L’économie Bleue concerne toutes les activités économiques autour de la mer telle que la pêche, l’écotourisme, le transport maritime, les énergies renouvelables etc. Madagascar possède une zone de couverture marine de 1 100 000km2, mais seulement 5% sont exploitées et rapportent un rendement pour la caisse de l’État. Si on arrive à augmenter ce chiffre à 10%, on pourrait rapporter une valeur de 1 200milliard d’Ariary de plus dans la caisse de l’Etat explique José Victor Randrianarimanana, directeur d’appui à la gestion et planification spatiale au sein du ministère de la pêche et économie bleue.
Â
Ny atao hoe toekarena manga dia ny fihariana rehetra manodidina ny ranomasina, toy ny jono, ny fitanterana an-dranomasina, ny fizahantany, ny fitrandrahana angovo azo avaozina sns. Manana velaran-dranomasina 1 100 000km2 i Madagasikara saingy ny 5 isanjaton’izany no mbola voatrandraka hatramin’izao. Manodidina ny 500 tapitrisa dolara ny very vokatry ny jono tsy ara-dalà na. Raha voatrandraka hatramin’ny 10 isanjato ny ranon’i Madagasikara dia afaka hampiditra 1 200 miliara ariary fanampiny ao anatin’ny kitapombolam-panjakana io. Olana mbola atrehina ny tsy fahampiana fitaovana avo lenta ho an’ny mpanjono madinika eo anatrehan’ny fahasimban’ny tontolo iainana ka mahavitsy ny vokatra azo jonoina ety amoron’ny sisin-tany.
Le numérique offre une multitude d’opportunités d’emploi aux jeunes. L’objet du débat se focalise sur la question suivante : « Devons-nous pousser nos jeunes à se former dans ces métiers et quelle serait l’apport dans l’économie malgache ? ». Selon Geraldo Steevi Dokalahy, ce secteur représente encore très peu de poids dans le PIB de Madagascar. Nous devons trouver une façon d’adapter le numérique aux domaines clés et génératrices d’emploi comme le secteur agricole, soutient-il.  Pascal Razafimandimby défend le contraire. C’est un secteur qui offre aux jeunes d’innombrables opportunités de travail et de création de richesse. Concernant son apport dans l’économie malgache, même si les métiers du web et digitale rapportent peu dans le budget de l’Etat, elle aide au moins les jeunes à s’épanouir financièrement et intellectuellement.
Mitodika betsaka any amin’ny fampiasana ny teknolojia nomerika ireo asa rehetra miforona ankehitriny ary tsy vitsy ireo tanora mirotsaka manao izany. Raha ny fanazavan’ny mpahay toe-karena, Geraldo Steevi Dokalahy, mbola ambany ny famoronan’asa entin’io seha-pihariana io eto amintsika raha mitaha amin’ny famoronan’asa hita amin’ny sehatry ny fambolena ohatra. Ahitana fanararaotra maro ho an’ny tanora kosa anefa ny fampiasana ny teknolojia sy ny aterineto hoy i Pascal Razafimandimby,  misehatra anatin’io tontolo io.
Peno Manitra, Rija Rakotobe et Rija Navalona ont été rassemblés par la recherche autour d’un insecte, le black soldier fly ou la mouche soldat noire, une espèce d'insectes diptères de la famille des Stratiomyidae. Très riche en protéine, cet insecte pourrait substituer aux provendes et à l’alimentation animale dont la production est jugée polluante. Ils nous partagent le processus d’élevage pour un usage domestique, les apports nutritifs ainsi que les impacts de l’exploitation de cette mouche sur l’environnement.
Le concept de restaurant écoresponsable
Quelques astuces pour repenser la restauration afin de minimiser ses empreintes carbone :
Â
Black soldier fly: karazan-dalitra ahazoana proteina ho an’ny sakafom-biby
Natambatry ny fikarohana sy fitrandrahana lalitra mainty antsoina hoe black soldier fly i Peno Manitra, sy i Rakotobe Rija ary i Navalona Rija. Anisan’ny bibikely ahazoana tombony betsaka amin’ny asa fiompiana sy ny fanodinana fako ity lalitra ity.
Inona no atao hoe toeram-pisakafoana mikajy ny tontolo iainana na restaurant éco responsable?
Ny tanjona anatin’ny toeram-pisakafoana mikajy ny tontolo iainana na restaurant éco responsable dia ny hampihena faran’izay kely azo atao ny vokadratsy ateraky ny asany eo amin’ny tontolo iainana. Ireto misy teboka vitsivitsy manamarika azy :
Mampiasa akora fanadiovana sy fanasana tsy misy singa simika. Efa betsaka ireo savony na vovotsavony vita amin’ny akora natoraly ankehitriny, ao ihany koa ireo lamba ampiasaina mba tsy handaniana éponge be loatra. Misy akony tsara amin’ny tontolo iainana.
Joro fabrique des objets décoratifs en corne de bœuf tels que des fleurs, des poissons, des oiseaux et bien d'autres. Il s’approvisionne du côté de 67Ha. Par la suite, il va de quartier en quartier, à pieds, pour vendre ses œuvres, dont le prix peut atteindre 32 000 ariary l’unité. Bernardin, quant à lui, est dans la vitrerie. Et le père de Tantely fabrique des sandales à partir de pneus de voiture. Skez, en revanche, hérite de la ferronnerie que son grand-père avait commencée.
Â
Â
Manao asa tanana vita amin’ny tandrok’omby i Joro. Karazan-javatra maro no vitany amin’izany tandrok’omby izany toy ny sarina voninkazo, sarina trondro, sarina vorona sy maro hafa ihany koa. Eny 67Ha, Antananarivo, no hangalany ny akora fototra hanamboarana ireo kisarisary ireo. Tonga mitety faritra maro izy mivarotra ny asa tanany ary mitentina mahatratra ny 32.000 ariary ny vidin’ny iray. I Bernardin dia manao asa tanana vita amin’ny fitaratra ary i dadan’i Tantely kosa dia mpanamboatra kapa amin’ny kodiarana fiara tsy ampiasaina intsony. I Skez indray nandova ny asa fanaovana vy, efa natomboky ny dadabeany.
Â
Ce médicament, sous forme de gélules, s’appelle Paxlovid. C’est un antiviral qui agit en diminuant la capacité du virus à se répliquer. Il doit être pris deux fois par jour, pendant cinq jours, dès que le résultat du test est confirmé positif et dans les cinq jours après l’apparition des symptômes.
Le laboratoire américain a publié le résultat de leur essai clinique en novembre 2021, réalisé sur 1 200 individus. Paxlovid serait efficace à 89% contre les hospitalisations et les décès. Toutefois, ce traitement n’est pas destiné à des patients déjà gravement atteints de la maladie. En décembre, l'Agence européenne du médicament avait approuvé l'utilisation du traitement de Pfizer dans l'Union européenne. De son côté, les Etats-Unis ont déjà commandé 20 millions de ce médicament auprès de son fabricant.
Mahomby tokoa ve ilay fanafody miady amin’ny COVID-19 novokarin’ny Pfizer ?
Paxlovid ny anaran’io fanafody io, izay fanafody atelina. Nanaovana andrana tamina olona 1200 izany tamin’ny taona lasa. Nanambara ny laboratoara Pfizer ny volana novambra teo, fa mampihena hatramin’ny 89% ny fampidirana hopitaly sy ny taham-pahafatesana io fanafody io.
Toy izao ny fihinana azy. Hohanina indroa isan’andro, ao anatin’ny dimy andro vantany vao fantatra fa mitondra ny tsimokaretina COVID-19 ny olona iray, ary tohizana dimy andro indray rehefa miseho ny soritraretina. Tsy natokana ho an’ny olona efa marary mafy na anaty tranga atahorana anefa ity fanafody ity.
Tamin’ny volana desambra teo, dia nomen’ny Agence européenne du médicament alalana ny hanapariahana ny Paxlovid any Eoropa. Ny firenena amerikanina ihany koa dia efa nanafatra 20 tapitrisa isa tamin’izany.
Dans un pays démocratique tel que Madagascar, le droit de vote est un droit inhérent à la qualité de citoyen. Dans l’exercice de ce droit, il appartient à chaque individu de s’inscrire à la liste électorale. Le droit malgache prévoit une révision annuelle de cette liste, au mois de décembre jusqu’au mois d’avril. La révision annuelle de la liste électorale est obligatoire, néanmoins, l’inscription à cette liste n’est pas systématique selon le coordonnateur régional du KMF/CNOE dans la région Atsinanana, Betsara Jean Kinnear.
Manana zo hifidy, na zo handatsa-bato ny olom-pirenena iray. Anisan’ny fepetra tokony fenoina mba ahafahany misitraka izany zo izany, ny fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Misy ihany koa ny fanavaozana an’io lisitra io indray mandeha isan-taona, manomboka ny voalohan’ny volana desambra 2021 hatramin’ny volana aprily 2022. Isan-taona satria misy fifidianana sasany tsy voafaritra mialoha ny fotoana hanaovana azy, toy ny fitsapa-kevi-bahoaka ohatra.
Hanazava ireo dingana tokony ho arahina amin’izany ny mpandrindra ny KMF/CNOE any amin’ny faritra Atsinanana Betsara Jean Kinnear.
Le kitamby est une mode vestimentaire traditionnelle pour les hommes de la tribu Sakalava Antakarana. Les lambahoany sont enroulées autour des hanches. Selon l’orateur Romule Thomas, le kitamby est mis de façon à ce que le revers du lambahoany soit à l’extérieur et l’envers à l’intérieur. Il existe trois façons de le mettre : pour les personnes âgées, pour ceux qui gardent le zébu et pour le banogno. Les gens de la campagne mettent encore de kitamby mais ceux de la capitale ont oublié cette mode traditionnelle, surtout les jeunes.
Le lite feet est une danse issue du hip hop comme l'explique la danseuse Shaminah Myriah Sakina ou Shasha. Ce qui le distingue du hip hop, c'est son rythme un peu plus rapide.
Fomba fiakanjon’ny lehilahy amin’ny lambahoany avy ao amin’ny foko sakalava antakarana ny kitamby. Afatotra manodidina ny valahana izany lambahoany izany. Azo atao toy izany daholo ireo karazana lambahoany misy. Araka ny fanazavan’ny mpikabary Romule Thomas, misy lamina arahina ny fametahana azy. Jerena tsara ny lafy ratsiny sy ny lafitsarany amin’ilay lambahoany, izany hoe tsy maintsy ny lafy tsarany no ety ivelany. Karazany telo no fomba ametahana azy io, misy ho an’ny zokiolona, misy ho an’ny mpiandry omby ary misy ho an’ny banogno.
Miainga avy amin’ny dihy hip hop ny lite feet araka ny fanazavan’i Shaminah Myriah Sakina na Shasha, mpandihy. Ny mampiavaka azy amin’ny hip hop dia ny gadona handihizana aminy, mandeha haingana kokoa izany gadona izany.