Les cartes électorales sont déjà dans les Fokontany. Il présente quand même des anomalies. Le rapporteur général de la CENI a indiqué que dans ce cas, la carte reste toujours valide. Selon la loi si cette erreur est survenue, un représentant du Fokontany devrait témoigner qu’il s’agit bien de la personne. Et on enregistre ça sur le procès-verbal du bureau de vote.
Efa tonga eny anivon’ny Fokontany ny karatry ny mpifidy. Misy ihany ireo tsy fahatombonana madinidinika hita ao anatiny. Na dia misy aza izany, manankery foana ny kara-pifidianana hoy i Andriamarotafika Soava, mpampiaka-tenin’ny CENI. Araky ny lalàna, raha misy tranga toy izay dia mila vavolombelona iray avy ao amin’ny Fokontany fotsiny manamarina fa tena io tokoa ilay olona voasoratra anarana. Raisina an-tsoratra ao amin’ny biraom-pifidianana izany avy eo.
Nous allons vous emmener à Alaotra pour la distillation de vin de tomates dans la première partie de l’émission Ketrika sy Kandra. Le vin de tomates existe déjà vers 1930 au Québec Canada. Constatant l’abondance de tomates dans la région d’Ambatondrazaka, Raharisoa Josia a décidé d’en fabriquer à part la confiture qu’elle a déjà fait auparavant. Elle va nous partager les processus de fabrication, de la sélection des tomates jusqu’à la mise en vente.
Nous allons aborder également dans la deuxième partie de l’émission le secteur rizicole. Rabezatovo Haja, un jeune entrepreneur et PDG de l’entreprise Tour d’Alaotra, nous partage ses activités dans ce secteur. Nous vous invitons à suivre l’émission pour les détails.
Ho any Ambatondrazaka hiresaka ny fanamboarana divay vita amin’ny voatabia isika ato amin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra anio. Efa nisy tany Québec Canada izy io tany amin’ny taona 1930 tany. Nahatsikarika kosa i Raharisoa Josia fa betsaka ny vokatra voatabia ao amin’ny faritra ka nanampa-kevitra ny anodina izany mba tsy ho verivery fotsiny na ho loa. Hitafatafa amintsika ny asa manodidina izay izy ka araho atramin’ny farany ary ny fandaharana.
Ato amin’ny tapany faharoa indray isika dia hiresaka ny sehatry ny vary any Ambatondrazaka ihany. Rabezatovo Haja, tanora mpisehatra ao anatin’izany no mpanorina ihany koa ny orinasa Tour d’Alaotra no hiresadresaka amintsika io sehatr’asa io.
Le rock-sudiste est un genre de musique qui mélange le rock, du blues au Heavy Metal, avec la musique traditionnelle du Sud de Madagascar comme le Banaiky ou le Tsapiky. Ça commence avec un peu de blues au début, un petit zest de Reef de Heavy Metal puis on ajoute le rythme du Tsapiky, nous raconte Doc Metaly, membre du groupe Mendorave, sur la composition de leur morceau Mangily Ambony Ambany. Solofo Ranaivo, journaliste spécialiste du Rock et du Metal explique que la musique traditionnelle ne perd pas son identité, la base est toujours là.
Karazana mozika mampifangaro ny mozika roka, toy ny Blues na Heavy Metal, sy ireo mozika netim-paharazana avy any atsimon’i Madagasikara, Tsapiky na Banaiky, ny « Rock-sudiste ». Atomboka amina Blues kely aloha amin’ny voalohany ary apiana “Reef” ana “Heavy Metal” indray avy eo ary izay vao ataingina eo ny gadona Tsapiky hoy i Doc Metaly, mpikambana ao amin’ny tarika Mendorave, raha miresaka ny namoronany ny hiran’izy ireo mitondra ny lohateny hoe Mangily Ambony Ambany. Manazava kosa i Solofo Ranaivo, mpanao gazety mpikirakira momba ny mozika rock sy metal fa tsy mahavery ny maha izy azy ilay mozika netim-paharazana ny fanafangaroana azy amin’ny mozika avy any amin’ny firenena hafa rehefa ao ny fototra itoeran’ilay izy.