De nouveaux modules de formation seront intégrés dans le cursus des élèves magistrats dans le cadre de la lutte contre le trafic d’espèces sauvages, la corruption et le blanchiment d’argent dans ce secteur. Interview avec Faramalala Andriamparany, chef de projet environnement de TIMG avec la coalition CCWT financé par l’USAID, sur l’exploitation illégale des bois précieux.
Nampidirina anatin’ny fiofanana omena ireo mpianatra ho mpitsara ny lohahevitra mahakasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo bibidia sy ny harena voajanahary eto amintsika, ny kolikoly ary ny famotsiam-bola amin’ity sehatra ity. Mitondra fanazavana mikasika ny fisehon’ny endrika kolikoly amin’ny fanondranana hazo sarobidy i Faramalala Andriamparany izay tonian’ny tetikasa tontolo iainana ao amin’ny TIMG  iarahana amin’ny fiombonana  tetikasa CCWT izay vatsian’ny USAID vola.
Pour fabriquer du chocolat artisanal, il faut d’abord passer par la préparation du cacao. Après, le cacao est transformé en bonbon chocolat suivant des étapes selon les explications de Patricia Rasoanaivo, chef chocolatier. Pour devenir un artisan chocolatier, l’école Edénia chocolaterie propose des formations d’une semaine ou de 5 semaines. Il est possible de combiner chocolaterie et pâtisserie si l’on veut élargir ses compétences affirme Achille Rajerison, fondateur de l’école.
Mila mandalo amin’ny fikarakarana ny kakao raha te hanamboatra sokola tsy mila ahodina amin’ny milina. Mandalo dingana maro io kakao io vao tonga sokola araka ny fanazavan’I Rasoanaivo Patricia, chef chocolatier. Raha te ho lasa mpanamboatra sokola tsy mila fampiasana milina dia manome fiofanana herinandro hatramin’ny 5 herinandro ny sekoly Edenia mpanamboatra sokola. Azo atao ny manambatra ny fanamboarana mofomamy amin’ny fanamboarana sokola raha te hanitra ianao hoy ny mpanorina ny sekoly, Rajerison Achille.
Avant d’entrer en salle de sport, il faut avoir l’avis d’un médecin et suivre les conseils d’un nutritionniste. La prise de poids ou l’obtention de muscle oblige un traitement diététique spécial, qui n’est peut-être pas adapté à tout le monde. Même cas pour les protéines, qu’ils se présentent en poudre ou en liquide. Et ces produits chimiques utilisés par les bodybuilder, ne doivent pas remplacer les protéines naturelles comme la viande ou les œufs. Les efforts physiques associés à ces artifices peuvent en effet entraîner un cancer selon les explications du docteur Jimmy Rakotoherison.
Alohan'ny hidirana amin’ireny hefitrano fikotranana  ireny, dia tsy maintsy manaraka ny toro-hevitry ny mpitsabo, ary mandray ny toromarika ara-tsakafo omen’ny manam-pahaizana momba ny sakafo. Mitaky fanaraha-maso manokana ny fahazoana lanja na hozatra, izay tsy voatery ho azon’ny olona rehetra atao. Toy izany koa ny fihinanana hery fanorenana na protéine, na amin'ny endrika vovoka na ranon-javatra. Ireo vokatra simika ampiasain’ny mpanao bodubuilding ireo dia tsy tokony hanoloana ny vokatra voajanahary mitondra hery fiarovana toy ny hena na atody. Mety hitarika homamiadana ny ezaka ara-batana be loatra ampiana an’ireo protéine noforonina ireo raha ny fanazavan’ny dokotera Rakotoherison Jimmy.
Environ trois millions de personnes ne possèdent pas encore de copie de naissance à Madagascar, selon les derniers rapports du ministère de la justice. La Plateforme de la Société Civile pour l’enfance PSFCE se lance pour lutter contre ce fléau. Pour conscientiser les citoyens, des adolescentes Malala, Géniale et Stéphanie formées par cette plateforme nous rappellent l’importance de ce document.Â
Olona manodidina ny telo tapitrisa no tsy mbola manana kopia nahaterahana eto Madagasikara, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fitsarana. Ny Vovonan’ny fiaraha-monim-pirenena ho an’ny ankizy na PSFCE dia miady ho amin’ny fanarenana izany. Entina hanentanana ny olom-pirenena ary, dia mampahatsiahy antsika ny maha zava-dehibe ity antontan-taratasy ity i Malala, Géniale ary Stéphanie, izay nahazo fihofanana avy amin’ity vovonana ity.
Pendant l'hiver, les cheveux peuvent être soumis à différentes agressions telles que le froid, le vent, le chauffage central, ce qui peut entraîner une sécheresse et une fragilité accrues. Il est donc important de prendre soin de vos cheveux pendant cette période. Il s’agit entre autres de l’hydratation. Utilisez des produits hydratants tels que des après-shampoings et des masques capillaires nourrissants pour maintenir l'hydratation de vos cheveux. Éviter les produits agressifs : Évitez les produits capillaires contenant des ingrédients agressifs tels que l'alcool ou le sulfate, car ils peuvent assécher davantage vos cheveux. Optez plutôt pour des produits doux et naturels. Pendant l'hiver, optez pour des coiffures protectrices comme les tresses, les chignons ou les nattes. Cela aidera à protéger vos cheveux des éléments extérieurs et à réduire les risques de cassures et de dommages.
Mandritran’ny ririnina, mety ho iharan`ny toe-javatra mafimafy  isan-karazany toy ny hatsiaka, rivotra, izay mety hitarika ho amin`ny fitomboan`ny fahamainana sy hampaharefo ny volo izany. Zava-dehibe noho izany ny fikarakarana ny volo mandritra io vanim-potoana io. Ny iray amin'izy ireo ohatra dia ny hydration fanaovana mandimandina ny volo. Mampiasà vokatra manalefaka toy ny masque mampiaina sy mamelona ny volo mba hitazonana ny hamandoan’ny volo. Fadio ny vokatra mahery vaika ho an’ny volo. Izany hoe fadio ny vokatra atao amin’ny volo misy akora mahery toy ny alikaola na sulfate, satria mety hanamaina kokoa ny volonao. Misafidiana vokatra malefaka sy voajanahary kosa. Amin'ny ririnina, misafidiana taovolo fiarovana toy ny randrana,dokodoko. Izany dia hanampy amin'ny fiarovana ny volonao amin'ny singa ivelany mety hanimba azy ary hampihena ny mety ho fahatapahana sy fahasimban’ny volo.
Reportage :
Favorable en été et en saison de pluie, le maïs doit être planté sur de vastes surfaces. Et il faut attendre près de quatre mois pour pouvoir le cueillir. Tahiana un entrepreneur agricole affirme que l’engrais chimique est à éviter si l’on veut obtenir une bonne récolte. Cette céréale destinée à nourrir les humains et les animaux à la fois nécessite pourtant d’une grande surveillance, à cause des chenilles légionnaires. Par ailleurs, le maïs constitue plus de 60% de l’alimentation animale mondiale, d’après le rapport Solagro 2022.
Interview :
La pollution est le premier ennemi de la cohabitation entre l’homme et les animaux, explique le Pr Jonah Ratsimbazafy président du GERP Madagascar. Que l’animal soit domestique ou sauvage, son environnement doit être adapté à son milieu d’origine. C’est ce qui éviterait la maladie pour les deux côtés.Â
Astuce :
Réduisons nos déchets ménagers de manières les plus simples.
Fanadihadiana :
Amin'ny fotoam-pahavaratra sy ny hafanana no tokony hambolena katsaka, ary amin'ny faritra midadasika no hanaovana azy. Tsy maintsy miandry eo amin’ny efa-bolana eo vao afaka mioty azy. Ahena ny fampiasana zezika simika raha te ahazo vokatra mahafapo hoy i Tahiana mpandraharaha amin’ny fambolena katsaka. Mitaky fanaraha-maso akaiky anefa ny katsaka izay mamelona ny olona sy ny biby ity, noho ny fisian’ny chenille légionnaire na fanday maitso mihinana azy. Ankoatr'izay, ny katsaka dia miantoka ny 60% ny sakafom-biby maneran-tany, araka ny tatitry ny Solagro 2022.
Resadresaka :
Ny loto no fahavalo voalohany amin’ny fiaraha-miain’ny olombelona sy ny biby, hoy ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, filohan’ny GERP Madagascar. Na biby fiompy na biby efa zatra niaina ankahalalahana, dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny toerana iainany vaovao ny tontolo nisy azy teo aloha. Izany no fomba hisorohana ny aretina ho an'ny roa tonta.
Torohevitra :
Andao ahena araka izay tratra ny fako ao an-trano amin’ny fomba tsotra idrindra.
Ranitratsilo Jimmy, un jeune expert en développement communautaire et politique, est de retour au pays après avoir remporté le prix « Young African Leader Awards » au mois de mai dernier. A part ce trophée, il apporte des projets pour soutenir la jeunesse malgache. Il y a d’abord le projet Panafrican Societal’Ity, le projet pour promouvoir le militantisme politique et une application mobile qui offre aux jeunes des opportunités d’études ou professionnelles, nationales et internationales.
Rehefa avy nandrombaka ny amboara « Tanora mpitarika aty Afrika » tamin’ny volana mey lasa teo dia efa eto an-tanindrazana amin’izao ilay tanora manam-pahaizana momban’ny fampandrosoana eny Ifotony sy ny politika, Ranitratsilo Jimmy. Ankoatran’izay amboara izay, dia itondra tetik’asa hanohanana ny tanora malagasy ihany koa izy. Isan’izany ny Tetik’asa Panafrican Societal’Ity. Eo ihany koa ny fanosehana azy ireo hisehatra amin’ny politika ary ny fanamboarana rafi-baiko iray ahafahan’ny tanora mampifandray ny tanora amin’ny tolotr’asa na fianarana na lalana iraisam-pirenena.