- Fiantraikan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika amin’ny vidin’entana hafa.
- Hiakatra valo isan-jato ny vidin’ny PPN hoy ny mpahay toe-karena.
- Làlan’ny bisikileta: foto-drafitrasa iray ilaina eto Antananarivo.
- Ny Tahirim-bolam-panjakana no miandraikitra ny fanangonana sy ny fitantanana ireo vola miditra sy mivoaka amin’ny Fanjakana.
La Carie dentaire est une maladie infectieuse sous forme d’un trou sur les dents. Elle est causée par les acides formés et qui s’accumulent par les restes d’aliments. Elle concerne tout autant les adultes comme les jeunes et les enfants. Le brossage des dents, au moins trois fois par jour, est la meilleure solution pour éviter la carie dentaire. Il faut éviter également les aliments trop sucrés, trop chauds ou trop froids. Le Dentiste Randriamiharisoa Faniry, nous en dit plus dans Santénaka.
Ny olimanara dia areti-nify vokatry ny fisian’ny loaka eo amin’ny nify. Mety voan’io ny salataona rehetra, na zaza na tanora na lehibe. Ny fisian’ny ny asidra avy amin’ny potika hanina tavela ao amin’ny nify no mahatonga ny nify loaka. Ny fiborosiana nify farafaharatsiny intelo isan’andro araka izany no fisorohana hiadiana amin’ny olimanara. Tsy tsara ihany koa ny mihinanana sakafo mamy be loatra matetika, ny sakafo mahamay sy mangatsiaka be. Manazava mikasika io aretina io ny mpitsabo nify sy ativava, Randriamiharisoa Faniry.
- Sofia – Boeny : Organisation autour de la migration climatique.
- Anôsy : Le Port d’Ehoala a 13 ans.
- Hausse des frais des transports régionaux.
- Sofia – Boeny : Fandaminana mahakasika ireo mpifindra monina noho ny fiovan’ny toetr’andro.
- Anôsy : Nankalaza ny faha-13 taonany ny seranantsambon’i Ehoala
- Niakatra nanomboka androany ny saran-dalan’ireo zotra rezionaly sy taxibrousse sasantsasany.
La malnutrition est un problème majeur dans la région de l'Androy depuis de nombreuses années. En juin 2021, l'UNICEF a déclaré que près de 500 000 enfants souffrent de malnutrition sévère et 110 000 d'entre eux sont en état critique, dans le Sud de Madagascar. Le district d'Ambovombe Androy est durement touché avec 27 % de taux de malnutrition sévère. Les deux jeunes représentants de la région, Sorotombake Mbola, président de Moov On Androy et Miarintsoa Germain, président du Réseau d'Honnêteté et d’Intégrité (RHI) de l'Université d'Androy confirment cette réalité en décrivant la vie de la population locale. Ces habitants ne peuvent pas cultiver à cause des conditions climatiques très sèches. Même s’ils arrivent à avoir des récoltes, leurs produits ne peuvent pas être stockés assez longtemps comme l'explique Mamy Ramarolahy, responsable au sein de l’organisation régionale de la nutrition dans la région d'Androy. Pourtant, à part l'agriculture, les habitants n'ont pas d'emploi secondaire pouvant subvenir à leur besoins pendant les saisons sèches. D’un côté, l’organisation des distributions de vivre connait toute une série de problème d’après Fulgence Justin, chef de service des affaires juridique de la région Androy. Selon lui, certains bénéficiaires vendent les vivres qui leur sont distribués.
Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.
Mipetraka ho olana goavana eto amin’ny faritra Androy ny tsy fanjarin-tsakafo efa nandritra ny taona maro. Araka ny fampitam-baovaon’ny UNICEF ny 27 jona 2021 teo dia zaza manodidina ny 500 000 no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary 110 000 amin’ireo no tena sahirana ara-pivelomana indrindra, any Atsimon’i Madagasikara. Ny distrikan’Ambovombe Androy no tena voa mafy. Mahatratra 27 isan-jato ny tahan’ny tsy fanjarin-tsakafo mahery vaika any an-toerana. Samy nanamafy izany ny tanora roa solotenan’ny faritra, i Sorotombake Mbola, filohan’ny fikambanana Moov On Androy sy i Miarintsoa Germain filohan’ny RHI (Réseau d’Honnêteté et d’Intégrité) avy ao amin’ny oniversiten’Androy.
Tsy mampanjary ny fambolena atao ny toetr’andro maina any an-toerana. Na mahavokatra aza anefa izy ireo dia saika tsy azo tehirizina maharitra izany araka ny fanazavan’i Mamy Ramarolahy – Tompon’andraikitry ny fiahiana sy ny fiarovana ny fanjarin-tsakafo anatin’ny foibe-paritry ny fanjarintsakafo ao Androy. Saika tsy manana asa faharoa ankoatra ny fambolena anefa izy ireo ka sahirana ara-pivelomana rehefa fotoanan’ny hain-tany. Rehefa misy ihany koa fizarana fanampiana dia manano sarotra ny fandrindrana izany satria mbola misy ihany koa ireo mivarotra ny azy raha ny fanehoan-kevitr’i Fulgence Justin tompon’andraikitra avy amin’ny fiadidina ny faritra Androy. Miezaka manolotra ny vahaolana ny tsirairay, manoloana ny zava-misy sy ny andraikiny avy.
Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.
Découvrez d’abord quelques écoles nationales de Madagascar qui forment les individus à des métiers spécifiques aboutissant à un statut de fonctionnaire. Citons par exemple : ENMG - Ecole Nationale de la Magistrature & des Greffes, ENAP - Ecole Nationale d'Administration Pénitentiaire à Antetezambaro Toamasina II, ENSP - Ecole Nationale Supérieure de Police à Ivato, ENIAP- Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police à Antsirabe, ESGN - Ecole Supérieur de la Gendarmerie Nationale à Moramanga et ENAM – Ecole Nationale d'Administration de Madagascar.
Il y a des étapes à suivre et quelques critères à respecter pour devenir avocat au barreau de Madagascar. Les avocats ont deux missions précises : donner des conseils juridiques et défendre un client devant un tribunal. Les avocats à Madagascar ont plus ou moins des clients réguliers. En effet, certains affaires au tribunal ne nécessitent pas la présence d’un avocat, les individus suivent donc par eux-mêmes leurs affaires. Et pourtant, mieux vaut être accompagné par un expert en la matière, explique Me Alain Raondry, bâtonnier de l’ordre des avocats de Madagascar.
Ndeha hamantatra ireo sekolim-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana eto an-toerana : Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaha na ENMG, Sekolim-pirenena ho an'ny Fandraharahana ny Fonja na ENAP any Antetezambaro Toamasina II, sekolim-pirenena ambony ho any polisy na ENSP eny Ivato, sekolim-pirenena hoan’ny « inspecteur » et « agent de police » na ENIAP any Antsirabe, sekoly ambony hoan’ny zandarimariam-pirenena na ESGN, sekolin’ny zandarimaria nasionaly na EGNA, Sekolim-pirenena fanofanana mpiasam-panjakana na ENAM. Santionany ihany ireo, misy ny fifaninana hahafahana miditra ao aminy, isan-taona, ary misy ny didim-panjakana mamaritra ny fepetra hahafahana mandray anjara amin’izany sy ny andinindininy rehetra hantanterahana azy.
Misy dingana sy fepetra vitsivitsy arahina hahatongavana ho mpisolo vava eto Madagasikara, isan’izany ny fananana mari-pahaizana « Maitrise en droit » na mitovy lenta amin’izany, ny fidirana ao amin’ny sekoly manofana ho mpisolo vava ary ny fananana ny CAPA – Certificat d’Aptitude à la Profession d’Avocat. Manome torohevitra ary miaro ny olona eo anatrehan’ny fitsarana sy ny any amin’ny sampadraharahan’ny fanjakana na any amin’ny sehatra tsy miankina no asan’ireo mpisolo vava amin’ny ankapobeny. Azo lazaina ho tsy dia betsaka ireo olona mazoto manatona mpisolo vava eto Madagasikara satria misy ireo raharaha tsy voatery ilàna mpisolo vava ka ilay olona tompon-draharaha mihitsy no mandeha manaraka ny raharahany eny amin’ny tribonaly, hoy i Me Alain Raondry filohan’ny holafitry ny mpisolo vava eto Madagasikara.
Le 23 mai, le Ministère des Affaires Etrangères de Madagascar a fait une déclaration sur la réglementation des expatriations. Il s’agit du rajout des différentes démarches pour la demande de visa. Les mesures réglementaires sont nécessaires pour protéger les natifs mais le délai devraient être rallongé, a déclaré Ladinintsoa Razafindrakoto, manager du Sourcing Corporation. Trouver un emploi à l'étranger permet aux jeunes de s’épanouir et l’Etat devrait mettre en place des mesures d’accompagnement pour que cela devienne une opportunité. Les jeunes malgaches ont le droit de vouloir travailler à l'étranger, pourtant ces mesures sont devenues des obstacles, affirme Ramanantoanina Andrianiaina, un jeune de Rary Aro Heroes. Selon lui, il faut restreindre les voyages dans les pays où les droits de l'Homme ne sont pas respectés. Pour Rakotomandimby Mihamina, membre du GOTICOM, le non-respect des droits des travailleurs existe dans certains pays. Mais au-delà des mesures, il appelle au changement du statut des travailleurs malgaches à l'étranger, ils doivent être considérés en tant qu’expatriés et non plus des immigrants. Par ailleurs, il faut savoir tirer des avantages des expériences à l’étranger, pour pouvoir les partager une fois revenue au pays.
Ny 23 Mey teo ny Ministeran’ny raharaham-bahiny eto Madagasikara no namoaka ilay fanambarana mikasika ny fandrindrana ny fivezivezen’ireo mpilaravin’ahitra any ivelany sy ireo mpiasa mpifindra monina. Nihamaro mantsy ireo dingana arahina ahazoana ny taratasy fahazoan-dalana. Ilaina ireo fepetra fiarovana saingy tokony hampitomboina ny fe-potoana hoy ny mpitantana ny Sourcing Corporation, Razafindrakoto Ladinintsoa. Mampivelatra ireo tanora rahateo ny fahazoana asa any ivelany ka tokony atao fanararaotra ary izany. Mila hajaina ny zon’ireo tanora malagasy maniry hiasa any ivelany satria lasa sakana ho azy ireo ireo fepetra ireo hoy ny tanora avy ao amin’ny Rary Aro Heroes, Ramanantoanina Andrianiaina. Ny famerana ny fandehanana any amin’ireo firenena izay efa fantatra fa tsy manaja ny zon’olombelona hoy izy no tokony atao. Misy tokoa ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa any amin’ireo firenena sasany hoy ny mpikambana ao amin’ny GOTICOM Rakotomandimby Mihamina. Mitaky ny fanajana ny zon’ireo mpiasa sy ny fanovana ny sata mifehy ireo mpiasa malagasy any ivelany izy, mba tsy ho mpifindra monina intsony no hiantsoina azy. Mila trandrahana anefa avy eo ny tombontsoa azo avy amin’ny fandehanana any ivelany, na io fomba fiaina na io fahalalana, mba hahafahana mifampizara traikefa eto an-toerana.
Reportage:
“Alternative menstruelle durable », c’est un projet qui vise à utiliser des serviettes et culottes menstruelles lavables initié par l’association Green and Kool. Constatant les effets néfastes des serviettes jetables pour l’environnement, cette dernière a mis en place un atelier de fabrication de serviettes en tissu.
ITW :
La journée mondiale de lutte contre la désertification et la sècheresse est célébrée tous les mois de juin. A Madagascar, cela touche 30% des régions, dont Atsimo Andrefana, Anosy et Androy sont les plus concernés. Pour la région Analamanga, le village de Manerinerina, se situant dans le district d’Ankazobe souffre gravement du phénomène de sécheresse en raison des feux de brousse. Par conséquent, un grand manque d’eau sévit dans ce village. Notre journaliste, Angelo s’est entretenu avec le président du fokontany et un restaurateur local pour parler autour de ce sujet.
DIY :
Des fois nous avons tendance à jeter les restes de savons. Pourtant, il existe une meilleure façon de les réutiliser. Nous vous partageons une petite astuce permettant de les transformer en eau savonneuse avec laquelle on peut nettoyer les vaisselles, les vitres ou les voitures.
Actus :
Reportage :
« Alternative menstruelle durable », izay no natao anaran’ilay tetikasa mivoy ny fampiasana servieta sy kilaoty fanaovana amin’ny fadimbolana. Azo sasana ireo ary azo tehirizina. Ny fikambanana Green and Kool, fikambanana miady ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana no namorona ity tetik’asa ity noho ny fahatsapany ny voka-dratsy maro ateraky ny servieta fanary amin’ny tontolo iainantsika.
ITW :
Isaky ny volana jiona no ankalazaina ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny hain-tany sy ny tany ngazana. Maherin’ny 30 isan-jato eo no voakasik’izy io eto Madagasikara, ary ao Atsimo andrefana, Anosy sy Androy no tena hahitana izany. Raha ny eto Analamanga no jerena, isany tena hiaran’io tany ngazana io ny any Manerinerina , distrikan’Ankazobe, noho ny doro-tanety. Niresadresaka tamin’ny filoham-pokontany ao an-toerana, Randriamora sy tompona toeram-pisakaoana iray ny mpanao gazety, Angelo mahakasika ny fomba fanaon’ny mponina ao mahatonga ny tsy fahampian-drano sy ny vahaolana manoloana izany.
DIY :
Indraindray tsy hitantsika izay hanaovana ireny ambin-tsavony ireny rehefa akaiky ho lany ka lasa ariam-potsiny. Misy fomba tsotsotra azo hamadihana azy ho ranon-tsavony afaka hanadiovana kojakoja maro an-tokantrano toy ny vilia, ny fitaratra na ihany koa ny fiara.
Actus:
Les étudiants de la filière électronique de l’Ecole Supérieur de polytechnique Vontovorona ont exposé lors de l’Electronic’sDay du 17 et 18 juin, les projets sur lesquelles ils ont travaillé. Parmi eux, nous avons le projet TRacker Solaire, AirQuality et SmartCounter.
Pour s’inscrire à la filière électronique, il faut être titulaire d’un baccalauréat série C et passer ensuite un concours d’amission. Les sortants de cette filière ont beaucoup d’opportunité de travail et peuvent faire carrière dans différents secteurs d’activité et évoluer à l’étranger, explique Ramanantsihoarana Harisoa Nathalie, responsable de la mention électronique à l’école supérieur polytechnique Vontovorona.
Nampiranty ireo tetik’asa elektronika nataony avy ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pampianarana elektronika eny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona nandritra ny Electronic’s Day teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny 17 sy 18 jona teo. Isan’izany ny tetik’asa TRacker Solaire, AirQuality sy SmartCounter.
Mandalo fifaninana ny fidirana ao amin’ny sampam-piofanana elektronika. Mila manana Bacc, série C ireo izay hifaninana amin’izany. Maro ireo tanora liana amin’ity sehatra ity. Voafetra anefa ny toerana raha hoan’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona ka tsy maintsy mandeha mankany amin’ireo oniversite tsy miankina ireo tanora sasany hoy ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny lalam-piofanana elektronika, Ramanantsihoarana Harisoa Nathalie. Afaka mivelatra amina sehatra maro ireo mpianatra manaraka izany lalam-piofanana elektronika izany ary maromaro ireo fanararaotra hahafahan’izy ireo mandeha any ivelany, miasa na mandraharaha.
- Nosy Be : « Festival Somaroho », pour éduquer les jeunes participants à la culture malgache.
- Antsiaranana : les aires protégées, principales destinations des touristes.
- Toamasina : cours ludiques, pour sensibiliser les jeunes au développement de la ville de Toamasina.
- Nosy Be : an’isan’ny fomba hitaizana ny tanora mpandray anjara amin’ny kolontsaina maha malagasy ny hetsika « festival somaroho ».
- Antsiaranana : ny faritra arovana no tena mahaliana ny mpizahan-tany.
- Toamasina : amin’ny alalan’ny fampianarana sady fialam-boly no hanentananana ny tanora hampandroso ny tananan’i Toamasina.
- Fiakaran’ny vidin-tsolika : Sahirana ireo mpitondra fiara sy moto.
- Fizahan-tany anatiny: manomboka mazoto amin’ny fitsidihana ny Malagasy.
- Lasa mahay ny sandan’ny vola ny ankizy nampitantanina vola dieny mbola kely.
- Ny fandraisana an-tanàna ireo zaza menavava arian’ny ray aman-dreny.
« Le taux de chômage des jeunes est élevé » d’après les résultats d’enquête des jeunes observateurs d’OBS Mada dans la région Atsimo Andrefana. 64 % de la population de la région sont des jeunes et 80 % d’entre eux n’ont pas de travail décent, ce qui encourage les actes de banditisme et favorise l’insécurité ; selon l’enquête du Collectif des OSC des Jeunes Engagés d’Atsimo Andrefana (COJEAA) en 2018. Cette réalité est confirmée par les représentants des jeunes de Toliara : JEAN Tsitrapo : président de l’association MYDW (Malagasy Youngs for development of the world), et Ravololonirina Andréa : présidente de l’association Liberty 32.
Face à ses réalités, les intervenants ont apportés des explications sur les causes et les solutions. Parmi les plus marquants : Randrianivoniaina Raissa, présidente d’une association de jeune entrepreneure, a parlé de l’inadéquation entre les études et formations des jeunes avec les offres d’emplois et les secteurs opportuns dans la région. De son côté, Anjarasoa, le chef de service de la direction régionale des emplois a souligné leurs prises de responsabilités à travers la mise en place d’un site, permettant la rencontre entre les jeunes à la recherche de travail et les recruteurs dans la région d’Atsimo Andrefana. Malheureusement, peu de jeunes y sont inscrits. Atsimo Andrefana n’a pas de politique élaboré pour l’emploi des jeunes, et les solutions actuelles tournent autour.
La réalisation de ces activités de plaidoyer des jeunes s’inscrit dans les initiatives du projet OBS-Mada financé par le Fonds des Nations Unies pour la consolidation de la paix dans le cadre de l’initiative pour la promotion des jeunes et de l’égalité de genre et mis en œuvre par le PNUD Madagascar et MSIS TATAO ainsi que des OSCs partenaires telles que l’Alliance Voahary Gasy et le Studio Sifaka pour cet aspect de plaidoyer.
Araka ny tatitry nataon’ny tanora mpanara-mason’ny OBSMada eto amin’ny faritra Atsimo Andrefana dia « ambony ny tahan’ny tsy fananan’asa eo amin’ny tanora eto amin’ny faritra». 64% ny tanora eto amin’ny faritra ka 80 isan-jaton’io no tsy manana asa mendrika ka mitarika ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriam-pahalemana, araka ny fanadihadian’ny COJEAA (Collectif des OSC des Jeunes Engagés d’Atsimo Andrefana) tamin’ny 2018. Samy nanamafy izay zava-misy iainan’izy ireo izay ny solotenan’ny tanoran’i Toliara tao anatin’ny ady hevitra, na i JEAN Tsitrapo : filohan’ny association MYDW (Malagasy Youngs for development of the world), na i Ravololonirina Andréa : filohan’ny Liberty 32.
Nisongadina nandritra ny adi-hevitra fa ny tsy fifanojoan’ny fampianarana sy ny fiofanana ataon’ny tanora amin’ny asa tadiavin’ny orinasa eto amin’ny faritra no anton’izany hoy ny filohan’ny fikambanana Tanora Mpandraharaha Miray (TMM), Randrianivoniaina Raissa. Notsindrian’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fitaleavam-paritry ny asa sy ny fampananan’asa Atsimo Andrefana, Anjarasoa, ny fandraisana andraikitr’izy ireo manoloana izany amin’ny fananganana ny tranonkala izay mampifanatona ny tanora sy ny orinasa mitady mpiasa. Mbola maro anefa no tsy mahafantatra ny fisian’io tranonk’ala io. Miharihary ny tsy fisian’ny politikam-paritra amin’ny fampanan’asa ireo tanora, eo andalam-pamolavolana izany ny ao an-toerana.
Hetsiky ny tanora amin’ny fanaovana haitaky tanterahina amin’ny alalan’ny tetikasa OBS-Mada izay vatsian’ny Tahirimbolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fandriampahalemana ary tanterahin’ny PNUD Madagascar, MSIS TATAO ary ireo firaisamonim-pirenenana Alliance Voahary Gasy sy Studio Sifaka.
Apres les enquêtes réalisées par le Système d’alerte précoce pour la prévention des conflits (SAP-PC) et du Contrôle Citoyenne des Action Publique (CCAP) au sein du projet OBS Mada, l’insécurité se trouve être la source de conflit la plus fréquente dans la région Anôsy. Selon le scanner de conflit ou le « Conflit Scan », l’insécurité a atteint les 29% de la perception de la population comme une source de conflit. Les représentants des jeunes de Fort Dauphin, Razafindraibe Rodrigue, vice-président du Conseil Communal des Jeunes (CCJ) et RABEMAZAKA Zoberie, membre de l’association Women Breaking the Silence (WBTS), ont tous les deux témoigner des évènements de la région en terme d’insécurité et surtout de comment les habitants vivent avec.
Le relâchement du « Jado », un système de surveillance populaire local assuré par les jeunes est la principale cause de l’insécurité montante de la région, d’après les propos de Sambo Jean Marie, le secrétaire générale de la Commune Urbaine de Fort Dauphin. Les intervenants poursuivent que la redynamisation de l’organisation du « Jado » et l’augmentation des jeunes gardes seraient une solution efficace. De son côté, Mamitiana Felicia, la représentante de la Préfecture de Fort Dauphin a souligné l’importance du retour et l’officialisation du règlement populaire « Dina » pour gérer ces cas d’insécurités.
La réalisation de ces activités de plaidoyer des jeunes s’inscrit dans les initiatives du projet OBS-Mada financé par le Fonds des Nations Unies pour la consolidation de la paix dans le cadre de l’initiative pour la promotion des jeunes et de l’égalité de genre et mis en œuvre par le PNUD Madagascar et MSIS TATAO ainsi que des OSCs partenaires telles que l’Alliance Voahary Gasy et le Studio Sifaka pour cet aspect de plaidoyer.
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny sampan-draharahan’ny fisorohana ny disadisa na ny SAP-PC (Système d’alerte précoce pour la prévention des conflits) sy ny fanaraha-mason’ny olom-pirenena ny asam-panjakana na ny CCAP eo anivon’ny tetikasa OBS Mada, dia ny lafiny tsy fandriam-pahalemana no isan’ireo miteraka disadisa indrindra eto amin’ny faritra Anosy. Araka ny valin’ny famakafakana disadisa na « Conflits Scan » dia mahatratra 29% ny fahatsapan’olona azy ho mety miteraka disadisa na herisetra. Nanamafy sy nitantara ny iainan’ny olona an’izay tsy fandriam-pahalemana ao Faradofay izay ny tanora mpanara-mason’ny OBS Mada, Razafindraibe Rodrigue, filoha lefitry ny CCJ (Conseil Communale des Jeunes) sy i RABEMAZAKA Zoberie avy amin’ny fikambanana WBTS (Women Break the Silence).
Antony mahatonga izany tsy fahandriam-pahalemana izany ny tsy fahamatorana eo amin’ny andrimasom-pokonolona na ny antsoin’izy ireo hoe « Jado ». Ny « Jado » izay andraisan’ny tanora anjara amin’ny fiambenana ny tanàna amin’ny alina, araka ny fanehoan-kevitr’i SAMBO Jean Marie, sekretera jeneralin’ny kaominina andrenivohitry Fort Dauphin. Voalaza ihany koa fa ny fanampiana isa azy ireo sy ny fanatsarana ny fandrindrana no isan’ny vahaolana amin’io « Jado » io. Ny solotenan’ny prefektiora ny tanàna, Mamintiana Félicia, kosa nanamafy ny maha zava-dehibe ny famerenenana ny fampiharana ny « Dina » hifampifehezan’ny faritra mba hisorohana io tsy fandriam-pahalemana io.
Hetsiky ny tanora amin’ny fanaovana haitaky tanterahina amin’ny alalan’ny tetikasa OBS-Mada izay vatsian’ny Tahirimbolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fandriampahalemana ary tanterahin’ny PNUD Madagascar, MSIS TATAO ary ireo firaisamonim-pirenenana Alliance Voahary Gasy sy Studio Sifaka.
La prise de drogue chez les jeunes de Fianarantsoa est une source de conflit social. Le tabagisme les pousse dans la dépendance totale et à la violence. Ce qui est une grande menace pour leurs études et leur avenir. Certes, des jeunes consommateurs de drogue souhaitent arrêter mais la dépendance entraine certains maux de têtes et les ramène au tabagisme. Un accompagnement moral ainsi qu’un traitement médical spécifique serait très utile pour aider ces jeunes à se libérer de la drogue. Un jeune qui était déjà dépendant à la drogue et qui a réussi d’arrêter témoigne sur la difficulté et le soutien qu’il a eu pour y parvenir. Anthony, le jeune témoin, docteur Razaza Georges Philbertine, Andriamanantsoa Domoina, représentant de la maison des jeunes de Fianarantsoa et Aniantra un jeune de l’OBSMADA sont autour d’une table pour en faire un débat.
La réalisation de ces activités de plaidoyer des jeunes s’inscrit dans les initiatives du projet OBS-Mada. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.
Isan’ny olana lehibe iray mitarika disadisam-piarahamonina ao Fianarantsoa ny fandraisan’ny tanora zava-mahadomelina. Misetrasetra, miankindoha ary mamorona ny tsy misy ireo tanora hividianana izany. Misy fiantraikany betsaka amin’ny fahasalamany sy ny fiatrehany ny fianarany koa izany. Ny toaka, rongony ary sigara no tena ironan’ireo tanora. Betsaka amin’ireo tafiditra no te hiala anefa efa tafiankin-doha tanteraka. Tohana ara-moraly sy fitsaboana ara-medikaly no ilain’ny tanora te hiala amin’ny zava-mahadomelina araka ny sosokevitra nomen’ireo tanora nijoro ho vavolombelona efa niankin-doha tamin’ny zava-mahadomelina fa efa afaka. Miady hevitra momba io lohahevitra io i Anthony, tanora mijoro vavolombelona, ny dokotera Razaza Georges Philbertine, Andriamanantsoa Domoina avy amin’ny tranoben’ny Tanora ao Fianarantsoa ary Aniantra tanoran’ny OBS MADA.
Hetsiky ny tanora amin’ny fanaovana haitaky tanterahina amin’ny alalan’ny tetikasa OBS-Mada. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.