Pour apaiser les différents problèmes auxquels nous devons faire face, que ce soit les relations avec autrui, la santé, le travail ou autre ; il existe la psychothérapie pour y remédier.
D’un enfant à un adulte, parler est un moyen de se vider. Nous le faisons la plupart du temps entre familles, amis ou encore entre collègues, mais n’oublions pas qu’un spécialiste peut apporter de meilleures réponses à nos questions. Une séance d’une heure peut changer notre façon de voir les choses. Certes peut-être répétitive avant d’obtenir un résultat probant, mais nous apprend à mieux gérer nos émotions. Kolo Randriamanana fait partie de ces personnes de soutien.
.
Mba hanamaivanana ny olana isan-karazany atrehintsika, na fifandraisana amin’ny hafa, na fahasalamana, na ara-kasa na zavatra hafa; dia misy ny atao hoe psychothérapie mba hamahana izany.
Manomboka amin'ny zaza ka hatramin'ny olon-dehibe, ny firesahana dia fomba iray hisorohana izany. Matetika isika no manao izany amin'ny fianakaviana, namana na mpiara-miasa, fa tsy adinoina koa fa misy ny manam-pahaizana manokana afaka manome valiny mihoatra noho ny hafa. Efa afaka manova ny fomba fijerintsika zavatra ny fizahana adin’ny iray miaraka aminy. Mety miverimberina ny fandehanana any aminy alohan'ny hahazoana vokatra mahafapo, fa mampianatra antsika kosa hahay handanjalanja kokoa ny fihetseham-pontsika. Anisan’ireo mpanohana ny olona manana olana izay i Kolo Randriamanana.
Parmi les maladies que risquent les femmes enceintes, il y a les différentes infections comme la varicelle ou la syphilis. Mais ne négligeons pas l’hypertension artérielle qui touche 10% d’elles dans le monde selon l’OMS. Alors pour s’assurer que les futures mamans iront bien, elles ont besoin de surveiller leur poids et faire de l’activité physique. Une femme enceinte âgée de plus de quarante ans est plus vulnérable d’être tensionnaire, de même pour les diabétiques d’après les explications du Docteur Ramanantsoa Tahina. Les maux de tête et les nausées sont les signes les plus courants pour reconnaître une tension élevée.
Anisan’ny aretina atahorana ho an’ny vehivavy bevohoka ny infection isankarazany na fihanaky ny aretina toy ny nendramboalavo na solopiso. Fa tsy azo atao antsirambina koa anefa ny fiakaran’ny tosi-drà izay mahakasika ny 10% ny vehivavy behovoka maneran-tany araka ny voalazan’ny OMS. Noho izany, mba hahazoana antoka fa salama tsara ny vehivavy iray mitondra vohoka, dia mila manara-maso ny lanjany sy manao fanatanjahan-tena izy. Ny vehivavy bevohoka efapolo taona noho mihoatra no mora voakasik’izay fiakaran’ny tosidrà izay, toy izany koa ho an’ny misy diabeta, araka ny fanazavan’ny dokotera Ramanantsoa Tahina. Ny aretinan-doha sy ny maloiloy no anisan’ny hamantarana ny fiakaran'ny tosidrà izay.
FIER MADA est un évènement de rencontre pour les acteurs de l’agriculture et de l’élevage. Chaque année, les étudiants de l’université de Bevalala, qui se spécialise dans ces domaines, profitent de cette grande occasion pour exposer leurs résultats de recherches.
Lucky Andrianirina, propriétaire d’une usine de transformation de tamarin, a pu rencontrer ses fournisseurs grâce à sa participation au FIER MADA. Il a eu plus de vente et a eu diverses expériences.
Hetsika natao hampihaonana ireo tantsaha, mpandraharaha ary ny mpanjifa FIER MADA. Misy oniversite mianatra manokana momba ny fandraharahana eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana eny Bevalala ary mampiranty ireo voka-pikarohany ireo mpianatra isaky ny Fier Mada mba hitady lalam-barotra.
Ho an’i Lucky Andrianirina, tompona orinasa manodina ny voamadilo ho saosy, dia tamin’ny FIER MADA tamin’ny herintaona no nahitany ireo tantsaha hamatsy voamadilo azy. Mahalafo betsaka noho ny andavanandro izy mandritra io hetsika io ary betsaka koa ireo traikefa azo vokatry ny fifampizarana tamin’ny namana.
« Youth Corner », un événement organisé par le ministère de la jeunesse pour rapprocher les jeunes avec des opportunités de stages, d’emplois, de formations et de vie associative. Suite à cet événement, est-ce que le ministère a atteint son objectif ? Qu’est-ce qui est à améliorer ? Tsikitsiky Razanamasy, directrice de la jeunesse au ministère va répondre à ces questions dans un premier temps. Ensuite, découvrons ensemble l’Institut le Capricorne avec sa fondatrice, docteur Nina Iharimalala, c’est un institut de formation spécialisé dans le développement rural.
« Youth Corner », hetsika iray nokarakarain’ny ministeran’ny tanora, mba hanomezana ny tanora ireo soa fanararaotra mikasika ny fianarana asa, ny fitadiavana asa, ireo fiofanana ary ny fiainana anaty fikambanana. Tao aorian’io hetsika io, nahatratra ny tanjony ve ny ministera ? Inona ireo fanatsarana ho an’ny andiany manaraka ? Hamaly ireo fanontaniana ireo ao amin’ny tapany voalohany i Tsikitsiky Razanamasy, izay talen’ny tanora ao amin’ny ministera. Avy eo kosa isika dia hahafantatra bebe kokoa ny Institut le Capricorne miaraka amin’ny mpanorina azy, doktera Nina Iharimalala, toeram-piofanana misahana manokana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izy io.
Les images sont aussi importantes que les mots pour faire passer une information. Pour rendre des images fidèles à la réalité, les photojournalistes ont des techniques particulières à ce type de photographie. Comment y arrivent-ils ? Henintsoa Rafalia nous montrera comment dans un premier temps : les préréglages, la façon de prendre une photo, et tout ce qui suit. Ensuite, ce photojournaliste expérimenté donnera des conseils pour ceux qui veulent se lancer dans le même chemin que lui : ce qu’il faut apprendre, et comment les apprendre, à quel avenir se préparer. Tout cela dans l’émission Ketrika Sy Kandra.
Zava-dehibe toy ny teny sy ny soratra ihany ny sary amin’ny fampahalalam-baovao. Mba hakàna sary izay mampiseho ny tena misy marina, dia manana ny fomba fanaony manokana ireo mpaka sary ho an’ny fanaovan-gazety na photojournalistes. Ahoana no fomba havitan’izy ireo izany ? Mampiseho izany i Henintsoa Rafalia ao amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana : ny fanomanana ny fakan-tsary, ny fomba fakana sary, ary ny asa atao rehefa avy maka sary. Avy eo kosa dia hanoro hevitra ireo izay te hanaraka ny diany io photojournaliste manana traikefa io : ny tokony ianarana, ny fomba fianarana an’izany, ary ny ho avy mila omanina. Izay rehetra izay no ato amin’ny fandaharana Ketrika Sy Kandra.
Créer sa propre entreprise ou mener à bien son projet représente un défi énorme : en plus de la viabilité du projet, il faut aussi s’occuper des démarches administratives et de la promotion. Heureusement, des programmes existent pour accompagner les nouveaux incubateurs, c’est ce qu’on appelle une « incubation » et c’est ce que nous allons découvrir dans cette émission Ketrika Sy Kandra. D’abord, nous allons suivre le parcours d’une jeune porteuse de projet qui bénéficie d’une incubation, ensuite, nous allons apprendre les astuces pour bénéficier au mieux d’une incubation, avec un responsable dans la plateforme entrepreneuriale NextA.
Fanamby lehibe izany hoe manangana orinasa na manatanteraka tetikasa izany : ankoatran’ny fikononkononana ny fahombiazan’ny tetikasa, dia eo ihany koa ireo dingana ara-panjakana sy ny dokam-barotra. Soa ihany fa misy ireo tantsoroka natao manokana ho an’ireo izay vao hirotsaka eo amin’ny fandraharahana, « incubation » no fiantsoana an’izay, ary izay no ho resahantsika ato amin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra. Hanaraka tanora iray manana tetikasa anaty incubation aloha isika, rehefa vita izay dia ho fantarintsika ireo fikafika rehetra raha te hahazo ny tsara indrindra avy amin’izay incubation izay, miaraka amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny NextA, toerana natokana ho an’ny mpandraharaha.
A part les formations universitaires classiques, l’autoformation peut aussi déboucher sur des opportunités et des emplois. C’est le cas de Herindrainy Tantely Andrianambinina, il a maîtrisé le développement web en étant autodidacte, quel est son parcours et à quels défis doivent-il faire face ? Et pour ceux qui souhaitent s’engager dans le même chemin que lui, Tojo Yharimanana de chez Entreprendre à Madagascar nous donne les clés pour réussir en tant qu’autodidacte.
Ankoatran’ny fianarana arahana eny amin’ny oniversite, dia hazahoana misitraka soa fanararaotra sy mahazo asa ihany koa ny fampianaran-tena. Toy izany i Herindrainy Tantely Andrianambinina, fampianaran-tena no nahafahany nifehy ny développement web, ahoana no nahatongavany teo amin’io toerana io ary inona no fanamby mbola atrehiny ? Ho an’ireo izay te hanaraka ny diany kosa, dia manoro antsika ny tsara ho fantatra rehetra raha te ho tafita avy amin’ny fampianaran-tena i Tojo Yharimanana avy ao amin’ny Entreprendre à Madagascar.
Bienvenu dans Sandrify l’émission culturelle du Studio Sifaka. On voit souvent une variété de tissu, de pagne de couleur jaune, rouge, orange dorée ou violette, utilisée dans beaucoup de cérémonies religieuses ou de festivités culturelles. C’est le Sobahya, le tissu que l'artiste jaojoby porte toujours sur sa taille et son épaule lorsqu'il est sur scène.
Un « lamba » de grande valeur, signe de noblesse porté traditionnellement uniquement et occasionnellement par les souverains et qui a une grande place dans la tradition sakalava. Il a la même valeur que le « lamba arindrano » et le « lamba landy » portés par les souverains des Hautes Terres malgaches.
Mais quelle est vraiment l’histoire du « Sobahya » ? Nous allons en parler avec Cerveau Kotoson, enseignant chercheur à l’université d’Antsiranana.
Tongasoa eto amin’ny Sandrify, fandaharana ara-kolontsainan'ny Studio Sifaka.
Matetika isika no mahita lamba maroloko hisalorana hahitana loko mavo, mena, volomparasy milokom-bolamena na volomparasy izay ampiasaina amin'ny fomba ama-panao samihafa sy fety ara-kolontsaina ireny. Io ilay hoe Sobahya, ilay lamba matetika hitantsika sikinana sy lanjain’ny mpanakanto jaojoby isaky ny miaka-tsehatra izy.
Lamba manana lanja lehibe izy io ary mariky fiandrianana ka hanaovan’ireo ampanjaka amin’ny fomba amam-panao ireny ary manana toerana lehibe amin’ny fomban-drazana Sakalava. Mitovy lanja amin’ny “lamba arindrano” sy ny “lamba landy” fanaon’ny mpanjaka teto anivon-tany izy io.
Inona anefa no tena tantaran'ny “Sobahya”? Hiresaka momba an’izany i Cerveau Kotoson, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’Antsiranana.