COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

140 détenus mineurs, bénéficient d’une éducation à la prison d’Antanimora. 4 d’entre eux sont candidats inscrits à l’examen Baccalauréat et sont actuellement en train de passer l’examen dans un centre dans la capitale.  Dominique Rabesaiky, Directeur de l’école éducative des mineurs, fondé par l’association Betlehem répond à nos questions.

Nisy ireo ankizy vofonja niatrika ny fanadinana Bakalorea tamin’ity herinandro ity. 140 lahy no voafonja mianatra ao amin’izao ary 14 no mpampianatra ao. Dominique Rabesaiky, talen’ny sekoly Ecole éducative des mineurs miorina etsy Antanimora ary Tale ny fikambanana association Betlehem, nanorina ny sekoly sy miandraikitra no hamaly ireo fanontaniana anatin’ny Hono ho aho.

Cela fait 14 ans, le 31 juillet 2023, que Madagascar inscrit ses « archives royales » dans les registres internationales « Mémoire du Monde » de l'UNESCO. Ces archives comprennent des documents historiques et de photos anciennes ayant une importance historique pour Madagascar. Lors de la célébration, le comité malgache du patrimoine au sein de l'UNESCO a annoncé qu'il soumettra une nouvelle candidature pour l’année 2024-2025. Inclure nos documents historiques dans ce registre permettra de faire connaitre nos trésors au monde entier et nous permettra de mieux les préserver et les protéger a déclaré la directrice des archives nationales, Andriamihamina Sahondra Sylvie.

Feno 14 taona tamin’ny 31 jolay 2023 teo ny nampidirantsika ireo « tantaram-panjakana sy tantaran’ireo mpanjaka malagasy fahiny » ho vakoka iraisam-pirenena eo anivon’ny UNESCO. Tahirin-kevitra an-tsoratra nanan-danja ara-tantara tamin’ny andron’ny mpanjaka ary sary tranainy moa izy ireo. Nandritra ny fankalazana, nanambara ny komity malagasy momba ny vakoka eo anivon’ny UNESCO fa hampiditra tahirin-kevitra vaovao indray amin’ny 2024-2025. Hanampy betsaka antsika  hampahafantatra ny tantaran’i Madagasikara sy hiaro ireo vakoka ary haren-tsaintsika ny fampidirana ireo tahirin-kevitra ao amin’ny « Mémoire du Monde » na raki-kevitra iombonan’izao tontolo izao hoy ny talen’ny arisivam-pirenena, Andriamihamina Sahondra Sylvie.

mercredi, 02 août 2023 06:36

Comment bien gérer les grandes vacances ?

Les grandes vacances ont débuté depuis quelques semaines déjà. Pour la majorité des familles malgaches, grandes vacances signifient voyage, plage ou encore activités en famille, selon les moyens de chaque ménage. Mais comment organiser ses vacances et bien profiter de ces quelques semaines de pause ? Selon Franck, enseignant à l’école primaire, le plus important est de permettre aux enfants de changer d’environnement. Et cela ne signifie pas forcément aller à la plage mais par exemple, visiter son village d’origine, s’inscrire dans un club de danse ou encore essayer des activités parascolaires. Lalie, une mère de famille, a insisté sur l’importance de socialiser et renforcer le lien entre parents-enfants afin de mieux se connaitre et se rapprocher. De son côté, Antsa, une élève en classe de seconde, conseille aux jeunes de lire des livres, pour à la fois s’échapper du quotidien et s’instruire en même temps.

Efa nanomboka herinandro vitsivitsy izay ny fialan-tsasatra lehibe ho an’ireo mpianatra. Ho an’ny ankabeazan’ny ankohonana malagasy, dia fotoana fandehanana mijery ranomasina na mandeha miala ny renivohitra ny fotoana toy izao. Ahoana ary no handaminana ny fialan-tsasatra sy hahafahana mampiasa azy araka ny tokony ho izy ? Ho an’i Franck, mpampianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga voalohany, ny mitondra ny ankizy any amina tontolo vaovao sy tsy mahazatra azy no tena antom-pisian’ny fialantsasatra. Tsy voatery hoe mijery ranomasina izany fa mety hoe mandeha mankany ambanivohitra, miditra anatin’ireny klioba fianarana mandihy ireny na izay fialamboly hafa mety mahaliana azy, hoy izy. I Lalie kosa, renim-pianakaviana, mahita fa ny zava-dehibe indrindra dia ny manokana fotoana hiarahan’ny ray amandreny sy ny zanaka mba hampifanakaiky kokoa. Manome ny heviny koa i Antsa, mpianatra eny amin’ny Lisea. Manoro hevitra ny tanora izy mba ho tia hamaky boky, satria sady fialamboly izany no afaka hianarana zava-baovao.

La date du premier tour de l’élection présidentielle est fixée pour le 9 novembre 2023 prochain. Pour notre débat du jour, Mamy, notre correspondant a invité 3 jeunes étudiants en droit et en science politique. Quels profils de candidat ces jeunes souhaitent-ils avoir à la prochaine élection ? Tous les trois sont d’accord qu’une expérience réussie dans l’administration publique est indispensable. Viennent ensuite leur vision et leur programme pour le pays. Notamment si le candidat est sensible aux besoins et aux compétences des jeunes malgaches. Rio, étudiant en sciences politiques insiste sur l’importance de faire parti d’un parti politique reconnu et crédible. Archi et Hanitriala, quant à elles, s’attendent à un candidat fiable, qui a fait déjà ses preuves dans le passé, et qui mérite réellement sa place.

Amin’ny 9 novambra no anaovana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nanasa tanora telo mianadahy i Mamy, mpanao gazety mpiara-miasa aminay, mba haneho hevitra ny amin’ny hoe inona ny andrasan’izy ireo amin’ireo kandida ho filoham-pirenena. Samy nanaiky izy telo mianadahy fa tena ilaina ny traikefa amin’ny fitantanana firenena na raharaham-panjakana. Eo ihany koa ny vina sy ny fandaharanasa tian’izy ireo tanterahana. Toy ny hoe tena liana amin’ny fampandrosoana ny tanora malagasy sy ny fahaiza-manao ananany ve izy ireo. Rio, mpianatra amin’ny Sciences Politiques, maniry raha olona efa niaina sy nandalo tanaty antoko politika na nianatra momba izany no hirotsaka filoham-pirenena. Archi sy Hanitriniala kosa, mpianatra lalàna, dia manantena olona azo antoka, efa nahavita naneho fa hainy ny mitondra firenena ary mendrika ny toerany. 

D’abord, le sondage ou enquête d’opinion consiste à déterminer les opinions probables d’une population sur des personnes, comme des candidats potentiels à l’élection par exemple. Selon la loi électorale malgache, Il est interdit de diffuser et de publier les résultats de sondages d’opinion, durant la campagne électorale ou référendaire officielle, pendant la période du silence électoral et pendant la veille du jour de scrutin. Tous cela afin d’éviter des éventuelles troubles à l’ordre publique. Cet acte est passible d’une amende de 2 à 5 millions d’Ariary.

En revanche, l’interdiction d’effectuer un sondage d’opinion en dehors de ces périodes n’a pas été précisée dans cette loi. En 2018 par exemple, un magazine local a tenté de publier un sondage sur les intentions de vote des électeurs au scrutin présidentiel, quelques mois avant l’élection. Le gouvernement malgache a quand même demandé au magazine de retirer le contenu au nom de l’ordre public. 

Azo atao ve ny manao fakan-kevitra momba ireo kandida hirotsaka hofidiana filoham-pirenena?

Ny hoe fakan-kevitra aloha, dia fanangonana ireo hevitra avy amina vondron’olona iray momban’ny kandida hirotsaka hofidiana, hahitana hoe iza no ho be mpisafidy kokoa. Raha araka ny lalàna Malagasy mifehy ny fifidianana, voarara ny famoahana sy fanaparitahana valina fakan-kevitra, mandritra ny fampielezan-kevitra, mandritra ny fe-potoana tsy hahazoana manao fampielezan-kevitra intsony, ary ny andro mialohan’ny fifidianana. Voasazy handoa lamandy 2 hatramin’ny 5 tapitrisa ariary izay manao izany.

Tsy voafaritra ao anatin’io lalana io kosa anefa hoe tsy azo atao ny fakan-kevitra ivelan’ireo fe-potoana voalaza ireo. Tamin’ny taona 2018 izao ohatra, nisy gazetiboky iray namoaka valina fakan-kevitra momba ny safidin’ireo mpifidy, volana vitsy nialohan’ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana filoham-pirenena. Saingy nangataka ny hanaisorana izany ny gouvernemanta Malagasy mba ho fitsinjovana ny “filaminam-bahoaka”.

mardi, 01 août 2023 13:48

Le Journal du 01 Août 2023

  • Poliomyélite : la deuxième campagne de vaccination s’est bien déroulée à Analamanga
  • Pacte d’industrialisation : la part du secteur privé dans la production d’énergie sous contrainte
  • Filière œuf : les clients se font rares alors que le prix est en baisse
  • Mémoire du Monde de l’UNESCO : Quels avantages d’inscrire nos patrimoines documentaires ?

  • Lefak’ozatra : nizotra tsara ny andiany faharoa tamin’ny fanaovana vakisiny teto Analamanga
  • Voatohintohina ny fandraisana anjaran’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny sehatry ny angovo
  • Oniversite maty : manararaotra manao zavatra hafa ireo mpianatra mandram-piverin’ny fampianarana
  • Herinandron’ny fanokanana any Ankaramalaza Manakara : manararaotra mitady vola ny olona

  • La forêt des mangroves à Ankazomborona est devenue un site écotouristique
  • Nosy Be : wifi gratuit pour les lycéens à Hell Ville
  • Pont de Ranopiso : une limitation de charge à 10T pour les poids lourds

  • Navadika ho toeram-pizahan-tany ny ala honko ao Ankazomborona
  • Nomena WIFI maimai-poana ny mpianatra ao amin’ny lisea Hell-Ville
  • Tetezan’i Ranopiso : tsy azo andehanan’ny fiara mihoatra ny 10 taonina

Ambalakida dans la région de Boeny, un lieu naturel qui préserve la culture y compris la forêt d'Andriamisara. Il se situe à trente kilomètres de Mahajanga. La forêt sacrée d'Ambalakida a une superficie de 310 hectares. C'est un parc naturel protégé géré par COBA FISAMIA ou l'Association Sakalava pour la Protection de la Forêt. Au mois de mars, il accueille le rituel « Fanompoambem-pandrama » qui a lieu dans cette forêt d'Andriamisara. Il y a donc un lien entre la forêt d'Andriamisara et le Doany Andriamisara.

Manantany Daboany sera avec nous pour expliquer plus à ce sujet.

Ambalakida, valan-javaboahary iray izay mitahiry ny kolontsaina izay misy ny alan’Andriamisara ao amin’ny faritra Boeny telopolo kilometatra miala avy eo Mahajanga no hifantohan’ny fandaharana Sandrify. Manana velaran-tany 310 hektara ny ala masina an’Ambalakida. Valan-javaboahary arovana izy io izay tantanan’ny vondron’olona ifotony COBA FISAMIA na Fikambanan’ny Sakalava Miaro Ala. Isaky ny volana marsa no hanaovana ny Fanompoambem-pandrama any amin’io alan’Andriamisara io. Misy fifandraisana noho izany ny atiala masina sy ny Doany Andriamisara.

Manantany Daboany kosa no hiaraka hampahafantatra bebe kokoa an’io Doany io.

lundi, 31 juillet 2023 13:53

Le Journal du 31 Juillet 2023

  • L’association AMIS identifie un manque de compétence des intervenants sociaux
  • Recyclage : des jeunes chercheurs malgaches transforment des bouteilles plastiques en doudounes
  • Jeu des osselets ou Tsobato : enseignement pour la maîtrise de soit et l’habilité à compter

  • Fikambanana AMIS : ilana fahaiza manao ny fandraisana an-tanàna ireo olona marefo
  • Voka-pikarohana : tanora malagasy mamadika tavoahangy plastika ho akanjo mafana
  • Tsobato : mampianatra fifehezan-tena sy fianarana manisa
  • Tsikonina : nahandroandro kely hampiharana izay nampianarina tao an-trano

Il est interdit d’adopter certains animaux endémiques. Ces animaux sont en voie de disparition et devraient se multiplier naturellement dans leur habitat  naturel. Explication du maître Raharijaona Tombotsoa, un juriste environnementaliste.

Misy takelaka folo ny lisitry ny biby tsy azo ompiana ao an-tokatrano, araka ny voarakitra ao amin’ny lalàna mifehy izany eto Madagasikara. Antony : ahiana ho lany tamingana ireo biby ireo ary tiana hitombo taranaka ao amin’ny toerana ahafahany miaina malalaka, hoy ny fanazavan’ny Maître Raharijaona Tombotsoa, mpahay lalàna momba ny tontolo iainana.  

Il est important de bien se préparer pour pouvoir prendre une bonne décision politique. Une stratégie politique n’est pas forcément adaptée à chaque localité.  Un échange avec la société, par exemple, aide à comprendre les problèmes afin d’avancer une solution. Explication de Dr Hanta Andrianasy, coordinatrice du programme Friedrich-Ebert-Stiftung Madagascar.

Mila fiomanana ny fanaovana politika mba tsy haka tahaka be fahatany ny fomba fitantanana raharaha iray. Isan’ny fiomanana ilaina ny fifanakalozana miaraka amin’ireo mponina mba ahafahana mandray ny fanapahan-kevitra sahaza. Fanazavan’ny Dr Hanta Andrianasy, mpandrindra ny fandaharanasa Friedrich-Ebert-Stiftung eto Madagasikara.

  • Manakara et Manajary : 10 écoles ravagées par les cyclones ont été réhabilitées
  • Certaines familles à Ikongo ont pu entreprendre grâce au Vatsin’akohonana
  • Le « Kianjan’ny hiragasy » a été bâti

  • Voaharina ireo sekoly 10 simban’ny rivo-doza tao Manakara sy Mananjary
  • Misy tamin’ireo fianakaviana ao Ikongo nahavita nampiasa ny Vatsin’akohonana ho loharanom-bola maharitra
  • Vita ny « kianjan’ny hiragasy »
  • Production laitière : des kits des productions pour les producteurs
  • Centre hospitalier Le Vinatier-Lyon va apporter leur soutien pour les acteurs en santé mentale à Madagascar
  • Electrification : des kits solaires ont été installés dans le District Manakara

  • Nozaraina fitaovana hentina mamokatra ny mpamokatra rorono
  • Hopitaly Le Vinatier-Lyon : hanohana ireo mpisehatra momban’ny fahasalamana ara-tsaina eto Madagasikara
  • Fahazoana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Lokomby distrika ny Manakara
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter