COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

vendredi, 15 juillet 2022 12:43

Le Journal des régions du 14 Juillet 2022

- Anôsy : Les frais des transports reliant Fort Dauphin et d'autres villes ne sont pas clairement définis.

- Boeny : Les jeunes qui travaillent dans le secteur informel sont formés pour rejoindre le secteur formel.

- Amoron’i Mania : Le Programme alimentaire mondial (PAM) travaille actuellement dans 61 municipalités de la région.

 

- Anôsy : Tsy voafaritra mazava tsara ny sarandalana @Zotra nasionaly mampitohy an’i Fort Dauphin sy ny Tanana hafa.

- Boeny : Omena fihofanana ireo tanora miasa ao anatin’ny tsy ara-dalàna mba hiditra ao anatin’ny ara-dalàna.

- Amoron’i Mania : Kaominina 61 ao amin’ny faritra Amoron'i Mania no iasan’ny fandaharanasa manerantany ho an’ny sakafo na PAM amin’izao.

 

vendredi, 15 juillet 2022 12:09

Le Journal du 15 Juillet 2022

- Niakatra ny saram-pianarana sy fisoratana anarana ho an’ny sekoly tsy miankina sasany eto andrenivohitra.

- Manodidina ny 600 eo ireo malagasy mipetraka sy miasa ao Suisse.

- Tsy nandray ny vola zon’ny mpamorona tao anatin’ny enim-bolana ireo mpanakanto.

- Hosodoko : Misy toeram-pianarana manokana hoan’ny tanora.

 

vendredi, 15 juillet 2022 07:15

Le Journal du 14 Juillet 2022

- Taham-pahombiazana 100% ho an’ireo mpiadina BEPC tao amin’ny AKAMA ,

- Efa manomboka liana amin’ny Haivatosoa ny tanora,

- Inona no mitranga mandritra ny fivorian’ny firenena mikambana momba ny zon’olombelona ?

- AFROBASKET U18 : anatin’ny fifampivondronana hatramin’ny fanombohan’ny volana jolay ny Ankoay ny Madagasikara.

Les rides faciales chez les jeunes apparaissent progressivement à partir de 20 ans. La peau perd sa tonicité et sa souplesse surtout sur certaines parties du visage. Les rides sont initialement formées autour des yeux, sur le front et les joues, due à l’expression faciale. D’où les ride d’expression. Le rayon du soleil provoque une peau sèche et favorise les rides. L’usage des masques ou crèmes hydratantes est une solution pour éviter les rides. Le dermatologue, Lee Raoelinavalona nous donne des conseils.

Manomboka eo amin’ny faha roapolo taona eo no mipoitra ny kentrona eo amin’ny hodi-tava. Mihavery tsikelikely ny rano ao anatin’ny hoditra ka mampikentrona azy. Ireo faritra mikentrona matetika vokatry ny fihetseham-po no ahitana azy voalohany, toy ny hoe manodidina ny maso, ny handrina, ny takolaka. Manafaingana azy ihany koa ny taratry ny masoandro satria manamaina haingana ny tarehy izany. Azo sorohina ny kentrona amin’ny fikolokolona ny tarehy, fampiasana maska mampihenjana ny hodi-tava, sy fampiasana akora manamando ny tarehy. Manazava momba ny kentrona eo amin’ny hodi-tavan’ny tanora ny dokotera mpitsabo hoditra, Raoelinavalona Lee.

mercredi, 13 juillet 2022 12:54

Le Journal du 13 Juillet 2022

- Fandrarana ny fivarotana gilasy misy hanitra lavanila any Frantsa: lasa mampametra-panontaniana ny tsenan’ny lavanila vao nisokatra.

- Atrikasa momba ny fandrahahana ho an’ny adolantsento mandritra ny fialan-tsasatra.

- Nilatsaka 10 isanjato ny fandoavan-ketra tao Tsiroanomandidy tao anatin’ny roa taona.

- Miady laharana sisa ny Barea an’i Madagasikara rehefa raraka tamin’ny ampahefadalan’ny COSAFA Cup.

Plusieurs options se présentent pour déposer plainte. Outre le tribunal de première instance, le bureau de la police judiciaire reçoit également ce document de doléances, dont la section de la brigade Criminelle d'Anosy. Selon le chef du Service de l'Information, de la Communication et des Relations avec les Institutions (SICRI), les plaintes déposées directement par les citoyens, celles provenant du tribunal ainsi que les plaintes de réserve sont les catégories de plaintes reçues par cette autorité.

 

Ankoatran’ny eny anivon’ny fampanoavana dia afaka mametraka fitoriana any amin’ny biraon’ny polisy misahana ny heloka bevava ihany koa isika. Horesahina manokana ny fomba fametrahana fitoriana eny amin’ny borigadin’ny heloka bevava Anosy. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera ary ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana (SICRI), ny fitarainana apetraky ny olom-pirenena mivantana, ireo fitoriana napetraka avy eny amin’ny fitsarana ary ny fitoriana fiandry no sokajina ho fitoriana raisina ao amin’ity sampan-draharahan’ny polisim-pirenena ity.

mercredi, 13 juillet 2022 12:13

Le Journal des régions du 13 Juillet 2022

- Vakinankaratra : un atelier pour les jeunes des 23 régions pour la mise en place d’un réseau de jeunes.

- Atsinanana : Academy Rugby Atsinanana, pas que du sport mais aussi une éducation à la protection de l'environnement.

- Vatovavavy : le prix du BAJAJ ou tuc tuc a connu une hausse à Mananjary.

- Vakinankaratra : nanomboka omaly ny atrikasa ho an’ny tanora avy amin’ny faritra 23 hametrahana tambazotran’ny tanora.

- Atsianana : Academy Rugby Atsinana, tsy vitan’ny manao fanatanjahan-tena ihany no ataon’ireo ankizy sy tanora ireo fa beazina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

- Vatovavavy : niakatra ny saran-dalana BAJAJ na ny tuc tuc ao Mananjary tampon-tanana.

mardi, 12 juillet 2022 13:21

Le Journal du 12 Juillet 2022

- Fiantraikan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika amin’ny vidin’entana hafa.

- Hiakatra valo isan-jato ny vidin’ny PPN hoy ny mpahay toe-karena.

- Làlan’ny bisikileta: foto-drafitrasa iray ilaina eto Antananarivo.

- Ny Tahirim-bolam-panjakana no miandraikitra ny fanangonana sy ny fitantanana ireo vola miditra sy mivoaka amin’ny Fanjakana.

mardi, 12 juillet 2022 11:55

Les caries dentaires

La Carie dentaire est une maladie infectieuse sous forme d’un trou sur les dents. Elle est causée par les acides formés et qui s’accumulent par les restes d’aliments. Elle concerne tout autant les adultes comme les jeunes et les enfants. Le brossage des dents, au moins trois fois par jour, est la meilleure solution pour éviter la carie dentaire. Il faut éviter également les aliments trop sucrés, trop chauds ou trop froids. Le Dentiste Randriamiharisoa Faniry, nous en dit plus dans Santénaka.  

Ny olimanara dia areti-nify vokatry ny fisian’ny loaka eo amin’ny nify. Mety voan’io ny salataona rehetra, na zaza na tanora na lehibe. Ny fisian’ny ny asidra avy amin’ny potika hanina tavela ao amin’ny nify no mahatonga ny nify loaka. Ny fiborosiana nify farafaharatsiny intelo isan’andro araka izany no fisorohana hiadiana amin’ny olimanara. Tsy tsara ihany koa ny mihinanana sakafo mamy be loatra matetika, ny sakafo mahamay sy mangatsiaka be. Manazava mikasika io aretina io ny mpitsabo nify sy ativava, Randriamiharisoa Faniry.  

- Sofia – Boeny : Organisation autour de la migration climatique.

- Anôsy : Le Port d’Ehoala a 13 ans.

- Hausse des frais des transports régionaux.

- Sofia – Boeny : Fandaminana mahakasika ireo mpifindra monina noho ny fiovan’ny toetr’andro.

- Anôsy : Nankalaza ny faha-13 taonany ny seranantsambon’i Ehoala

- Niakatra nanomboka androany ny saran-dalan’ireo zotra rezionaly sy taxibrousse sasantsasany.

La malnutrition est un problème majeur dans la région de l'Androy depuis de nombreuses années. En juin 2021, l'UNICEF a déclaré que près de 500 000 enfants souffrent de malnutrition sévère et 110 000 d'entre eux sont en état critique, dans le Sud de Madagascar. Le district d'Ambovombe Androy est durement touché avec 27 % de taux de malnutrition sévère. Les deux jeunes représentants de la région, Sorotombake Mbola, président de Moov On Androy et Miarintsoa Germain, président du Réseau d'Honnêteté et d’Intégrité (RHI) de l'Université d'Androy confirment cette réalité en décrivant la vie de la population locale. Ces habitants ne peuvent pas cultiver à cause des conditions climatiques très sèches. Même s’ils arrivent à avoir des récoltes, leurs produits ne peuvent pas être stockés assez longtemps comme l'explique Mamy Ramarolahy, responsable au sein de l’organisation régionale de la nutrition dans la région d'Androy. Pourtant, à part l'agriculture, les habitants n'ont pas d'emploi secondaire pouvant subvenir à leur besoins pendant les saisons sèches. D’un côté, l’organisation des distributions de vivre connait toute une série de problème d’après Fulgence Justin, chef de service des affaires juridique de la région Androy. Selon lui, certains bénéficiaires vendent les vivres qui leur sont distribués.

Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.

 

Mipetraka ho olana goavana eto amin’ny faritra Androy ny tsy fanjarin-tsakafo efa nandritra ny taona maro. Araka ny fampitam-baovaon’ny UNICEF ny 27 jona 2021 teo dia zaza manodidina ny 500 000 no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary 110 000 amin’ireo no tena sahirana ara-pivelomana indrindra, any Atsimon’i Madagasikara. Ny distrikan’Ambovombe Androy no tena voa mafy.  Mahatratra 27 isan-jato ny tahan’ny tsy fanjarin-tsakafo mahery vaika any an-toerana. Samy nanamafy izany ny tanora roa solotenan’ny faritra, i  Sorotombake Mbola, filohan’ny fikambanana Moov On Androy sy i Miarintsoa Germain filohan’ny RHI (Réseau d’Honnêteté et d’Intégrité) avy ao amin’ny oniversiten’Androy.

Tsy mampanjary ny fambolena atao ny toetr’andro maina any an-toerana.  Na mahavokatra aza anefa izy ireo dia saika tsy azo tehirizina maharitra izany araka ny fanazavan’i Mamy Ramarolahy – Tompon’andraikitry ny fiahiana sy ny fiarovana ny fanjarin-tsakafo anatin’ny foibe-paritry ny fanjarintsakafo ao Androy. Saika tsy manana asa faharoa ankoatra ny fambolena anefa izy ireo ka sahirana ara-pivelomana rehefa fotoanan’ny hain-tany. Rehefa misy ihany koa fizarana fanampiana dia manano sarotra ny fandrindrana izany satria  mbola misy ihany koa ireo mivarotra ny azy raha ny fanehoan-kevitr’i Fulgence Justin tompon’andraikitra avy amin’ny fiadidina ny faritra Androy. Miezaka manolotra ny vahaolana ny tsirairay, manoloana ny zava-misy sy ny andraikiny avy.

Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.

Découvrez d’abord quelques écoles nationales de Madagascar qui forment les individus à des métiers spécifiques aboutissant à un statut de fonctionnaire. Citons par exemple : ENMG - Ecole Nationale de la Magistrature & des Greffes, ENAP - Ecole Nationale d'Administration Pénitentiaire à Antetezambaro Toamasina II, ENSP -  Ecole Nationale Supérieure de Police à Ivato, ENIAP- Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police à Antsirabe, ESGN - Ecole Supérieur de la Gendarmerie Nationale à Moramanga et ENAM –  Ecole Nationale d'Administration de Madagascar.

Il y a des étapes à suivre et quelques critères à respecter pour devenir avocat au barreau de Madagascar. Les avocats ont deux missions précises : donner des conseils juridiques et défendre un client devant un tribunal. Les avocats à Madagascar ont plus ou moins des clients réguliers. En effet, certains affaires au tribunal ne nécessitent pas la présence d’un avocat, les individus suivent donc par eux-mêmes leurs affaires. Et pourtant, mieux vaut être accompagné par un expert en la matière, explique Me Alain Raondry, bâtonnier de l’ordre des avocats de Madagascar.  

Ndeha hamantatra ireo sekolim-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana eto an-toerana : Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaha na ENMG, Sekolim-pirenena ho an'ny Fandraharahana ny Fonja na ENAP any Antetezambaro Toamasina II, sekolim-pirenena ambony ho any polisy na ENSP eny Ivato, sekolim-pirenena hoan’ny « inspecteur » et « agent de police » na ENIAP any Antsirabe, sekoly ambony hoan’ny zandarimariam-pirenena na ESGN, sekolin’ny zandarimaria nasionaly na EGNA, Sekolim-pirenena fanofanana mpiasam-panjakana na ENAM. Santionany ihany ireo, misy ny fifaninana hahafahana miditra ao aminy, isan-taona, ary misy ny didim-panjakana mamaritra ny fepetra hahafahana mandray anjara amin’izany sy ny andinindininy rehetra hantanterahana azy.

Misy dingana sy fepetra vitsivitsy arahina hahatongavana ho mpisolo vava eto Madagasikara, isan’izany ny fananana mari-pahaizana « Maitrise en droit » na mitovy lenta amin’izany, ny fidirana ao amin’ny sekoly manofana ho mpisolo vava ary ny fananana ny CAPA – Certificat d’Aptitude à la Profession d’Avocat. Manome torohevitra ary miaro ny olona eo anatrehan’ny fitsarana sy ny any amin’ny sampadraharahan’ny fanjakana na any amin’ny sehatra tsy miankina no asan’ireo mpisolo vava amin’ny ankapobeny.  Azo lazaina ho tsy dia betsaka ireo olona mazoto manatona mpisolo vava eto Madagasikara satria misy ireo raharaha tsy voatery ilàna mpisolo vava ka ilay olona tompon-draharaha mihitsy no mandeha manaraka ny raharahany eny amin’ny tribonaly, hoy i Me Alain Raondry filohan’ny holafitry ny mpisolo vava eto Madagasikara.

Le 23 mai, le Ministère des Affaires Etrangères de Madagascar a fait une déclaration sur la réglementation des expatriations. Il s’agit du rajout des différentes démarches pour la demande de visa. Les mesures réglementaires sont nécessaires pour protéger les natifs mais le délai devraient être rallongé, a déclaré Ladinintsoa Razafindrakoto, ​​manager du Sourcing Corporation. Trouver un emploi à l'étranger permet aux jeunes de s’épanouir et l’Etat devrait mettre en place des mesures d’accompagnement pour que cela devienne une opportunité. Les jeunes malgaches ont le droit de vouloir travailler à l'étranger, pourtant ces mesures sont devenues des obstacles, affirme Ramanantoanina Andrianiaina, un jeune de Rary Aro Heroes. Selon lui, il faut restreindre les voyages dans les pays où les droits de l'Homme ne sont pas respectés. Pour Rakotomandimby Mihamina, membre du GOTICOM, le non-respect des droits des travailleurs existe dans certains pays. Mais au-delà des mesures, il appelle au changement du statut des travailleurs malgaches à l'étranger, ils doivent être considérés en tant qu’expatriés et non plus des immigrants. Par ailleurs, il faut savoir tirer des avantages des expériences à l’étranger, pour pouvoir les partager une fois revenue au pays.

Ny  23 Mey teo ny Ministeran’ny raharaham-bahiny eto Madagasikara no namoaka ilay fanambarana mikasika ny fandrindrana ny fivezivezen’ireo mpilaravin’ahitra any ivelany sy ireo mpiasa mpifindra monina. Nihamaro mantsy ireo dingana arahina ahazoana ny taratasy fahazoan-dalana. Ilaina ireo fepetra fiarovana saingy tokony hampitomboina ny fe-potoana hoy ny mpitantana ny Sourcing Corporation, Razafindrakoto Ladinintsoa. Mampivelatra ireo tanora rahateo ny fahazoana asa any ivelany ka tokony atao fanararaotra ary izany. Mila hajaina ny zon’ireo tanora malagasy maniry hiasa any ivelany satria lasa sakana ho azy ireo ireo fepetra ireo hoy ny tanora avy ao amin’ny Rary Aro Heroes, Ramanantoanina Andrianiaina. Ny famerana ny fandehanana any amin’ireo firenena izay efa fantatra fa tsy manaja ny zon’olombelona hoy izy no tokony atao.  Misy tokoa ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa any amin’ireo firenena sasany  hoy ny mpikambana ao amin’ny GOTICOM Rakotomandimby Mihamina. Mitaky ny fanajana ny zon’ireo mpiasa sy ny fanovana ny sata  mifehy ireo mpiasa malagasy any ivelany izy, mba tsy ho mpifindra monina intsony no hiantsoina azy. Mila trandrahana anefa avy eo ny tombontsoa azo avy amin’ny fandehanana any ivelany, na io fomba fiaina na io fahalalana, mba hahafahana mifampizara traikefa eto an-toerana.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter