Les lasers ayant une puissance de luminosité supérieure à 5mw pourrait entrainer des lésions oculaires, indique l’Ophtamo-pédiatrique, Rakotoarisoa Rivo Tahiry. Mais non seulement pour les yeux mais il peut aussi bruler les autres parties du corps.
Mety hiteraka hatramin’ny fahajambana ny fitsilovana maso amin’ny Laser indrindra amin’ireo sokajy maherin’ny 5 milliwatts hoy i Dr Rakotoarisoa Rivo Tahiry, mpitsabo mason’ankizy. Tsy ny maso ihany anefa fa mety handoro ny hoditra ihany koa ireo karazany matanjaka raha ny nambarany.
Dans le cadre de la gestion des risques agricoles, la plateforme PARM a commencé ses actions à Madagascar depuis 2022. L’arachide et le maïs sont les deux filières auxquels il travaille. Il fait en sorte de remettre toutes les informations aux entités concernées pour permettre à ces derniers de transmettre à leur tour, aux paysans.
Hatramin’ny taona 2022 no efa nanomboka ny asan’ny PARM teto Madagasikara, ivontoerana misehatra amin’ny fitantanana ny ambana ho an’ny fambolena. Ny voanjo sy ny katsaka no tena hiseharany. Manome fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra voakasika maro izy ka ireto farany indray no hampita izany amin’ny tantsaha sy ny olona ifotony mba hampaharitra ny vokatra avy amin’ny tetikasa.
Le taux d’exposition des enfants aux écrans s’accroit dans le monde. A Madagascar, plusieurs familles adaptent une manière d’éduquer qui favorise cela. Qu’en est-il des parents qui font usage de ses nouvelles technologies comme alternatif à l’éducation de leurs enfants? Une discussion entre la psychologue Mihanta Ravelonarivo, de l’éducatrice Holimalala Randrianarivelo et la mère de famille Olivia Gérald.
Tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny fampiasan’ny zazakely « écrans » maneran-tany. Fianakaviana maro eto Madagasikara no mampiditra ny fampiasana teknolojia vaovao amin’ny andavanandrom-piainan’ireo zanany ao an-trano. Hatraiza no mety ho fetran’izany amin’ny fanabeazana azy ireo ? Adihevitra nifanaovan’i Ravelonarivo Mihanta, mpahay toetr’olona, i Randrianarivelo Holimalala, mpanabe, ary i Olivia Gérald, renim-pianakaviana.
Des progrès réalisés au cours des six derniers mois dans la mise en œuvre des résultats du sommet des dirigeants Etats-Unis – Afrique à Washington DC le 13 au 15 décembre dernier et de la manière dont ces actions soulignent l’engagement des Etats-Unis envers le continent africain. Des projets de développement ont déjà été réalisés depuis, notamment dans le domaine de la santé et la sécurité alimentaire dans le Sud. Ils ont parlé aussi du programme pour la jeunesse africaine. Le gouvernement américain a augmenté les ressources financières affectées à ce programme jeunesse afin de permettre à plus de jeunes d’y participer. Interview avec Molly Phee, Judd Devermont et Johnnie Carson.
Enim-bolana taorian'ny Fihaonamben'ny Mpitondra fanjakana amerikana sy afrikana natao tany Washington ny 13 hatramin’ny 15 desambra 2022. Efa nisy ny tetikasam-pampandrosoana natao hatramin’izay, indrindra ny lafiny fahasalamana sy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Niresaka momba ny fandaharana ho an’ny tanora afrikana ihany koa anefa izy ireo. Ny governemanta amerikana dia nampitombo ny vola natokana ho an'ity programa ity mba ahafahan'ny tanora mandray anjara bebe kokoa. Resadresaka niarahana tamin’i Molly Phee , Judd Devermont ary Johnnie Carson.
Reportage
Les techniciens malgaches pour la lutte anti acridiennes utilisent encore des produits chimiques. Il existe des produits biologiques mais les couts sont très élevés. Par conséquent, les produits chimiques ont des impacts néfastes sur l’environnement, les animaux, les plantes ainsi les êtres humains.
Interview
Un cas de grêle a été survenu dans certaines régions à Madagascar le 26 mai dernier. Les techniciens au sein de la météo ont déjà prévu ce cas 48h avant. La prévision sera plus précise s’ils sont mieux équipés, indique le technicien, par exemple s’il existe de Radar.
Actus
La production des plastiques ont augmenté jusqu’à 4 pourcents selon le rapport du ministère de l’environnement et du développement durable lors de la journée internationale de l’environnement le 5 juin dernier.
Reportage
Mbola fanafody simika no ampiasaintsika eto Madagasikara hamonoana valala. Misy fa lafo ny fanafody bilolojika hoy ireo teknisianina. Mazava ho azy anefa fa misy voka-dratsiny amin’ny tontolo iainana ny fampiasana izany, amin’ny rano, amin’ny fambolena, amin’ny biby fa ihany koa amin’ny olombelona izany.
Interview
Nisehoana avandra tamina faritra maro teto Madagasikara tamin’ny 26 mey lasa teo. Efa tsinjon’ny teknisianina eo amin’ny famantarana ny toetry ny andro 48 ora mialoha iny tranga iny. Azo atao rahateo izany indrindra raha ampy ny fitaovana ampiasain’izy ireo, indrindra raha manana Radar.
Actus
Nahitana fiakarany hatramin’ny 4 isan-jato ny famokarana plastika teto Madagasikara hoy ny tatitry ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana tamin’ny 5 jona teo.
Il existe quatre secteurs d’activité considérés comme dangereux pour les mineurs : l’exploitation sexuelle, le travail domestique, les travaux salubres dans les milieux ruraux et urbains et les travaux dans les mines. Une politique nationale de l’Etat a été mise en place depuis 2015 pour protéger les droits de ces enfants. Des efforts restent à faire pour les abolir. Rakotoarizafy Noelina Harisetra, doctorant en droit à l’Université d’Antananarivo apporte plus d’explication sur ce sujet.
Asa efatra no sokajiana ho miteradoza ho an’ny ankizy ka tsy tokony hampiasana azy : ny asa miendrika fanararaotana ara-nofo, ny asa an-trano, ny asa manohintohina ny fahasalamany ary ny asa eny anivon’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Mbola hita betsaka izany na efa nisy aza ny politikam-panjakana hiadiana amin’izany napetraka ny taona 2015, izay hazavain’i Rakotoarizafy Noelina Harisetra, mpikaroka eo amin’ny sampana lalà na ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.