Cette semaine, l’Alliance Française organise comme chaque année le carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi. A la différence des éditions précédentes, cette septième édition se concentre plus sur l’orientation académique et professionnelle. Pour quelle raison ? Et pourquoi l’orientation académique et professionnelle est-elle si importante ? Et comment savoir où aller dans la vie ? Hasina Rakotondrazanany, responsable de communication à l’Alliance Française répond à ces questions dans l’émission Question A.
Toy ny isan-taona, dia mikarakara ny carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi ny Alliance Française amin’ity herinandro ity. Miavaka ity andiany 2023 raha hoarina amin’ireo andiany enina teo aloha, satria dia hifantoka kokoa amin’ny fanoroana ny tanora ny lalana tokony alehany eo amin’ny fianarana sy ny asa ireo mpikarakara. Inona no mahatonga azy ireo hifantoka eo amin’io lafiny io ? Fa maninona no zava-dehibe no mahalala ny fianarana ho arahina sy ny asa ho atao ? Ary ahoana no fomba ahafantarana izany ? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Alliance Française, Rakotondrazanany Hasina, ato amin’ny fandaharana Hono Ho Aho.
Le basket fund, aussi appelé « panier de fonds » est un mécanisme instauré par les Nations Unies. Il permet de rassembler des fonds en provenance des bailleurs afin de réaliser un financement au sein d’une institution ou d’un secteur. On l’utilise dans le cadre de préparation des élections, que ce soit présidentielle, législative ou municipale dans un pays en besoin de soutien financier. Chacun des bailleurs participants ont accès à l’ensemble des informations disponibles sur l’utilisation de ces fonds.
Pour le cas de Madagascar, la CENI, commission en charge des préparatifs des élections a déclaré un manque d’à peu près 100 milliards d’ariary pour les élections qui se tiendront dans le pays, notamment l’élection présidentielle de 2023. Le PNUD a alors mis en place le basket fund. L’union européenne, la France et l’Allemagne sont les premiers à y verser des sommes. Ce fond est géré par les partenaires techniques et financiers du PNUD, avec la CENI.
Inona ny atao hoe Basket fund rehefa amin’ny fotoam-pifidianana ?
Ny hoe basket fund na “panier de fond”, dia rafitra iray napetraky ny firenena mikambana. Natao hanangonana vola avy amin’ireo mpamatsy vola izy io mba ahafahana mamatsy sahan’asa iray. Ny fikarakarana fifidianana filoham-pirenena, solom-bavambahoaka na ben’ny tanana matetika no tena ilana azy io ary natao ho an’ireo firenena manana fahasahiranana ara-bola.
Ho an’i Madagasikara manokana izao, tsy ampy vola mitentina 100 miliara ariary eo isika hikarakarana ny fifidianana ho avy, araka ny fanambaran’ny CENI. Nosokafana araka izany ny Basket fund, izay iarahan’ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD sy ny CENI mitantana. Ny vondrona eropeanina, lafrantsa ary alemana no voalohany nandrotsaka tao amin’io Basket fund io.
La toute première édition de l’hybriconférence s’est tenue à Fenervie Est. Des chercheurs enseignants, des analystes politiques ainsi que des experts locaux et internationaux ont discutés sur divers thématiques autour du local, de l’hybridation et surtout sur la rédaction et publication des livres académiques pour les jeunes universitaires. Une telle conférence est unique en son genre et devrait être multipliée selon Velomahanina Razakamaharavo, chercheure auprès du projet Hybricon, car son coût est hors de portée à Madagascar.
Natao tao Fenoarivo Atsinanana ny andiany voalohany tamin’ny atrik’asa “hybriconférence”. Mpampianatra, mpikaroka, mpandalina politika ary manam-pahaizana manokana avy eto an-toerana sy avy any ivelany no nandray anjara tao. Lohahevitra maro ihany koa no noresahina, toy ny “local” sy “hybridation”, ary indrindra mikasika ny fomba fanoratana sy famoahana boky akademika izay nahaliana mpianatra maro. Tokony hampitomboina ny hetsika toy itony hoy i Velomahanina Razakamaharavo, mpikaroka avy ao amin’ny Hybricon, satria lafo dia lafo ka tsy takatry ny maro ny vidin’ny fanatrehana izany atrik’asa iraisam-pirenena izany ho an’ny tanora eto amintsika.
L’association Transparency International Initiative Madagascar a publié un recueil de recommandation et un guide pour les candidats en lice à l’élection présidentielle de cette année. Les recommandations se focalisent surtout sur la lutte contre la corruption dans divers secteurs à Madagascar. A savoir l’éducation, la santé publique, le secteur minier, l’environnement et aussi la protection des défenseurs des droits humains et des lanceurs d’alerte. Interview avec Rafitoson Ketakandriana, Directrice Exécutive de la Transparency International Initiative Madagascar.
Namoaka tolo-kevitra sy torolalana ho an’ireo kandidà hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity ny firaisamonimpirenena Transparency International Initiative Madagascar. Izay miopana kokoa amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’ireo sehatra marolafy eto Madagasikara. Anisan’izany ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamam-bahoaka, ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany sy ny tontolo iainana ary indrindra ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy na lanceur d’alerte. Fanazavan’i Rafitoson Ketakandriana, Tale mpanatanteraky ny Transparency International Initiative Madagascar.
Les élèves sont actuellement en plein révision et préparation pour les examens BEPC et Baccalauréat. Alain Bellon, professeur de Philosophie nous en dit plus sur ce qu’il faut faire avant les épreuves, au cours de la semaine d’examen et sur ce qu’il faut éviter.
Anatin’ny fanomanana fanadinana tanteraka amin’izao ireo mpinatra na ny hiatrika ny BEPC izany na ny Bac, Alain Bellon, mpampianatra ny taranja filozofia no hanampy ireo mpianatra sy hanoro azy ireo ny tsara ho fantatra sy ny tokony hatao ary koa ireo zavatra mila tandremana sy tsy hatao mihitsy anatin’ny vanim-potoanan’ny fanadinana.