Nous allons vous emmener à Alaotra pour la distillation de vin de tomates dans la première partie de l’émission Ketrika sy Kandra. Le vin de tomates existe déjà vers 1930 au Québec Canada. Constatant l’abondance de tomates dans la région d’Ambatondrazaka, Raharisoa Josia a décidé d’en fabriquer à part la confiture qu’elle a déjà fait auparavant. Elle va nous partager les processus de fabrication, de la sélection des tomates jusqu’à la mise en vente.
Nous allons aborder également dans la deuxième partie de l’émission le secteur rizicole. Rabezatovo Haja, un jeune entrepreneur et PDG de l’entreprise Tour d’Alaotra, nous partage ses activités dans ce secteur. Nous vous invitons à suivre l’émission pour les détails.
Ho any Ambatondrazaka hiresaka ny fanamboarana divay vita amin’ny voatabia isika ato amin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra anio. Efa nisy tany Québec Canada izy io tany amin’ny taona 1930 tany. Nahatsikarika kosa i Raharisoa Josia fa betsaka ny vokatra voatabia ao amin’ny faritra ka nanampa-kevitra ny anodina izany mba tsy ho verivery fotsiny na ho loa. Hitafatafa amintsika ny asa manodidina izay izy ka araho atramin’ny farany ary ny fandaharana.
Ato amin’ny tapany faharoa indray isika dia hiresaka ny sehatry ny vary any Ambatondrazaka ihany. Rabezatovo Haja, tanora mpisehatra ao anatin’izany no mpanorina ihany koa ny orinasa Tour d’Alaotra no hiresadresaka amintsika io sehatr’asa io.
Le rock-sudiste est un genre de musique qui mélange le rock, du blues au Heavy Metal, avec la musique traditionnelle du Sud de Madagascar comme le Banaiky ou le Tsapiky. Ça commence avec un peu de blues au début, un petit zest de Reef de Heavy Metal puis on ajoute le rythme du Tsapiky, nous raconte Doc Metaly, membre du groupe Mendorave, sur la composition de leur morceau Mangily Ambony Ambany. Solofo Ranaivo, journaliste spécialiste du Rock et du Metal explique que la musique traditionnelle ne perd pas son identité, la base est toujours là.
Karazana mozika mampifangaro ny mozika roka, toy ny Blues na Heavy Metal, sy ireo mozika netim-paharazana avy any atsimon’i Madagasikara, Tsapiky na Banaiky, ny « Rock-sudiste ». Atomboka amina Blues kely aloha amin’ny voalohany ary apiana “Reef” ana “Heavy Metal” indray avy eo ary izay vao ataingina eo ny gadona Tsapiky hoy i Doc Metaly, mpikambana ao amin’ny tarika Mendorave, raha miresaka ny namoronany ny hiran’izy ireo mitondra ny lohateny hoe Mangily Ambony Ambany. Manazava kosa i Solofo Ranaivo, mpanao gazety mpikirakira momba ny mozika rock sy metal fa tsy mahavery ny maha izy azy ilay mozika netim-paharazana ny fanafangaroana azy amin’ny mozika avy any amin’ny firenena hafa rehefa ao ny fototra itoeran’ilay izy.
La charte de bonne conduite pour les partis politiques a atteint plus d’une trentaine de signatures. C’est une initiative lancée par la fondation Friedrich Ebert Stiftung qui a été présentée officiellement hier à Antananarivo. Mireille Clémence Andriambolanoro, la responsable des programmes de gouvernance participative auprès de la FES Madagascar nous a expliqué l’importance de cette charte vis-à-vis de la situation politique à Madagascar. L’application et la suite de cette charte jusqu’à l’élection présidentielle sont les rôles des organisations de la société civile et les institutions étatiques.
Nahatratra telopolo mahery ireo antoko politika nanao Sonia ilay sata mifehy ny antoko politika. Izay notontosain’ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung ka natolotra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 23 aogositra. Fanazavan’i Mireille Clémence Andriambolanoro, tompon’andraikitra amin’ny fandaharan’asa gouvernance participative ao amin’ny FES Madagascar. Ny maha zava-dehibe izany sata izany manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Ny fampiharana sy ny fanohizana io sata io hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny andraikitry ny firaisamonim-pirenena sy ny andrim-panjakana amin’ny fampiharana io sata io.