Nous allons décortiquer les transports maritimes à Nosy Be dans notre émission Question A d’aujourd’hui. Randriamanga Ignace, directeur régional adjoint auprès d’APMF, va nous partager les conditions requises pour travailler dans ce secteur.
Hiresaka ny fitaterana an-dranomasina ao Nosy Be indray isika ato anaty fandaharana Hono Ho Aho androany. Randriamanga Ignace, tale rejionaly mpanampy ao amin’ny sampan-drahara misahana fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy na APMF ao Nosy Be no hiresadresaka amintsika ny fepetra mila arahina raha te hian-tsehatra amin’io.
Le mois de septembre est dédié pour la sensibilisation à l’Alzheimer. L’association Madagascar Alzheimer « Masoandro Mody » participe à cet événement. Andriamaro Murielle Rason, vice-président de cette association va nous partager le programme de toutes les activités durant ce mois dans notre émission Question A.
Septembra, vola natokana hampahafantarana ny Alzheimer. Maro ny hetsika hitranga ary isan’ny mandray anjara amin’izany ny fikambanana « Masoandro Mody ». Fikambanana voalohany sady tokana mandray an-tanana ny olona voan’izay eto Madagascar. Resadresaka niarahana tamin’ny Andriamaro Murielle Rason, filoha lefitry ny fikambana, mahakasika ny fandaharam-potoana.
Dans notre émission Question A d’aujourd’hui, nous allons parler du livre « Histoires de Madagascar ». Un livre qui a comme objectif, la réconciliation de Madagascar selon son auteur Tsihaligno Rangers. Il essai de retracer 7 faits majeurs de notre histoire. Les détails sur le programme Feon'ny Tanora maroloko.
Fampihanam-pirenena no hevi-dehibe entin’ny boky iray « Histoires de Madagascar », nosoratan’i Tsihaligno Rangers. Miezaka ny manasongadina tantara 7 lehibe nisy teto Madagascar moa ity boky ity. Araho ao amin'ny fandaharana ary ny andinindininy.
.
Randrianarisoa Razafindrakoto Mario a travaillé dans la sérigraphie depuis 13 ans. Après avoir suivi une formation, il a investi environ 2 millions d’ariary pour acheter les matériels. La bonne qualité de travail et le soin des détails sont les clés pour garder les clients.
Un propriétaire de cyber café a investi 5 millions d’ariary pour acheter les imprimantes. Pendant une élection législative ou communale, un candidat imprime environ 300 affiches. A préciser, que les candidats d’une élection présidentielle impriment leurs affiches à l’étranger.
13 taona nanaovana sérigraphie izao i Randrianarisoa Razafindrakoto Mario. Niofana momba io asa io izy ary nanokatra ho azy manokana. 2 tapitrisa ariary no nividianany ny fitaovana rehetra. Ny fikaliana ny asa no ahafahany mahazo mpanjifa maro.
5 taprisa ariary eo no natonton’ny mpanao cyber iray eny Ambohijatovo nividianana fitaovana « imprimante ». Tsy mampanonta afisy eto Madagasikara ireo kandidà ho filoham-pirenena fa any ivelany. Ireo kandida ho solombavam-bahoaka na ben’ny tanana no mampanamboatra afisy eto an-toerana. 300 isa eo no hampanaovin’izy ireo mandritra ny fifidianana.  Â
La question d’éthique est très importante, pour être un bon politicien, en plus de l’étudier. A l’université, l’étude de la politique consiste surtout à élaborer des stratégies à partir des paramètres autour du fait, d’après Emilio un étudiant en science politique. Un Parti, de son coté, a une vocation d’éduquer ses membres. Pourtant, les partis politiques à Madagascar ne sont pas bien structurés et ne tiennent pas ce rôle, avoue le député de Miarinarivo Itasy Fetra Rakotondrasoa. Une reforme de parti politique est donc nécessaire pour préparer des relèves politiques, selon Li Andrianasolo, président de l’ONG Andrisa.
Ankoatra ny mianatra dia ilaina ihany koa ny fananana etika raha te ahomby amin’ny fanaovana politika. Ny fianarana politika any amin’ny oniversite dia mandalina ny lafiny rehetra. Mila jerena mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra, hoy i Emilio mpianatra momba ny siantsa politika. Ny antoko ihany koa dia tokony hampianatra politika ireo mpikambana saingy tsy mipetraka mazava ny rafitra misy azy ireo, hoy i Fetra Rakotondrasoa, solombavambahoaka any Miarinarivo Itasy. Mila mihavao ny antoko politika eto amintsika mba ahafahana manomana mpanao politika mahay mandray fanapahan-kevitra hampandroso ny firenena, hoy i Li Andrianasolo, filohan’ny ONG Andrisa.