COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

La campagne électorale est l'ensemble des opérations de propagande précédant une élection, visant à amener les électeurs à soutenir et à faire voter pour un candidat en compétition dans une élection. La durée de la campagne électorale varie selon le type de vote :

  • Trente (30) jours, pour le référendum
  • Trente (30) jours pour le premier tour et sept (7) jours pour le second tour de l’élection du Président de la République
  • Vingt et un (21) jours, pour les élections législatives et sénatoriales ainsi que les élections territoriales.

Afin d’éviter le chevauchement des campagnes électorales et des scrutins correspondants, l’élection du Président de la République, celle des députés et celle des sénateurs doivent se tenir à des dates distinctes. La campagne électorale officielle s'achève dans tous les cas vingt-quatre (24) heures avant le jour du scrutin. C’est ce qu’on appelle le silence électoral.

Inona marina ny atao hoe fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ?

Atao hoe fampielezan-kevitra izay hetsika rehetra ataona kandida iray na antoko politika iray mba handresena lahatra ny olona hifidy azy amin’ireo kandida maromaro misy. Miovaova araka ny karazana fifidianana ny faharetan’io fampielezan-kevitra io :

  • 30 andro rehefa fitsapan-kevi-bahoaka
  • Raha fifidianana filoham-pirenena dia 30 andro ho an’ny fiodinana voalohany ary fito andro ho an’ny fiodinana faharoa
  • 21 andro ho an’ny fifidianana solombavambahoaka sy loholona, ary ny fifidianana isaky ny faritany

Tsy maintsy tanterahina amin’ny andro samihafa ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka ary loholona, mba hisorohana ny fifangaroan’ny fampielezan-kevitra sy ny fandatsaham-bato isaky ny karazana fifidianana avy.
Mifarana 24 ora mialoha ny andro fandatsaham-bato ny fampielezan-kevitra ôfisialy. Izay no antsoina hoe fahanginana amin’ny fifidianana.

Dans notre émission Santénakà d’aujourd’hui, nous allons parler de l’addition à l’alcool et aux boissons alcoolisées. Nombreuses sont les raisons qui engendrent cela mais en tout cas, il existe des moyens médicaux et psychologiques. Ndrema en désintoxication chez Vokovokomanga à Beravina Sabotsinamehana en témoigne. Une psychiatre nous donne plus d’explications concernant les causes, conséquences et comment la traiter.

Hiresaka mahakasika ny fihankinan-doha amin’ny taoka na zava-pisotro misy alikaola isika ato anatin’ny fandaharana Santénakà. Maro ny antony mahatonga izany nefa misy koa ny fitsaboana azo atao ialana amin’izany. Fijoroana vavolom-belona ataon’i Ndrema ao amin’ny ivon-toerana Vokovoko manga ao Beravina Sabotsinamehana. Mpitsabo saina iray koa mitondra fanazavana ny mahatonga ny olona iray hiankin-doha amin’ny taoka, ny voka-dratsiny sy ny fitsaboana tokony arahina.

Après des travaux de réhabilitation et de dragage, le canal des Pangalanes est de nouveau opérationnel au trafic fluvial selon l’APMF. À part le transport de marchandises, ce canal est un atout majeur pour le tourisme de la région Atsinanana. On parle de 200.000 visiteurs par an. Eliane Andrianjatovo, propriétaire d’une agence de voyage avance que 95% des touristes visitant la région empruntent ce canal historique. À ce jour, les frais de transports sont encore élevés. On parle de 1 million d’Ariary pour le trajet Toamasina à Manambato. Elle estime que plus il y a d’offres et d’infrastructures touristiques aux abords du canal des Pangalanes, plus il y aura de la concurrence et les frais diminueront considérablement.

Efa misokatra ho an’ny daholobe ny lakandranon’i Pangalana amin’izao, taorian’ny fanamboarana izay natao, hoy ny APMF. Ankoatry ny hoe fitaterana entana dia mety hampivelatra ny lafiny fizahantany any amin’iny faritra iny koa izany. Manodidina ny 2 hetsy ireo olona mivezivezy isan-taona. Manamafy i Eliane Andrianjatovo, tompon’orinasa iray mpitatitra mpizahan-tany, fa ny 95%-n’ireo mpitsidika ny faritra atsinanana dia mandalo amin’ny lakandranon’i Pangalana avokoa. Hatreto, mbola lafo ny saram-pivahinianana hoy izy. 1 tapitrisa Ariary izany raha ny mampitohy an’i Toamasina sy Manambato. Ihena anefa io sarany io raha mitombo isa ireo tolotra ara-pizahantany sy fotodrafitrasa manamorona ny lakandrano, toy ireo seranan-tsambo madinika, trano fandraisam-bahiny sns.

On a recensé de nouveau cas de peste dans le district d’Akora, région d’Ihorombe septembre dernier. Nous avons eu un entretien avec le Médecin inspecteur du district et il nous donne plus de détails concernant le symptôme, les précautions et les différents soins. Dans la deuxième partie de notre émission Santénakà, le docteur Jaurès nous explique ce qu’est le glaucome, une maladie des yeux.

Nahitana trangana pesta tany amin’ny distrikan’i Akora, faritra Ihorombe ny volana septambra teo. Nitafatafa tamin’ny Médecin inspecteur tao an-toerana izahay ary tamin’izany no nitondrany fanampim-panazavana mikasika ny fisehony sy ny tokony hatao. Atao amin’ny tapany faharoa kosa dia momban’ny areti-maso antsoina hoe glaucome no hitondran’ny mpitsabo dokotera Jaurès fanazavana mikasika io aretina io. Aza adino ary ny manaraka ny fandaharana Santénakà eto Studio Sifaka.

mercredi, 07 juin 2023 14:31

Le Journal du 07 Juin 2023

  • Election : l’inscription sur la liste électorale peut encore se faire pour les retardataires
  • Adoption de différentes lois : la société civile dénonce une violation des droits de la communauté
  • Festival de films européens 7ème édition : véhicule de valeurs universelles à caractère humaniste
  • La protection des modèles uniques est difficile par rapport aux contrefaçons

  • Fifidianana : mbola afaka misoratra anarana anaty lisitra ireo tara
  • Fandaniana lalàna : misy amin’ireo lalàna izay vao nolaniana no manitsakitsaka ny zon’ny mponina hoy ny firaisamonim-pirenena
  • Fako plastique navadika ho pavé autobloquant sy solika tao Manakara
  • Sarotra ny fiarovana tsirairay ny vokatra tokana hiadiana amin’ny fakan-tahaka

mercredi, 07 juin 2023 14:24

Le Journal des régions du 07 Juin 2023

  • Miandrivazo : les éleveurs de Miandrivazo ont reçu des moutons
  • Diana : une usine productrice de chocolat va être construite à Ambanja
  • SAVA : 600 arbres fruitiers ont été plantés pour marquer la journée internationale de l’environnement

  • Miandrivazo : nahazo ondry ireo tantsaha avy ao Miandrivazo
  • Diana : orinasa mpanodina cacao ho lasa sokola no ahorina any Ambanja
  • SAVA : namboly hazo fihinam-boa 600 hanamarinana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana

L'ARAI ou l'Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites a été créée il y a un an le 3 juin. ARAI est un système anti-corruption qui saisit les avoirs obtenus illégalement. Après l'ordonnance rendue par le tribunal anti-corruption ou le pôle anti-corruption. Au total 185 voitures devraient être saisies par l'ARAI pour cause de corruption dont 74 d'entre elles ont déjà été confisquées dans les sites de conservation de l’ARAI. Le montant des fonds gelés par l’ARAI s’élève jusqu’à plus de 6 milliards d’ariary. La loi stipule que les biens obtenus par la corruption ou à des délits similaires à la corruption sont confisqués par l'ARAI. Cependant, il est possible d’insérer les infractions économiques dans l’intervention de l’ARAI en apportant des modifications de la loi.

Eritaona tamin’ny faha 3 ny volana jona lasa teo no nitsangan’ny ARAI na ny Agence de Recouvrement des avoirs illicites. Rafi-panjakana miady amin’ny kolikoly ka mangeja ireo fananana azo avy amin’ny tsy ara-dalàna ny ARAI. Taorian’ny didy navoakan’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny pole anti-corruption, miisa 185 ireo fiara izay tokony ho giazan’ny ARAI nohon’ny resaka kolikoly ka 74 amin’izao fotona no efa nampidirina eny amin’ny toerana manokana anagiazana izany na ny site de conservation. Mitentina maherin’ny 6 miliara kosa ireo vola any amin’ireo kaoty any amin’ny banky izay giazana hatreto. Ny làlana no mametra fa ireo fanana azo avy amin’ny kolikoly na ny heloka miralenta amin’ny kolikoly no giazan’ny ARAI. Na izany aza, azo atao ny manitatra izany amin’ireo tsy fanarahan-dalàna ara-toekarena na ny infraction économique amin’ny alalan’ny fanovana lalàna.

« Promouvoir la culture Sihanaka à travers le Hôsika. » Cette musique traditionnelle qui raconte l’histoire d’Ambatondrazaka, va enfin réellement se faire connaître. Le Zetra Festival sera donc un tremplin pour tous les amateurs de ce style musical, mais accueillera aussi les artistes déjà connu comme Samoela ou Joyce Mena. Pour la première fois, le nom de la plante aquatique Zetra jouera un rôle primordial dans ce projet. Un circuit touristique sera même organisé autour du lac Alaotra, partant d’Antananarivo à Ambatondrazaka.

« Hampiroboroboana ny kolontsaina Sihanaka amin’ny alalan’ny Hôsika ». Ho fantatra manomboka eto ity mozika nentim-paharazana ity, izay mandrakitra ny tantaran’Ambatondrazaka. Ny Festival Zetra araka izany, dia ho tohatra fiakarana ho an’ireo tia an’io karazana mozika io, fa koa handraisan’ ireo mpanakanto efa fantatra toa an’i Samoela sy Joyce Mena. Sambany no hisongadina ny Zetra, zava-maniry anaty rano hita any antoerana, nampitondraina ny anaran’ity tetikasa ity. Hisy mihitsy aza ny fitsidihana ny lac Alaotra, fitsangatsanganana manokana mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka mandritra izany.  

Dans la capitale, plus besoin de se rendre dans les grands restaurants pour gouter aux délicieux tacos, hamburgers et paninis.  Une société locale a ouvert ses portes aux street food lovers, il y a quelques années. Depuis, cette activité prend de l’ampleur dans presque tous les quartiers de la ville. Les vendeurs s’installent avec leur petit chariot et peuvent se déplacer d’un endroit à un autre à la recherche des clients.

Tsy mila miditra toeram-pisakafoana intsony akehitriny eto Andrenivohitra rehefa te hihinana tacos, na paninis na koa hamburger no sady mahazo amin’ny vidiny mirary. Taona vitsy lasa izay no tena nampiroborobo ny fivarotana azy ireny eny amoron-dàlana, na koa « street food ». Saika feno azy avokoa izao isaky ny tanàn-dehibe aleha. Mitondra sarety kely ireo mpivarotra ary afaka mifindra toerana arakaraky ny mpividy.

Nous parlons de l’enseignement dans l’émission Hono Ho Aho d’aujourd’hui. Nous entamons le deuxième bimestre. De ce fait, les programmes d’enseignement auront des changements. La responsable pédagogique au niveau de la CISCO, Lalaharinoro Njiva Linah, nous apporte plus d’explication.

Hiresaka momban’ny tontolon’ny fampianarana isika ato anatin’ny fandaharana Hono Ho Aho. Miditra ao anatin’ny roa volana faha roa ny mpianatra. Arak’izany dia miova ny lesona sy ny zavatra rehetra atao. Hiresadresaka amin’ny tompon’andraikitra ara pedagojika eo anivon’ny fari-piadidinam-pampianarana Analamanga, Lalaharinoro Njiva Linah, mahakasika izay.

Il existe plusieurs procédures pour tous projets de construction d’infrastructures publiques. Mais il y a également quelques barrages obligeant l’interruption des travaux. La Directrice de l’aménagement, Randriamananjara Sabrina, auprès de la Commune Urbaine d’Antananarivo nous apporte plus d’éclaircissement concernant cela dans l’émission Hono Ho Aho.

Misy maromaro ny dingana arahina rehefa manangana fotodrafitr’asa ho an’ny daholo be. Misy ihany koa ny antony mety ampihato ny asa. Hitondra fanazavana misimisy kokoa amin-tsika ny talen’ny fandrindrana ny tanana ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra, Randriamananjara Sabrina.

Nous parlerons d’un livre qui relate l’arrivée des colons à Madagascar dans l’émission Hono Ho Aho d’aujourd’hui. Un livre écrit par Michel Rakotoson, d’après des témoignages. Ecoutons l’entrevu avec l’auteur durant une conférence de presse au musée de la photographie à Andohalo samedi dernier.

Boky iray mitantara ny fomba nidiran’ny mpanjanaka teto Madagascar no horesahin-tsika eto amin’ny fandaharana Hono Ho Aho anio. Tantara noforonina nianga tamina fijoroana vavolombelona nosoratan’i Michel Rakotoson. Araho ary ny resadresaka niarahana tamin’ny mpanoratra nandritra ny valandresaka natao teny amin’ny mozeoan’ny sary teny Andohalo ny sabotsy lasa teo.

Nous parlerons de la maladie infantile durant la période des pluies dans notre émission Hono Ho Aho d’aujourd’hui. La maladie respiratoire s’attrape très vite comme la pneumonie ou la pneumopathie chez les enfants de moins de 5 ans. Mais c’est la bronchiolite qui est la plus à craindre durant cette période. Le pédiatre Razakantoanina Maminirina nous donne plus d’explication.

Mirongatra ny aretina eo amin’ny ankizy rehefa vanim-potoanan’ny orana. Mora miparitaka ny aretin’ny tavam-pisefoana toy ny pneumonie sy ny pneumopathie amin’ny zaza latsaky ny 5 taona, saingy bronchiolite no tena atahorana ahazo ny zaza rehefa vanim-potoana tahak’izao. Ny dokoteran-jaza Razakantoanina Maminirina no hanazava misimisy kokoa amin-tsika ny mahatonga izany.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter