COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Larissa possède une épicerie depuis 10 ans. Elle entreprend cette activité avec son mari. Ils vivent des hauts et des bas mais arrivent quand même à lier les deux bouts. Pour formaliser ce genre d’entreprise, il faut posséder une carte fiscale et un numéro statistique, explique Maholitiana Andriamanantenasoa, chef de service « Système d’information » au Centre de Commerce et de l’Industrie d’Antananarivo. Mais pour la création d’entreprise, il faut s’adresser au centre fiscal du siège de l’entreprise si c’est une entreprise individuelle et à l’Economic Development Board of Madagascar (EDBM) si c’est une société.

Manana fivarotana enta-madinika i Larissa efa ho 10 taona izay. Ity no asa fiveloman’izy mivady. Maro ireo sedra iainan’izy ireo fa maharaka ihany noho ny fikirizana. Mba ho fanarahan-dalana ny karazana orinasa toy ny an-dry Larissa ity izao dia tsy maintsy manana taratasin-ketra sy ny statistika araka ny fanazavan’i Andriamanantenasoa Maholitiana, talehan’ny sampandraharaha “Système d’information” eo anivon’ny antenimieran’ny varotra Antananarivo.

La maison des jeunes à Mahajanga donne des formations à la demande des associations de jeunes. Une formation sur le montage de projet et la recherche de financement est la plus demandée. Les jeunes sont surtout poussés à s’investir dans le domaine de l’agriculture et l’élevage, le transport, la pèche, et le manufacture des produits locaux spécifiques pour Mahajanga, d’après le responsable de la maison des jeunes à Mahajanga Ramampiandra Maminirina.

Misy tranoben’ny tanora ao Mahajanga. Manome fiofanana ireo fikambanana tanora araka ny fangatahany ny tranoben’ny tanora. Matetika dia ny fananganana tetik’asa sy ny fitadiavana famatsiam-bola no angatahan’ireo tanora fampiofanana. Ny sehatr’asa momba ny fiompiana sy ny fambolena, ny fitaterana, ny jono ary ny fanodinana ireo vokatra mampiavaka an’i Mahajanga no tena amporisihana ireo tanora, araka ny fanazavan’i Ramampiandra Maminirina, tompon’andraikitry ny tranoben’ny tanora ao Mahajanga.

lundi, 19 juin 2023 14:20

Code de la nationalité

Le code de la nationalité malgache est régi par la loi n° 61-036 du 24 août 1961 relative à la nationalité malgache. Ce Code régit les règles relatives à l'acquisition, à la perte et à la conservation de la nationalité à Madagascar. On ne peut acquérir la nationalité malgache que par le sang. On ne peut pas l’acquérir par le fait d’être nait à Madagascar.  Depuis 2016, des modifications ont été apportées dans ce code de la nationalité malgache. Il s’agit entre autre la faculté pour la femme malagasy de transmettre sa nationalité à ses enfants de la même façon qu’un homme malagasy et ce quelle que ce soit sa situation matrimoniale afin de respecter le principe d’égalité entre l’homme et la femme ; et aussi l’acquisition de l’enfant issu du père ou de la mère de la nationalité malagasy, quel que soit son statut d’enfant légitime ou né hors mariage afin de préserver le droit à la nationalité de tout enfant. Les détails avec le Juriste, RALAMBOMAHAY Toavina

Ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy dia fehezin’ny lalàna laharana 61-036 tamin’ny 24 aogositra 1961. Ity Fehezan-dalàna ity dia mifehy ny fitsipika mikasika ny fahazoana, ny fahaverezana ary ny fihazonana ny zom-pirenena eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny rà ihany no ahazoana ny zom-pirenena malagasy. Tsy ho azo amin’ny alalan’ny fahaterehana eto Madagasikara izany. Nanomboka tamin’ny taona 2016 no nisy ny fanovana ity fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy ity. Tafiditra ao anatin’izany, ny fahafahan’ny vehivavy malagasy mampita ny zom-pireneny amin’ny zanany tahaka ny lehilahy malagasy, na inona na inona sata ara-panambadiany, mba hanajana ny foto-kevitry ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ; ary koa ny fahazoan’ny zaza na avy amin’ny rainy na ny reny mizaka ny zom-pirenena Malagasy, na inona na inona sata maha-zanaka ara-dalàna azy na teraka ivelan’ny fanambadiana mba hitandrovana ny zon’ny zaza iray. Ny antsipiriany miaraka amin’ny mpahay lalàna, RALAMBOMAHAY Toavina.

La paralysie faciale peut être classée en deux catégories : la paralysie faciale périphérique et la paralysie faciale centrale. La paralysie faciale périphérique, également connue sous le nom de paralysie de Bell, est le type le plus courant. Elle est généralement causée par une inflammation ou une compression du nerf facial, qui est responsable des mouvements des muscles du visage. Les symptômes comprennent une faiblesse ou une paralysie soudaine d'un côté du visage, une incapacité à fermer l'œil ou à sourire, une difficulté à manger ou à parler, ainsi qu'une sensibilité accrue aux bruits forts du côté affecté. La paralysie faciale centrale, en revanche, est causée par une lésion ou un dysfonctionnement au niveau du système nerveux central, plus précisément dans le cerveau. Elle est souvent associée à des accidents vasculaires cérébraux (AVC) ou à d'autres conditions affectant les voies nerveuses qui contrôlent les mouvements du visage. Dans ce cas, les symptômes de la paralysie faciale peuvent être différents de ceux de la paralysie faciale périphérique. La paralysie faciale centrale affecte généralement uniquement la moitié inférieure du visage, tandis que la moitié supérieure reste mobile. Les mouvements des muscles du front et des yeux sont généralement préservés dans la paralysie faciale centrale.

Tsy fihetsehan’ny hozatra eo amin’ny tava : ny fitrangany sy ireo antony mahatonga izany.

Ny tsy fihetsehan’ny hozatra eto amin’ny tava dia sokajiana ho misy karazany roa lehibe : ny tsy fihetsehan’ny hozatra amin’ny sisin’ny tava sy ny tsy fihetsehan’ny ozatra afovoan’ny tava. Ny tsy fihetsehan’ny hozatra amin’ny sisin’ny tava, fantatra amin'ny anarana hoe paralysie de bell no karazany matetika mpahazo ny maro. Matetika izy io dia vokatry ny olan’ny retsoka na nerfs eo amin’ny tarehy, izay tompon'andraikitra amin'ny fihetsehan'ny hozatry ny tarehy. Ny soritr'aretina dia ny fahalemena tampoka na ny paralysis amin'ny ilany iray amin'ny tarehy, ny tsy fahafahana manakimpy ny masonao na ny mitsiky, ny fahasarotana amin'ny fihinanana. Ny tsy fihetsehan’ny ozatra amin'ny tarehy afovoany kosa dia vokatry ny fahasimbana na tsy fahatomombanana ao amin'ny rafi-pitatitra foibe, indrindra ny atidoha. Matetika izy io dia mifandray amin'ny toe-javatra hafa izay misy fiantraikany amin'ny ritsoka izay mifehy ny fihetsiky ny tarehy. Mazàna ny tapany ambany amin'ny tarehy ihany no tsy mihetsika ho an’ny tsy fihetsehan’ny ozatry ny tarehy afovoany.

  • Région Sud Est : les femmes implantent des sisals sur 122 hectares pour fixer les dunes à Tanandava
  • Région Menabe : le district de Miandrivazo prêt pour l’examen du CEPE demain
  • Région Vatovavy : la population réclame l’approvisionnement en eau potable

  • Faritra Atsimo Atsinanana : namboly lalanda iarovana ny voly amin’ny fasika ireo vehivavy ao Tanambao
  • Faritra Menabe : efa vonona amin’ny fanadinana CEPE ny ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo
  • Faritra Vatovavy : mitaraina amin’ny fahalotoan’ny rano sotroiny ireo mponina
lundi, 19 juin 2023 13:19

Le Journal du 19 Juin 2023

  • Rova de Madagasikara : un musée regorgeant d’histoire
  • Quid de l’obtention de la nationalité étrangère
  • Processus électoral : de nouveaux moyens déployés pour impliquer d’avantage les citoyens
  • Violences sexuelles : 3 enfants sur 10 victimes dans les pays en conflits en Afrique Subsaharienne

  • Rovan’i Madagasikaran : Mozea mirakitra ny tantaran’i Madagasikara
  • Ahoana ny fomba ahazoana zom-pirenena vahiny ?
  • Manana fitaovana vaovao ahafahany mandray anjara amin’ny fifidianana ireo olom-pirenena
  • Herisetra ara-pananahana : ankizy 3 amin'ny 10 no iharany aty amin'ny firenena afrikanina misy disadisa

Le 2 juin 2023 a été lancée officiellement la levée de drapeau dans tout le territoire malgache, à l’occasion de la fête de l’indépendance. L’on a constaté que peu de citadins hissent le drapeau national alors que dans les campagnes, les maisons sont ornées des couleurs malgaches. Selon nos invités, Ny Aina Rahagalala et Tsimihipa, jeunes citoyens, ceux qui ne hissent pas les drapeaux ont peut-être des messages à transmette. Néanmoins, pour ce cas, il faut d’abord voir les intentions des citoyens à lever le drapeau ou non. Toujours selon eux, la levée est une pratique qui n’est pas seulement faite à l’occasion de la fête de l’indépendance mais à d’autres évènements nationaux comme le retournement de morts, la circoncision ou même à des victoires comme celui des Barea de Madagascar, l’équipe de foot national.

Ny 2 jona 2023 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fananganan-tsaina ho fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Tsikaritra fa maro ireo olona an-tanan-dehibe no tsy manao izay fananganan-tsaina izay nefa tsikaritra fa maro kosa ireo manao izany any amin’ny faritra ambanivohitra. Araka ny fanehoan-kevitry ny vahinin’ny fandaharana Ndao Hilaoeky, Rahagalala Ny Aina sy i Tsimihipa, tanora olom-pirenena, mety misy hafatra tian’ireo tsy manangan-tsaina hampitaina. Nefa mila jerena ihany ny manosika ireo olom-pirenena hanangana na tsia izay sainam-pirenena izay. Fomba ny fananganan-tsaina, ary tsy voatery rehefa fetin’ny fahaleovan-tena ihany no manao izany hoy hatrany izy ireo. Azo atao ny manangan-tsaina rehefa misy famadihana, didim-poitra na rehefa misy mahafaly ny mpiray tanindrazana toy ny tamin’ny fandresen’ny Barea Madagasiakara, ekipam-pirenena Malagasy.

lundi, 19 juin 2023 11:27

Sifflet du 18 Juin 2023

  • Coupe Davis Groupe 2023 : l’équipe nationale malgache a rejoint Kinshasa
  • Pétanque : la FSBM confirme que Madagascar peut enfin participer aux épreuves internationales
  • Athlétisme : les 45 athlètes formés en Chine, bien placés pour défendre le drapeau national
  • Kick Boxing malgache : On a remporté 5 médailles d’or

  • Lalao Davis Groupe 2023  : niazo an’i Kinshasa, renivohitry ny RDC ny ekipam-pirenena malagasy
  • Lalao tsipy kanetibe : efa afaka misehatra amin’ny lalao iraisam-pirenena ny malagasy hoy ny federasiona
  • Judo - Lalaon’ny nosy : nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fampivondronana
  • Atletisma : tsara toerana hiaro ny voninahi-pirenena ireo atleta 45 niofana tany Sina
  • Kick Boxing malagasy : nahazo medaly volamena dimy indray isika
  • Région Vatovavy : 350 enfants ont été circoncis à l’hôpital de Mananjary
  • Région Fitovinany : les paysans ont bénéficié des machines traditionnelles à café
  • Région Sud-ouest : une école construite à Ankindrionake pour préserver la culture Mikea

  • Faritra Vatovavy : zaza miisa 350 vita fora tao amin’ny hopitaly be Mananjary
  • Faritra Fitovinany : nahazo milina fanodinana kafe ireo tantsaha
  • Faritra Atsimo Andrefana : tafapetraka ao Ankindranoke ny sekoly hitandroana ny kolotsaina Mikea sy ny zava-boary ao

Les agriculteurs et éleveurs s’éloignent progressivement de la production traditionnelle et essaient de se regrouper dans une coopérative pour en tirer profit. Ils tirent beaucoup d'avantages de leur adhésion à une coopérative. 132 coopératives ont été créées dans la région du Bongolava en 2020 et 2021, et 50 en 2022. Ils ne s’arrêtent pas là mais la plupart d’entre eux ont tous des emplois complémentaires comme la conduite des cyclo-pousses dans la région Tsiroanomandidy.

Efa miala tsikelikely amin’ny famokarana nentim-paharazana ny mponina amin’izao fotoana izao ary miezaka mivondrona ao anatin’ny koperativa mba ahazahoan’izy ireo tombotsoa manokana. Maro ny tombotsoa azon’ireo mpamboly sy mpiompy rehefa mivondrona anatin’ny koperativa iray izy ireo. Nahatsangana koperativa 132 ny tany amin’ny faritra Bongolava tamin’ny taona 2020 sy 2021 ary tamin’ny taona 2022 kosa dia nahatsangana 50 isa. Na izany aza anefa dia tsy mijanona amin’izay ihany ireo tantsaha fa manana vadin’asa avokoa ny akamaroan’izy ireo. Ohatra amin’izany ny fitondrana cyclo-pousse, efa manodidina ny telo arivo eo ny isan’ny cyclopousse raha ny eto tsiroanomandidy manokana.

vendredi, 16 juin 2023 13:40

Le Journal des régions du 16 Juin 2023

  • Nosy be : Des responsables du Ministère de la population ont fait une descente dans la carrière Dar Es Alam
  • Région Bongolava : Une journée pour des soins et consultations pendant la caravane médicale à Tsiroanomandidy
  • Région Vatovavy : Nettoyage et réhabilitation de 55 puits à Mananjary la semaine prochaine

  • Nosy be: nanatanteraka fanadihadihana teny amin’ny carrière famakiana vato ny DAR-ES-SALAM ao ny avy ao amin’ny sampan-draharaha ny Ministeran’ny mponina ao an-toerana.
  • Faritra Bongolava: Tanterahana androany zoma 16 jona ny rodorodon’ny fahasalamana ao Tsiroanomandidy. 
  • Faritra Vatovavy Vovondrano miisa 55 ho diovina ao Mananjary
vendredi, 16 juin 2023 13:32

Le Journal du 16 Juin 2023

  • L’indemnité des chefs fokontany : désormais payé par mobil banking
  • Inclusion des enfants en situation de handicap : de plus en plus d’écoles l’appliquent
  • Jeunesse africaine : les Etats-Unis investissent 16,2 milliards de dollars pour la promotion des compétences numériques
  • Discours de haine pendant la période électorale : il faut se baser seulement sur les faits afin d’éviter les tensions

  • Amin’ny alalan’ny finday no handraisan’ireo lehiben’ny fokontany ny tambin-karamany manomboka izao
  • Faritra Fitovinany : nihena ny halatra lavanily
  • Tanora afrikana : hamatsy vola mitentina 16,2 miliara dolara ho an’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manao ara-nomerika ny Etazonia
  • Kabary fankahalana mandritra ny fampielezan-kevitra : ireo tranga misy ihany no tokony ho lazaina mba isorohana ny disadisa

Le bureau électoral est le comité chargé du bon déroulement du scrutin. Il est composé de 5 membres dont le président du bureau, du vice-président, de deux assesseurs, et du secrétaire. La loi dit qu’ils ne peuvent pas avoir de couleur politique ou de penchant pour un candidat. Ce sont généralement des bénévoles résidant dans la localité du vote, et validés par la Commission Électorale de leur District (CED). Le jour du scrutin, ils peuvent être assistés par les délégués des candidats, les membres de la société civile et des forces de l’ordre si besoin, pour assurer la transparence du vote et de la sécurité des lieux.

Il ne faut pas confondre « bureau de vote », le lieu, et « bureau électoral », le comité d’organisation du vote.

Inona no atao hoe vaomieran’ny fifidianana na « Bureau électoral » ?

Ny komitin’ny fifidianana dia ireo mpikambana miandraikitra ny fampandehanan-draharaha mandritra ny fifidianana. Ahitana mpikambana 5 ao anatiny, toy ny filohan’ny birao, ny filoha lefitra, mpanampy roa ary sekretera iray. Araky ny lalàna, tsy tokony manana loko na fironana politika izy ireo. Mpirotsaka an-tsitrapo monina ao amin'ny toerana hanaovana ny latsa-bato izy ireo amin’ny ankapobeny, ary nankatoavin’ny Vaomieram-pifidianana ao amin'ny Distrika misy azy ireo (CED). Amin’ny andron’ny latsa-bato, afaka manotrona azy ireo ny solontena avy amin’ny kandidà, ireo mpikambana ao amin’ny firaisamonim-pirenena ary ny mpitandro ny filaminana raha ilaina, mba hisian’ny mangarahara sy ho fiarovana ny toerana.

Tsy tokony afangaro anefa ny hoe « Bureau de vote », izay toerana fanaovana latsa-bato, sy ny hoe « Bureau électoral », na komity mikarakara ny latsa-bato.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter