La Chine a fermé ses frontières depuis le mois de mars 2020. Même si la vie a repris son cours normal, le gouvernement a développé une politique « Zero Covid » qui consiste à confiner le maximum de personnes en cas de détection de nouvelles contaminations. En décembre 2021, la ville de Xi-an avec ses 13 millions d’habitants est entrée en confinement suite à la découverte de 200 nouveaux cas de la covid-19. Dans d’autres villes, comme Pékin ou Shenzhen, un test de dépistage massif est réalisé systématiquement sur toute la population, pour moins d’une vingtaine de cas.
La Chine a vacciné 1.2 milliards de ses habitants jusqu’ici. Depuis le début de la pandémie, le pays enregistre officiellement moins de 6000 morts pour 1.4 milliards d’habitants.
Covid-19 : toy ny ahoana ny zava-misy amin’izao any amin’ny firenena sinoa ?
Nanakatona ny sisintaniny ny firenena sinoa nanomboka ny volana martsa 2020 hatramin’izao. Na dia azo lazaina fa miverina amin’ny fiainana teo aloha aza ny mponina amin’izao, dia nametraka ny atao hoe politika “Zero Covid” ny fanjakana hiadina amin’ny valanaretina. Asaina mihiboka avy hatrany ny iray tanàna rehefa misy tranga vaovao voamarina. Toy ny mitranga any Xi-an amin’izao, olona 13 tapitrisa no mihiboka rehefa nahitana tranga vaovao 200 tany antoerana. Torak’izany koa ny mponina ao Pékin sy Shenzen, izay anaovana fitiliana tsy tapaka isan’andro.
Hatreto, olona 1.2 lavitrisa no vita vaskiny any Sina. Hatramin’ny niandohan’ny valanaretina, latsaky ny 6000 ny isan’ny olona maty araka ny tatitra ofisialy avoakan’izy ireo.
Les possibilités ne manquent lorsqu’on parle de stratégies pour limiter les empreintes carbones en milieu entrepreneurial. D’autant plus que cela peut concerner tout le processus de production, du choix des matières premières jusqu’à la transformation et à la livraison des produits finis. Le mouvement Curly Aho a quelque chose à dire là-dessus à travers son salon de coiffure Texture et sa gamme Loharano. Ayant démarré il y a tout juste deux ans, les efforts de produire dans un esprit plus vert, soucieux de l’environnement sont déjà au centre de leur stratégie. Cela commence dans le système d’approvisionnement des matières premières jusqu’à la livraison des produits finis, en passant par le mode de production et de recyclage. Mais les difficultés ne manquent pas face à ce choix.
On célèbre tous les 2 février la journée mondiale des zones humides. Le code de l’environnement français définit les zones humides comme « des terrains, exploités ou non, habituellement inondés ou gorgés d'eau douce, salée ou saumâtre de façon permanente ou temporaire, ou dont la végétation, quand elle existe, y est dominée par des plantes hygrophiles pendant au moins une partie de l'année ». Ceux-ci comprennent les lacs, les marécages, les rivières, les mangroves et leurs zones environnantes. Les zones humides disparaissent très vite, à un rythme trois fois plus important que celui de la déforestation. Entre 1970 et 2015, 35 % des zones humides du monde ont été détruites. Cependant, elles jouent un rôle important dans la protection de l'environnement. Elles absorbent le carbone, assurent la pureté de l'eau, assurent la fertilité du sol environnant, protègent contre les inondations, et surtout confèrent de l'habitat à de nombreuses espèces comme les insectes et les oiseaux. Environ 10% des espèces connues dans le monde dépendent ou vivent dans les zones humides. Parmi les causes de disparition de ces zones, on peut citer le défrichement, l’expansion de zones agricoles, les déchets en plastique et le changement climatique.
Azon’ny orinasa amin’ny seha-pihariana rehetra atao ny miaro ny tontolo iainana. Samy manana ny anjara tandrify azy izy ireo ao anatin’ny fomba fiasa famokarana, manomboka eo amin’ny akora fototra ka mandrapahatongany ho vokatra azo jifain’ny daholobe. Trano fanaovana taovolo sy mpamokatra vokatra natoraly fampiasa amin’ny volo olioly na ngita ny Texture, ao anatin’ny Curly Aho. Vao roa taona monja no nijoro ny orinasa fa efa mipetraka ny fenitra ho fampihenana ny fandotoana ny voary ao aminy. Manomboka any amin’ny fividianana sy fisafidianana akora fototra izany mandrapahatongan’ny vokatra anaty tavoahangy azo jifain’ny mpividy. Izany rehetra izany dia mandalo ny fanajana ireo fenitra ara-teknika arahina amin’ny famokarana.
Isaky ny 2 febroary no ankalazaina ny andro manerantany ho an’ny faritra mando, ny voalohan’ny volana hatramin’ny 5 febroary teo moa ny teto amitsika no nankalaza io andro io. Andeha hofantarintsika fohifohy ny momba azy sy ny asany eo amin’ny tontolo manana aina rehetra.
Honahona na toerana vontondranomamy na ranomasina, mandritra ny fotoana maharitra na tsia ary ahitana zavaboary dia na maniriniry ho azy no antsoina hoe faritra mando. Isan’izany ny farihy, ny honahona, ny renirano, ny ala honko sy ny toerana manamorona azy. Miharingana haingana be ny faritra mando, avo telo heny mihoatra noho ny fahasimban’ny ala ny fahasimbany. Teo anelanelan’ny taona 1970 sy 2015 dia 35%n’ny faritra mando manerantany no ringana.
Manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny zavaboahary anefa ireo faritra mando ireo. Isan’ny misintona ny entona maloto na carbone izy, miantoka ny fanadiovana ny rano fisotro, miantoka ny tsiron’ny tany manodidina azy mba hamokatra, miaro amin’ny tondradrano, ary indrindra miantoka ny fonenan’ny biby marobe toy ny bibikely na insecte sy ny vorona. Ny 10 isanjaton’ny espèce fantatra manerantany dia miankina na mivelona amin’ny faritra mando. Isan’ny manimba ny faritra mando ny fanotorana azy ireny, ny famadihana azy ireny ho lasa toeram-pambolena, ny fako sy ny plastika ary ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Reportage
Le développement durable est un concept issu du droit international, accepté et adopté par Madagascar à travers plusieurs textes nationaux. En effet, des différents mécanismes ont été mis en place en vue de son application. C’est un modèle de développement adoptant un mode de gestion plus durable dans le but de satisfaire les besoins présents de la population sans pour autant porter préjudice à ceux des générations futures.
Aujourd'hui, toutes les stratégies politiques, qu’elles soient publiques ou privées se basent sur ce modèle de développement. L’objectif final est de trouver l’équité entre développement économique, protection de l’environnement et respect des droits de l’Homme. Néanmoins, il y a des obstacles à la réalisation de cette équité, notamment en rapport avec le contenu même des textes juridiques malgaches selon la juriste et professeur à la Faculté des Droits et des Sciences Politiques à l’Université d’Antananarivo, Rambinintsaotra Saholy.
Interview
La délivrance d’un permis environnemental par l’Office National de l’Environnement ou ONE se fait en plusieurs étapes. Une série d’études techniques doit être réalisée, suivi éventuellement d’une consultation publique selon l’envergure du projet. A l’issue de celles-ci, un cahier des charges dont les termes seront acceptés par le propriétaire du projet d’exploitation et l’ONE, sera établi. Son exécution est ainsi obligatoire pour les parties. L’ONE est également chargé du suivi de la bonne exécution de ce cahier des charges au fur et à mesure de l’avancement des travaux. La juriste au sein de l’ONE, Fara Vololona Rakotomalala et le responsable de l’évaluation environnemental au sein de l’ONE, Cédric Rajoelina, vont nous parler justement de ce suivi.
DIY
Vous buvez du café presque tous les jours ? Vous ne savez pas quoi faire de votre marc de café et vous finissez par le jeter ?
Dans ce DIY nous vous montrons d’autres alternatives afin de réutiliser votre marc de café dans une approche écoresponsable.
Fanadihadiana
Ny atao hoe fandrosoana lovainjafy dia izay fandrosoana afaka mamaly ny filan’ny mponina ankehitriny sy mitsinjo ny filan’ireo taranaka ho avy ihany koa. Teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena no nipoitra izany foto-kevitra izany, izay noraisin’i Madagasikara taty aoriana. Ankehitriny moa, mifototra amin’io daholo ny zavatra rehetra miseho eto amin’ny tanintsika, na ny politika-panjakana izany, na ny politikan’ireo sehatra tsy miankina toy ny fikambanana sns. Misy lalàna fampiharana azy io eto amin‘ny firenena, izay mahakasika ny tontolo iainana, ny zon’olombelona sy ny tombontsoa ara-toekarena.
Misy ihany anefa ny sakana amin’ny fampiarana an’io fampandrosoana lovainjafy, izay miankina betsaka amin’ny anaty lalàna hoy ny mpahay lalàna sy mpampianatra ao amin’ny Faculté des Droits et des Sciences Politiques, Rambinintsaotra Saholy.
Resadresaka
Misy dingana maro tsy azo ialana rehefa hangataka fahazoandalana ara-tontolo iainana na “permis environnemental” mba ahafahana manao asa fitrandrahana eto Madagasikara. Rehefa vita ireo fanadihadihana isan-karazany, ohatra ara-teknika, fangalana ny hevitry ny vahoaka sns, dia arafitra ny bokin’andraikitra ara-tontolo iainana. Izay rehetra voalaza ao moa dia hifaneken’ny tompon’ny tetikasa sy ny Office National de l’Environnement, izay vao afaka mamoaka ilay permis environnemental ity farany.
Tsy mijanona hatreo anefa. Misy ny fanaraha maso ataon’izy ireo rehefa mandeha ilay asa. Hanazava antsika mahakasika izany ny mpahay lalàna ao amin’ny ONE, Rakotomalala Fara Vololona sy ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ara-tontolo iainana eo anivon’ny ONE ihany Rajoelina Cedric.
DIY
Zavatra misy any amin’ny tokantranontsika tsirairay avy any ny tay kafe. Matetika, ariantsika izy ireny.
Fantatrao ve fa misy fomba hafa ahafahana manodina sy mampiasa azy amin’ny fiainana andavanandro? Harahinao izany ato ami’ny DIY.
Une vidéo a circulé depuis quelques semaines sur les réseaux sociaux, notamment sur twitter. Elle montre des enfants portant des combinaisons comme celle des astronautes et se dirigeant vers une école.
La réaction des internautes ne s’est pas fait attendre, accusant la Chine « d’aller trop loin » dans les mesures sanitaires et dans leur stratégie nationale « zero covid ».
Après vérification sur Baidoo, le moteur de recherche chinois, il est confirmé que la vidéo existe bel et bien, et il ne s’agit pas d’un montage. Seulement, elle a été tournée dans un tout autre contexte, pendant un évènement sportif dans l’Est du pays, organisée par une école privée le 2 décembre 2021. Les enfants ont été déguisés en combinaison pour rendre hommage à l’industrie aérospatiale chinois. Rien à avoir donc avec la covid-19.
Marina ve fa namorona akanjo entina hiarovana ny ankizy amin’ny Covid-19 ny firenena Sinoa ?
NIsy horonantsary iray niparitaka tao amin’ny tambazotra serasera Twitter, herinandro vitsivitsy izay, ahitana ankizy manao akanjo misarona toy ireny astronaute ireny ary mandeha any antsekoly.
Taitra sy naneho hevitra ireo olona izay nahita izany, ary nilaza fa tafahoatra loatra ny fepetra noraisin’ny firenena Sinoa hiadina amin’ny Covid-19, indrindra hiarovana ireo ankizy.
Rehefa notadiavina tao amin’ny tranokala Baidoo ny niandohan’io horonantsary io dia hita fa nalaina nandritra ny hetsika ara-panatajanahantena ho an’ny mpianatra, nokarakaraina sekoly tsy miankina iray, ny 2 desambra 2021 teo. Natao izany mba hahatsiarovana ireo siantifika sinoa niavaka sy nanamarika ny tontolon’ny haikintana. Tsy misy ifandraisany amin’ny Covid-19 araka izany io horonantsary io.
Les enseignants chercheurs et les chercheurs enseignants, rattachés au ministère de l’Enseignement Supérieur et de la recherche scientifique, sont au service de l’Etat et du territoire pour y apporter de l’innovation. Les premiers sont repartis dans les 9 centres de recherches à Madagascar tandis que les autres dispensent des cours dans les universités, mais font également de la recherche en dehors de leurs activités d’enseignement, explique Marrino Rakotoarisoa, chercheur auprès du CNARP (Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques).
Les professionnels de la recherche dans le secteur privé, souvent regroupés dans des cabinets d’études privés font également de la recherche, souvent pour le compte d’entreprises privées. Les résultats sont publiés dans les journaux scientifiques nationaux ou internationaux, et sont consultables par le grand public. Faire des recherches est à la fois un travail et une grande passion, souligne le Professeur Jonah Ratsimbazafy, enseignant chercheur et Président du GERP (Groupe d’Etudes et de Recherches sur les Primates).
Ny mpikaroka mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka dia samy mpiasam-panjakana eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ireo voalohany dia miasa eny anivon’ireo ivotoeram-pikarohana izay miisa 9 eto Madagasikara. Ny mpampianatra mpikaroka kosa no miasa anivon’ny Oniversite, no sady mikaroka ihany koa, hoy i Marrino Rakotoarisoa, Mpikaroka eo anivon’ny CNARP (Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques).
Ireo mpikaroka tsy miankina ihany koa diamamoaka voka-pikarohana izay azon’ny rehetra jerena ao amin’ny gazety siantifika iraisam-pirenena rehefa nankatoavin’ny vondrona mpikaroka.
Le Sommet de l’Union Africaine s’est tenu à Addis Abeba, la capitale de l'Éthiopie et siège de l'Union Africain, les 5 et 6 février 2022, pendant lequel se sont réunis plusieurs chefs d’Etat et de gouvernement. En ce qui concerne Madagascar, le ministre des Affaires étrangères, Patric Rajoelina a été mandaté afin de représenter le pays durant ce Sommet. Ce dernier y a évoqué plusieurs défis auxquels le pays fait face actuellement et a fait appel à une solidarité régionale à cet effet. Aujourd'hui dans l’émission Hono A, nous parlerons de l'Union Africaine, et des intérêts de Madagascar en tant que membre de celle-ci, avec la juriste Josette Aline Rasoafara.
Nivory ny 5 sy 6 febroary 2022 tany Addis Abeba, renivohitr’i Etiopia izay niorenan’ny vondrona afrikanina na «Union Africaine » ny lehiben’ny fanjakana sy ny governemanta an’ireo firenena afrikanina mpikambana. Anisan’ny nandray anjara tamin’io fihaonana an-tampon’ny vondrona afrikanina io i Madagasikara, ary ny Ministry ny Raharaham-bahiny, Rajoelina Patrick, no solontena tamin’ity taona ity. Hiresadresaka mahakasika ny vondrona Afrikanina, sy ny tombontsoan’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana azy anatin’io ny mpahay lalàna RASOAFARA Josette Aline ato amin’ny fandaharana hono ho’aho.
9 centres d’incubation culturelle verront le jour dans plusieurs régions de Madagascar cette année. Deux d’entre eux sont opérationnels aujourd’hui, celui de Toamasina et d’Antananarivo. Parallèlement, l’Académie des Arts et des Cultures est en cours de construction dans la capitale et sera opérationnelle avant décembre 2022. Mais quels avantages les jeunes peuvent tirer de ces infrastructures ? Le directeur-général auprès du ministère de culture, Francis Razafiarison, explique qu’un centre d’incubation est le lieu où les projets culturels sont proposés, préparés et travaillés, tandis que les centres culturels sont destinés à les présenter, une fois qu’ils sont mis au point. Le but, dit-il, est de transformer cette idée artistique en industrie culturelle permettant aux jeunes de se professionnaliser dans le domaine. Quant à elle, l’Académie des Arts et des Cultures est une école d’apprentissage des métiers de l’art et surtout un haut-lieu de la culture malgache. Cette académie, souligne Francis Razafiarison, collaborera avec des universités malgaches et à l’étranger.
Toeram-pikotrehana ara-javakanto miisa 9 no hisokatra amin’ny faritra maro eto amin’ ny nosy amin’ity taona ity. Ho vita mialohan’ny faran’ny taona ihany koa ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto, eto an-drenivohitra. Fa inona tokoa moa no tena asan’izy ireny ary inona no tombony amin’ny fananana azy, indrindra ho an’ny tanora? Hoy ny tale eo anivon’ny ministeran’ny kolontsaina, Francis Razafiarison : ny toeram-pikotrehana ara-javakanto na centres d’incubation culturelle dia toerana fiketrehana sy fanomanana vinan’asa ara-javakanto. Ny tanjona hoy izy dia ny hamadihana ireo vinan’asa ho lasa antom-pivelomana mampidi-bola. Ankoatra ny hira, azo kotrehina ao avokoa, hoy izy, toy ny hosodoko, fakantsary, ny haihaingo arak’endrika amam-bika, ny dihy sy ny maro hafa. Rehefa izay, dia ireo ivokolo no toeram-panehoana sy fampirantiana izany. Ho an’ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto kosa, dia toeram-pampianarana ny mahakasika ny zavakanto sy ny kolontsaina, toy ny amin’ny fanatanjahan-tena. Notsindriany fa hiara-hiasa akaiky amin’ireo anjery manontolo eto antanindrazana sy any ivelany izy io.