Miteraka asa maro ny fanamboarana divay satria mandalo dingana samihafa vao vita anaty tavoahangy izany. Fianakaviana 100 no miasa miaraka ho amin’ny famokarana divay any Maroparasy Ambalavao. Mamboly, manodina voaloboka ho lasa divay ary koa mivarotra izy ireo.
Miankina amin’ny loko tiana omena ny divay ny lanjan’ny voaloboka ampiasaina amin’izany. Ny milina « fouloir égrappoir » no manasaraka ny tahony, ny voaniny sy ny ranony vao miditra amin’ny fanotrehina. Ao aorian’izany vao tehirizina anaty « cuve ». Marihina fa raha sendra mahazo rivotra ny divay dia lasa andatra loatra ka mivadika ho vinaigre. Amin’ny alalan’ny « tireuse » no ampidinana ny divay anaty tavohangy. Ny fanetsemana tavoahangy amin’ny bouchon dia mbola asa hafa ihany koa. Manazava ny tompon’andraikitra ny famokarana, Michel Chan Foui, fa tavoahangy efa nahodina no averin’izy ireo ampiasaina. Â
Ho an’i Isabelle Rakotozafy, izay « oenologue » efa ho 20 taona lasa, marefo ny fampianarana « oenologie » ary tsy misy lalà na mifehy ny famokarana divay eto Madagasikara, hoy izy. Misy lalam-piofanana momba izany any Fianarantsoa fa vitsy ny mpampianatra misehatra aminy ankoatra ny tsy fahampian’ny enti-manana amin’ny fitaovana. Tsy manakana azy tsy hitaona ny ankizy hitrandraka sy hikaroka anefa izany. Mila olona hanao mpandimby hoy izy ity sehatra ity hampivoatra ny divay.
Â
Le secteur vinicole est générateur d’emplois. A Maroparasy Ambalavao, 100 familles se mobilisent pour produire du vin et le commercialiser. Pour la vinification, les étapes d’usage sont l'égrappage, le pressurage, la macération et la fermentation. Pour ce qui est de la mise en bouteille, le responsable de production de Maroparasy, Michel Chan Foui, précise que comme ils font du recyclage de bouteilles, l’insertion de bouchon se fait de façon manuelle, s’ils se servent de tireuse pour remplir quatre bouteilles par remplissage.
Il n’existe pas de normes de production de vin à Madagascar, ni d’école en œnologie, selon l’œnologue Isabelle Rakotozafy, qui aura bientôt 20 ans d’ancienneté dans l’enseignement de cette discipline. La filière « œnologie » existe à Fianarantsoa, cependant les enseignants dans ce domaine son peu nombreux et l’équipement n’est pas suffisant. La nécessité d’une relève disposée à partager son savoir sur le monde du vin se fait de plus en plus ressentir, raison pour laquelle elle aime partager ses connaissances aux jeunes, dans l’espoir de leur inculquer des valeurs comme l’importance des recherches et du développement se rapportant au vin.
Reportage : Sambalia est un concept autour du zéro déchet. La partie boutique propose des produits naturels et des produits sains qui mettent en valeur le savoir-faire local. On y trouve des produits alimentaires, des produits bien-être et des produits pour la maison respectant le mode de vie zéro déchet. Hony Radert, la fondatrice de Sambalia, travaille aussi avec d’autres acteurs de l’environnement afin de lutter contre le gaspillage et donner une deuxième vie aux vêtements.
Interview avec Rasamimanana Faravololona, fondatrice de l’entreprise sociale Vohitra Environnement sur le thème des Responsabilité Sociétale des Entreprises ou RSE.
La RSE désigne l’ensemble des décisions prises par une entreprise pour limiter les impacts de ses activités sur l’environnement et son entourage. Toutes sont concernées par la RSE, les petites et moyennes entreprises, comme les sociétés d’envergure internationale.
DIY : fabriquer un déodorant maison à base de huile de coco
Mot du jour : rohivoahary ou écosysème
Actus sur l’environnement
Â
Fanadihadiana : Sambalia dia toerana iray mivoy ny fomba fiaina tsy misy fako na mampihena ny fako. Manana toeram-pivarotana izy ireo ahitana vokatra malagasy, toy ny legioma sy voankazo, sakafo voaodina, vokatra fikarakarana ny vatana na ampiasaina ao antrano. Nosafidiana manokana hoe vokatra malagasy, vita eto an-toerana sy manaja izay fomba fiaina tsy misy fako izay ireo entana varotana ao. Ahitana toeram-pisakafoanana ihany koa ao ary mandray hetsika sy fihaonana manodidina io lohahevitra io.
Tafatafata nanasana an’i Rasamimanana Faravololona, filoha mpanorina ny orinasa sosialy Vohitra Environnement hiresaka momban’ny atao hoe Responsabilité Sociétale des Entreprises na RSE. Ny orinasa tsirairay dia manana andraikitra amin’ny fitandroana ny manodidina sy ny tontolo iainana misy azy. Ny RSE noho izany dia entina ilazana ireo fanapahan-kevitra raisin’ny orinasa iray mba hampihenany ny voka-dratsy mety ateraky ny asa ataony eo amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana.Â
DIY : fanamboarana déodorant azo avy amina menaka coco
Teny vaovao : rohivoahary na écosystème
Vaovao manodidina ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetrandro
Â
Â
Â
À l’époque où le mètre ruban et la montre n’existaient pas encore, les Malgaches avaient leurs propres références pour prendre les mesures et donner l’heure. Les membres du corps d’un adulte ayant atteint 1.65m figurent parmi les référents utilisés pour ce qui est de prendre les mesures. Il s’agit en l’occurrence du pouce, de la longueur de la plante des pieds et aussi de la longueur entre le pouce et l’index, selon Hermerson Andrianetrazafy, enseignant.
Pour ce qui est de savoir l’heure, les Malgaches se référaient à la nature et des indices immuables qu’elle donne. Par exemple, à 3h du matin, il est habituel que le coq chante, selon Henri Ranaivosoa, président des orateurs, que ce soit l’été, l’hiver ou le printemps.Â
Nanana ny fombany ny ntaolo namaritana ny ora sy ny refy, tamin’ny mbola tsy nisy ny famataranandro sy ny metatra. Ny zehy, izay elanelana eo am ankihibe tà nana sy fanondro adala rehefa enjanina dia mirefy 20 na 21 sm, no fampiasa anametarana refy taloha, raha ny fanazavan’i Andrianetrazafy Hemerson, mpahay fomban-drazana sy mpanabe. Ankehitriny kosa, rehefa nisy ny metatra dia tsy nandrefy tamin’ny fanondro sy ny dian-tongotra intsony ny malagasy ny teto an-drenivohitra.
Miavaka kosa ny fomba famantarana ora ho an’ny Malagasy. Raha ny fanazavan’ny filohan’ny mpikabary manandratra ny soatoavina, Ranaivosoa Henri, ho an’ny Malagasy dia ny zavaboary nanodidina azy izay tsy niova no noraisina ho refy. Ohatra nomeny ny fanenoan’ny akoho amin’ny telo ora maraina izay tsy miova na ririnina, na lohataona na fahavaratra.
La variant Delta n’est pas forcément plus dangereux mais il est certain qu’il est plus contagieux, selon l’Organisation Mondiale de la Santé. Plusieurs chiffres et études l’ont confirmé au cours de ces derniers mois. Avec ce variant, les enfants et les bébés ne sont pas épargnés. D’un côté, ils représentent la dernière tranche d’âge à se faire vacciner.Â
En France comme aux Etats-Unis, le nombre d’enfants et de nourrissons hospitalisés pour cause de COVID-19 a explosé depuis le mois de juillet. La fièvre reste le principal symptôme observé chez eux. Le traitement dure environ une semaine et l’hospitalisation est nécessaire, même si les formes graves sont très rares.
Un hôpital à Nice a rapporté que « tous les nouveau-nés hospitalisés ont un point commun: la mère ou le père, parfois les deux, sont positifs au COVID-19 et sont, pour la plupart, non-vaccinés. »
Comme solution, les autorités américaines ont rendu obligatoire le port de masque à partir de l’âge de 2 ans. La campagne de vaccination des enfants va être accélérée. Â
Â
COVID-19Â : atahorana moa hahazo kokoa ny zaza sy ankizy ve ny variant Delta ?
Tsy voatery ho mafy kokoa noho ireo fiovan’endriky ny COVID-19 efa hita teo aloha ny variant Delta, saingy izy kosa dia tena mora mifindra, araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momban’ny fahasalamana. Tsy afa-miala amin’izany ireo zaza sy ankizy. Sady izy ireo rahateo no farany mahazo vaksiny hatreto.
Any Frantsa hatrany Etazonia dia mitombo ny isan’ny zaza sy ankizy miditra hopitaly noho ny valanaretina COVID-19, nanomboka ny volana jolay lasa teo. Ny tazo no soritraretina tena miverina matetika, miaraka amin’ny fiakaran’ny marimpana. Maharitra eo amin’ny herinandro eo ny fitsaboana any amin’ny hopitaly ary vitsy ny mivadika ho tranga atahorana.
Hopitaly iray any Niceno nanamarika fa ny ankamaroan’ireo zazakely raisin’izy ireo, dia manana ray amandreny voan’ny COVID-19 avokoa ary tsy mbola vita vaksiny.
Vokatr’izay, any Etazonia dia tsy maintsy manao arovava orona ihany koa ny zaza manomboka amin’ny 2 taona, ary hafainganina ny fanaovana vaksiny ny zaza sy ankizy.
Zava-dehibe ny fiarahamiasan’ny kaominina amin'ny mpisehatra samihafa amin'ny fitadiavana loharanom-bola sy ny fampandraisana andraikitra ny olompirenena mba hisian’ny fampandrosoana. Noho ny ezaka vitan’ny kaominina Ambanivohitra Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo niaraka tamin’ny fikambanana MSIS Tatao amin’ny alalan’ny tetikasa Fampandrosoana Ifotony ao Anaty Mangarahara na FIAM ohatra dia fotodrafitrasa 12 no voatsangana. Nanana anjara andraikitra tao anatin’izany ny olompirenena, toy ireto mpivarotra, ny mpitarika sarety, sns. Vokatr’izany, mahatsiaro ho tompony ka sarotiny kokoa amin’ny fotodrafitrasa ireto farany, voahaja ihany koa ny fangaraharan’ny fitantanana.
Il est important pour les communes de collaborer avec différents acteurs dans la recherche de financement et de favoriser la participation citoyenne. Grâce aux efforts des communes rurales d’Ampitatafika et Alakamisy Fenoarivo dans ce sens, en travaillant avec l’organisation de la Société Civile MSIS Tatao dans le cadre du projet FIAM, ces dernières ont pu construire 12 infrastructures. Les citoyens y ont contribué, notamment les commerçants et les tireurs de charrette. Pour résultat, ces derniers se sentent propriétaires des biens construits et sont plus responsables. De plus, la transparence s'en retrouve priorisée.
Voahilika matetika ireo olona tra-pahasembanana anaty fitantanana ny harena voajanahary. Manana zo toy ny olon-drehetra anefa izy ireo amin’izany. Tanjona tao anatin’ny atrikasa nokarakarain’ny Jeunes Actifs pour le Développement Durable sy ny Tafo Mihaavo ny hananganana paikady amin’ny fampiatiana ny tanora, ny vehivavy ary ireo olona tra-pahasembanana amin’ny fitantanana ny harena voajanahary lovainjafy eny ifotony. Afaka mandray anjara amin’ny fambolena ireo olona tra-pahasembanana amin’ny alalan’ny fanaovana taninjanakazo ohatra, hoy ny filohan’ny fikambanana JADD, Rakotondraina Hasina. Misy ireo afaka mampiofana momba ny tontolo iainana sy mandray anjara amin’ny fandraisana fanapahankevitra. Tokony hisitraka ny fitsidihana ireny valanjavaboahary ireny ihany koa izy ireo izy ary misy ireo manan-talenta afaka mandray anjara amin’ny fanentanana.Â
Les personnes en situation d’handicap sont souvent exclues dans la gestion des ressources naturelles. Pourtant, elles disposent du même droit que tout un chacun. L'objectif de l'atelier organisé par les Jeunes Actifs pour le Développement Durable et Tafo Mihaavo avait pour objectif de développer une stratégie pour impliquer les jeunes, les femmes et les personnes en situation d’handicap dans la gestion des ressources locales. Les personnes en situation d’handicap peuvent promouvoir l'agriculture en créant des pépinières, est un exemple donné par la présidente des Jeunes actifs pour le Développement Durable, Hasina Rakotondraina. Il y a ceux qui peuvent s’impliquer dans l’éducation environnementale et ceux qui peuvent participer à la prise de décision. Elles devraient aussi avoir l’opportunité de visiter les parcs, sans compter ceux qui ont des talents, pouvant participer aux scènes ou aux actions de sensibilisation.
Mitombo isa ny olona voan’ny fikorontanana ara-tsaina na ny dépression nerveuse ankehitriny. Voamarina fa ny vehivavy no maro an’isa amin’izany maneran-tany.
Misy ireo mijoro vavolombelona, mitantara ny zavatra iainany amin’ny andavan’andro, sy mitanisa ny dingana efa nataony mba ahazoana indray ny filaminan-tsaina.
Tsy voatery ahazo ary azo sorohana tsara anefa ny fikorontanana ara-tsaina hoy ny mpitsabo. Manazava ny psykology, Rajaonarivony Rabarison Holitiana.
Ny fandanjana ny sakafo hanina, ny torimaso ampy, ny fanaovana fanazarana manokana, ny tsy fandraisana zava-mahadomelina no isany amin’izany hoy izy.
Le nombre de personnes atteintes de dépression nerveuse a augmenté, surtout depuis l’apparition du coronavirus. Les femmes sont les plus touchées dans le monde entier, selon l’OMS.
Quelques jeunes dépressifs racontent leur quotidien et comment ils se battent pour retrouver le bon équilibre.
On peut aussi prévenir et éviter la dépression nerveuse, selon la psychologue Holitiana Rajaonarivony Rabarison. A travers une alimentation équilibrée, un sommeil suffisant, des exercices et la non-prise de substances, on peut se protéger de ce mal-être, selon elle.