En début de l’année 2024, la tempête tropicale Alvaro a frappé la partie Sud et Sud-est de l’ile, dans les régions Atsimo Andrefana, Matsiatra ambony, Menabe, Fitovinany, Ihorombe et Atsimo atsinanana. Le BNGRC fait état de 10 morts et plus de 25 000 sinistrés. Sur terrain, la Croix-Rouge Malagasy a mobilisé une centaine de volontaires. Ces volontaires ont été répartis dans 10 districts les plus touchés. Ils avaient pour rôle de rappeler les bons gestes à adopter pour se protéger. Les rappeler par exemple de collecter de l’eau, de mettre les animaux à l’abri, etc. Une partie d’entre nos volontaires étaient affectés à la gestion des sites d’hébergements mis en place par la BNGRC. Ils ont récolté les besoins des communautés et de la population locale, et ont aidé dans la collecte de données.
Nandalo teto Madagasikara ilay andro ratsy Alvaro tamin’ny fiandohan’ity taona 2024. Faritra 5 no tena voa mafy : Atsimo Andrefana, Matsiatra ambony, Menabe, Fitovinany, Ihorombe ary Atsimo atsinanana. Raha ny tatitra farany navoakan’ny BNGRC, dia nisy 10 ny olona maty ary maherin’ny 25 000 ireo tra-boina sy tsy manan-kialofana. Anisan’ny nanampy tamin’ny famonjena ireo olona ireo ny mpilatsaka antsitrapo avy amin’ny Croix-Rouge Malagasy. 150 eo izy ireo no naparitaka tamina distrika 10. Anisan’ny asa ataony ny mampatsiahy ny olona ireo fihetsika sy fitandremana tokony arahina rehefa misy loza tahaka izao. Misy ihany koa nanampy tamin’ny fitantanana ireo toerana fandraisana traboina vonjimaika napetraky ny BGNRC. Anjaran’izy ireo koa ny maka sy manao tatitra ny filana mety ilain’ireo olona any antoerana.
Les dates exactes ne sont pas encore définies, mais selon la Ceni, ces scrutins pourraient avoir lieu entre le mois de mars et juin 2024. Ces périodes coïncident avec la fin de mandat des élus parlementaires et communaux.
Normalement, l’élection communale devait avoir lieu après le second tour de l’élection présidentielle, si le second tour avait lieu. La Ceni a donc estimé nécessaire d’organiser les élections territoriales après le mois de mars, c’est-à -dire vers la fin de la saison pluvieuse et cela, dans le respect des textes en vigueur.
Il s’agit toutefois d’une estimation, d’autant que pour le moment, aucune proposition de calendrier n’a été faite par la Ceni.
Après la proposition d’un calendrier, c’est au gouvernement de décider en dernier ressort et fixer la date des élections et de convoquer les électeurs. Dans notre cas se sera au nouveau gouvernement qui sera mis en place bientôt, de fixer ce calendrier une fois que la Ceni aura avancé sa proposition.
Rahoviana izany moa no hotanterahina ny fifidianana ben’ny tanana sy depiote ?
Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto fa raha ny sosonkevitry ny CENI dia mety ho eo anelanelan’ny volana martsa sy jona 2024. Mifanojo amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny olom-boafidy ao amin’ny parlemanta sy ny kaominina ireo fotoana ireo.
Raha ny mahazatra dia aorian’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena no hanaovana ny fifidianana kaominaly, izany hoe rahampitso 20 desambra, raha nisy fihodinana faharoa ny fifidianana. Noheverin’ny Ceni, araka izany, fa ilaina ny fikarakarana ireo fifidianana ireo aorian’ny volana marsa, izany hoe amin’ny faran’ny vanim-potoanan’ny orana izany.
Vinavina ihany anefa izany satria tsy mbola nanolotra tetiandrony ny Ceni.
Aorian’ny fanolorana ny tetiandrom-pifidianana moa dia anjaran’ny governemanta no manapa-kevitra ny datim-pifidianana ary ny fampiantsoana ireo mpifidy. Raha ny eto amintsika dia anjaran’ny governemanta vaovao izay mbola andrasana ny fametrahana azy no mamaritra an’ io tetiandro io rehefa avy namoaka ny tolo-keviny ny CENI.