L’addiction aux drogues dures peut être liée aux problèmes sentimentaux tels que le manque d’image paternel, la mauvaise relation maternelle, la difficulté de s’exprimer, la peur de l’abandon etc, d’après un psychologue et psychothérapeute Mihaja RABENORO. La thérapie se fait en deux temps : un soin médical pour éliminer les toxines et une thérapie familiale. La durée du traitement dépend du degré d’addiction aux drogues chez le patient, d’après le Dr ANDRIAMIARINARIVO Miarintsoa, addictologue.
Isan’ireo mety ho antony mahatonga ny tanora iray hiankindoha amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika ny lafiny fihetseham-po. Eo koa ny fifandraisana amin’ny ray aman-dreny, ny tsy fahasahiana hamoaka ny ao anaty, ny tahotra ho irery sy ny sisa araka ny fanazavan’ny psychologue sady psychothérapeute Mihaja Rabenoro. Misy lafiny roa kosa ny fitsaboana ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Ny fitsaboana ara-medikaly hanesorana ireo poizina mahatonga ilay olona mitady zava-mahadomelina foana. Eo koa ny fitsaboana ara-moraly hamahana ireo olana ara-pihetseham-po eo amin’ireo marary hoy kosa ny dokotera ANDRIAMIARINARIVO Miarintsoa, Adictologue.
L’antibiotique est un type de médicament destiné à tuer des bactéries. La prise fréquente ou excessive des antibiotiques donne une réaction négative sur le patient. A ce stade, il est indispensable de passer à une dose plus forte. Certain patient est allergique à une famille de médicament. Cela peut être héréditaire ou due à un excès de prise de ce médicament dans le passé. Le médecin prescrit autre médicament qui n’a pas de même composant de ce qui provoque des allergies aux patients.
Ny antibiotika dia karazam-panafody natao hamonoana ny bakteria. Raha hanina matetika ny antibiotika dia tsy mandaitra amin’ny vatana intsony, hany ka mitaky fatra mahery kokoa ilay marary. Misy karazam-panafody tsy zakan’ny marary ireo singa ao aminy. Mety ho tsy fahazakana nolovaina tamin’ny fianakaviana tany aloha izany na vokatry ny fihinanana be loatra io karazam-panafody io ary tsy zakan’ny vatana intsony. Omen’ny dokotera fanafody hafa tsy misy ilay singa tsy zaka ny marary iray tojo izay tranga izay.
Le magazine Karné a subi un an et demi de test avant sa sortie officielle. Il aborde des thèmes qui pourraient combler les connaissances des enfants de 8 à 14 ans selon les explications de son fondateur, Tahirimihamina Ravaka. Ils sont trois à travailler dans cette petite entreprise. En ce qui concerne les livres jeunesses, ceux de la librairie Saint Paul, les langues varient selon les besoins des consommateurs affirme sœur Isabelle, responsable de la librairie. Il y en a ceux en malgache, en français et même en anglais. Les prix varient de 1.500 Ariary à 50.000 Ariary.
Nandalo fanandramana nandritra ny herintaona sy tapany ny gazety boky ho an’ny ankizy, Karné. Miresaka ireo lohahevitra hanampy ny ankizy 8 hatramin’ny 14 taona izy ity hoy ny mpanorona azy, Tahirimihamina Ravaka. Tanora 3 izy ireo no ao anatin’ity orinasa kely ity. Ho an’ny boky ho an’ny ankizy koa, raha ny ao amin’ny fivarontam-boky Masindahy Paoly no resahina, isan-karazany ny teny hampiasaina araka ny filàn’ny mpanjifa raha ny nambaran’ny Masera Isabelle, tomponandraikitra ao amin’ny fivarotam-boky. Misy amin’ny teny Malagasy, amin’ny teny Frantsay, ary misy ihany koa amin’ny teny Anglisy. Eo amin’ny 1.500 ariary hatramin’ny 50.000 ariary eo ny vidin’ny boky ho an’ny ankizy ao.
Le certificat de chômage est un ticket numéroté avec lequel un recruteur peut identifier votre profil s’il correspond à ce qu’il cherche. Selon le chef de service de l’emploi Analamanga, Herimampianina Rakotoson, ce service n’est qu’un intermédiaire entre le candidat et le recruteur. Le certificat de chômage est surtout requis pour les dossiers de candidature des recrutements de fonctionnaires publics. Et à part cela, il est indispensable pour les bourses de 3e cycle à l’université ainsi que d’autres affaires administratives comme les ruptures de contrat d’abonnement ou pour bénéficier des aides sociaux.
Tapakila misy laharana hahafahan’ny mpampiasa miantso ireo mpitady asa mifandraika amin’ny tadiaviny ny « certificat de chômage ». Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha fampananan’asa Analamanga, Rakotoson Herimampianina, mpanelanelana ihany izy ireo amin’ireo mpampiasa sy mpitady asa. Ilaina amin’ny atotan-taratasy raha te hiditra mpiasam-panjakana izy ity. Ilaina ihany koa amin’ny vatsim-pianarana amin’ny ambaratonga faha-3 eny amin’ny oniversite. Mila azy ity ihany koa raha hanapaka fifanarahana na hisitraka fanampiana socialy.
Déjà, avant le scrutin, le bureau électoral, composé d’un bureau, d’un vice-président, de deux assesseurs, et d’un secrétaire reçoit une formation et des instructions conformément aux instructions relatives à l’application des lois électorales.
Le jour du scrutin, avant les votes : il transmet les documents nécessaires, tels que les bulletins et les listes électorales, aux bureaux de vote, puis s’assure que toute la logistique soit prête (l’urne, les cabines de réflexion, l’encre, les bulletins de vote etc). Il s’assure aussi du bon déroulement des votes, c’est-à-dire, vérifie s’il n’y a pas de fraude au niveau des bulletins, recense les plaintes ou protestations présentées par des électeurs ou des candidats concernant la conduite des élections. Deux membres sont votés par le bureau pour signer à l’endos du bulletin électoral afin de certifier que celui-ci soit valable.
À la fin des votes, ce même bureau s’assure de la confidentialité, la sécurité et le décompte correct des votes, conformément aux lois en vigueur. Fait un rapport détaillé, sécurise et remonte les voix vers le SRMV.
Inona moa no tena ataon’ny vaomieran’ny fifidianana (bureau électoral) amin’ny andron’ny latsa-bato ?
Mialohan’ny fifidianana aloha, mahazo fiofanana ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny fifidianana, mahakasika ireo lalàna mifehy sy ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fifidianana.
Ny andron’ny latsa-bato indray, manamarina izy ireo, hoe tomombana tsara ve ny fitaovana rehetra rehetra, toy ny lisitry ny mpifidy, ny trano fisaintsainana, ny ranomainty, ny biletà sns. Mitandro ihany koa izy ireo mba hizotra tsara ny latsa-bato. Mandray ireo fitarainana avy amin’ny mpifidy na ireo antoko politika. Mifidy mpikambana roa io birao io, mba hanao sonia ao ambadiky ny bileta tokana ho fanamarinana fa tsy nisy hosoka ireto farany. Ny hariva indray, manakatona ny latsa-bato izy ireo, mirona amin’ny fanisana ny vato eo imason’ny rehetra. Manao tatitra an-tsoratra ary mampiakatra ireo vato eny amin’ny SRMV.
Il y a plusieurs formes de fraudes électorales. Certaines pourraient être commises par les candidats ou leurs partisans, comme le détournement des votes, et d’autres par l’électeur lui-même.
On va parler de cette dernière. Selon la Loi en vigueur, toute personne qui se fait passer pour une autre et s’inscrit sur la liste électorale, toute personne qui omet de faire inscrire un citoyen dans la liste électorale, ou qui raye délibérément une personne déjà inscrite seront punies. Pareil pour celle qui vote au nom d’une autre personne ou celle qui profite d’une inscription multiple pour voter plusieurs fois. Un emprisonnement allant de 2 ans à 5 ans, avec une amende de 400.000 ariary à 4.000.000 ariary pourrait s’appliquer à l’auteur et à ses complices.
Inona avy ireo karazana fandikan-dalàna mety hitranga ataon’ny mpifidy, mialoha na mandritra ny fifidianana ?
Misy endriny maro ny fandikan-dalàna mahakasika ny fifidianana. Ny voalohany, ny fanodinana vatom-pifidianana aorian’ny latsa-bato. Ny iray kosa ireo hosoka ataon’ny mpifidy mialoha na mandritra ny fifidianana. Ity farany no ndeha ho resahantsika. Araky ny lalana manakery, tsy azo atao ohatra ny manao fanahy iniana manova na mandiso ny mombamomba anao anaty lisitry ny mpifidy, na io anarana, na ny laharan’ny karapanondro na koa mampiasa anaran’olon-kafa, efa maty na mbola velona. Mahavoasazy koa ny minia tsy mampiditra olona iray ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, kanefa mahafeno ny fepetra rehetra (feno 18 taona, mbola tsy nisazy, salama tsara). Ny mamafa anaran’olona efa nisoratra, tao anaty lisitra, kanefa olona mbola afaka mifidy. Ny misoratra anarana indroa na imbetsaka amin’ny toerana samihafa.
Iharan’ny sazy izay tratra manao izany sy ireo miray tsikombakomba aminy, ka famonjana 2 hatramin’ny 5 taona sy lamandy efatra hetsy ariary hatramin’ny 4 tapitrisa ariary no mety ihatra aminy.