COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

La réponse dépend de chaque individu et de la forme de la maladie, si c’est bénigne, modérée ou grave. Mais dans tous les cas, il faut attendre que les symptômes disparaissent entièrement avant de reprendre le sport, tel que la fièvre, la toux, les maux de tête etc. La reprise doit se faire graduellement, lentement et par étape. Sortir marcher un peu, faire des étirements légers pendant une semaine. Ensuite, pratiquer un exercice doux et marcher entre 15 à 30 minutes. C'est vers la troisième semaine que l'on peut recommencer à courir ou à utiliser de la force physique. Le plus important c’est d’y aller en douceur.

Par contre, si les symptômes étaient plus sérieux durant la maladie, comme des difficultés respiratoires ou des douleurs thoraciques, un avis médical s’impose avant de reprendre le sport.

 

Rahoviana no afaka miverina manao fanatanjahantena raha toa ka avy voan’ny COVID-19 ?

Miankina amin’ny tsirairay sy ny fomba fisehoan’ny aretina ny valin’izay. Fa amin’ny ankapobeny dia miandry hoe afaka tanteraka ireo soritraretina rehetra aloha, toy ny hoe fanaviana, kohaka na aretin’andoha. Mandeha tsikelikely ary moramora ny fiverenana amin’ny fanatanjahantena. Ohatra, ny herinandro voalohany mivoaka mandeha tongotra kely 5 minitra isanandro. Ny herinandro faharoa, ampitomboina kely ho 15 minitra indray. Ny herinandro fahatelo vao tokony mihazakazaka na manao hetsika mafimafy kokoa.

Raha toa kosa ka mafimafy kokoa ny niatrehana ny aretina, mety hoe nisy olana teo amin’ny fisefoana na tany amin’ny tratra, dia manatona mpitsabo alohan’ny hanaovana fanatanjahantena indray.

À part la sponsorisation payante des pages Facebook, d’autres méthodes s’avèrent efficaces pour augmenter la visibilité de sa page et booster les ventes. Pour Prisca Ranjalahy, qui travaille dans ce milieu depuis maintenant 10 ans, elle préfère travailler sur la communication et la relation humaine. « Je m’adresse à mes potentiels clients comme si je parlais à des amis. J’essaie de créer une certaine proximité avec eux. » Samantha Tiasoa Ratsirahonana, formatrice en communication digitale nous donne quelques conseils pour améliorer la visibilité des pages ou des comptes afin d’attirer les clients.

Le « pitch deck » est un outil qui sert à présenter les potentiels d’un projet à des futurs bailleurs. Le but étant de montrer à ces derniers l’opportunité derrière le projet ainsi que sa rentabilité. La prestance, le choix des mots et la maitrise des chiffres autour de votre projet sont les points les plus décisifs lors d’un pitch deck, selon Andriamasy Steeve, Business speaking.

 

Ankoatr’ireo fanaovana dokambarotra handoavam-bola ao amin’ny Facebook, misy paikady maro azo hampiharina mba hisarihana ireo mpanjifa eo amin’ny pejy na kaonty hanatsarana ny varotra atao ao na ny « vente en ligne ». Ho an’i Ranjalahy Prisca, izay mpivarotra kojakojan-damaody efa ho 10 taona izay, isan’ireo tena himasoany ny fomba firesaka amin’ireo mpanjifa. Manome toro-hevitra  hoan’ireo mpivarotra ihany koa i Ratsirahonana Tiasoa Samantha, matihanina amin’ny sehatry ny nomerika.

Fomba fiasa iray entina miresaka sy handresena lahatra ireo mpamatsy vola ny « Pitch Deck ». Hahafahana manomana izany, mila mahafehy ny antontan’isa mifandraika amin’ilay tetikasany ilay mpandraharaha. Mila maneho ihany koa izy fa manana ny fahaiza-manao sy ny toetra hahafahana manatanteraka io tetikasany io. Fanazavana entin’i Andriamasy Steeve, mpandalina momba ny asa.

lundi, 24 janvier 2022 12:49

Journal des régions du 24 janvier 2022

  • Etat des lieux national dû à l’inondation.
  • Retour sain et sauf des pêcheurs disparus hier à Morondava.
  • Tuléar a atteint les 43°.

  • Ny vokatry ny andro ratsy manerana an’i Madagasikara.
  • Tafaverina an-tanety ireo mpanjono nanaovana fikarohana omaly tany Morondava.
  • Tafakatra 43° ny mari-pana tany Toliara.

lundi, 24 janvier 2022 12:47

Journal du 24 janvier 2022

  • RN 2 : Androany no voalaza hiverenan’ny fifamoivoizana Antananarivo - Toamasina aorian’ny fanamboarana.
  • Dibodrano ireo tanimbary : sahirana ireo mpamboly amin’ny fanetsana sy fijinjana.
  • Loza voajanahary : Misy ireo paik’ady hiomanana amin’ny fiantrehana izany.
  • covid-19 eto Madagasikara : mety hiakatra ny isan'ireo voa noho ny andro ratsy.

lundi, 24 janvier 2022 12:40

Les 10 troubles de la personnalité

Il existe 10 types de troubles de la personnalité : par exemple, ceux qui s’enferment sur eux –même,  ceux qui sont violents envers les autres, ceux qui ont peur d'être marginalisés et exclus, ceux qui se considèrent supérieurs aux autres, ceux qui se rabaissent, ceux qui recherchent constamment de l’attention, ceux qui manquent de confiance en eux etc. Selon la psychologue  Hoby Andriamiharimanana, nous possédons tous ces traits de caractères, mais nous parlons de troubles lorsqu’ils deviennent excessifs, handicapants, et surtout lorsqu'ils affectent les relations avec les autres. Selon la psychologue Hajo Miora Rambinintsoa, ils peuvent être traités, selon le type trouble de la personnalité. Dès fois, le psychologue doit collaborer avec un psychiatre, si besoin de prescrire des médicaments, tandis que certains troubles nécessitent une thérapie comportementale.

Misy karazany 10 ny fikorontanan’ny maha izy azy ny olona. Ao ohatra ireo izay mikatona amin’ny manodidina azy, misy ireo mahery setra, ireo matahotra ny ho voahilika, misy ireo mihevitra azy ireo ho manana hery ambony noho ny hafa na ambony noho ny hafa, misy ireo manambany ny hafa, misy ireo mitady dera sy te hiavaka hatrany, misy ireo tsy mahatoky tena  sns. Toetra efa samy hananan’ny tsirairay ihany ireo hoy ny mpahay toetr’olona, Andriamiharimanana Hoby, kanefa lasa fikorontanana rehefa tsy voafehy sy mibahana amin’ny fiainana manontolo ary indrindra rehefa misy fiantraikany amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Azo tsaboina tsara ireo hoy mpahay toetr’olona, Rambinintsoa Hajo Miora, arakaraky ny karazany. Ao ny ilana fiarahamiasa amin’ny mpitsabo aretin-tsaina ka ilana fanafody , ao kosa ireo ilana fitsaboana amin’ny fampianarana ny fitondrantena. Zavadehibe hoy izy ny fahafantarana dieny mialoha ny toetra sy ny fitondrantenan’ny olona tsirairay mba hahafahana misoroka ireo izay mety fiantraikany ratsy eo amin’ilay olona na ny fiarahamonina.

Le droit électoral malgache prévoit d’une part, une révision annuelle de la liste électorale, et d’autre part, une refonte de cette même liste qui se fait normalement tous les 10 ans. Bien que ces deux procédés entrent tous deux dans le cadre du processus électoral, leur mise en œuvre diffère l’une de l’autre explique le coordonnateur régional du KMF/CNOE dans la région Atsinanana, Betsara Jean Kinnear.

Ankoatry ny hoe fanavaozana ny lisi-pifidianana, izay atao isan-taona, dia misy ihany koa ny atao hoe fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, na hoe « refonte de la liste électorale ». Isaky ny 10 taona indray izy io no atao araka ny lalàna, ary tamin’ny taona 2010 no nisy farany teto amintsika.  Mila fotoana lava kokoa sy fitaovana ary fomba ny fanatanterahana azy. Anjaran’ny CENI no manatona ny fokontany sy ny olompirenena amin’izany. Manazava ny mpandrindra ny KMF/CNOE faritra Atsinanana, Betsara Jean Kinnear.

Le ministère des Travaux publics est à pied d’œuvre pour rétablir la circulation sur la RN2. Alors que les autorités rassurent sur le stock de carburant, des files commencent à être observées au niveau des stations-service.  

« Le plein s’il-vous-plait ». Un pompiste d’une station-service dans le centre-ville indique avoir noté une hausse des achats de carburant depuis dimanche. « L’une de nos pompes à gasoil est déjà à sec », lance-t-il entre deux pleins. De petites files sont observées dans certaines stations-service de la capitale ce matin. Certains automobilistes craignent déjà pour l’approvisionnement. Des jerricanes font d’ailleurs la queue aux côtés des voitures. Pour l’heure, le pompiste déclare qu’aucun rationnement des achats n’a été décrété pour le moment. 

Panique

Les autorités rassurent que la ville d’Antananarivo dispose d’une réserve de carburant de 15 à 17 jours. Cela devrait suffire le temps que la circulation sur la RN2 soit rétablie. Le directeur de la communication du ministère des Travaux publics Aina Guy Philippson avance que les voitures et les camions devraient pouvoir passer au plus tôt mardi. « Nous sommes en train de mettre en place des ponts provisoires et des déviations pour permettre la circulation », lance-t-il. Il ajoute que le principal problème se situe à Moramanga avec la rupture du barrage de la Jirama. « Il y a aussi plusieurs éboulements mais ils ne devraient pas causer beaucoup de problème », indique-t-il.

Le stock de carburant ne sera toutefois suffisant que si les automobilistes évitent de succomber à la panique.

Tolotra Andrianalizah

Nombreuses sont les personnes allergiques au chocolat, en raison de leur intolérance à la molécule appelée « histamine » contenue dans cet aliment. Mais on la retrouve aussi dans d’autres aliments comme le poisson, du fromage, des tomates, des fruits de mer, etc. Cette molécule tient un rôle particulier dans l’organisme. Toutefois, sa consommation doit être surveillée car elle peut provoquer d’autres maladies telles que la diarrhée, des infections pulmonaires et peut même être fatal a déclaré le docteur Domoina Rakotonoely. A parts les médicaments, il existe des antihistaminiques naturels comme le thé verts, l’oignon, les huiles essentielles. La nutritionniste, Fanja Haritiana Ramanantsoa, partage les bienfaits de l’oignon. C’est un aliment riche en micronutriments, antioxydants et renforçant les anticorps. 

Maro ireo olona no tsy mahazaka mihinana sokola. Tsy tena ilay sokola loatra anefa no tsy zakany, fa singa iray ao anatiny antsoina hoe « Histamine ». Ahitana azy io ihany koa trondro, ny fraomazy, ny voatabia , anandrano sns. Miasa anatin’ny vatana izy saingy mila lanjalanjaina ny fihinana azy noho izy mety hiteraka aretina maro toy ny fivalanana, ny aretina amin’ny tratra ary mety hahafaty mihitsy aza rehefa tsy voatsabo hoy ny dokotera Rakotonoely Domoina. Ankoatra ny fihinanana fanafody, misy ireo sakafo azo hiadiana amin’ity tsy fahazakana ny histamine ity toy ny ravimboafotsy maitso, ny spiruline, ny tongolo sns. Mizara ny mampivaka ny tongolo  be ny mpanolotsaina ara-tsakafo, Ramanantsoa Fanja Haritiana. Manankarena singa mpamelon’aina hoy izy ny tongolo, manala ny poizina anaty vatana ary mampitombo ny hery fiarovana.

  • Atsimo andrefana: fanadihadiana ara-tontolo iainana momba ny fitrandrahana akorandriaka.
  • Atsimo Atsinanana : miverina miasa indray ny seranam-piaramanidina ao Mahanoro.
  • Fikambanana 7 miasa amin’ny fampandrosoana lovain-jafy manerana ny nosy no hovatsian’ny Fondation Tany Meva vola.
  • Anôsy: dingana voalohany ny fametrahana ny komity teknika hampiharana ny fitsinjaram-pahefana eny ifotony.

  • Atsimo Andrefana : une étude environnementale sur l'exploitation des coquillages.
  • Atsimo Atsinanana : l'aérodrome de Mahanoro reprend ses activités.
  • 7 organisations travaillant dans le développement durable bénéficieront d’une aide financière de la fondation Tany Meva.
  • Anôsy : un comité technique pour la mise en place de la décentralisation.
vendredi, 21 janvier 2022 14:10

Journal du 21 janvier 2022

  • Ny vaksiny Jansen no be mpifidy ao amin’ny CSB2 Antsahamamy.
  • Sampana mpamonjy voina : tsy misy teti-bola hananganana izany ny ankabeazan’ny kaominina.
  • Tangoron--drahona ao amin’ny ranomasim be Indianina : mety hivadika rivo doza.
  • Fanamafisana ny haitondran’ny firaisamonim-pirenena ho fampandraisana anjara ireo sokajin’olona marefo amin’ny raharaham panjakana.

Le travail d'un consultant peut être effectué par un technicien à titre individuel ou en groupe. Son travail consiste à résoudre des problèmes au sein d’une entité publique ou privée. Les personnes impliquées dans ce travail  doivent avoir une expérience ou des qualifications spécifiques dans un domaine. « A Madagascar, à défaut de référentiel, on s’autoproclame consultant » explique Norozara Evelyne, consultante et coordinatrice d'Ajufast Diana. Le consultant conseille et assiste l'entreprise dans le développement de son activité. Pour le projet Kobaby par exemple, des actions à prioriser dans le cadre de son développement étaient le fruit de travail d’un consultant ayant travaillé pour l’entité, souligne la coordinatrice nationale Hanta Rabetaliana.

Les propriétaires de bétails sont des entrepreneurs. « Patron’omby », traduit littéralement par patron des zébus c’est-à-dire le propriétaire, revient à dire qu’il y a des travailleurs et il y a des employeurs, explique le président du F3M, une association de commerçants et d'éleveurs de bétails à Ihorombe, Randrianandrasa Martin Evariste. Il ajoute que si les jeunes veulent s’initier dans ce secteur, ils doivent commencer avec un petit budget, pour ensuite en faire profit et s’y ancrer davantage.

 

Mety ataon’olona tokana na vondron’olona, roa na maromaro, ny asana mpanolokevitra na consultant. Mamaha olana eny anivon’ny orinasa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, na ONG no andraikitr’izy ireny. Manana traikefa manokana na marim-pahaizana amin’ny tarajna iray ireo olona misahana ity asa ity noho izany. Hatreto, manendry tena ho “consultant” ny manao ity asa ity eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny mpanolokevitra sady mpandrindra ny Ajufast Diana, Norozara Evelyne. Arak’izay fiantso azy izay, izy no manome hevitra sy manampy ny orinasa amin’ny fampandrosoana ny asa ao aminy. Araka ny fanazavana nataon’ny, mpandrindra nasionalin’ny tetikasa Kobaby, Rabetaliana Hanta, mpanolokevitra no nanampy azy ireo nanao fitiliana sy nametraka laharam-pahamehana amin’ny seha-pihariana.

Ao anatin’ny fandraharana mikasika ny omby ny patron’omby. Misy  ny mpiasa ary misy ny mpampiasa, izany no mahatonga ny hoe « patron » araka ny fanazavan’ny lehiben’ny F3M, fikambanan’ny mpiompy, mpivarotra ary mpikirakira omby ao Ihorombe, Randrianandrasa Martin Evariste. Izy no mivarotra ny omby, izany hoe mandrahraha, amin’ny anarany. Raha te hisehatra amin’izany ny tanora dia tsy maintsy miatomboka amin’ny kely indrindra vao tonga any amin’ny lehibe hoy hatrany i Randrianandrasa Martin Evariste.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter