Une vidéo a circulé depuis quelques semaines sur les réseaux sociaux, notamment sur twitter. Elle montre des enfants portant des combinaisons comme celle des astronautes et se dirigeant vers une école.
La réaction des internautes ne s’est pas fait attendre, accusant la Chine « d’aller trop loin » dans les mesures sanitaires et dans leur stratégie nationale « zero covid ».
Après vérification sur Baidoo, le moteur de recherche chinois, il est confirmé que la vidéo existe bel et bien, et il ne s’agit pas d’un montage. Seulement, elle a été tournée dans un tout autre contexte, pendant un évènement sportif dans l’Est du pays, organisée par une école privée le 2 décembre 2021. Les enfants ont été déguisés en combinaison pour rendre hommage à l’industrie aérospatiale chinois. Rien à avoir donc avec la covid-19.
Â
Marina ve fa namorona akanjo entina hiarovana ny ankizy amin’ny Covid-19 ny firenena Sinoa ?
NIsy horonantsary iray niparitaka tao amin’ny tambazotra serasera Twitter, herinandro vitsivitsy izay, ahitana ankizy manao akanjo misarona toy ireny astronaute ireny ary mandeha any antsekoly.
Taitra sy naneho hevitra ireo olona izay nahita izany, ary nilaza fa tafahoatra loatra ny fepetra noraisin’ny firenena Sinoa hiadina amin’ny Covid-19, indrindra hiarovana ireo ankizy.
Rehefa notadiavina tao amin’ny tranokala Baidoo ny niandohan’io horonantsary io dia hita fa nalaina nandritra ny hetsika ara-panatajanahantena ho an’ny mpianatra, nokarakaraina sekoly tsy miankina iray, ny 2 desambra 2021 teo. Natao izany mba hahatsiarovana ireo siantifika sinoa niavaka sy nanamarika ny tontolon’ny haikintana. Tsy misy ifandraisany amin’ny Covid-19 araka izany io horonantsary io.
Les enseignants chercheurs et les chercheurs enseignants, rattachés au ministère de l’Enseignement Supérieur et de la recherche scientifique, sont au service de l’Etat et du territoire pour y apporter de l’innovation. Les premiers sont repartis dans les 9 centres de recherches à Madagascar tandis que les autres dispensent des cours dans les universités, mais font également de la recherche en dehors de leurs activités d’enseignement, explique Marrino Rakotoarisoa, chercheur auprès du CNARP (Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques).
Les professionnels de la recherche dans le secteur privé, souvent regroupés dans des cabinets d’études privés font également de la recherche, souvent pour le compte d’entreprises privées. Les résultats sont publiés dans les journaux scientifiques nationaux ou internationaux, et sont consultables par le grand public. Faire des recherches est à la fois un travail et une grande passion, souligne le Professeur Jonah Ratsimbazafy, enseignant chercheur et Président du GERP (Groupe d’Etudes et de Recherches sur les Primates).
Â
Ny mpikaroka mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka dia samy mpiasam-panjakana eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ireo voalohany dia miasa eny anivon’ireo ivotoeram-pikarohana izay miisa 9 eto Madagasikara. Ny mpampianatra mpikaroka kosa no miasa anivon’ny Oniversite, no sady mikaroka ihany koa, hoy i Marrino Rakotoarisoa, Mpikaroka eo anivon’ny CNARP (Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques).
Ireo mpikaroka tsy miankina ihany koa diamamoaka voka-pikarohana izay azon’ny rehetra jerena ao amin’ny gazety siantifika iraisam-pirenena rehefa nankatoavin’ny vondrona mpikaroka.
Le Sommet de l’Union Africaine  s’est tenu à Addis Abeba, la capitale de l'Éthiopie et siège de l'Union Africain, les 5 et 6 février 2022, pendant lequel se sont réunis plusieurs chefs d’Etat et de gouvernement. En ce qui concerne Madagascar, le ministre des Affaires étrangères, Patric Rajoelina a été mandaté afin de représenter le pays durant ce Sommet. Ce dernier y a évoqué plusieurs défis auxquels le pays fait face actuellement et a fait appel à une solidarité régionale à cet effet. Aujourd'hui dans l’émission Hono A, nous parlerons de l'Union Africaine, et des intérêts de Madagascar en tant que membre de celle-ci, avec la juriste Josette Aline Rasoafara.
Nivory ny 5 sy 6 febroary 2022 tany Addis Abeba, renivohitr’i Etiopia izay niorenan’ny vondrona afrikanina na «Union Africaine » ny lehiben’ny fanjakana sy ny governemanta an’ireo firenena afrikanina mpikambana. Anisan’ny nandray anjara tamin’io fihaonana an-tampon’ny vondrona afrikanina io i Madagasikara, ary ny Ministry ny Raharaham-bahiny, Rajoelina Patrick, no solontena tamin’ity taona ity. Hiresadresaka mahakasika ny vondrona Afrikanina, sy ny tombontsoan’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana azy anatin’io ny mpahay lalà na RASOAFARA Josette Aline ato amin’ny fandaharana hono ho’aho.
9 centres d’incubation culturelle verront le jour dans plusieurs régions de Madagascar cette année. Deux d’entre eux sont opérationnels aujourd’hui, celui de Toamasina et d’Antananarivo. Parallèlement, l’Académie des Arts et des Cultures est en cours de construction dans la capitale et sera opérationnelle avant décembre 2022. Mais quels avantages les jeunes peuvent tirer de ces infrastructures ? Le directeur-général auprès du ministère de culture, Francis Razafiarison, explique qu’un centre d’incubation est le lieu où les projets culturels sont proposés, préparés et travaillés, tandis que les centres culturels sont destinés à les présenter, une fois qu’ils sont mis au point. Le but, dit-il, est de transformer cette idée artistique en industrie culturelle permettant aux jeunes de se professionnaliser dans le domaine. Quant à elle, l’Académie des Arts et des Cultures est une école d’apprentissage des métiers de l’art et surtout un haut-lieu de la culture malgache. Cette académie, souligne Francis Razafiarison, collaborera avec des universités malgaches et à l’étranger.
Â
Toeram-pikotrehana ara-javakanto miisa 9 no hisokatra amin’ny faritra maro eto amin’ ny nosy amin’ity taona ity. Ho vita mialohan’ny faran’ny taona ihany koa ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto, eto an-drenivohitra. Fa inona tokoa moa no tena asan’izy ireny ary inona no tombony amin’ny fananana azy, indrindra ho an’ny tanora? Hoy ny tale eo anivon’ny ministeran’ny kolontsaina, Francis Razafiarison : ny toeram-pikotrehana ara-javakanto na centres d’incubation culturelle dia toerana fiketrehana sy fanomanana vinan’asa ara-javakanto. Ny tanjona hoy izy dia ny hamadihana ireo vinan’asa ho lasa antom-pivelomana mampidi-bola. Ankoatra ny hira, azo kotrehina ao avokoa, hoy izy, toy ny hosodoko, fakantsary, ny haihaingo arak’endrika amam-bika, ny dihy sy ny maro hafa. Rehefa izay, dia ireo ivokolo no toeram-panehoana sy fampirantiana izany. Ho an’ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto kosa, dia toeram-pampianarana ny mahakasika ny zavakanto sy ny kolontsaina, toy ny amin’ny fanatanjahan-tena. Notsindriany fa hiara-hiasa akaiky amin’ireo anjery manontolo eto antanindrazana sy any ivelany izy io.
LEMAINTY Jeannie Tania, étudiante de la faculté Médecine Ankatso, TSILIZY Daniel, etudiant de la faculté Lettre et Rajaobelina Fy, étudiant au sein de l’ecole supérieur de l’information et de la communication Saint Michel Amparibe vont s’exprimer sur Les actualités de la Semaine :
-            l’éducation sexuelle à Madagascar.
-            la liberté d’expression malagasy dans les réseaux sociaux.
-            les préparations face au cyclone.
LEMAINTY Jeannie Tania, mpianatra eny amin’ny faculté Médecine Ankatso sy TSILIZY Daniel, mpianatra eny amin’ny faculté Lettre ary Rajaobelina Fy, mpianatry ny sekoly ambony momban’ny ita sy ny serasera ao amin’ny Masina Misely Amparibe no haneho hevitra momban’ny :
-Â Â Â Â Â Â Â Â Â Â Â Â Fanabeazana ara-pananahana eto Madagasikara.
-            Falalahana maneho hevitra eto amintsika eny amin’ny tambazotra sosialy.
-            Fiomanana amin’ny fiatrehana amin’ny rivodoza.
Certaines personnes aiment s’arracher la peau fine des lèvres jusqu’à se blesser. Ils ne le font pas pour des soins particuliers mais en réaction à des situations de stress ou d’anxiété. Ce trouble obsessionnelle du comportement est appelé « dermatillomanie ». Selon la psychologue, Dr Kolo Randriamanana, c’est l’équivalent de se ronger les ongles ou mordiller le capuchon d’un stylo. La seule manière d’y remédier est de s’éloigner des situations de stress  à travers des activités relaxantes telle que le Yoga ou écouter de la musique douce.
Les aliments, les boissons et même certaines manières de vivre peuvent mener à une addiction. A part le tabac et l’alcool, peu de gens savent que le café, le coca, certains médicaments, les jeux, Facebook et internet sont également source d’addiction. Pour les « addict », ces éléments leurs permettent de s’évader des problèmes ou les aident à mieux se concentrer dans leurs tâches quotidiennes. Un arrêt brusque d’une addiction peut s’avérer difficile pour la victime, explique la psychologue Razakandrainy Ainamalala. Il faut impérativement l’accompagnement d’un médecin.
Mety mahafantatra olona isika tia manalanala ilay hoditra manify amin’ny molotra ireny. Endrika hisehoana tsy fitoniana ara-tsaina izy ireny raha toa ka lasa fanao matetika loatra ka zary mandratra. Entin’ilay olona hampitoniana ny rarin-tsaina na ny fitaitainana mahazo azy indraindray io fihetsika io hoy ny psikology, Dr Andriamanana Kolo. Mitovy tantana amin’ilay hoe manaikitra hoho na manaikitra sarona penina matetika loatra. Ny fandaminana ny vatana sy ny saina ihany no fanafody entina miala amin’izany hoy izy. Isan’izany ohatra ny fanaovana yoga sy ny fihainoana hira milamindamina. Â
Mety miteraka fiankinan-doha avokoa na sakafo sy zava-pisotro na fomba fanao. Ankoatra ny sigara sy ny toaka, misy ohatra ireo olona manana fiankina-doha diso tafahoatra amin’ny Coca, kafe, Facebook, filokà na, sns… Antony mahatonga ny olona tonga hatramin’ny fiankinan-doha dia ny fitiavana fahafinaretana, fitadiavana fomba hanadinoana tebiteby na olana, ny fikatsahana zavatra manaitaitra mba hifantohana amina asa na fianarana. Sarotra ny miala tampoka amin’ny fiankinan-doha satria mitarika fanaintanana ara-tsaina sy ara-batana ny fanaovana izany ka ilà na fanampiana avy amin’ny mpitsabo hoy ny psikology Razakandrainy Ainamalala.
Antananarivo, la capital de Madagascar est victime d’inondations, plus ou moins graves, à chaque saison de pluie. Cette année, la tempête tropicale Ana a frappé la grande Ile le 25 janvier et a fait plus de 50 morts. À part la perte humaine, les dégâts matériels sont importants. La mauvaise gestion des ordures, les remblais qui se multiplient ainsi que le non-respect des règles de l’aménagement de territoire figurent parmi les principales causes des inondations, selon nos invitées du jour, Manda, Laily, Finoana. Elles proposent également une autre façon de conscientiser la population à travers une éducation environnementale dès l’école.Â
Lasibatry ny tondra-drano hatrany i Madagasikara, indrindra ny eto afovoan-tany, rehefa mandalo ny rivo-doza. Misy hatrany ireo traboina ary miantso fanampiana lava hiatrehana izany ny firenena malagasy. Ny tsy fahafehezana ny fako ka manentsina ny lakan-drano, ny fanotofana tany sy ny tsy fiheverana ny fanajariana ny tany andrenivohitra no isan’ny mahatonga izany, hoy ireo vahiny. Ankoatra ny anjara andraikitry ny fanjakana dia miankina amin’ny toe tsain’ny olom pirenena ihany koa ny hialana amin’ireo. Mila fanabeazana ara-tontolo iainana sy fanentanana avy any amin’ny fototra izany. Tsy maintsy hentitra ihany koa amin’ny fampanarahan-dalana raha tsy tiana ny hiala amin’ny loza miverimberina toy izany.
Tanora mpianatra Hay fiarahamonina sy Jeografia avy amin’ny Oniversiten’Antananarivo ary « Administration de l’Education» avy amin’ny ENS , maneho ny fomba fijeriny ato anatin’ny fandaharana.
Des centaines de cas de Covid-19 ont été confirmés dans la région de Bongolava depuis le début de la pandémie. Cependant, seulement 1 personne sur 5 se fait vacciner, selon les données récoltées sur place. Il y a de nombreuses raisons pour lesquelles les gens ne se font pas vacciner : le vaccin n'est pas pour le grand public mais seulement pour les plus de 18 ans, il y a ceux qui attendent le rappel dans 5 mois, il y a aussi ceux qui ne sont toujours pas convaincu. Selon Dr Ravo, chef du centre de CSBII, l’injection du vaccin Janssen dans son CSBII a commencé en septembre 2021. Au total, 1535 personnes ont été vaccinées jusqu’à ce jour. Ils commencent également la 3e dose d'astrazeneca, a-t-elle poursuivi. Ceux qui choisissent Pfizer, en revanche, doivent encore s'inscrire sur la liste d’attente.
Les hôpitaux de Tsiroanomandidy et de Fenoarivobe viennent de recevoir des kits de premiers soins. La population s’attend à ce que les soins d’urgence dans ces deux hôpitaux soient ainsi gratuits. Le Dr Randriatozafy Fenosoa, directeur régional de la santé publique de Bongolava, précise cependant que seule la première intervention est gratuite pour ne pas retarder l’opération et réduire les risques d’éventuelles complications.
Â
Â
Efa aman-jatony no trangana Covid-19 voamarina ao amin’ny faritra Bongolava hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Olona 1 amin’ny 5 ihany anefa no manao vaksiny araka ny fanadihadiana natao. Maro ireo antony tsy hanaovan’ny olona vaksiny toy ny hoe tsy ho an’ny daholobe ny vaksiny fa ho an’ireo feno 18 taona ihany, ao ny miandry famerenana afaka 5 volana, ao ihany koa ny mbola tsy resy lahatra tsotr’izao. Araka ny fanazavan’i Dokotera Ravo, lehiben’ny toboim-pahasalamana fototra, efa tamin’ny volana septambra 2021 no nanombohana ny fanovana vaksiny Jenssen teo amin’ny CSBII misy azy. Miisa 1535 ireo olona nanao vaksiny nandritra izay fotoana izay. Efa manomboka ilay fatra faha-3 astrazeneca ihany koa izy ireo, hoy hatrany izy. Izay mlisafidy ny pfizer kosa dia mbola mandalo fisoratana anarana.
Maimaimpoana ny fandraisana ireo marary ao amin’ny hopitaly be Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, izay vao avy nahazo ireo fitaovana hitsaboana vonjitaitra. Tsy ny fitsaboana manontolo no maimaimpoana araka ny fanazavan’ny Dokotera Randriatozafy Fenosoa, talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any Bongolava. Marihiny fa ny fandraisana an-tanana voalohany no maimaimpoana mba tsy hahatara ny fandraisana an-tanana ka mety hitarika fahafatesana.