Selon la loi organique 2012-05 portant sur les élections à Madagascar, la révision des listes électorales débute chaque 1er décembre et se termine le 15 avril. Cette liste est disponible auprès de chaque fokontany. Une responsable auprès du fokontany d’Ambohitsorohitra et d’Ambatonakanga ambany nous explique leur stratégie afin d’inciter les citoyens à s’y inscrire.
Araky ny lalàna fehizoro laharana 2012-05 mifehy ny fifidianana ao amin’ny adininy faha 26, misokatra ny 1 desambra 2021 ary mifarana ny 15 aprily 2022 ny fandraisana sy fanavaozana ny lisi-pifidianana eto Madagasikara amin’ny taom-piasana 2021-2022. Manazava ireo olana hita tamin’ireo lisi-pifidianana teo aloha, ny endriky ny fanavaozana ny lisi-pifidianana sy ny taha-pahavitrian’ny mponina ny tompon’andraikitra eo anivon ‘ny fokontanin’ Ambohitsorohitra sy Ambatonakanga ambany.
Au lieu de percevoir 12 mois de salaire, certains employés d’entreprise reçoivent un 13ème mois de salaire à la fin de l’année. Ce salaire en plus est calculé en fonction de l’augmentation des chiffres d’affaires de l’entreprise durant toute l’année. Contrairement aux entreprises privées, les entreprises publiques ne perçoivent pas de 13ème mois car leurs salaires sont préalablement calculés et inscrits dans la loi de finance en début d’année, explique Patrick Randriamisata, économiste.
Fanaon’ny orinasa tsy miankina sasany rehefa faran’ny taona tahaka izao ny manome « 13ème mois» hoan’ny mpiasa. Isan’ny fepetra hahafahana manome izany ny fiakaran’ny tombony azon’ny orinasa nandritra ny taona iray. Matetika, tsy misitraka izany « 13ème mois » izany ireo mpiasam-panjakana satria efa voarakitra mialoha anaty ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny karaman’izy ireo. Raha hisitraka izany izy ireo dia tsy maintsy soratana anaty ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izany, hoy ny mpahay toe-karena, Randriamisata Patrick.
Le rapport des travaux effectués, par rapport aux promesses annoncés lors des propagandes et les projets présidentiels, auprès des électeurs figure parmi la redevabilité que devront faire les élus. La transparence sur l’utilisation des fonds publics est également impérative dans la mise en place d’un Etat démocratique. Les élus peuvent également faire des bilans fin d’année afin d’évaluer l’atteinte des objectifs fixés et les projets à achever. Normalement une commission pour chaque département ou chaque projet est en charge de cette évaluation, selon les explications de Betsara Jean Kinnear, Coordinateur de la KMFCNOE de la Région Antsinanana.
Tamberina andraikitra ataon’ny olom-boafidy ny fanaovana tatitra
Tafiditra ao anatin’ny fampanjakana ny demokrasia ny fanaovan’ny olom-boafidy tatitra amin’ny vahoaka ny asa vitany mitaha amin’ny fampanantenana tamin’ny propagandy sy ny tetikasa. Tamberin’andraikitra ataon’ny mpitondra ihany ny fanaovana tatitra satria izy no nametrahan’ny vahoaka fitokisana ka mila mampahafantatra ny vahoaka ny asa vita sy ny vola lany tamin’izany. Afaka manao tombana ihany koa izy hamantarana ny asa vita sy ny mbola tratrarina. Misy ny komisiona miandraikitra ny tombana isaky ny sehatra iasaina ary ny tanjona napetraka sy ny tanjona tratra tao anatin’izany no mari-drefy hamantarana ny fahombiazan’ny mpitondra, araka ny fanazavan’i Betsara Jean Kinnear, mpandrindra ny KMFCNOE Faritra Antsinanana.
D’après les explications du coordinateur régional du KMF/CNOE, Betsara Jean Kinnear, le Premier Ministre est le chef du gouvernement, viennent ensuite les ministres et les autres fonctions rattachées auprès de la primature. De ce fait, un Secrétaire d’Etat, s’il est rattaché au Premier Ministre, est un membre du gouvernement au même rang qu’un ministre. Un vice-ministre est hiérarchiquement inférieur au ministre. Un ministre d’Etat se différencie du ministre par la portée honorifique de son titre. En effet, il peut être attribué à une personne influente ou à un chef de parti politique. Mais, il se trouve au même rang qu’un ministre.
Arakin’ny fanazavan’ny mpandrindram-mparitry ny KMF-CNOE, Betsara Jean Kinnear dia ny Praiminisitra no lehibe ny governemanta. Raha eo ambany fiadidian’ny Praiminisitra ny Secreteram-panjakana dia mitovy laharam-boninahitra amin’ny minisitra ihany. Mety hisahana andraikitra eo anivon’ny ministera koa anefa ny sekreteram-mpanjakana ary eo ambany fiahian’ny minisitra izy amin’izay. Ny vice-ministe kosa dia olona misahana andraikitra iray eo anivon’ny ministera. Eo ambany fiadidian’ny minisitra izany ny vice-ministre.
Vitsy an’isa ireo tanora no tena misehatra sy mahalala ny asa sy fihariana misokatra eo @ sehatrin’ny angovo sy ny fampanana rano. Noho izany indrindra no nanatanterahina ny hetsika “école d’été” teo an’ivon’ny oniversiten’I Fianarantsoa iarahany amin’ny AUF sy ny association Fianara Lab izy ity. Nomena fiofanana mahakasika ny PV solaire na angovo azo havaozina miainga avy amin’ny hazavan’ny masoandro ihany koa ireo izay nandray anjara tamin’ny hetsika. Nisy ihany koa ny fifaninana nandraisan’ireo tanora anjara miompana amin’izay resaka fampanana rano sy fampiasana angovo izay. Ny mpianatry ny oniversiten’I Fianarantsoa moa no tena niantefan’ity hetsika ity.
Peu de jeunes sont actifs et conscients des emplois et des moyens de subsistance ouverts dans les secteurs de l'énergie et de l'eau. C'est pourquoi l'école d'été de Fianarantsoa a été organisé. Il s'agit d'une initiative de l'Université de Fianarantsoa en collaboration avec l'AUF et l'association Fianara Lab. Les participants à l'événement ont également reçu une formation sur l'énergie solaire photovoltaïque ou l'énergie renouvelable à partir de la lumière solaire. Il y avait aussi des concours adressé aux jeunes qui se focalize l'utilisation de l'eau et de l'énergie. Les étudiants de l'Université de Fianarantsoa ont été la cible principale de cet événement.
L’accès aux soins au niveau des Centre de santé de base niveau II (CSB II) est gratuit. Cette gratuité, expressément communiquée à travers des affiches dans ces lieux, est expliquée dans le cas où le patient est illettré, souligne le médecin inspecteur, le Dr Razafimanantsoa. Cependant, pour bien des raisons, entre autres, le manque de moyens matériels, certains patients sont obligés de payer. Ces 4 derniers mois, le CAJAC (Centre d'Assistance Juridique et d'Action Citoyenne) santé, a reçu plus de 1.400 doléances liées à des cas de corruption auprès des CSBII. Les détails avec la coordonnatrice nationale du centre, Andrianalisoa Raonison.
Marisika hametraka fitarainana amin’ny trangana kolikoly misy eny amin’ny CSB II ny olom-pirenena Maimaimpoana ny fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana na CSBII, ary atao fantatr’ireo olona tonga mitsabo tena eny amin’ireo toerana ireo izany, amin’ny alalan’ny peta-drindrina sy ny fanazavana am-bava raha tsy mahay mamaky teny ilay marary, hoy ny médecin inspecteur Dr Razafimanantsoa. Noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sasany anefa dia ampandoavina vola sahaza ividianana izany ny marary. Tao anatin’ny 4 volana farany dia naharay fitarainana trangana kolikoly maherin’ny 1400 ny eo anivon’ny CAJAC (Centre d'Assistance Juridique et d'Action Citoyenne) Santé, izay rantsan’ny Transparency International eto Madagasikara mifototra amin’ny sehatry ny fahasalamana. Manazava ny karazana tranga sy ny anton’izany ny vahinin’ny fandaharana, Raonison Andrianalisoa mpandrindra nasionalin’ny CAJAC santé.
Certains enfants en bas âge ont la peau fragile et très sèche par rapport aux autres. Pour cela, le docteur Rova Nomenjanahary, pédiatre, conseille d’ajouter un peu d’huile de cuisson, de préférence de l’huile végétale, dans le bain du bébé. Il ne faut pas oublier d’hydrater sa peau après le bain. Les malgaches ont tendance à utiliser l’huile de coco et l’huile d’amande douce. Pour ce dernier, il faut faire attention à ce que l’enfant n’en soit pas allergique. Il existe également des produits spécifiques pour les peaux très sèches pour bébé en pharmacie, qui permettent une ultra hydratation. Il faut continuer ce soin même si la peau du bébé devient plus douce. Il est toujours préférable d’attendre les visites mensuelles chez le pédiatre avant de décider quoi que ce soit. En ce qui concerne la consommation de sucre chez les enfants en bas âge, le docteur Faramalala, pédiatre, déconseille le rajout de sucre dans la nourriture, même pour les adultes, car le sucre est addictif. Notre alimentation est généralement de nature sucrée.
Misy hoditra zazakely sasany marefo sy maina be noho ny an’ny hafa. Araka ny torohevitra nomen’ny Dokotera Nomenjanahary Rova, dokoteran-jaza, asina menaka fahandro vita amin’ny zava-maniry ny rano fandroan’ny zazakely. Tsy hadinoina avy eo ny mampamandina ny hodiny amin’ny menaka isan-karazany. Ny mahazatra antsika moa dia ny diloilo coco sy ny « huile d’amande douce ». Mila mitandrina tsara nefa amin’ity farany fa mety tsy hahazaka azy ny zazakely sasany fa mety vao mainka hanimba ny hodiny izany. Misy vokatra natokana ho an’ny zazakely ihany koa amidy eny amin’ny fivarotam-panafody izay mahamandina be izay hoditra maina loatra izay. Tohizana foana moa ny fikarakarana ny hoditry ny zazakely na dia hita ary fa efa mihatsara izany. Ny mety dia miandry ilay fizahana isam-bolana atao amin’ilay zaza any amin’ny dokotera vao manapa-kevitra. Raha ny fihinanana zava-mamy indray no resahina, tsy dia tsara hoy i Dokotera Faramalala, dokoteran-jaza, ny manampy siramamy any anaty sakafo satria manjary lasa miankin-doha amin’iny ilay zaza, eny na ny olon-dehibe aza. Ny sakafon-tsika amin’ny andavan’andro dia efa misy siramamy voajanahary.
L’accès aux lois reste difficile à Madagascar et les jeunes s’y intéressent peu ou pas du tout. En effet, les jeunes ne sont pas consultés lors des élaborations des lois. De plus, certaines lois ne sont pas disponibles sur les plateformes déjà existantes (site internet de l’administration). Face à cela, les juristes devraient selon Tsimihipa Andriamazavarivo, coordinateur de l’ONG Tolotsoa, participer plus à la vulgarisation, à rendre publiques et compréhensibles les lois malgaches.
Mbola sarotra ny fikarohana sy fikirakirana, ary ny fahazoana ireny lalàna ireny eto Madagasikara, ary vitsy ny tanora liana sy mandray andraikitra ao anatin’izany. Anisan’ny anton’izany ny tsy fandraisan’ny tanora anjara amin’ny famolavolan-dalàna, ny tsy fahafahan’ny olona mijery sy manaraka ny fivoaran’ny lalàna eto amintsika. Tsy ampy ihany koa ny fandraisan’ny mpahay lalàna anjara amin’ny fanapariahana ny lalàna sy ny famakafana ireny amin’ny be sy ny maro. Manazava bebe kokoa mikasika izay i Andriamazavarivo Tsimihipa, mpandrindra ny ONG Tolotsoa.