COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

jeudi, 13 janvier 2022 08:37

Journal du 12 janvier 2022

  • Niakatra 6 % ny tahan’ny vidim-piainana eto Madagasikara
  • Tetikasam-panjakana : hatraiza ny fahafahan’ny olona mandà sy manohitra ny fanatanterahana azy
  • Loza manambana eny amin’ny faritra avo : tsy resy lahatra ny hifindra trano ireo mponina voakasika
  • Manana zo honerana ny mpanjifa raha misy fitaovana simba nohon’ny fahatapahan’ny herinaratra

jeudi, 13 janvier 2022 08:27

Journal des régions du 12 janvier 2022

  • Faritra Analamanga : Nomena alàlana hivarotra amoron-dalana vonjimaika ireo mpivarotra.
  • Vakinankaratra: Amidy mora ireo vokatra any ambanivohitr’i Vakinankaratra noho ny haratsin’ny làlana.
  • Ambilobe – Ranomafana – Morondava : Renim-pianakaviana 12 tsy mahay malaky teny sy manoratra nofanina ho lasa injeniera.

 

  • Région Analamanga : Les vendeurs ambulants provisoirement autorisés à utiliser le trottoir.
  • Région Vakinankaratra : les produits locaux vendus à très bas prix faute de route.
  • Ambilobe-Ranomafana-Morondava : 12 mères de familles illettrées formées pour êtres ingénieures solaires.

Ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena dia fanaovana hetsika entina hanohanana ny fampandrosoana ny firenena na dia tsy misy tombontsoa ho an’ny tena aza. Hahafahana mahatratra izany dia mila mifanaraka ny lafiny roa, ny governemanta sy ny vahoaka hoy i Randriamananjara Fidèle, mpahay toe-karena.

Manana tombony kokoa amin’ny fisitrahana ny zon’ny mpiasa voafaritra anatin’ny lalàna mifehy ny asa ireo olona manana ny fifanarahana arak’asa amina fe-potoana voafetra (CDD) sy tsy voafetra (CDI). Mahazo fialan-tsasatra izy ireo, tafiditra ihany koa anatin’ny fitsinjovana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana. Misy ihany koa ny anjara hetra alohan’izy ireo izay esorina amin’ny karama. Ireo manana fifanarahana fampanaovan’asa na « contrat de prestation » kosa   dia tsy misitraka ireo zon’ny mpiasa ireo. Arakaraky ny asa ampanaovina azy sy asa vitany no handoavana ny karamany. Malalaka kokoa izy amin’ny fanatanterahana ny asany, hoy ny fanazavan’ny mpahay lalàna , Rasolonjanahary Ranto.

 

Le patriotisme économique vise le développement et la promotion des entreprises locales et nationales, au détriment des entreprises étrangères ou de ses propres profits. Pour y arriver, les décisions politiques de l’État doivent être cohérentes avec la volonté de la population à consommer les produits du pays, explique Fidèle Randriamananjara.

Les employés sous contrat à durée indéterminée (DCI) ou déterminée (CDD) jouissent des droits des salariés inscrits dans le code de travail. Il s’agit là du droit à une couverture social et sanitaire, des droits aux congés, etc. Par contre, dans le contrat de prestation, les prestataires ne bénéficient pas de tous ces avantages. Ils sont rémunérés en fonction du travail ou du service réalisé, payés par jour ou par volume de travail, de façon indépendante. Le statut de prestataire permet d’avoir une plus grande liberté dans l’exercice de leurs fonctions, explique le juriste, Ranto Rasolonjanahary.

Le variant Omicron est moins susceptible de s’attaquer aux poumons, a expliqué le Dr Abdi Mahamud lors d’un point de presse de l’Organisation Mondiale de la Santé, le 4 janvier 2022.

Les données récoltées jusqu’à ce jour montrent qu’Omicron infecte plus la partie haute des voies respiratoires, c’est-à-dire le nez et le gorge, contrairement aux autres souches précédentes.

Des chercheurs de l’université de Saint-Louis, aux Etats-Unis, ont prouvé cette théorie. Il y aurait dix fois moins de virus présents dans les poumons contaminés par Omicron, si l’on compare aux autres variants. Ceci s’explique par le mécanisme d’accrochage du variant aux cellules qui s’affaiblit une fois dans les poumons. Néanmoins, le taux de transmission de Omicron est de deux à trois fois supérieur que celui de Delta.

 

Misy fiatraikany any amin’ny havokavoka ve ny endrika vaovaon’ny Covid-19 Omicron ?

Kely ny fiatraikan’ny endrika vaovao Omicron any amin’ny havokavoka, araka ny fanazavana nataon’ny dokotera Abdi Mahamud avy amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana ny 4 janoary lasa teo.

Raha ny hita hatreto, dia mijanona ao amin’ny orona sy ao amin’ny tenda kokoa io karazany vaovao io rehefa tafiditra anaty vatana fa tsy voatery tonga any amin’ny havokavoka. Mpikaroka avy ao amin’ny oniversité any Saint-Louis, Etazonia, no nanamarina izany ary nilaza fa mihena hatramin’ny avo folo heny ny habetsaky ny tsimokaretina tafiditra any amin’ny havokavoka. Mihamalefaka mantsy ny hery hahafahany miaina sy mivelona any.

Na izany aza, tadidio fa mifindra haingana kokoa ny Omicron raha oharina amin’ny Delta.

Le concept de développement peut englober plusieurs acceptions. Néanmoins, la distinction entre les pays développés et les pays en voie de développement est souvent faite.

Madagascar est catégorisé comme étant un pays en voie de développement. Il fait partie des pays ayant adopté la démocratie comme régime politique. Ainsi, l’Etat malgache respecte les principes démocratiques tels que la liberté d'expression, ou encore le droit des citoyens de participer à la vie publique. Par ailleurs, d’autres pays ont choisi d’adopter un régime autoritaire mais se retrouvent parmi les puissances économiques mondiales. C’est le cas de la Chine par exemple. Est-ce qu’il existe un lien entre l’organisation politique dans un pays et son développement ?

Nos invités, la juriste Josette Aline Rasoafara aussi appellé Farash et l’économiste Luca Cédric Ratsironkavana, vont s’exprimer sur le sujet.

 

Sarotra faritana mazava ny atao hoe fandrosoana, fa matetika havahana ireo firenena mandroso sy ireo andalam-pandrosoana. Mety misy hidirany amin’izany fandrosoana izany ve ny endrika fitondrana anaty firenena anakiray ?

Madagasikara izay firenena andalam-pandrosoana dia anisan’ny firenena demokratika ary manaja ireo foto-kevitra demokratika toy ny fahalalahana maneho hevitra sy zon’ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Etsy ankilany, misy firenena izay manana fitondrana tsy refesi-mandidy kanefa matanjaka amin’ny lafiny ara-toekarena, toa an’I Chine ohatra. Hiaraka hiresadresaka mahakasika ny mety fifandraisan’ny demokrasia sy ny fandrosoana, ny mpahay lalàna, RASOAFARA JOSETTE ALINE na Farash sy ny mpahay toe-karena Ratsironkavana Luca Cédric.

Le projet Hybricon tente d’expliquer la dynamique et l’origine des conflits à Madagascar en étudiant les différentes formes d’hybridation qui ont existé. Selon Lalatiana Rakotondranaivo, les données collectées seront destinées principalement à trois catégories d’acteurs : la communauté locale, les décideurs politiques et les acteurs internationaux et locaux. D’abord, la communauté locale car elle a besoin de s’approprier de leurs histoires et faire entendre leur voix.  Les décideurs politiques, de leurs côtés, bénéficieront d’un outil permettant de s’attaquer aux causes profondes du conflit. Et enfin, les acteurs internationaux et locaux pourront adopter de nouvelles approches dans leur stratégie et politique générale.

 

Ny tetikasa Hybricon dia miezaka mamantatra sy mahazo ny mahatonga ny disadisa eto Madagasikara, rehefa misy fifampikasohana avy amin’ny any ivelany. Manazava i  Rakotondranaivo Lalatiana fa zaraina amina sehatra telo samihafa ny vokatry ny fikarohana ataon’izy ireo sy ny antontan-kevitra voaray. Voalohany, ny fiaraha-monina eny ifotony izay mila mahafantatra ny tantara niainan’izy ireo sy ny fivoaran’ny fifandraisana misy ao aminy. Faharoa, ireo mpanao politika izay manapa-kevitra amin’ny fiainam-pirenena. Ary fahatelo, ireo manana tetikasa sosialy samihafa avy eto antoerana na avy any ivelany, mba hahafahan’izy ireo mamolavola hevitra mifanaraka amin’ny filàna misy eto antoerana.

mardi, 11 janvier 2022 12:25

Journal du 11 janvier 2022

  • Afaka enim-bolana vao ho tafaverina amin’ny tanjany mialohan’ny fahamaizany ny milina mpanova herinaratra ao amin’ny toby Andekaleka.
  • Orinasa madinika : matiantoka hatramin’ny 50 isan-jato vokatry ny fahatahan-jiro.
  • Tsy mbola misy hatahorana hatreto ny fiakaran’ny rano eny Sisaony sy Anosizato.
  • Miomana amin’ny taom-pifidianana 2023 ireo fikambanana tanora amin’ity taona ity.

mardi, 11 janvier 2022 11:53

Le « savika » de Tsiroanomandidy

La tribu Betsileo a introduit le "savika" dans la région de Bongolava en 2006. Le savika sert à exprimer la paix et joue le rôle de médiateur entre les hommes. La pratique de ce jeu, quelque peu violent, a également réduit le vol de bétail dans la région. Pendant le jeu, le zébu est aspergé d’eau lorsqu’il est enragé, explique le « mpisavika », le joueur de savika. Un autre joueur déclare qu’ils prennent un peu d’alcool pour pouvoir prendre le taureau par les cornes sans hésitation. Environ 6 à 10 hommes sont impliqués dans l’arène et il y a déjà 200 joueurs dans la région de Bongolava. L'association Tambala Maitso, gardien du savika, promeut la culture autour du zébu et protège le bétail dans la région.

 

Ireo foko betsileo no nitondra ny « savika » tao amin’ny faritra Bongolava tamin’ny taona 2006. Fanehoana fihavanana amin’ny alalan’ny omby no tena hevitra fonosin’ny savika. Hita ihany koa fa nampihena ny halatr’omby ny fisian’io lalao io satria samy sarotiny amin’ny ombiny avokoa ny mpiara-monina. Somary lalao mahery setra ihany izy ity. Ao anatin’ny lalao, rehefa tena masiaka ilay omby dia fafazana rano hoy ity mpisavika iray. Somary mandray zava-pisotro mahery ireo mpisavika amin’izay lasa mahasahisahy hoy indray ny mpisavika iray hafa. Mahatratra 6 hatramin’ny 10 lahy eo no indray miditra amin’ny savika ary efa mahatratra 200 lahy ny mpisavika ao amin’ny faritra Bongolava. Ny fikambanana Tambala Maitso no mivoy ny kolontsaina momba ny omby sy miaro ny omby gasy ao amin’ny faritra.

Entre le business et l’entrepreneuriat, la frontière est mince. Dans le business, il n’y a pas de création de valeur. Un businessman/women ne cherchera qu’à faire des profits sur un marché déjà existant. La concurrence est rude dans ce milieu. Par contre, l’entrepreneuriat, elle, repose sur l’innovation et la création de valeur. L’objectif ultime est de répondre à un besoin particulier d’un ou de plusieurs cibles précis.  Il y a donc moins de concurrence car chaque entrepreneur se différencie par leur produit, leur concept et leur approche.

Mise à part le crowdfounding, les réponses aux appels d’offre et concours, les jeunes entrepreneurs peuvent également se tourner vers des prêts bancaires pour financer leur projet. Différentes offres existent sur le marché dont les conditions varient selon l’institution, explique Fidèle Randriamananjara, économiste.

 

Miavaka tsara ny tontolon’ny bizina sy ny fandraharahana. Ny fandraharahana dia fananganana orinasa manokana ho an’ny tena sy famoronana tolotra iray na maromaro. Ny tolotra sy ny vokatra entinao ao dia miavaka amin’ny hafa ary mamaly filàn’ny fiaraha-monina. Kelikely kokoa ny fifaninanana ara-barotra misy eo amin’io sehatra io satria samihafa avokoa ny famoronana ataon’ ireo mpandraharaha. Ny fanaovana bizina kosa dia fitadiavana tombony amin’izay raharaham-barotra efa misy, izany hoe tsy misy famoronana. Betsaka kokoa ny fifaninanana ara-barotra misy eo amin’ny sehatry ny fanaovana bizina satria maro ireo manao izany.

Isan’ireo loharanom-bola azon’ny tanora trandrahana hahafahany mamatsy vola ny fandraharahana ataony ny findramam-bola eny amin’ireny banky ireny. Misy karazany izy ireo ary afaka mangataka izay mifanaraka amin’ny tetikasany ireo tanora te handraharaha. Fanazavana entin’I Randriamananjara Fidèle, mpahay toe-karena. 

mardi, 11 janvier 2022 10:09

Journal des régions du 11 janvier 2022

  • Port-Bergé-Antsohihy : vita ny lalam-pirenena faha 6 tapaka.
  • Fahasimban’ny tontolo iainana : amboarina koa ny aro-riaka ao atsimo atsinanana.
  • Boeny : manome 117ha handraisana ireo mpifindra monina avy any atsimo.
  • Vatomandry : hanokatra orinasa famokarana siramamy.

 

  • Port-Berger-Antsohihy : la route nationale 6 opérationnelle.
  • Changements climatiques : construction de barrages contre les forts courants marins.
  • Boeny : aménagement de 117ha pour les migrants du Sud.
  • Vatomandry : Bientôt une nouvelle exploitation de cannes à sucre.
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter