En cas de perte ou d’usure de sa carte d’électeur, l’électeur doit immédiatement prévenir le responsable du démembrement de la Commission Electorale Nationale Indépendante au niveau de la Commune qui en avise le président du bureau électoral intéressé afin d’empêcher un usage frauduleux de la carte perdue. Celui-ci délivre à l’électeur un récépissé de déclaration de perte servant à justifier de l’inscription sur la liste électorale et du droit de vote. Sur présentation du récépissé de déclaration de perte, un duplicata de la carte d’électeur est remis à l’électeur par la Commission locale de recensement des électeurs, pour la période de validité restante de sa carte d’électeur initiale.
Si un individu a perdu sa carte d’électeur et qu’il n’a pu obtenir ni un duplicata ni le récépissé prévu à l’article précédent en temps voulu, il lui suffit de justifier de son identité par la présentation de sa carte d’identité nationale et d’une attestation d’inscription sur le registre de recensement délivrée par la Commission locale de recensement des électeurs du Fokontany.
Tokony manana kara-pifidianana daholo ny olona rehetra voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy, fa ahoana anefa no tokony atao raha simba na very io karatra io ?
Raha very na simba ny kara-pifidianana, dia tsy maintsy manambara izany avy hatrany any amin’ny tompon’andraikitra misolo tena ny CENI eny amin’ny kaominina ny tompon’ilay karatra. Io indray avy eo no mampita izany any amin’ny filohan’ny biraom-pifidianana voakasika mba hisorohana ny mety ho fampiasan’ilay olona nahita an’io karatra very io amin’ny tsy ara-dalà na. Mahazo rosian’ilay fanambarana fahaverezana avy eo ny tompon’ilay karatra, ary iny rosia iny no manamarina fa voasoratra anarana sy manan-jo hifidy tokoa ilay olona. Iny rosia iny ihany koa no ahazahoana dika mitovy amin’ny kara-pifidianana izay omen’ny vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy, dika mitovy izay manan-kery mandritra ny fe-potoana mitovy amin’ilay karatra very na simba ihany.
Raha tsy nahazo dika mitovy ara-potoana kosa anefa ilay mpifidy, dia mbola afaka mifidy tsara izy, mila hamarininy amin’ny alalan’ny karapanondro fotsiny ny mombamomba azy ; ary ny taratasy manamarina fa misoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy tokoa izy. Taratasy izay omen’ny Vaomiera eo ifotony misahana ny fanisana ny mpifidy isaky ny fokontany.
Il existe 8 principes fondamentaux de la campagne électorale, selon la loi électorale. Voici 4 de ces principes :
Inona avy ireo foto-kevitra fototra amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ?
Miisa 8 ny foto-kevitra fototra amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana, araka ny lalà m-pifidianana. Ireto misy 4 amin'ireo foto-kevitra fototra ireo :
Chaque électeur reçoit une carte d’électeur, c’est cette carte qui justifie qu’il est inscrit sur la liste électorale. Cette carte est établie et signée par la Commission Electorale Nationale Indépendante à partir d’un modèle déterminé par un décret pris en conseil de Gouvernement après consultation de la CENI.
Sa validité est de cinq (5) ans à compter du premier janvier de l’année de délivrance sauf dispositions contraires dans le décret de convocation des collèges électoraux. L’électeur qui, pour quelque raison que ce soit, est radié de la liste électorale du Fokontany, doit rendre sa carte d’électeur auprès de la Commission locale de recensement des électeurs. Lors de la remise de sa carte d’électeur, il lui est délivré un certificat de radiation par la Commission locale de recensement des électeurs.
Inona avy ny tokony ho fantatra momba ny karatry ny mpifidy ?
Mahazo kara-pifidianana ny mpifidy tsirairay, io karatra io no manamarina fa misoratra ao amin’ny lisi-pifidianana izy. Io karatra io dia nosoritan’ny CENI avy amina môdely voafaritrin’ny didim-panjakana navoakan’ny Filankevitrin’ny Governemanta taorian’ny fifampidinihana tamin’ny CENI. Manan-kery mandritra ny dimy taona manomboka ny 1 janoary amin’ny taona namoahana izany io karatra io, hafa tsy hoe misy fepetra manokana. Ny mpifidy izay nesorina tao ao amin’ny lisi-pifidianana kosa, na inona na inona antony, dia tsy maintsy mamerina ny karatra mpifidiny any amin’ny vaomiera fisoratana anarana eo an-toerana. Omen’ny vaomiera eo an-toerana taratasy fanamarinana ny fanafoanana ny fisoratana anarany izy amin’izany.
Nous parlerons de musique dans l’émission de Ketrika sy Kandra d’aujourd’hui. La musique est une formation à part entière même si les jeunes malgaches ne s’y intéressent pas vraiment intéressés pour le moment. Un jeune qui a choisi cette formation en témoigne. Rasolofomamonjy Mahafaly, un professeur de musique, nous partage également son expérience en tant que professeur.
Mahasika ny mozika indray no resahin-tsika androany ato anatin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra. Lalam-pihofanana iray mihintsy ny sehatry ny mozika na dia mbola vitsy ary ny tanora no misafidy izany. Misy fizarana ataona tanora iray nisafidy izany lalam-pihofanana izany. Rasolofomamonjy Mahafaly, mpampianatra mozika kosa dia hizara ny lalana nodiaviny amin’ny maha mpampianatra azy.
Notre émission Ketrika sy Kandra d’aujourd’hui parle de la production de bio charbon et de savon dans la région Bongolava. L’association Sakaizan’ny Vohary forme les paysans dans la production de charbon écologique depuis 2 ans. Actuellement, beaucoup sont les paysans qui travaillent dans ce secteur. Naivo de son côté nous donne quelques détails sur son travail, qu’est la fabrication de savons. Suivez notre émission pour plus d’informations.
Famokarana harina sy savony any Bongolava indray no arahin-tsika eto amin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra androany. Nandritra ny 2 taona no nampihofana ireo tantsaha ny fikambanana Sakaizan’ny Vohary amin’ny fanamboarana saribao vita amin’ny bozaka. I Naivo kosa hitantara amin-tsika ny mombamomban’ny asany fanaovana sy fivarotana savony. Araho ary ny adinindininy eto amin’ny fandaharana.
La puberté est un moment de l’adolescence durant lequel le corps se modifie. Parfois elle peut engendrer des difficultés pour les jeunes. Certains peuvent avoir une fragilité psychologique. Quels rôles jouent les parents ?
Dingana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny vatan’ny tanora ny fahamaotina. Misy ny fiovana eo amin’ny vatana fa mety hiteraka fiovana eo amin’ny ara-tsaina ihany koa io. Manahoana ny fifampizarana eo amin’ny tanora sy ny ray aman-dreny makasika izany.
Nous avons de multitude d’huiles végétales qu’on peut utiliser dans notre alimentation. Britney Rasoloarsion nous partage les bienfaits des huiles alimentaires pour la santé. La consommation sans considération de ce produit peut mettre notre santé en danger et nous exposer au cancer.
Maro ireo karazana menaka fampiasa andrahona sakafo toy ny mena-boanjo, menaka oliva, menaka soja ary ny maro hafa koa. Misy ny vokan-tsoa azo avy amin’izy ireny ho an’ny fahasalamana. Ilaina ihany koa ny fandanjalanjana ny fihinanana azy satria mety hisy fiatraikany ratsy. Mizara amin-tsika ny tsara ho fantatra i Britney Rasoloarison.
La rage, un virus qui affecte les chiens, les chats ou d’autres animaux sauvages existent encore à Madagascar. On recense plus de 20 000 cas d’hospitalisation des enfants dus aux morsures des chiens selon le centre de traitement antirabique. Ce qu’il faut savoir sur la rage.
Mbola anisan’ny miady amin’ny haromotana i Madagasikara. Maro ny tranga miseho amin’ny alika, ny saka ary ny biby toy ny gidro. Misy ireo fepetra tokony ho raisina raha sanatria sendra ny biby maneho trangana haromotana na raha sanatria voakaikitra ianao.
La vie publique n’intéresse pas les jeunes malgaches. L’éducation en est une cause mais la situation économique et sociale aussi aggrave ce fait. Les jeunes consacrent plutôt leurs temps à des activités personnels. Pourtant, nos intervenants dont le sociologue, Dera Valisoa politiste et Falim Andriamiarimanana membre de l’association Liberty 32 espèrent qu’on peut encore changer cette situation en résolvant les problèmes autour.
Tsy liana amin’ny raharaham-pirenena ny tanora amin’izao fotoana izao. Ny tsy fahampian’ny fanabeazana eo ihany fa ny olana ara-ekonomika sy sosialy no antony tsy irobohan’izy ireo tanora ireo amin’ny raraham-pirenena. Aleony kokoa mitady izay hivelomana toy izay amin’izany. Mbola azo atao anefa ny manarina izany hoy ireo vahiny nandray anjara tamin’ny ady hevitra, Lanto, mpahay fiarahamonina, Dera Valisoa mpahay politika ary i Andriamiarimanana Falim, avy ao amin’ny Liberty 32 raha toa ka voavaha ny olana.