Après plusieurs années de fermeture, l’université de Farafangana a enfin rouvert sa porte aux étudiants en 2021. Trois filières y sont disponibles pour l’instant dont la sociologie, la science et l’électricité. En parallèle, les étudiants ont mis en place une association pour mieux garantir leur réussite.
Naverina nosokafana indray ny sekoly ambony ao Farafangana ny taona 2021 teo, rehefa avy nakatona nandritra ny taona maro. Sampam-pampianarana telo hatreto no azon’ireo mpianatra ratovina, ny hay fiarahamoinina, ny siansa ary ny fianarana momba ny herinaratra.  Mampivondrona mpianatra manodidina ny 60 eo kosa ny fikambanan’ny mpianatra ao Farafangana amin’izao. Manampy ireto farany amin’ny fampandehanana ankapobeny ny fampianarana sy ny lafiny sosialy ny fisian’izy ity.
A Madagascar, quarante-quatre sur cent mille femmes sont atteintes du cancer du col de l'utérus selon une enquête menée par une organisation non gouvernementale dans l’Est de Madagascar.
Mais qu’est-ce qu’on peut faire pour prévenir le cancer du col de l'utérus ?
Se faire tester tous les trois ans quand on commence à avoir des relations sexuelles, utiliser un préservatif et éviter les partenaires multiples. Consultez immédiatement un médecin pour tout changements étranges ou inhabituels.
Cependant, le seul moyen de le traiter à temps est d’effectuer un diagnostic précoce. Il y a aussi la vaccination contre le virus du papillome humain ou HPV.
Ecoutons les explications du médecin Razafindrasendra Macrine.
Raha eto Madagasikara dia vehivavy efatra amby efapolo amin’ny vehivavy iray hetsy no voan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza araka ny fanadihadiana nataona fikambanana tsy miankina iray misahana ny fahasalamana tany amin’ny faitra Atsinanana.
Misy azo atao ary ve hisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ?
Eny tokoa, ohatra hoe manao fitiliana isan-telo taona rehefa manomboka miditra amin’ny firaisana ara-nofo, mampiasa kapaoty ary tsara raha tsy miray ara-nofo amina olona samihafa. Manatona mpitsabo avy hatrany vao misy fiovana hafahafa na tsy mahazatra amin’ny fivaviana.
Hatreto anefa ny fitiliana mialoha be ihany no hahafahana mitsabo azy ity ara-potoana. Eo ihany koa ny fanaovana an’ilay vaksiny miady amin’ilay viriosy Papilloma humain na HPV izay mahatonga an’ity homamiadana ity.
Henointsika ny fanazavan’ny mpitsabo Razafindrasendra Macrine
La séance de pratique en langue anglaise a été exploitée pour faire une sensibilisation sur la vaccination. Pendant le Friday Talk à l’American Corner de l’Université d’Antananarivo, les jeunes passionnés de cette langue se sont échangés en anglais sur l’avantage de la vaccination de COVID19. Les jeunes malgaches, membre de l’Union African Bingwa initiative font des sensibilisations sur la vaccination, explique un membre Rajaonarivelo Faliarisoa. Ces jeunes profitent de chaque occasion pour parler avec leurs proches et voisinage.
Nampiasaina nentina nanentanana ho amin’ny fanaovam-baksiny COVID 19 ny teny Anglisy. Nandritra ny Friday Talk tao amin’ny american corner no nanaovana izany. Nifanakalo sy nifampizara ny voka-tsoa azo avy amin’ny fanaovana vaksiny ireo tanora nanatrika izany. Manentana ho amin’ny fanaovam-baksin’ny COVID 19 ho an’ny zaza sy ny olon-dehibe ny tanora mikambana ao amin’ny Union African Bingwa initiative. Ny fanelezana ireo tsara ho fantatra mba ahafahana mamonjy ny ain’ny hafa no tanjon’izy ireo. Ny sehatra rehetra ahafahany miresaka izany amin’ny mpiara-belona dia ataony avokoa.