Youth corner est un évènement organisé par le Ministère de la Jeunesse et des Sports qui offre beaucoup d’opportunités pour les jeunes, que ce soit au niveau local ou à l’international. Ça s’est passé le 7 et le 8 Juillet au Stade Barea Mahamasina. Plusieurs stands pour des pistes de travail, de formation, des études à l’international s’ouvrent aux jeunes. Selon les explications de Tsikitsiky Razanamasy, directrice générale de la jeunesse au ministère, il y a eu des partages d’expérience en live, comme la fabrication de savon ou de charbon écologique par exemple ou encore la fabrication de pâte alimentaire. A part cela, il y a eu également des speed recruting, c’est-à-dire que les jeunes passent un entretient directement. Des masters class vont également traiter des thèmes sur l’entreprenariat, l’employabilité des jeunes ou la santé des jeunes.
Youth corner, hetsika karakarain’ny ministeran’ny tanora sy ny fanantanjahantena izay manome fanararoatra ho an’ny tanora, na eto an-toerana na any ivelany izany. Natao ny 7 sy 8 jolay tany amin’ny kianja Barea Mahamasina izy io. Tranoheva maro no nitsangana nanome sehatra ho an’ny asa izay azon’ny tanora atao, misy ihany koa ireo fiofanana, vatsim-pianarana makany ivelany misokatra ho an’ny tanora. Araka ny fanazavan’I Razanamasy Tsikitsiky, tale jeneralin’ny tanora ao amin’ny ministera, nisy ny fifampizarana mivantana amin’ny fanamboarana savony, fandraisana miasa eo no ho eo, fizarana mahakasika ny lohahevitra manodidina ny fandraharana sy ny fampananan’asa ny tanora sy ny fahasalaman’ny tanora.
Bosco est l’un des fabricateurs de pirogues en fibre à Mananjary. Avec 25 mètres de longueur, une pirogue pesant environ 40 tonnes peut prendre jusqu’à 4 semaines pour la construire. Ces dernières sont destinées à transporter des passagers ou des marchandises tout au long du canal de Pangalanes. Une fois fonctionnelles, des convoyeurs et mécaniciens s’occupent de sa bonne marche pendant le trajet.
Iray amin’ireo mpanamboatra ireny lakana vita avy amin’ny fibre lehibe ireny ao Mananjary i Bosco. 25 metatra eo ny halavany ary mahazaka entana milanja hatramin’ny 40 taonina eo ny lakana iray vitany mandritra efatra herinandro na mihoatra kely. Natao hitaomana entana sy mpandeha mampiasa an’iny lakandranon’I Pangalana iny ireo lakana amboariny. Any anatiny any kosa indray misy ny mekanisianina manokna miandraikitra ny fampandehanana tsara azy ireo eny an-dàlana.
Tsiva et Faly ont pris la parole au Studio Sifaka pour exprimer leurs opinions sur les actualités marquantes de la semaine. Le premier sujet parle du somment pour un nouveau pacte financier à Paris, le deuxième concerne la participation des jeunes au processus électoral et le dernier parle de la famine dans l’Afrique subsaharienne.
Tanora roa lahy mianatra ao amin’ny departementa ny serasera eny amin’ny oniversiten’Antananarivo indray no haneho ny heviny anatin’ny fandaharana ndao hilaoky isaky ny zoma hariva. Ireto lohahevitra telo tamin’ireo vaovao nandeha tamin’ity herinandro ity moa no horesahana. Voalohany, ny fivoriana an-tampony amin’ny fifanarahana ara-bola vaovao maneran-tany. Manaraka izay ny tanora sy ny fanaraha-maso ny fifidianana, ary faranana amin’ny mosary aty Afrika Atsimon‘i Saharaha.
Les dépenses électorales sont les dépenses engagées par un candidat, une liste de candidats ou un parti politique dont la finalité est l’obtention des suffrages des électeurs au sein de la circonscription électorale concernée.
Elles comportent deux catégories. D’abord les dépenses effectuées pendant la période de six mois précédant le premier jour du mois de l’élection jusqu’à la date du scrutin. Ce sont par exemple les dépenses liées à la production de divers supports de communication ou encore les indemnités des délégués ou autres membres de l'équipe du candidat.
Ensuite, les dépenses électorales engagées après le jour du scrutin jusqu’à la proclamation officielle des résultats. Il s’agit par exemple des crédits de communications, les dépenses liées aux déplacements ou le budget alloué à la surveillance des résultats.
A noter que toute dépense d’acquisition immobilière réalisée dans le cadre d’une campagne électorale ne constitue pas une dépense de campagne et ne peut être comptabilisée comme telle.
Inona no atao hoe fandaniana amin’ny fifidianana ?
Ny fandaniana amin’ny fifidianana dia ireo fandaniana rehetra ilaina mba handresena lahatra ny mpifidy hifidy kandida na lisitra na kandida iray. Mizara roa izany, ny voalohany dia ireo fandaniana natao enim-bolana mialohan’ny andro voalohan’ny volana amin’ny fifidianana mandra-pahatongan’ny datin’ny fandatsaham-bato. Anisan’izany ohatra ny fanontana ireo peta-drindrina na fitaovan-tserasera isan-karazany na koa ny tambin-karama ho an’ny délégué na mpikambana hafa ao amin’ny ekipan’ny kandidà.
Ny faharoa, dia ireo fandaniana atao aorian’ny andron’ny fifidianana mandrampivoakan’ny valim-pifidianana amin’ny fomba ofisialy. Ohatra hoe : ny vola ilaina amin’ny fifandraisana, ny fandaniana amin'ny fivezivezena isan-karazany ary ny tetibola natokana ho an'ny fanaraha-maso ny voka-pifidianana.
Marihina kosa fa tsy azo isaina ho toy ny fandaniana amin’ny fifidianana ny fividianana trano mandritra ireo vanimpotoana ireo.
Le trésorier de compte de campagne est une personne physique salarié ou non. Il doit disposer de la capacité civile pour contracter librement, régler les dépenses et encaisser les recettes de la campagne.
La désignation du trésorier de compte de campagne se fait par une déclaration écrite. Celle-ci est signée par le candidat ou le représentant de chaque entité en faveur d’une option, et déposée auprès de la CENI. La déclaration est accompagnée de l’accord exprès du trésorier désigné. La désignation du trésorier prend effet le jour de la déclaration. Un même trésorier ne peut être désigné par plusieurs candidats, listes de candidats ou options.
Dans le mois qui suit la désignation du trésorier de compte de campagne, la déclaration établie à cet effet fait l’objet d’une insertion au Journal officiel de la République de Madagascar par les soins de la CENI.
Inona no asan’ny mpitahiry ny kaonty amin’ny fampielezan-kevitra ?
Olona mandray karama na tsia ny mpitahiry ny kaonty amin’ny fampielezan-kevitra. Tsy maintsy manana fahafahana sivily hifandray malalaka izy, handoa ny fandaniana ary hanangona ny vola miditra amin’ny fampielezan-kevitra. Ny kandida dia tsy afaka atao mpitam-bolan’ny kaonty amin’ny fampielezan-kevitra.
Ny fanendrena ny mpitahiry kaonty amin’ny fampielezan-kevitra dia atao amin’ny alalan’ny fanambarana an-tsoratra, nosoniavin’ny kandida, ary apetraka eny amin’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Izy io dia miaraka amin’ny fifanarahana mazava amin’ny mpitahiry vola voatendry. Ary ny fanendrena ny mpitahiry vola dia manakery amin’ny andro anaovana ny fanambarana an-tsoratra. Ny mpitam-bola ihany koa dia tsy afaka tendren’ny kandida hafa ho mpitam-bolany fa mpitam-bola tokana ho an’ny kandida iray.
Ny volana manaraka ny fanendrena ny mpitahiry ny kaontim-pitantanana ny fampielezan-kevitra dia ampidirina ao amin’ny gazety ofisialin’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiahin’ny CENI.
Safidy, Tafita et Johary ont participé au débat Ndao hilaoeky au Studio Sifaka cette semaine. Ils ont exprimé leur point de vue sur les trois sujets d’actus diffusés cette semaine : travail des enfants : les quatre secteurs dangereux à éradiquer ; les électeurs ont jusqu’à 17 juillet pour s’inscrire dans la liste électorale ; les lasers peuvent entrainer des lésions oculaires.
Safidy, Tafita, Johary, izy telo mirahalahy ireo no hizara ny heviny sy ny fomba fijeriny mahakasika ireo lohahevitra telo naroso tamin’ny vaovao nandeha nandritra ny herinandro anatin’ny fandaharana Ndao hilaoeky. Ireto avy ny lohahevitra telo : misy asa efatra voasokajy ho mamoadoza ho an’ny zaza tsy ampy taona ; manana hatramin’ny 17 jolay indray ireo feno taona hisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy ; mety ahajamba ny Lasers.