- Misy karazany valo ny Ala Honko misy eto amintsika izay miparitaka manerana ny nosy. Â
- Isany maha demokratika ny firenena iray ny fananana zo hanao fihetsiketsehana an-kahalalahana , saingy misy fepetra arahana.
- Ny fandraisana an-tanana ireo voafonja misedra tsy fahasalamana any am-ponja.
- Fialan-tsasatra : nahitana lozam-pifamoivoizana matetika ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina.
- Sud-Ouest: les travailleurs sociaux bénéficient de nouveaux vélos.
- Journée internationale des mangroves: Nosy Be accueille la célébration cette année.
- Soanierana Ivongo ouvre son nouveau centre de formation.
- Atsimo andrefana : nomena bisikileta ireo mpanentana ara-piarahamonina.
- Andro iraisam-pirenena ho an'ny ala honko : nankalazaina tao Nosy Be ny antsika.
- Soanierana Ivongo : nahazo ivontoeram-panofanana ara-teknika vaovao.
Â
Le stylisme prend petit à petit sa place à Madagascar. L’événement annuel du ministère de la culture Mihamy Mada Fashion est l’un des leviers qui propulse les jeunes stylistes dans le monde professionnel.
Tous les ans, l’association Madagascar's Fashion designer est de la partie. Il aide les jeunes à trouver leur voie et les forme à devenir professionnelle. Actuellement cette association compte 24 membres et est ouverte aux intéressés. Lucka Andriamahavonjy, Secrétaire Général de cette association nous en apprend plus sur la mission de Madagascar's Fashion designer.
Â
Efa miha mahazo laka  tsikelikely ny Lamaody Malagasy tato ho ato. Nanome sehatra goavana hoan’ireo mpamorona Malagasy ny hetsika Mihamy Mada Fashion izay karakarain’ny Minisiteran’ny kolontsaina  isan-taona.
Misy ny fikambanana izay mampivondrona ny mpamorona lamaody manerana an’i Madagasikara na Madagascar’s Fashion Designer.  Efatra amby roapolo izao ny mpikambana ao aminy ary afaka miditra avokoa ireo liana rehetra. Hanazava mahakasika an’izany sy ny fandrosoan’ny Lamaody Malagasy I Lucka Andriamahavonjy, sekretera jeneralin’ity fikambanana ity.
À chacun ses ambitions. Pour Instase la promotion des artistes que ce soit professionnel ou ceux qui s’autoproduit dans la rue, c’est leurs vocations. Mirana, la fondatrice de cette association nous explique les détails de cette bonne action envers le monde culturel malgache. Instase donne à ses artistes l’occasion de se produire devant un publique et aussi de partager leur art à un large public dans les réseaux sociaux.
À part ses gens qui essayent de faire bouger l’art et la culture ici chez nous, il y en a qui ont des occasions de davantage approfondir leur connaissance et de partager internationalement leurs savoirs. Mampiray Solofoniaina va nous donner les détails du forum national « Entreprendre dans La Culture 2022 » auquel il a participé en France et les impacts que cela pourrait avoir à Madagascar.
Â
Misy karazany maro ireo fikambanana miasa ho an’ireo mpanakanto. Ho an’ny Instase manokana, misy ny tetikasa izay fitrandrahana an’ireo talenta samihafa eny rehetra eny sy ny fanomezana sehatra ary fanapariahana ny kantony amina mpankafy sy ireo mety ho mpijery.  Misy ireo efa matihanina, misy ireo izay mbola miana-mandady. Sehatra no omena azy ireo. Hazavain’i Mirana, filoha namorona an’ity Instase amintsika izany sy ny fanitatrana kasain’izy ireo atao amin’ity Instase ity. Maimaimpoana na antsitrapo ny asa ataon’ny Instase.
Ankoatran’ny fikambanana anefa misy ihany koa ireo fihaonana maneran-tany toy ny forum national « Entreprendre Dans La Culture 2022 » tany Frantsa izay hahafahantsika Manovo traikefa sy mampivoatra ny sehtara ara-kolontsaina. Manazva amintsika ny ambangovangony mahakasika an’izany ao amin’ny tapany faharoan’ny fandaharana kosa I Mampiray Solofoniaina.
Â
Travailler dans le domaine de la « voix-off », c’est savoir être un caméléon avance Lillio, une voix connue du paysage médiatique malgache. Les spots publicitaires, dit-il, demandent une voix dynamique, contrairement à celle utilisée pour les film-documentaires qui demandent un air assez posé. Quant à la voix prêtée pour le cinéma, une notion en théâtre est de mise. C’est un métier qui couvre les petits frais à Madagascar, sauf si l’on est connu dans le domaine, explique-t-il. Pour entretenir la voix, Lillio suggère un repos suffisant et une alimentation saine, car faire de la « voix-off » demande de l’énergie. Les voix de personnes de plus de 40 ans occupent 38% du marché mondial contre 17% pour les voix jeunes de moins de 30 ans.
Â
Partie de rien, Houssen Zahir Firoza a su imposer son style cinématographique sur le marché international, par ses films courts. Autodidacte et déterminée, elle est l’une des rares femmes cinéastes à raconter la grande île autrement. Après « Tetirano » et « Des Maux d’Elles », elle monte en créneau avec son troisième film en préparation, « Emina ». Elle pousse la gente féminine à s’intéresser au côté technique et à briser le cliché de la « femme-actrice ».
Â
Â
Mila manao toy ny tanalahy rehefa misehatra amin’ny tontolon’ny fampindramana feo hoy i Lillio, izany hoe mahay mamoaka ny fihetseham-po rehetra. Raha dokam-barotra, tsara raha ny feo mailamailaka no ampiasaina. Raha andravahana horonan-tsary fanadihadiana kosa dia mila feo somary milamina ary raha feo ampiasaina amin’ny horonan-tsary dia tsara raha manana traikefa amin’ny teatra hoy izy. Mila matory tsara, misakafo tsara ary tsy mifoka sigara raha te hikojakoja ny feo hoy hatrany i Lillio satria asa mampiasa angovo ny fanaovana « voix-off ». Ireo feon’olona mihoatra ny 40 taona no tena be mpitady raha oharina amin’ny feo tanora, izany hoe latsaky ny 30 taona.
Â
Miavaka ireo horonan-tsary fohy vokarin’i Houssen Zahir Firoza, iray amin’ireo vehivavy malagasy mpanatontosa sarimihetsika. Antony nahatonga azy hisehatra amin’ny iraisam-pirenena. Tsy voatery ny fahantrana foana koa no azo tantaraina momba an’i Madagasikara hoy izy ary maro no mana-talenta eto amintsika. Taorian’ny « Tetirano » sy « Des Maux d’Elles » izay nahazoany loka, eo ampikarakarana ny sarimihetsika fahatelo antsoina hoe « Emina » izy amin’izao fotoana izao. Mamporisika ny vehivavy hitia ny lafiny teknika i Firoza. Tsy voatery ho mpilalao foana hoy izy ny vehivavy fa afaka miditra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika.
Rabemanotrona Lanto est un maquettiste pas comme les autres. Il est connu pour être le maquettiste du Palais de la Reine et celui du Premier Ministre. Ses œuvres sont exposées dans les Palais éponymes et dans les grands hôtels tananariviens. Pour lui, le respect des échelles et des détails est primordial, c’est ce qui fait la différence entre de simples maquettes artisanales et ce qu’il fait. Le palissandre reste son matériau de prédilection pour réaliser ses maquettes royales. C’est un matériau noble, insiste-t-il. De par son expérience, faire des maquettes de Palais ouvre beaucoup de portes et crée des relations. C’est pourquoi il conseille les jeunes à en faire une passion, voire un métier sérieux.
 Â
Selon Jacques Berthieux Ramananindriana, un architecte est celui qui imagine et dessine l’intérieur et l’extérieur d’une maison ou un d’un lieu. Ce n’est pas un ingénieur bien que les deux collaborent pour mener à bien un projet de construction. Le métier d’architecte est essentiel pour faire respecter le plan d’urbanisme et le bien-être du résident. C’est pourtant un métier négligé à Madagascar. Néanmoins, le domaine reste prometteur car le marché est vaste. Jacques Berthieux Ramananindriana, par son bureau d’étude Zac Architecture & Design, reçoit trois commandes par mois en moyenne.
Â
Â
Miavaka amin’ireo mpanao « maquette » mahazatra i Rabemanotrona Lanto. Ireo vakoka malaza toy ny rova sy lapa manan-tantara no tena ataony « maquette » ka izay no ahafantaran’ny maro azy. Ao amin’ny lapa malaza sy ireo trano fandraisam-bahiny lehibe eto an-drenivohitra no ahitana ireo sangan’asany ireo. Mila manao fikarohana ara-tantara hoy izy mialohan’ny hanaovana « maquette » iray satria mila hajaina ny refy sy ireo pitsopitsony rehetra momba ilay vakoka. Hazoala no akora fototra ampiasaina. Manokatra varavarana sy fifandraisana maro ny asa fanaovana « maquette » ireo vakoka hoy izy ary mamporisika ny tanora hitrandraka ity sehatra ity izy. Endrika iray azo hampitana ny tantara sy ny soatoavina ny fanaovana « maquette » ireo vakoka hoy izy, namarana.
Â
Ny atao hoe mpanao mari-trano na « architecte » hoy i Ramananindriana Jacques Berthieux, dia ireo mpamorona ny endriky ny trano na toerana iray, na ny ao anatiny na ny ivelany. Misafidy ireo akora ampiasaina ihany koa ny « architecte ».Tsy injeniera izy ary tsy miditra an-tsehatra amin’ny fanamboarana ny trano fa mifameno kosa ireo fahaiza-manao ireo. Tsy azo ajoro ny trano iray raha tsy mahazo taratasy fanamarinana avy aminy. Io no ahalalana fa manaja ny fenitry ny fanamboarana ary voahaja sy ny fenitra ara-pahasalamana rehetra ilay trano. Manaja ireo fomba malagasy amin’ny fanamboarana trano ihany koa ny « architecte » eto amintsika.
Â
Chaque société porte des regards différents  sur les valeurs qu’elle accorde aux femmes et aux hommes. Chaque individu dispose du même droit à l’égard de la loi malgache, a déclaré le président de Move One Androy et animateur de MenEngage Madagascar, Sorotombake Mbola. Il ne devrait y avoir aucune discrimination fondée sur le sexe et le genre, que ce soit dans le système judiciaire, dans la participation au niveau de la vie économique, politique, social, etc., ou dans la liberté d’expression. Mais la violence basée sur le genre persiste encore aujourd'hui parce que les hommes dominent par leur force. Par exemple, dans différentes localités, les femmes n'ont pas accès à l'emploi car elles restent à la maison, ce qui représente un frein au développement. L'égalité de prise de responsabilités doit commencer à la maison, en s'aidant mutuellement pour les tâches ménagères, le travail, etc., a-t-il suggéré.
Samy manana ny fomba fijeriny momban’ny lanja omena ny vehivavy sy ny lehilahy ny fiarahamonina. Mitovy zo ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalà na raha ny voalazan’ny lalà na malagasy hoy ny filohan’ny fikambanana Move one Androy sy mpanentana ao amin’ny MenEngage Madagascar, Sorotombake Mbola. Tsy tokony hisy fanavakavahana amin’ny mahalahy na mahavavy, na io amin’ny fitsarana, na io amin’ny fanomezana tombony, na  amin’ny fandraisana anjara amin’ny sehatra rehetra (toekarena, politika, sosialy sns), na amin’ny fanehoankevitra. Mbola misy anefa ny herisetra amin’izao satria miseho ho mahery ny lehilahy, amin’ny ankapobeny. Tsy mahazo sehatra amin’ny asa ohatra ny vehivavy amin’ny toerana sasany satria lasa mijanona ao antrano, ka lasa sakana ho an’ny fampandrosoana izany. Mila miainga avy ao antokantrano ny fitovian’ny fandraisana andraikitra, mifanampy amin’ny fikarakarana tokatrano, amin’ny asa sns hoy izy.
Â
Après plusieurs cas de viol dénoncés sur les réseaux sociaux, les sociétés civiles dans le secteur de la santé reproductif alertent sur l’urgence de la publication du décret d’application  de la loi sur la violence basé sur le genre de 2019. Ce décret faciliterait justement l’application de cette loi et pourrait démotiver les malfaiteurs explique Ravololomboahangy Holisoa, vice-présidente du Conseil Nationale des femmes de Madagascar.
Â
Tao aorian’ireo trangana herisetra sy fanolanana zaza na ankizy vavy voaresaka tany anaty tambazotra dia nanao fanairana ny fiaraha-monim-pirenena ny amin’ny tokony hamoahana ny didy fampiharana ny lalà na miaro amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. Efa tamin’ny taona 2019 no lany teo anivon’ny antenimera io lalà na io. Hanamora ny fampiharana izany famohana ny didy fampiharana ary fitaovana mafonja entina miady amin’ireo herisetra io hoy I Ravololomboahangy Holisoa, filoha lefitry ny filan-kevitra nasionaly ny vehivavy eto Madagasikara.
Â
 - Tourisme : un timide retour des touristes dans le Sud-Ouest.
- Les aéroports d’Antananarivo et de Nosy-Be reçoivent les Certification ISO 9001 :2015 – ISO 14001 :2015.
- "Festival de l'agriculture et de l'élevage" : le district d’Ambohidratrimo valorise l’agriculture « bio ».
- Fizahantany : miverina tsikelikely ireo mpizahantany ao atsimo andrefana.
- Nahazo ny Fanamarinana ISO 9001 :2015 sy ISO 14001 :2015 ny seranam-piaramanidin’Antananarivo sy Nosy Be.
- Hetsika "Festival de l'agriculture et de l'élevage" : manome lanja ireo vokatra miaro ny tontolo iainana ny distrikan’Ambohidratrimo.
- Ambositra : la plupart des patients traités à l’hôpital CHHR Volafotsy Ambositra sont hypertendus.
- Ihosy : certaines coopératives réduisent les frais des taxis brousse pour fidéliser la clientèle.  Â
- Melaky : redynamisation du « dinan’i Melaky tsy mipoly ».
- Ambositra : Ny tosi-drà no toe-batana be mpitily indrindra ao amin’ny CHRR Volafotsy Ambositra.
- Ihosy : misy lamina manokana hataon’ireo kooperativa hitsinjovana ireo mpandeha taxi brosy.Â
- Melaky : famerenana ny dinan’i Melaky tsy mipoly.
- Efa maro ireo tanora no liana amin’ny resaka asa amin’ny maha olona na aides humanitaires.
- Famokarana votabia ao Fianarantsoa, niakatra ny tahan'ny famokarana.
- « Danse Contemporaine » na dihy ankehitriny, manampy amin’ny fivoaran’ny maha izy azy ny tena.
- Fialan-tsasatry ny mpianatra: tsy rendrarendra.
Ils étaient une trentaine de jeunes issus de différentes associations en charge des enfants et jeunes vulnérables dans la capitale à se présenter à la journée Zara k’andra , ce vendredi 20 mai 2022. La première partie de la journée a été consacré au speed recruiting avec la participation de 10 entreprises partenaires, suivi par des partages d’expérience avec les jeunes. L’objectif était d’offrir à ces jeunes une opportunité de trouver un emploi convenable aux formations qu’ils ont suivi et aussi d’inspirer ceux qui sont encore en cours de formation à bien savoir choisir leur parcours et futur métier.
Tanora maro avy amina fikambanana miahy zaza sahirana eto andrenivohitra no tonga nanotrona ny zara k’andra nokarain’ny Graines de bitumes sy ny Bureau pour l’emploi ny zoma 20 may lasa teo. Ny tapany voalohany dia natokana hifantenana arak’asa ireo tanora 30 mianadahy, izay nahaliana ireo orinasa 10 samihafa tonga teny antoerana. Fifampizarana traik’efa niarahana tamin’ireo mpandraharaha sy tompon’orinasa kosa ny tapany faharoa. Tanjona ny hanokafana varavarana ireo tanora efa nahavita fiofanana ka mitady asa sy hisarihana ireo izay mbola eo am-panombohana hahay hisafidy sahady ny sehatr’ asa tiany hidirana.
ORION Astro Lab est un projet qui va former des jeunes malgaches et sénégalais sur les compétences nécessaires afin de répandre cette discipline dans leur communauté d’origine. Les jeunes passionnés de cette discipline pourront ainsi avoir des compétences pour leader des associations ou des communautés en lien avec l’astronomie. L’inscription à la formation se terminera le 30 avril. Les détails avec Andoniaina Rajaonarivelo, porte-parole du projet et président de l’association Hainkintana.
Tetik’asa iray entina hanofanana tanora ho mpitarika amin’ny sehatry ny astronomia ny Orion AstroLab. Ao anatin’izay dia hisy atrik’asa hanomezana fahalalana mikasika ny astronomia hoan’ireo tanora liana amin’izany ary ireto farany indray no hampita ireo fahalalana ireo amin’ny fikambanana na vondrona misy azy any amin’izay nihaviany. Hatramin’ny 30 aprily izao ny fisoratana anarana mikasika amin’io atrik’asa io. Manazava mikasika izany i Andoniaina Rajaonarivelo, mpitondra tenin’ny tetik’asa sady filohan’ny fikambanana Hainkintana.