La pédopsychiatrie, avez-vous déjà entendu parler de cette spécialité médicale qui traite les troubles psychologiques chez les enfants ? Quels sont les symptômes associés à ces troubles ? Existe-t-il des moyens pour les prévenir ou les éviter ? Dr Ramamonjisoa Ignace, pédopsychiatre, nous explique en détails.
Ny fikorotanana eo amin’ny sain’ny zaza sy ny fitsaboana izany na pédopsychiatrie no entina aminao anatin’ny Hono ho aho. Mety ahoana ny fisehon’izy io eo amin’ny fiainana andravanandro, azo tsaboina sy sorohana ihany koa ve. Dr Ramamonjisoa Ignace, pédopsychiatre na mpitsabo manam-pahaizana manokana momba io fitsaboana io no hanazava amintsika misimisy kokoa ireo tsara ho fantatra.
Transparency International Initiative Madagascar organise un concours « Taratasy ho an’izay Filoham-pirenena ho voafidy » ou Lettre ouverte au futur Président destiné aux jeunes. Juana Malalasoa, chef du projet club Fongotra nous en dit plus sur ce concours.
Mikarakara fifaninana ho an’ny tanora « Taratasy ho an’izay Filoham-pirenena ho voafidy » ny Transparency International Initiative Madagascar. Juana Malalasoa, mpiandraikitra ny tetikasa Fongotra ivondronan’ireo tanora, mpianatra no hizara amintsika ireo tsara ho fantatra anatin’ny Hono ho aho.
Avant de prendre ces médicaments, nous devrions être curieux et bien vérifier le nom sur la boîte, et les dates de fabrication et de péremption. Ils doivent aussi être mentionnés sur la plaquette. Ne pas oublier non plus de regarder s’il y a le nom du laboratoire de fabrication. Alors pour ne pas être victime d’un médicament contrefait, toujours acheter ces produits à la pharmacie. En cas de doute, rassembler toutes les preuves comme la boite ou la plaquette, et les ramener au centre national de pharmacovigilance, au sein du ministère de la santé publique, selon le Docteur Samson Ralaiarinosy.
Alohan'ny hihinanana ny fanafody, dia tokony ho liana hijery tsara ny anarana eo amin'ny boaty isika, sy ny datin'ny nanamboarana ary ny tsy azo hinanana azy intsony. Tsy maintsy hita ao amin’ilay fonosana anatiny na plaquette koa ireo. Aza adinoina koa ny manamarina raha misy ny anaran'ny laboratoara mpamokatra azy ao. Noho izany, mba tsy ho sendran’ny fanafody sandoka, dia eny amin’ny toerana fivarotam-panafody ihany no tokony mividy izany. Raha misy fisalasalana dia angony avokoa ny porofo rehetra toy ny Boite sy ny fonosany hafa, ary ento eny amin’ny foibem-pirenena misahana ny fanaraha-maso an’izay mety ho voka-dratsy ateraky ny fanafody, eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, hoy ny Dokotera Ralaiarinosy Samson.
Pour le tourisme national, les exigences sont élevées. Le mauvais état des routes décourage les étrangers qui séjournent à Madagascar affirme Eliane Andrianjatovo, Directrice de Ariane tour. Ici, on parle d’Antananarivo jusqu’à Toamasina. De ce fait, les agences de voyage de la côte Est sont aussi dans une mauvaise passe, mais offrent tout de même d’autres circuits prisés pour contrebalancer. Comme la RN7, reliant Antananarivo et Toliara, une destination aux profits des Malagasy et des étrangers à la fois.
Avo ny fepetra takiana amin’ny fizahantany eto antoerana. Mahakivy ny vahiny mandalo eto Madagasikara ny faharatsian’ny lalana hoy Andrianjatovo Eliane, Talen’ny Ariane Tour. Ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina no voakasik’izany. Vokany, misedra olana ny orinasa misehatra amin’ny fizahantany, fa kosa manome tolotra hafa hanarenana an’izany. Toa ny lalam-pirenena faha fito, mampitohy an’Antananarivo sy Toliara, izay efa manomboka hironan’ny mpizahantany Malagasy sy vahiny amin’izao fotoana.
Tout candidat exerçant une haute fonction publique, civile ou militaire, n’ayant pas respecté le délai de démission exigé par la loi encourt la disqualification. Pareil pour ceux qui ont fait des déclarations publiques tendant à discréditer l’administration électorale, ou tendant à faire des pressions sur elle. Les électeurs inscrits dans la liste électorale ont pleinement le droit de demander la disqualification d’un candidat, en adressant une lettre de plainte au niveau du tribunal administratif. Mais la décision finale doit être prononcée par la Haute Cour Constitutionnelle, celle-ci ne peut pas faire l’objet d’un recours.
Rehefa inona ny kandidà iray amin’ny fifidianana no voasazy tsy afaka mifaninana na « disqualifié » ?
Ireo mpiasam-panjakana na miaramila ambony mirotsaka kandidà ka tsy nanaja ny fe-potoana napetraky ny lalàna tokony hametraham-pialana dia voasazy avy hatrany tsy hifaninanana. Voasazy toy izany koa ireo kandidà izay manao kabary na fihantsiana imasom-bahoaka, manohintohina sy manao tsindry ny vaomiera mpikarakara fifidianana na mivantana na an-kolaka. Ireo mpifidy voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy dia afaka mangataka io sazy io ho ana kandidà iray. Alefa any amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana izany ary ity farany no mandray ny teny farany aorian’ny fitsaran’ny tribonaly misahana ny raharaham-panjakana. Tsy azo ihodivirana intsony ny fanapahan-kevitra mivoaka eo.