COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesLifestyle

Karine Manoa Linda

Karine Manoa Linda

mardi, 31 août 2021 11:00

Journal du 31 août 2021

  • Lalao fifanintsanana amin'ny Qatar 2022 : ny lalàna apetraky ny CAF no tokony arahina amin’ny lalao iraisam-pirenena eto Afrika
  • Kolikoly ara-pananahana : ahitana tranga matetika eny anivon’ireo sekoly sy anjerimanontolo any Toamasina, Foulpointe, Diana ary Analamanga
  • I-Tafa, ivotoerana mampindrana fitaovana ho an’ireo tanora manana tetikasa hanagana orinasa madinika
  • Andro iraisam-pirenena hoan’ny fisorohana ny « overdose » : tsy ampy ny fahatakaran’ny tanora malagasy sasany ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny vatany sy amin’ny fiainany

Niteraka disadisa eo anivon’ny Federasiona Malagasy amin’ny taranja Baolina Kitra sy ny fanjakana Malagasy ny fapahan-kevitra amin’ny fanatrehan’ny mpijery na tsia ny lalao izay hifandrianan’ny Barea amin’ny Benin. Ny 02 Septambra moa ny lalao no atao ary nahemotra ny 04 Septambra kosa ny fanokanana ny kianja vaovao ao Mahamasina. Manazava ny Sekretera jeneralin’ny Orange Proleague, Rakotoharimalala Mirado fa ny FIFA na ny Federasiona iraisampirenena amin’ny baolina kitra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ity lalao ity. Mpikambana ao anatin’izany ny Federasion Afrikana sy ny Federasion Malagasy ka ny lalàna mifehy io rafitra io arahina.  Raha mivoana amin’izay rafitra izay hoy izy dia mety hisy ny sazy ka ny FMF no iantefan’izay voalohany.


La décision sur l’autorisation de présence de spectateurs pendant le match éliminatoire entre les Barea et le Bénin a provoqué une tension entre la Fédération Malgache du Football et l’Etat Malgache. En effet, la rencontre sportive aura lieu le 2 Septembre comme prévu tandis que l’inauguration du nouveau stade à Mahamasina sera reportée deux jours après le match. Le secrétaire général de l’Orange Proleague, Mirado Rakotoharimalala a expliqué que la Fédération Internationale du Football est le premier responsable de l’organisation. Comme la Fédération Africaine et la Fédération Malgache en sont membres, les règlements et les décisions techniques régissant cette structure doivent être respectés. Pour toute négligence, la sanction sera premièrement adressée à la FMF.

mardi, 31 août 2021 09:58

Le kiridy et le fanapahan-jaza

Le kiridy est une fête célébrée lorsqu’un événement positif s’est réalisé, dans certaines campagnes, à Fianarantsoa. Il s’agit, entre autres, de guérison suite à une maladie, des fiançailles, un mariage. Pour ce faire, la famille et les proches sont invités et il est d’usage de sacrifier un zébu. De la musique, de l’alcool et la présence des ancêtres est sollicitée lors du Tambagna, selon Randrianierena Jean Claude.

En région Betsimisaraka, la circoncision est appelée fandrangitan-jaza ou fanapahan-jaza si l’appellation la plus commune est le « fora zaza ». Auparavant, l’hiver était le moment parfait pour le faire : le froid était choisi dans le but de faciliter la guérison. L’oncle de l’enfant doit être présent pour remplacer ses parents en cas d’absence ou s’il est orphelin. A la base, des œufs étaient offerts en guise de présent pour l’enfant, contrairement à la culture du cadeau comme les jouets, devenue une habitude de nos jours, selon Tony Ravelonarivo, spécialiste en culture Betsimisaraka.


Any Fianarantsoa, matetika any ambanivohitra any no tena fanao ny Kiridy, rehefa misy fifaliana na fahasoavana noraisina fianakaviana iray, ohatra amin’izany ny fahasitranana na koa ny fanambadiana. Asaina amin’izany ny fianakaviana ary hamonoana omby iray. Tsy ferana amin’izany ny toaka, ny mozika ary rehefa atao ny Tambagna dua antsoina sy isaorana ny razambe, noho ny soa be voaray, raha ny filaza’ni Randrianierena Jean Claude.

Any amin’ny faritra Betsimisaraka, fandrangitan-jaza na fanapahan-jaza no fiantsoana ny fora-zaza na ny didimpoitra. Rehefa ririnina no fanaovana azy mba tsy haha ela fery na’ilay zaza. Ny zamanjaza no antonina sy asaina raha tsy eo intsony ny ray amandreny niteraka azy. Raha ankehitriny dia tolorana kilalao ny ankizy vita hasoavana, taloha dia atodin’akoho no nomena azy, raha ny filazan’i Tony Ravelonarivo, izay mpahay fomba Betsimisaraka.

Lavez-vous fréquemment les mains, pendant 30 secondes au moins, en utilisant de l’eau et du savon, ou une solution hydroalcoolique. C’est un réflexe à avoir après avoir échangé de l’argent ou des cartes de crédit, avant d’aller à la salle de sport, au restaurant et au bar.

Restez à, au moins, un mètre des membres du personnel et des autres clients. Evitez les accolades, les embrassades et les poignées de mains. Portez votre masque si vous êtes dans un lieu clos ou fermé.

Demandez un service de désinfection régulière dans votre chambre. Vous pouvez utiliser aussi un spray désinfectant au cours de la journée et nettoyer les zones souvent touchées, comme les poignées de porte ou les clés.

En principe, les salles de sport, les plages, les piscines, les bains thermaux, les saunas peuvent être utilisés en toute sécurité. Demandez quand même à avoir une serviette à usage unique et à connaître le nombre maximal de personnes autorisées pour assurer la distanciation physique.

 



COVID-19 : inona ny fitandremana tokony atao rehefa matory any amin’ny tranombahiny ?

Sasao matetika ny tanana, mandritra ny 30 segondra farafahakeliny, amin’ny rano sy savony na gel hydroalcoolique, indrindra rehefa avy mikirakira vola, na alohan’ny andehanana any amin”ny toerana fanaovana fanatanjahantena, toeram-pisakafoanana na toeram-pisotroana.

Asio elanelana iray metatra rehefa miresaka amin’ireo mpiasan’ny hotely sy amin’ireo mpanjifa hafa. Fadio ny mifandray tanana, ny mifanoroka na mifamihina. Anaovy hatrany ny aro vava orona rehefa anaty toerana mihidy.

Ataovy azo antoka fa misy olona manadio matetika ny efitrano misy anao. Azonao atao ihany koa ny mitondra spray hydroalcoolique hanadiovana ireo toerana kasihan’ny tanana matetika, toy ny hidimbaravarana na lakle.

Amin’ny ankapobeny dia tsy misy atahorana ny mankany amin’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena, toeram-pilomanosana na fanaovana “sauna”. Tsara anefa mangataka lamba famahaona ho anao irery ihany ary mamantatra mialoha ny isan’ny olona afaka manao izany.


Njarasoa, 2ème année en communication, et Luc Faneva, 4ème année en communication, nous partagent leurs vécus en suivant des études en communication. Selon eux, il s’agit d’une filière transversale, touchant différents domaines : journalisme, multimédia, photographie, réseaux sociaux, etc. Et pour ceux qui veulent suivre cette formation à l’université d’Antananarivo, nous nous sommes entretenus avec un responsable au sein de la présidence de l’université. Il nous indique toutes les informations nécessaires pour préparer le concours d’entrée. Il note également qu’il existe deux catégories de formation, pour l’université d’Antananarivo. L’une, affiliée à la faculté, est plutôt théorique et l’autre, en tant qu’institution, se concentre plus sur la pratique.


Mitantara ny iainany amin’ny maha tanora mpianatra serasera azy, i Njarasoa, taona faharoa, sy i Luc Faneva, taona faha efatra. Milaza izy ireo fa betsaka ny azo hianarana ao amin’io lalam-piofanana io ankoatran’ny hoe serasera izay. Ho an’ireo izay te hanaraka izany ary dia niresaka tamin’ny tomponandraikitra tao amin’ny fiadidian’ny oniversiten’Antananarivo izahay momba ireo rehetra tokony ho fantatra raha hiditra ao. Milaza ihany koa izy fa misy karazany roa ny toeram-pianarana serasera ao amin’ity oniversite ity. Ny iray, miaraka amin’ny fakiolte, izany hoe miompana any amin’ny resaka lalantsaina kokoa no ianarana, ny iray kosa « institut » izany hoe miompana amina tranga eny an-tsehatra no tonga dia ianarana.

Fanadihadiana :

-Loharanonkarena lehibe ho an’ny Zafimaniry ny ala sy ireo hazo sarobidy ao anatiny.  Lany tamingana anefa ankehitriny ny ala ao antoerana izay ala voajanahary avokoa, noho ny asa sokitra, ny tavy ary ny fitrandrahana ala. Mila mandeha toerana lavitra vao mahita hazo ireo mpanao asa sokitra.  Eo ihany koa ireo miova asa. Vahaolana hamerenanana ny tetikasa ala ny fambolena hazo: Voaboana, tabizana, Nato, varongo sns. Miandry taona maro anefa vao lehibe ireo hazo ka natokana ho an’ny taranaka izany.

- Fomba fitsitsian’ny tanora ireo loharanonkarena.

Tafatafa: Ornella Assimini, filohan’ny fikambanana Let’s do it Madagascar, manazava momba ny « Jour de dépassement ».

Ny 26 Jolay teo no « jour de dépassement de la terre » ho an’ity taona 2021 ity. Andro iray manamarika fa tapitra tanteraka ny loharanon-karena biolojika eto ambonin’ny tany izay tokony hahavita antsika tao anatin’ny herintaona, izany hoe hatramin’ny volana Desambra. Ny ONG Global Footprint Network no namoaka izany. Antony mahatonga azy io ny fandaniana loharanon-karena biolojika be loatra. Anisan’ny manimba ala ny famokarana atao anaty indostria, ny fitrandrahana ireo hazo, fa eo ihany koa ny fandaniana angovo sy famokarana loto ataon’ny tsirairay ;

Torohevitra : Fitsitsiana angovo amin’ny andavanandro

Vaovao manodidina ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetrandro


Reportage:

-La forêt et ses bois précieux constituent une ressource essentielle pour les Zafimaniry. Cependant, la sculpture, la culture sur brûlis et l'exploitation forestière ont provoqué la déforestation dans cette zone. Les sculpteurs doivent parcourir de longs chemins pour trouver du bois, autrement ils changent parfois d’activités. Le reboisement se trouve être actuellement une des solutions pour raviver la forêt Zafimaniry. Mais les arbres prendront plus d’une cinquantaine d’années pour arriver à maturité, ils seront donc réservés aux générations futures. 

- Economie des ressources par les jeunes.

Interview : Ornella Assimini, présidente de Let's do it Madagascar sur le thème du « Jour de dépassement ».

Le 26 juillet, cette année 2021, est le jour du dépassement de la Terre. Ce jour marque l'épuisement total des ressources biologiques que la Terre peut régénérer en un an. Cela a été publié par l'ONG Global Footprint Network. Les êtres humains s’adonnent à la surproduction et à la surconsommation des ressources. C’est l’une des raisons de cet épuisement de ressources.  La production industrielle implique la déforestation, il y a aussi l'exploitation forestière, mais aussi la consommation d’énergie et la production de déchets par chaque individu.

Conseils pour économiser les ressources

lundi, 30 août 2021 12:14

Journal du 30 août 2021

  • Miroso amin’ny fanindromana ny fatra fahatelon’ny vaksiny hiarovana amin’ny COVID-19 ireo firenen-dehibe
  • Miandry ny fisokafan’ny sisintany ireo teratany malagasy tavela any amin’ny firenena hafa ankoatra ny Eoropa
  • Fiofanana momba ireo fihetsika tsy maintsy ampiharina eo amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny : manano sarotra ny fampiharana ireo fepetra sasany
  • Our KidsPreneur : fampianarana mamolavola rafibaiko ho an’ny ankizy, hanairana ny fahaizany mamorona

lundi, 30 août 2021 11:50

Journal des régions du 30 août 2021

    • Mahajanga : tsy nisy nanaja fepetra sakany ireo olona nijery star tour
    • Ihorombe : nahazo fitaovana hampiroboroboana ny fambolena ireo fikambanana mpamokatra sy tokantranona tantsaha mpamokatra
    • Moramanga : nandrombaka ny ambora tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Madagasikara taranja baskety latsaky ny 16 taona ireo ekipa zazavavy avy ao amin’ny SEPA Boeny sy ny ekipa zazalahy Fandrefiala Analamanga
    • Alaotra Mangoro : tsy mbola nivaha ny olana hatramin’izao momba ilay disadisa misy ao amin’ny toerana fitrandrahana béryl ao Andilana Avaratra, Amparafaravola

  • Mahajanga : non-respect des gestes barrières des spectateurs de la Star tour
  • Ihorombe : des associations de producteurs et plusieurs foyers de paysans ont bénéficié d’aide matérielle pour l’amélioration de l’agriculture et de l’élevage
  • Moramanga : championnat national basket U16, le SEPA Boeny (filles) et le Fandrefiala Analamanga (garçons) ont reporté les coupes
  • Alaotra Mangoro : le problème concernant l’exploitation de béryl à Andilana Avaratra, Amparafaravola n’est pas encore résolu

Très peu de jeunes de la région Androy choisissent l’entrepreneuriat, secteur pourtant pourvoyeur d’emplois et un des gages du développement de cette partie de l’île. Et pour cause, la culture entrepreneuriale fait défaut, et ce depuis des décennies. Le salariat demeure l’objectif des jeunes, alors que la région a davantage besoin de valeurs ajoutées créées. Jusqu’ici, la majorité des recrutements s’opérant sur la région émanent des projets associatifs et des programmes des ONG, des activités vouées à disparaître dans quelques années. Et même dans le salariat actuel, des problèmes émergent. En termes d’emplois, Odilon Nambinintsoa voit les jeunes de son district plus démunis face aux autres du district d’Ambovombe. « Les travaux accordés aux jeunes de Bekily sont de moins en moins qualifiés par rapport à ceux des jeunes issus du chef-lieu de région », soutient-il. Angela Rasoanandrasana renchérit pour sa part que : « sur les offres d’emplois destinées aux jeunes de Bekily, on lit souvent femmes de ménage, agent de sécurité, ou encore femme de chambres ».


Vitsy dia vitsy ireo tanora ao Androy no manana orinasa. Ity seha-pihariana ity anefa no isan’ny mpamorona asa sy manafaingana ny fandrosoana ara-toe-karena eo an-toerana. Isan’ny anton’izany tsy fahampian’ny orinasa izany ny tsy fanazarana ny tanora handraharaha. Mbola mikendry ny ho mpiasa ny ankamaroan’ny olona ao an-toerana. Hatreto anefa dia ireo tetikasa sy fandaharan’asan’ny fikambanana sy ONG no mampiasa olona betsaka any Androy. Tetikasa izay tsy haharitra. Misy olana ihany koa ny sehatry ny fizaran’asa ao Androy. « Ny ankamaroan’ireo asam-pitantanana dia olona sy tanora avy ao Ambovombe avokoa no mahazo azy, na dia any Bekily aza no misy ilay toeram-piasana », hoy i Nambinintsoa Odilon, tanora, mpitarika fikambanana avy ao Bekily. Manamafy izany i Rasoanandrasana Angela, tanora monina ao Bekily: « matetika dia asana mpamafa trano, na mpiambina no handraisana olona avy eto aminay ».

Reportage : Dans les régions Boeny et Betsiboka, la désertification gagne de plus en plus de terrain, selon le directeur inter-régional de l’environnement et du développement durable, Andrianjafy Ihando Niaina. La végétation locale a, pour principal ennemi, les différents types d’incendies forestiers. Pourtant, la protection des forêts est un enjeu majeur pour la survie des habitants de cette zone tant en termes de besoins fondamentaux que sur le plan économique.

Interview : Lorsqu’il est question de dégradation de l’environnement, nous savons tous que chacun est en partie responsable. Nous avons ainsi l’obligation de compenser les impacts de nos actions. A ce sujet, l’activiste environnemental, membre du Réseau Climat Océan Indien (RCOI) Rakotonjanahary Billy Melkiad nous fait découvrir le concept de « justice environnementale ».

DIY : Abandonner l’utilisation des papiers cadeaux afin de réduire les déchets plastiques. Cela est possible en se tournant vers d’autres alternatives plus écolos : le tissu carré, le papier de journal, le papier kraft, le sac en tissu, etc.


Fanadihadiana : Miha mivelatra ny tany efitra amin’ny faritra Boeny sy Betsiboka raha ny nambaran’ny Tale iraisam-paritra ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Anisan’ny fahavalon’ny zava-maniry voalohany any an-toerana ireo dorotanety sy doro ala isan-karazany. Ny fiarovana ny ala anefa dia lokanady lehibe hoan’ny mponina any amin’ireo faritra ireo na amin’ny lafiny fivelomana na amin’ny lafiny toekarena.

Tafatafa : Rehefa miresaka fahapotehan’ny tontolo iainana dia fantatra fa samy tompon’andraikitra avokoa ny tsirairay. Tokony hanonitra ny fiantraikan’izany fanimbantsika ny tontolo iainana izany isika. Mahakasika izay indrindra dia hampahafantatra antsika ny momba ny antsoina hoe “rariny ara-tontolo iainana” ny mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana mpikambana ao amin’ny Réseau Climat Océan Indien (RCOI,) Rakotonjanahary Billy Melkiad.

lundi, 30 août 2021 09:19

Le style vestimentaire Betsileo

En région Haute Matsiatra, plus particulièrement à Fianarantsoa, les tenues vestimentaires se démarquent lors d’un événement particulier comme dans le quotidien. En général, il est d’usage de porter des tenues neuves lorsqu’il y a un événement qui se prépare. Dans ce contexte, l’homme Betsileo porte généralement un malabary aux couleurs vives, sans oublier le lamba landy, selon Rasamoelina, spécialiste en tenues Betsileo. Dans le quotidien, il se pare d’un salaka, d’un pantacourt et n’oublie pas de se réchauffer à partir d’un lamba fait en coton, sans omettre son satro-bory. Si l’homme Betsileo a besoin de 5 mètres de lamba, 4 mètres sont suffisants pour la femme qui porte une robe longue, sans oublier le lamba. Pour ce qui est de la coiffure, la femme Betsileo porte des tresses et chaque tresse a une signification particulière.


Manana ny mampiavaka azy ny fitafy Betsileo. Manao akanjo vaovao ny Betsileo rehefa hamonjy lanonana. Ny lehilahy dia manao loko marevaka, malabary sy lamba landy rehefa tojo fotoana hifaliana. Amin’ny andavan’andro kosa dia salaka na pataloha fohy izay tsy mihoatra ny lohalika ary matetika misalotra lamba matevina vita amin’ny landihazo ary tsy manadino ny satro-bory ireo lehilahy. Ny vehivavy kosa dia mila lamba eo amin’ny 4 metatra eo raha 5 izany ho an’ny lehilahy raha ny filazan’i Rasamoelina, mpahay fomba Betsileo. Ny akanjon’ny ampela kosa dia tohin-tena ary manasaka ny kirangony satria ny loferana dia narovana noho izy mahamenatra, ary dia mitafy lamba ihany koa izy ireo. Raha ny taovolo dia ny randrana no mahavantana ny vehivavy Betsileo ary misy dikany avy ny karazan’ny randrana atao.

Ireo statistika avoakan’ny sampam-panjakana toy ny Cnaps, ny Instat, na koa ireo orinasa manara-rafitra no mazàna ahazoana ny tarehimarika na ny tahirin-kevitra ampiasaintsika amin’izao fotoana izao. Eo koa ireo avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena toy ny PNUD.

Manampy be amin’ny fanapahan-kevitra ho raisina amin’ny lafim-piainana rehetra mihintsy ny fananana statistika na tahirin-kevitra eo am-pelatànana.

Sarotra anefa ny manao ny kajikajy eto amintsika satria mbola mahazo vahana loatra ny sehatra tsy manara-drafitra (secteur informel), noho izany tsy azo itarafana ny fampandrosoana loatra hatreto ireo tarehimarika am-pelatanantsika.

Mila manana kolontsaina tia mikirakira sy fahazarana mizara fahalalàna isika eto Madagasikara (culture de gestion de connaissances) ary manokana fitaovana, teti-bola sy fotoana hanaovana izany.


Seules quelques institutions (CNaPS, Instat, etc) et programmes internationaux (PAM, PNUD, OIT, etc) s’investissent dans la collecte et gestion des données de référence.

La possession de ces données de référence aide à mieux se positionner, à avoir une meilleure perspective de la situation et à anticiper, dans un secteur en particulier dans une optique d’un développement efficient, en général.

Néanmoins, il est difficile de récolter ces informations à cause de la domination du secteur informel à Madagascar, ce qui complique l’acquisition des données fiables.

La priorisation et l’adoption d’une culture de gestion de connaissances, ces dernières n’étant encore considérées comme une richesse à Madagascar, est nécessaire. L’appui technique et financier devrait également figurer parmi ls priorités.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter