Randrianarisoa Razafindrakoto Mario a travaillé dans la sérigraphie depuis 13 ans. Après avoir suivi une formation, il a investi environ 2 millions d’ariary pour acheter les matériels. La bonne qualité de travail et le soin des détails sont les clés pour garder les clients.
Un propriétaire de cyber café a investi 5 millions d’ariary pour acheter les imprimantes. Pendant une élection législative ou communale, un candidat imprime environ 300 affiches. A préciser, que les candidats d’une élection présidentielle impriment leurs affiches à l’étranger.
13 taona nanaovana sérigraphie izao i Randrianarisoa Razafindrakoto Mario. Niofana momba io asa io izy ary nanokatra ho azy manokana. 2 tapitrisa ariary no nividianany ny fitaovana rehetra. Ny fikaliana ny asa no ahafahany mahazo mpanjifa maro.
5 taprisa ariary eo no natonton’ny mpanao cyber iray eny Ambohijatovo nividianana fitaovana « imprimante ». Tsy mampanonta afisy eto Madagasikara ireo kandidà ho filoham-pirenena fa any ivelany. Ireo kandida ho solombavam-bahoaka na ben’ny tanana no mampanamboatra afisy eto an-toerana. 300 isa eo no hampanaovin’izy ireo mandritra ny fifidianana.  Â
La question d’éthique est très importante, pour être un bon politicien, en plus de l’étudier. A l’université, l’étude de la politique consiste surtout à élaborer des stratégies à partir des paramètres autour du fait, d’après Emilio un étudiant en science politique. Un Parti, de son coté, a une vocation d’éduquer ses membres. Pourtant, les partis politiques à Madagascar ne sont pas bien structurés et ne tiennent pas ce rôle, avoue le député de Miarinarivo Itasy Fetra Rakotondrasoa. Une reforme de parti politique est donc nécessaire pour préparer des relèves politiques, selon Li Andrianasolo, président de l’ONG Andrisa.
Ankoatra ny mianatra dia ilaina ihany koa ny fananana etika raha te ahomby amin’ny fanaovana politika. Ny fianarana politika any amin’ny oniversite dia mandalina ny lafiny rehetra. Mila jerena mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra, hoy i Emilio mpianatra momba ny siantsa politika. Ny antoko ihany koa dia tokony hampianatra politika ireo mpikambana saingy tsy mipetraka mazava ny rafitra misy azy ireo, hoy i Fetra Rakotondrasoa, solombavambahoaka any Miarinarivo Itasy. Mila mihavao ny antoko politika eto amintsika mba ahafahana manomana mpanao politika mahay mandray fanapahan-kevitra hampandroso ny firenena, hoy i Li Andrianasolo, filohan’ny ONG Andrisa.
Les cartes électorales sont déjà dans les Fokontany. Il présente quand même des anomalies. Le rapporteur général de la CENI a indiqué que dans ce cas, la carte reste toujours valide. Selon la loi si cette erreur est survenue, un représentant du Fokontany devrait témoigner qu’il s’agit bien de la personne. Et on enregistre ça sur le procès-verbal du bureau de vote.
Efa tonga eny anivon’ny Fokontany ny karatry ny mpifidy. Misy ihany ireo tsy fahatombonana madinidinika hita ao anatiny. Na dia misy aza izany, manankery foana ny kara-pifidianana hoy i Andriamarotafika Soava, mpampiaka-tenin’ny CENI. Araky ny lalà na, raha misy tranga toy izay dia mila vavolombelona iray avy ao amin’ny Fokontany fotsiny manamarina fa tena io tokoa ilay olona voasoratra anarana. Raisina an-tsoratra ao amin’ny biraom-pifidianana izany avy eo.