Si la date proposée par la CENI était retenue, l’élection présidentielle serait dans cinq mois. D’ailleurs la société civile revendique la modification de la loi électorale. Selon le secrétaire général de partie politique APM et le vice-président de l’association M’Seeds, il est trop tard de modifier la loi sur l’élection. De son côté, le président de la KMF CNOE affirme qu’il nous faut trois jours pour consulter l’avis de tous les acteurs électoraux pour élaborer cette loi. Face à la non application de loi sur l’élection, le premier vice-président de la CENI précise que la Commission électorale peut être condamnable si elle ne respecte pas la loi.
Raha voatazona ny daty naroson’ny CENI dia dimy volana izany sisa dia ho tonga ny fifidianana. Ankilan’izany anefa dia mangataka ny hanovàna ny andininy sasatsany ao amin’ny lalam-pifidianana ny firaisamonim-pirenena amin’izao. Nanambara ny sekeretera jeneralin’ny antoko polika madio sy ny filoha lefitry ny fikambanana M’Seeds fa efa tara loatra raha izao vao ametraka izany. Mety ho vita ao anatin’ny telo andro anefa izany amin’ny alalan’ny fakan-kevitra manerana an’i Madagasikara izany hoy ny eo anivon’ny KMF CNOE. Manoloana ny resaka fampiarana ny lalàna mifehy ny fifidianana kosa dia nilaza ny filoha lefitra voalohan’ny CENI fa mihatra ho an’ny olon-drehetra ny lalam-pifidianana ka azo toriana tsara ny CENI raha toa ka mahita fandikan-dalàna ataon’izy ireo.
Il est interdit à tout fonctionnaire civil ou militaire et agent non encadré de l’Etat et des Collectivités Territoriales Décentralisées, de participer à la campagne électorale en vue de faire voter pour un candidat, une liste de candidats ou une option.
Aucune annonce majeure liée à, ou visant à créer, une perception favorable envers un parti politique, un candidat ou une liste de candidats ne doit être faite par l’Administration de l’Etat ou des Collectivités Territoriales Décentralisées pendant la période de la campagne électorale, y compris les inaugurations officielles.
L’usage de ressources administratives, notamment l’accès à des équipements publics dont les véhicules et les bâtiments administratifs, visant à promouvoir des activités de campagne électorale ou référendaire, est interdit.
Midika inona ny tsy fiandanian’ny sampan-draharaham-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra ?
Midika izany fa tsy azon’ny mpiasam-panjakana atao, na sivily izy na miaramila, sy ny mpiasa hafa tsy fehezin’ny fanjakana mivantana, ary ny mpiandraikitra fitsinjaram-pahefana ny mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra mba hampandaniana kandidà, na lisitra kandidà na safidy iray.
Tsy azon’ny fitondram-panjakana sy ny rafitra fitsinjaram-pahefana atao ny manao fanambarana mety hanatsara endrika antoko pôlitika iray, kandidà na lisitra kandidà, mandritra ny fotoana fampielezan-kevitra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fitokanana amin’ny fomba ôfisialy.
Tsy azo atao ny mampiasa ny harem-panjakana, indrindra ny fananana iombonana toy ny fitaovam-pitaterana sy ny tranom-panjakana, raha toa ka ampiasaina hampielezan-kevitra amin’ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka izany.
Dans notre émission Santénakà d’aujourd’hui, nous allons parler de la maladie sexuellement transmissible ou MST. Nombreuses sont les raisons de la contamination comme avoir des relations sexuelles non protégées avec plusieurs partenaires. Elle se transmet également par l’utilisation d’instruments pas bien désinfectés. C’est l’une des maladies que tout le monde considère comme honteuse. Alors, il existe plusieurs établissements pour faire un dépistage comme les CSB2. Il y a aussi le dispensaire Sisal. Un jeune se témoigne pourquoi il a décidé de faire un dépistage. Dans la deuxième partie, Dr Ravoavison Noël nous renseigne sur cette maladie sexuellement transmissible chez les femmes enceintes. Qu’est-ce qu’elles devront faire ? Où devront-elles aller ?
Hiresaka ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo indray isika ato amin’ny fandaharana Santénakà eto amin’ny Studio Sifaka. Betsaka ny antony azahoana ity aretina ity toy ny oe fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaharo amin’ny olona samihafa na miovaova. Mety hifindra amin’ny alalan’ny fotoavana tsy voadio tsara ihany ko aizy io. Mahamenatra ny olona na ny tanora izany oe aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo izany. Anisan’ny toerana afaka anaovana fitiliana ny eny amin’ny CSB2, eo ihany koa ny dispensaire Sisal. Araho ary ny fijoroana vavolombelona ataona tanora iray. Manazava ny mpitsabo iray mahakasika ity aretina ity Dr Rabehony Christian. Dr Ravoavison Noël kosa indray no hitafatafa amintsika ny momban’io aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo io eo amin’ny vehivavy bevohoka. Inona no tokony ataony ary aiza ny toerana tokony hanatonany ?
Nous allons parler de la fistule dans la première partie de notre émission Santénakà d’aujourd’hui. C’est une maladie due à la formation d’un trou entre le vagin et la vessie engendrant l’incontinence urinaire. Les femmes venant d’accoucher sont les plus touchées par cette maladie. Dans la deuxième partie, le Professeur Raherisoa Aristide Romain, spécialiste de la chirurgie pédiatrique, nous donne plus d’informations concernant la maladie de la hernie.
Hiresaka momban’ny fistule na ny aretina mamany lava isika ato amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana Santénakà anio. Izy io dia lavaka miforona eo anelanelan’ny fivaviana sy ny tanon’amany, any ka lasa mande hoazy fotsiny ny amaniny. Ny vehivavy avy niteraka matetika no tratran’izy ity. Ato amin’ny tapany faharoa indray isika dia hiresaka ny aretina hernie. Professeur Raherisoa Aristide Romain, manampahaizana manokana momban’ny fandidiana zaza-kely no ampahafantatra antsika ny mahakasika io aretina io, ato amin’ny tapany faharoa.
En tant que citoyens, les jeunes veulent contribuer à la vie politique de leur pays et aller voter. Toutefois, ils font face à un blocage et sont écartés de cette scène selon quelques jeunes, lors de leur passage dans l’émission « Ndao Hilaoeky ». Les jeunes ne sont pas assez valorisés dans les affaires sociales, disent-ils. Cela est palpable au niveau des fokontany. Pourtant, pendant les périodes électorales, certains politiciens ou partis politiques n’hésitent pas à les exploiter. « Il est temps que les jeunes revendiquent leur place dans la vie politique. Ils ne peuvent plus restés spectateurs de leur propre développement » avance Tsimihipa Andriamazavarivo, de l’ONG Tolotsoa. « De plus en plus d’ONG et d’OSC forment des jeunes pour qu’ils s’intègrent mieux à leur parcours politique et portent la parole des jeunes » ajoute Seta Dera de Liberty 32.
Parallèlement, les jeunes ne veulent pas s’impliquer car ils ne savent rien de la vie politique. Il faut les instruire depuis l’école et au sein d’associations, suggère Ranomenjanahary Avotiana, citoyenne. C’est pourquoi, Mme Lalasoa, responsable d’un Fokontany de la capitale, ne manque pas de mobiliser à la porte à porte, chaque famille et chaque jeune de son quartier, à participer d’avantage aux élections.
Mazoto handray anjara amin’ny fiainam-pirenena sy hifidy ny tanora amin’ny maha-olom-pirenena azy, saingy misy ireo sakatsakana izay mampihemotra azy ireo raha ny nambaran’ireo tanora nivahiny tao amin’ny fandaharana Ndao Hilaoeky. Isan’izany ny tsy fanomezana lanja ireo tanora sy ny fanilikilihana atao aminy rehefa misy ireo raharaha eny amin’ny fokontany ohatra. Mahatsiaro ho atao fitaovana kosa anefa izy ireo rehefa tonga ny fotoam-pifidianana. « Tsara raha mampahafantatra ny sadifiny sy mitondra anjara biriky ireo tanora fa tsy hijanona ho mpitazana ny fiainam-pirenena fotsiny » hoy i Tsimihipa Andriamazavarivo, avy ao amin’ny ONG Tolotsoa. « Efa maro ireo fampiofanana omena ireo tanora hirotsaka amin’ny sehatra politika mba hitondran’izy ireo ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana», hoy Seta Dera, tanora mpikambana ao amin’ny Liberty 32.
Betsaka ihany koa anefa ireo tanora kamo noho ny tsy fahalalany ny lanjany eo amin’ny fiainam-pirenena, indrindra mandritra ny fifidianana. Mila tohana sy fampihofanana araka izany izy ireo, raha ny soso-kevitr’i Ranomenjanahary Avotiana, olom-pirenena tanora. Miainga amin’ny fanentanan’ireo tompon’andraiki-pokontany eny ifotony izany hoy kosa ny filoham-pokontany iray eto an-drenivohitra.
Dans la capitale, les auto-écoles ne suffisent plus à combler les besoins de ceux qui veulent conduire une voiture. Plusieurs ont maintenant recours aux services de « conduite accompagnée », un nouveau mode d’apprentissage qui consiste à faire appel à un professionnel de la conduite d’automobile pour l’assister dans un temps voulu et l’aider à devenir un conducteur autonome en un peu de temps. Bien que sa légalité soit encore remise en question, cette activité commence à se multiplier.
Tsy ampy ho an’ny ireo olona te hahafehy ny familiana fiara intsony ankehitriny ireo « auto-écoles » eto Andrenivohitra. Betsaka no mitady vahaolana hafa ka manatona ireny mpampiofana mpitondra fiara na ny mpanao « conduite accompagnée » ireny. Miantso ilay mpampiofana fotsiny izay te hianatra ary atrehin’ity farany sy omeny toromarika mandritra ny fotoana hitondran’ilay olona ny fiara. Ny fahafahana misafidy ny fotoana hianarana sy ny faharetany no tena mampiavaka azy amin’ny auto-école. Efa mihabetsaka ny mpanao ity sehatr’asa ity na dia mbola tsy misy filazana mazava ny maha-ara-dalàna na tsia azy aza.
REPORTAGE :
Depuis quelques années, les étudiants de l'Université de Toamasina ont pris l’habitude de mener une opération anti-crapauds venimeux ou « Radakaboka ». Pourquoi ? Parce que ce type de crapaud sévit, surtout pendant la saison de pluies, et nuit aux moyens de subsistance des paysans. Cette espèce importée déséquilibre aussi l’écosystème local en exterminant d’autres espèces. En raison du transport terrestre et maritime, ce fléau risque de se propager dans d'autres régions si l’on ne prend pas des mesures urgentes pour limiter leur multiplication. Ralaimaro Herison, membre du comité de lutte contre le radakaboka à Toamasina, lance l’alerte.
INTERVIEW :
Les récifs coralliens jouent un rôle important dans le milieu marin. Le quart des animaux marins en dépendent. Défendre cette cause est devenu la raison d’être de la Plateforme pour l'environnement et de développement ou PFED depuis 1988. Le coordinateur de la PFED à Nosy Be, Voca Dominique, rappelle qu'il est encore difficile de convaincre les citoyens de changer d’habitude. C’est pourquoi lui et son équipe mènent une campagne de sensibilisation continue auprès des gens de mer, en leur inculquant les gestes écologiques pratiques. L'objectif est de les former à la protection du milieu marin, qui est la base de leur subsistance. Plus de détails à ce sujet dans l'émission #Hiakan_ny_tontolo
DIY : Comment réutiliser le « polystyrène ? C’est Simple : Diluez le polystyrène dans du solvant. Il deviendra fluide et pourra remplacer la colle s’il est appliqué sur des ustensiles légers. Il deviendra dur en séchant. Essayez !
FANADIHADIANA :
Tafiditra ho fahazaran’ireo mpianatra ao amin’ny oniveriten’i Toamasina ny fanaovana hetsika famonoana radakaboka faobe isan-taona. Antony, mirongatra izay tsy izy ity karazana sahona misy poizina ity, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra, ka manimba ny fiharian’ny mponina. Mampitanila ny lamina voajanahary ao an’ala ihany koa izy ireo satria mihinana ny sakafon’ny biby sasany, izay mampihena be ny isan’ireto farany. Noho ireo fifamezivezena an-tanety sy an-tsambo, mety hiparitaka amin’ny faritra hafa ihany koa ireo radakaboka. Mampaneno lakolosy noho izany i Ralaimaro Herison, mpikambana ao amin’ny komitin’ny radakaboka ao Toamasina.
RESADRESAKA :
Manana anjara asa goavana amin’ny tontolo iainana an-dranomasina ireo vatohara na « corail ». Ny ampahefatry ny biby an-dranomasina dia miankina sy mivelona aminy avokoa. Anjara asan’ny vovonana PFED noho izany ny fiarovana sy ny fikarakara azy ireo nanomboka ny taona 1988. Sarotra hoy i Voca Dominique, mpandrindra eo anivon’ny PFED ao Nosy Be, ny mandresy lahatra ireo olona tsy hanimba. Misy ary ny fampianarana ireo mpiandriaka eny ifotony, mandritra ny fotoana maharitra. Tanjona ny hanazarana azy ireo hiaro ny tontolo iainana an-dranomasina, izay fototry ny fivelomany. Mampahafantatra misimisy mahakasika izay izy, ao anatin’ny fandaharana #Hiakan_ny_tontolo
DIY : Fomba famadihana ny « polystyrène » ho azo ampiasaina indray. Tsotra: Aepo amin’ny « dissolvant » ny « polystyrène ». Lasa marihitra. Mahasolo lakaoly izy raha ampiasaina amin’ireo kojakoja maivana ao an-tokantrano. Mafy tsara rehefa maina. Andramo anie e !
REPORTAGE :
Vohimana est une forêt primaire située près d'Andasibe, sur la RN2. C'est un lieu dédié aux chercheurs et aux amoureux de la nature. Il comprend un laboratoire de recherche et des infrastructures touristiques. Depuis des décennies, cette forêt est sujette à un défrichement sauvage et à des exploitations illicites. Depuis 2003, sept associations venant des VOI se sont regroupées au sein de « L'Homme et l'Environnement » pour lutter contre ce fléau. Pour ce faire, cette organisation a fait en sorte de donner des emplois décents issus du tourisme local et de l’artisanat à ses membres. Aujourd’hui, ils demandent à l’état et aux acteurs du tourisme de s’investir d’avantage chez eux, confirme Lekamisy Justin, guide touristique.
INTERVIEW :
La détérioration des récifs coralliens de l'île aux pruneaux (Toamasina) s'accélère. Selon les explications du coordinateur de la région de l’ONG "Tany Ifandovana", Dauphin Mara, les humains et les catastrophes naturelles sont les premières causes de cette dégradation. Depuis 2019, l'ONG plante et réhabilite pas moins de 10 espèces locales des coraux. Plusieurs techniques sont utilisées, et les résultats sont palpables en 1 mois. Plus de 30% des coraux sont aujourd’hui réhabilités.
DIY : Comment fabriquer un arroseur automatique ? C’est Simple : percez le couvercle d’une bouteille plastique. Coupez la base de la bouteille. Coupez un tissu aussi fin qu'un lacet et glissez-le dans le couvercle. Couvrez la bouteille et renversez-le. Remplir d'eau. Puis l'eau s'infiltrera lentement dans le sol. Parfait pour le jardin.
FANADIHADIANA :
Tandavan’ala iray, akaikin’Andasibe, no misy an’i Vohimana. Toerana natokana ho an’ireo mpikaroka sy mpitia zava-boahary izy io. Ahitana fotodrafitrasa momba ny fikarohana sy toeram-pizahantany. Atahorana ho simba anefa io ala io amin’izao satria maro ireo fitrandrahana miompampana. Fikambanana 7 avy amin’izy vondron’olona ifotony no nivondrona tao anivon’ny « l’Homme et l’Environnement » nanomboka ny taona 2003 mba hiaro sy hanara-maso azy. Atsaraina amin’ny alalan’ny fizahantany sy asa-tanana ny fari-piainan’ireo tantsaha ao an-toerana. Mangataka anefa izy ireo ny mba hanatsara ity sehatra ity amin’ny lafiny maro, raha ny fanazavan’i Lekamisy Justin, mpisera dia.
RESADRESAKA :
Mihafaingana ny fahasimban’ireo vatohara na corail ao amin’ny île aux prunes ao Toamasina. Ny olombelona sy ireo loza voajanahary no antony voalohan’ny fahasimbana. Anoherana izany, namboly vatohara ao an-toerana ny fikambanana « Tany Ifandovana » nanomboka ny taona 2019. Teknika maro no ampiasaina amin’izany, izay ahitam-bokany ao anatin’ny 1 volana monja. Manodidina ny 30% no efa voaarina amin’izao raha ny fanazavan’ny mpandrindra ao amin’ny fikambanana « Tany Ifandovana » faritra Atsinanana, Dauphin Mara.
DIY : Fanamboarana fanondraham-boninkazo tsy ilàna olona. Tsotra : lavahana ny saronà tavoahangy plastika efa niasa. Tapahina ny vodiny. Hetezana manify toy ny tadin-kiraro ny lamba ary atsofoka amin’ny sarony. Fatorana mba tsy hitsaoka. Saromana ny tavoahangy ary aohaka haka toerana. Fenoina rano. Mitsiaka moramora ao amin’ny tany ilay rano avy eo. Mety ho an’ny zaridaina.
Le stéréotype social comme quoi l’éducation est faite seulement pour les garçons est l’un des blocages pour la scolarisation des filles. De plus, Il n’y a pas assez d’infrastructure dans les milieux ruraux et l’insécurité décourage les parents à envoyer leurs filles étudier dans des grandes villes. La sensibilisation des parents et les jeunes filles sur l’importance de l’éducation, la mise en place des infrastructures adaptées aux jeunes filles sont des solutions proposées par Tiavina, une mère de famille, Razafindrasoa Velohanta, directrice de l’Akany Avoko et Malala, Directrice d’une EPP à Mananjary.
Isan’ny manakana ny fampianarana ny ankizivavy hatrany amin’ny ambaratonga ambony ny fomba amam-piheverana fa ny lehilahy no hatao hamelona tokatrano any aoriana. Eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa manakaiky ny raiamandreny. Tsy mandry fahalemana anefa ny tanan-dehibe ka tsy maha tokatrano ny ankizivavy. Ny fampahafantarana ny fiarahamonina ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fananganana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka dia isan’ireo vahaolana naroson’i Tiavina renimpianakaviana, Razafindrasoa Velohanta, talen’ny akany Avoko ary Malala, talen’ny EPP any Mananjary.
Le réseau d’honnêteté et d’Intégrité est une plateforme des jeunes dans des lycées, universités et diverses associations. Un espace pour s’éduquer et s’échanger sur la lutte contre la corruption et le rôle des jeunes dans celle-ci. Ramalanjaona Marco, fondateur et président du RHI à Antananarivo donne plus d’explication.
Ny tambazotran’ny tanora mandala ny Rariny sy Fahitsiana dia vovonana iray azon’ny tanora hidirana eny amin’ny lisea, oniversite na fikambana izay misy izany. Afaka miditra mivantana koa anefa. Fifanabeazana sy fifanentanana amin’ny ady amin’ny kolikoly no atao ao. Manazava momba io tambazotra io ny namorona sady filohany eto Antananarivo, Ramalanjaona Marco.