Reportage
Sahanala forme les paysans à Vohémar sur des activités qui limitentl’exploitation des aires protégés. La transformation des produits locaux à Vohémar même est plus rentable et crée des emplois pour les habitants. Angelo nous conduit dans la foret de vanille à Mororobe, environ à 50 kilomètres de Vohémar, pour l’amélioration de culture de vanille.
Interview
Le Vondron’Olona Ifotony est un groupe de personnes représentant un territoire bien déterminé, autorisé légalement à gérer cette espace et les ressources qui s’y trouvent. Cela peut être une aire protégée, une forêt, etc. Un contrat signé avec l’Etat, un cahier de charge, détermine sa fonction, tels que la gestion des richesses naturelles, la surveillance des lieux etc. Rasolofoharivelo Tovonanahary, un environnementaliste, nous explique les fonctions des VOI.
Astuces
Un purificateur d’air naturel à base de de vinaigre blanc, alcool, bicarbonate, et savon liquide.
Actus
Sommet Mondial des Océans à Lisbonne Portugal le 27 Juin à 3 juillet. Une délégation malgache y est assistée.
Fanadihadiana
Sahanala dia mampianatra ireo tantsaha any Vohemar hampihena ny fikasihan’izy ireo ny ala voajanahary. Ny fanodinana ireo akora ao an-toerana dia ahazoana tombony misimisy kokoa ho an’ny mponina any an-toerana. Alana lavanila any Mosorobe, 50 kilometatra miala an’i Vohemar, no itondran’i Angelo antsika mikasika ny fanatsarana ny fambolena ny lavanila hahazoana tombony misimisy kokoa.
Resadresaka
Ny Vondron’olona Ifotony dia fikambanan’ny olona misolontena ny fokonolna eo amin’ny toerana voafaritra iray ka mangataka hitantana ny valanjavaboahary eo amin’izany Faritra izany. Misy ny fifanarahana sy bokin’andraikitra vita sonia amin’ny fanjakana ka miankina amin’izay ny asan’izy ireo. Mety hoe manao fisafoana, mitantana ireo ala sy ny sisa. Vahiny hanazava izany i Rasolofoharivelo Tovonanahary, mpiaro ny tontolo iainana.
Torohevitra
Fangaro natoraly vita amin’ny vinaigitra, alikaola, karibonetra ary ranontsavony hanadiovana ny rivotra ao an-trano.
Vaovaon’ny tontolo iainana
Fihaonana an-tampony momba ny ranomasina tany Lisbonne Portugal ny 27 jona hatramin’ny 3 jolay teo. Nisy ireo solotena malagasy niatrika izany tany an-toerana.
On obtient divers produits dérivés d’une ruche telle que la cire, le « siramamy gasy », la propolis ou une sorte de colle naturelle anti-bactérie, etc. Une ruche peut donner 2 kilos de cire brute par an. Ce produit doit être mélangé avec du paraffine et du pétrole pour obtenir environ 23 kilos de cire utilisable. Celle-ci peut couter 30 milles ariary le kilo.
Le fond de départ dans l’apiculture peut s’élever à 150 milles ariary. Cette filière nécessite un endroit calme avec beaucoup de plantes à fleur sur un rayon de 3 kilomètres. Une ruche peut donner 20 kilos de miel tous les 3 mois si les conditions sont biens respectées. L’apiculteur Rahajamalala Tiana Finaritra nous partage des informations sur cette filière.
Vokatra maro no azo avy amin’ny fiompiana tantely toy ny savoka, siramamy gasy, lakaoly natoraly hiarovana amin’ny bakteria antsoina hoe « propolis » sns. Mamoaka savoka 2 kilao isan-taona ny trano tantely iray. Mbola ahodina sy laroina fangaro hafa izany vao lasa savoka azo ampiasaina. Manodidina ny 30 000 ariary ny kilao eny an-tsena.
Manodidina ny 150 000 ariary kosa indray no ilaina raha hiditra amin’ny fiompiana tantely. Mila toerana be zava-maniry sy milamina ny fiompiana azy mba hahazoana vokatra manodidina ny 20 kilao isaky ny 3 volana. Manazava momba ny fiompiana tantely ny mpiompy iray Rahajamalala Tiana Finaritra.
Le Centre D’Appui et de Formation Professionnelle Agricole Andranovaky Mahitsy est l’un des sept centres qui forment les jeunes pour devenir entrepreneurs agricoles professionnels à Madagascar pendant une période de trois ans. Auparavant, les jeunes dans tout Madagascar pouvaient suivre cette formation ici dans la capitale mais actuellement seuls les jeunes d’Itasy, de Bongolava et d’Analamanga sont acceptés. Ces jeunes bénéficient de toutes les techniques d’élevage et d’agriculture.
Le centre est situé à 7km de Mahitsy. Pour les jeunes ayant terminé la classe de troisième, l’inscription pour la prochaine formation est ouverte au mois de juillet 2022, au siège à Andranovaky ou auprès de la direction régionale de l’élevage de Bongolava ou Itasy.
Ny CAFPA na ny Centre D’Appui et de Formation Professionnelle Agricole Andranovaky Mahitsy dia ivo-toerana iray amin’ireo fito eto Madagasikara mamolavola tanora ho mpandraharaha matihanina amin’ny fambolena na ny fiompiana ka telo taona ny faharetan’ny fiofanana. Hianarana ao avokoa ny teknika rehetra momban’ny fiompiana sy ny fambolena. Taloha dia ireo tanora avy amin’ny faritra rehetra manerana an’I Madagasikara dia afaka nanovo fianarana teto saingy amin’izao dia ireo tanora avy any amin’ny faritra Itasy sy Bongolava ary Analamanga no nomena tombony.
Eo amin’ny 7km miala ny tampon-tanan’ny Mahitsy no misy ny CAFPA Andranovaky. Ny volana jolay 2022 no hisokatra ny fisoratana anarana sy fandraisana ireo antontan-taratasy ho an’ny taom-piofanana manaraka, ho an’ireo tanora nahavita ny taona fahatelo maniry ny hiofana momban’ny fambolena sy fiompiana. Ho an’ireo any amin’ireo faritra Bongolava sy Itasy kosa dia eny amin’ny fitaleavam-paritry ny fiompiana isaky ny faritra avy no handraisana izany.
L'ONG a été fondée en 1999. Elle est spécialisée dans la formation professionnelle et l’alphabetisation des enfants et jeunes vulnérables. La formation dure environ 2ans. Durant ces 23 années d’existence, environ 800 jeunes ont bénéficié des formations en menuiserie, ouvrage metallique, mécanique automobile, coiffure et restauration. Le centre de formation est à Ambohijanaka et l’alphabetisation à Tsiadana.
Ny taona 1999 no niorina ny ONG Manda . Misehatra amin’ny fampiofana arak’asa sy fampianarana mamaky teny sy manoratra ireo zaza sy tanora izy ireo. Omeny tombony amin’izany ireo zaza sy tanora marefo ara-pivelomana. Ny rafitra hazo, ny asa mombany vy, ny fanamboarana fiara, ny fampianarana manao taovolo, sy mahando sakafo no hampiofanana ireo tanora ireo. Tanora manodidina ny efapolo eo no volavolainy ao anatin’ny roa taona, izany hoe manodidina ny valon-jato eo izany izay ny tanora nahazo tombony tao anatin’izay 23 taona nisiany izay. Eny Ambohijanaka no misy ny toeram-piofanana ary eny Tsiadana kosa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.
- Fizarana kopia faobe: antony maro no tsy ahafahan’ny olona manamboatra ny kopia ara-potoana.
- Mahasolo ny vary fihinantsika isan’andro ve ny vary mainty ?
- Fanentanana ny tanora haneho hevitra ao amin’ny tranokala U-Report Mahajanga.
- Art thérapie na fanasitranana amin’ny zava-kanto : na ianao mihira na mandihy isan’andro io aza dia efa izy.
Au même titre qu'une personne physique, l'État, qui est une personne morale, peut également disposer de ses biens propres. D'une part, il dispose d'un domaine public qui n'est ni saisissable, ni prescriptible, ni commercialisable. Il s'agit des domaines naturels comme la mer et l'eau, des domaines artificiels comme les ports ou les aéroports, ainsi que ceux prévus par la loi comme les rues. En revanche, le domaine privé de l'État est constitué des biens titrés et immatriculés au nom de l'État, de ceux qui ne sont ni titrés ni immatriculés mais qui n'ont été exploités par personne, des îles ou des îlots.
Le domaine privé de l’Etat peut être acquis par tout Malgache jouissant de ses droits civils et politiques et ayant atteint la majorité civile, par les entreprises ainsi que par les différentes institutions. Mais comment ? Le Chef du service régional du domaine d'Analamanga, Rakotodrazanany Norohanta Emilda donne les réponses.
Toy ny olon-tsotra rehetra dia manana ny fananany manokana ihany koa ny fanjakana iray. Misy ny atao hoe « domaine public » izay natokana ho an’ny daholobe ary tsy azo hamidy na hafindra amin’ny olona hafa. Tafiditra ao anatin’izay izao ohatra ireo izay voajanahary toy ny ranomasina, ny rano, izay harin-tananan’ny olombelona toy ny seranan-tsambo ary ihany koa ireo lalàna. Etsy ankilany dia misy ihany koa anefa ny atao hoe « domaine privé » izay azon’ny Malagasy, ny orinasa na sampan-draharaham-panjakana hangatahana ho vidina.
Hitondra fanazavana mahakasika izay fangatahana izay ny filohan’ny sampandraharahan’ny fananantany Analamanga, Rakotodrazanany Norohanta Emilda.
- Résultat du CEPE : Une hausse a été enregistré.
- Melaky: Les enseignants des EPP formés en « e-learning ».
- Nosy Be: Haify Loky Malagasy initie les enfants à l’art de la table et à la cuisine.
- Voka-panadinana CEPE : Nisy fiakarany ny taham-pahombiazana tamin'ity taona ity.
- Melaky: fiofanana mikasika ny « e-learning » ho an’ ireo mpampianatra.
- Nosy Be: Raikitra indray ny Haify Loky Malagasy “Meva sy Matsiro”.
Santé sexuelle, les hommes aussi doivent prendre part dans la résolution des difficultés à procréer. Dans la plupart des cas, surtout à Madagascar, les femmes sont toujours les premiers à être blâmé d’infertile.
Selon le médecin (nom du médecin interviewé), la négligence des hommes concernant leurs santés sexuelles peut les conduire à l’infertilité et même l’impuissance. Une étude menée par des médecins européennes a même démontré que 40% des hommes atteignant la quarantaine font face à des problèmes d’érection et même d’impuissance. Les problèmes de cœur et la perturbation hormonale sont étroitement liés à cette situation.
L’on ne peut alors négliger la santé sexuelle des hommes. Les hommes doivent au moins consulter deux fois par an. On doit aussi suivre et s’occuper de la santé sexuelle des hommes dès leur plus jeune âge. Les couples doivent consulter ensemble et suivre les prescriptions du médecin en cas de problème.
Matetika ny vehivavy foana no mby an-tsaina raha vao resaka fahasalamana ara-pananahana izany. Ilaina ihany koa anefa ny mijery sy manara-maso an’izany ho an’ireo tovolahy.
Maro ny voka-dratsin’ny tsy fijerena matetika an’io toe-pahasalamana io. Araka ny fikarohan’ireo mpitsabo manam-pahaizana any ampitan-dranomasina any ny efapolo isanjaton’ireo lehilahy hananika ny efapolo taona no tratran’ny fahalemena na fahafatesan’ny filahiana mihitsy aza. Mifandray avokoa ny zava-drehetra ao amin’ny vatantsika ao. Anisan’ny mifandray amin’ny fananahana ohatra ny fahasalaman’ny fo sy ny tahan’nytsiry mpanentana”. Eo ihany koa ny fahaiza-miaina sy fandanjalanjana ny sakafo sy ireo zava-pisotro.
Tsy tokony tsinotsinoavina izany ny fananahana eo amin’ny lehilahy. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo aza, ilaina ny mitily sy mizaha mahakasika an’izany in-droa isan-taona fara faharatsiny. Mila tsinjovina sy jerena dieny mbola kely ihany koa io fahasalamana ara-pananahan’ny lehilahy io. Raha sanatria ka tojo olana kosa, ilaina amin’ny ny fiarahan’ny olon-droa ny manatona dokotera sy miaraka mitsabo ary manaraka antsakany sy andavany an’izay lazain’izy ireo.
Le test d’aptitude militaire s’inscrit parmi les devoirs d’une personne entre 19 et 31 ans en tant que citoyen selon la loi n°78-02. C’est une responsabilité nationale. Auparavant, cela nécéssitait l’application de plusieurs procédures comme les visites médicales. Les citoyens devaient aussi effectuer le service national. Maintenant, cela est devenu un acte volontaire selon le Directeur du Service National et de la Gestion des Réserves, Général Roger Rasolonirina . Par contre, la carte verte reçue lors du test d’aptitude militaire est utile dans plusieurs domaines comme les examens nationaux et l’obtention de passeport.
Anisan’ny adidy tokony hefain’ny olom-pirenena iray manodidina ny 19 ka hatramin’ny 31 taona ny fanatanterahana ny fitsarana miaramila araka ny lalàna laharana faha 78-02. Tsy maintsy atao izany. Mafimafy kokoa noho ny ankehitriny ny endriny teo aloha satria nandalo fitsidihana ara-pahasalamana ireo notsaraina ary nampidirina toby avy hatrany avy eo nanaoasa fanompoam-pirenena. Niova ho safidy fa tsy an-tery izany taty aoriana hoy ny Talen’ny Fanompoamp-pirenena sy fiandry, Jeneraly Rasolonirina Roger . Ilaina amin’ny toe-javatra maro toy ny fanamboarana kara-dia na ny fanadinam-panjakana ny fananana ny karatra maitso azo avy amin’ny fitsarana miaramila.
A cause de la sècheresse dans la partie Sud de Madagascar, l’accès à l’eau s’avère difficile dans nombreuses villes et villages, comme le cas d’Ambovombe, la capitale de la région Androy. À cause de la situation, « le travail d’eau » ou « les chercheurs d’eau » sont très importants pour l’ensemble des ménages à Ambovombe. Izintsoa est un jeune homme dans les vingtaines d’année, il fait ce travail avec ses barils bleu sur sa charrette en bois tiré par deux bœufs. Il parcourt une heure de voyage en aller et une heure de voyage en retour pour chercher de l’eau à un puit, où il achète de l’eau pour ensuite le revendre.
Jocelyn, un père de famille à Ambovombe, fait partie des dizaines de ménages clients d’Izintsoa. Jocelyn se fait livrer 240 litres jusqu’à 480 litres d’eau par semaine, selon la consommation de son foyer, qu’il paye mensuellement en tant qu’abonnée d’Izintsoa. L’économie de la consommation en eau est appliquée par chaque ménage en raison des prix de l’eau en une partie mais surtout à cause de la difficulté d’en trouver lors des saisons sèches. Dès fois, ces travailleurs d’eau n’arrivent vraiment pas à en trouver et les ménages sont obligés d’acheter de l’eau légèrement salé dans les bassins de la ville s’il y en a aussi.
Vokatry ny hain-tany mahazo ny faritra Atsimon’i Madagasikara iny dia manano sarotra ny fahazoana rano amin’ny faritra maro, ary tafiditra anatin’izany ny tananan’Ambovombe, renivohitry ny faritra Androy. Asa manan-danja ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano araka izany ny mpantsaka rano, na ny antsoina mihitsy hoe « mpiasa rano ». Tovolahy vao 20 taona i Izintsoa, miaraka amin’ny barika mangabe roa eo ambony sarety hazo taritin’omby izy, no manao io asa io efa aman-taonany. Mandeha eo amin’ny lalana adiny iray eo mandroso, adiny iray miverina izy maka ny rano : vidiany amina tompona vovon-drano.
Anisann’ny tokantrano mpanjifa rano amin’i Izintsoai Jocelyn, raim-pianakaviana iray ao Ambovombe ao. Mahatratra 240 litatra hatramin’ny 480 litatra ny rano jifainy isan-kerinandro amin’ny fandaniana ao an-tokatranony : alohany isam-bolana amin’i Izintsoa. Iainan’ny tokatrano tsirairay any an-toerana ny fitsitsiana rano noho ny vidiny fa indrindra nohony mahasarotra azy amin’ny fotoanan’ny maintany. Misy fotoana manko tena tsy misy io rano mamy alain’ny mpaka rano io dia voatery mividy rano matsaboka avy amin’ny vovo amin’ny bassin eo an-tanana, raha misy ihany koa.
- Mpianatra fito mianadahy avy ao amin’ny AKAMA no miatrika ny BEPC.
- Fitsarana miaramila: karapanondro sy penina ihany no ilaina.
- Fifaninana lahatsoratra amin’ny fiteny bara, faniriana te-hanandratra ny tenim-paritra no nanosika ireo mpandray anjara.
- Fialam-boly ataon’ny ankizy 4-6 taona eo amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao.