrona ireo mpandray anjara ary manana 24 ora hamitana ny tranonkalan'izy ireo araka izay lohahevitra takian'ny mpitsara. Izay maharesy lahatra sy matihanina indrindra no mandresy.
 - La fréquence de l’allaitement n’est pas respectée pour les femmes au travail.
- Traite des êtres humains à Madagascar : le travail des enfants et les exploitations sexuelles sont les plus présents.
- On a officiellement 310 Géomètres Experts Topographes à Madagascar.
Â
Â
Â
- Tsy voahaja ny fampinonona zaza ho an’ireo reny miasa.
- Fampiasana olombelona amin’ny tsy ara-drariny eto Madagasikara : Ny fanambadiana an-tery sy ny fampiasana zaza tsy ampy taona no tena mibahan-toerana.
- 310 ireo Géomètres Experts eto Madagasikara.
- Nanokatra tranokalam-pifandraisana vaovao ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany any Mahajanga hisarihana ireo mpitsidika.
- Massacre dans l’Ankazobe : Une preuve qui montre jusqu’ à quel niveau le conflit foncier peut être dangereux.
- 1 % des enfants des foyers les plus pauvres ont accès aux mathématiques selon l’Unicef.
- Variole du singe : aucune mesure particulière n’a été prise pour Madagascar.
- Exposition « Mahajanga, port du bout du Monde » : le port de Mahajanga favorise un échange culturel très riche.Â
Â
Â
 - Famonoana olona tao Ankazobe : Porofo mampiseho fa mitera-doza ny ady tany.
- 1 isan-jaton’ny ankizy avy amin’ny fianakaviana sarihana no mahazo fampianarana matematika fototra.
- Variole du Singe : tsy mbola misy fepetra manokana noraisina eto Madagasikara.
- Fampirantiana an-tsary : mampitombo ny fifanakalozana ara-kolotsaina ny fisian’ny seranan-tsambo Mahajanga.
Â
Â
Â