COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesLifestyle

Karine Manoa Linda

Karine Manoa Linda

mercredi, 20 janvier 2021 16:49

Le bartender, plus qu’un simple serveur

Le terme « bar » est le plus souvent associé à l’alcool, à un établissement où l’on boit des boissons alcoolisées, ce qui n’est pas totalement faux mais il ne se limite pas seulement à cela. Il y aussi des bars qui se spécialisent dans d’autres services, comme les bars à salades ou encore à jus, les candy-bar et toute sorte de bars qui n’ont rien à voir avec l’alcool. Les malgaches commencent à adopter petit à petit ce style de bars spécialisés. En effet le terme bar peut faire allusion à un établissement, mais il désigne surtout le meuble qui sépare le client du serveur, autrement dit le comptoir. Le terme bartender ou barman est lui aussi mal compris. Pour la plupart, le barman, c’est la personne qui sert les boissons, mais en réalité elle fait bien plus que cela. Bar et bartender, on en parle dans KSK avec K-Mëc bartender.


Raha vao miteny hoe « bar » matetika dia toeram-pisotroan-toaka avy hatrany no tonga ao an-tsaina. Marina izany kanefa tsy midika ho toeram-pisotrohana na toeram-pirevena ihany akory no atao « bar ». Ilay latabatra mampisaraka ny olona mpikarakara sy ilay mpanjifa dia antsoina hoe bar ihany koa, izany hoe ilay fanaka. Ankoatra izay dia efa misy ihany koa ireo karazana bar hafa eto amintsika, toy ny bar à salades izay manolotra anao karazana salades maro isankarazany, ny bar à jus, ny bar à huitres sy ny maro hafa ihany koa. Lasa toerana manokana azo anjifana ireo vokatra izay atolotra ilay toerana ihany koa ny bar. Ny hoe « Bartender » na « barman » ihany koa dia heverina fa ilay mpandroso zava-pisotro any amin’ireny bar ireny. Marina fa tafiditra ao anatin’ny asan’izany saingy tsy izay ihany anefa. Ho resahantsika ny mahakasika izay « bar » sy « bartender »  izay ato anatin’ny Ketrika sy Kandra miaraka amin’ny K-Mëc Bartender.

mercredi, 20 janvier 2021 16:45

Ilay fito

Ilay Fito, fomba fiteny rehefa fahavaratra ny andro ka entina hilazana orana, tsy voatery mijojojo na mivatravatra na malefaka fa orana misesisesy ao anatin’ny fito andro hoy i Rasamoelina Jean Maurice, mpikabary. Nanampy ary ity farany fa mbola tsy nanana famantarana akory ny ntaolo fahiny dia efa fantatr’izy ireo hoe ilay fito ny andro noho izay toetrandro avy orana tsy ahitana masoandro mibaliaka izay, mandritry ny fito andro.


Ilay fito est une expression utilisée pour désigner la pluviométrie épaisse, suite à une semaine de pluies incessantes, mais qui n’est pas nécessairement une succession d’averses, comme l’explique l’orateur Jean Maurice Rasamoelina. Ce dernier d’affirmer que les ancêtres des malgaches – les Ntaolo, n'avaient pas encore de prévision météorologique très pointue, mais pouvaient facilement identifier la saison dite « ilay fito ».

mercredi, 20 janvier 2021 16:38

La nomination de sénateurs

Après les sénatoriales au cours desquelles les grands électeurs ont choisi les deux tiers des sénateurs malgaches, est venu le tour du Président de la République de nommer le tiers restant des membres de la chambre haute. Il s’agit d’un pouvoir qui lui est attribué par la constitution elle-même. Ce privilège lui est accordé car en tant que personnalité élue, il fait théoriquement  partie des grands électeurs. Ceci dit, la loi ne lui permet pas de choisir comme bon lui semble. Il y a des critères à respecter.


Taorian’ny fifidianana loholona dia nanendry ireo ampahatelon’ny loholona anjarany ny filoham-pirenana. Fahefana izay omen’ny lalam-panorenana azy moa izany. Ny antony dia noho izy olom-boafidy ihany koa ka manan-jo hisafidy ny loholona tiany hiara hiasa aminy toy ireo mpifidy vaventy hafa. Tsy malalaka be anefa ny safidiny satria misy fepetra tsy maintsy fenoina amin’ireo olona hotendreny araka ny lalàna.

 

Aujourd'hui, les scientifiques disent n'avoir aucune raison de penser que les vaccins mis sur le marché depuis décembre 2020 ne sont pas efficaces contre tous les variants de la COVID-19 existants. Cette théorie pourrait bien évidement évoluer, si de nouveaux variants apparaissaient. Si c'est le cas, les laboratoires devraient alors probablement adapter les vaccins. C'est donc une histoire à suivre...


Ireo vaksiny rehetra miady amin’ny coronavirus hitan’ny manam-pahaizana ve mandaitra amin’ireo karazan’endrik’aretina vaovao misy ?

 

Ankehitriny, tsy misy antony hieritreretana hoe tsy mandaitra amin’ireo karazana COVID-19 ny vaksiny nahazo alalana hamidy. Mety hivoatra anefa izany lalan-tsaina izany raha misy karazana coronavirus mipoitra indray. Raha izany no miseho, mila mampifandraika amin’izay mipoitra eo ireo mpikaroka. Mbola hitohy…

mercredi, 20 janvier 2021 16:21

Revue de presse du 20 janvier 2021

- Un 4*4 emporté par une rivière sur le pont de Namakia Nord
- Razafimahefa Herimanana élu président du Sénat
- Le Ministère de la santé et le préfet d’Antananarivo misent sur le renforcement du contrôle des mesures sanitaire



- Fiara tsy mataho-dalana iray lasan’ny ranotrambo teo amin’ny tetezan’i Namakia Avaratra, omaly, 19 janoary
- Lany ho filohan’ny Antenimierandoholona, omaly 19 janoary, i Razafimahefa Herimanana
- Nanamafy ny fanarahamaso ireo fepetra ara-pahasalamana ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy prefekitoran’Antananarivo

mercredi, 20 janvier 2021 16:08

Journal des régions du 20 janvier 2021

- SAVA : le prix de la vanille a chuté
- Mahajanga : les enseignants des EPP re-sensibilisent les élèves sur le respect des mesures sanitaires
- Toamasina : 8 faux-monnayeurs arrêtés
- Avaratra Atsinanana : la tempête tropicale Eloise se dirige vers la région Sofia


- SAVA : nidina ny vidin’ny lavanila maina any amin’ny faritra SAVA
- Mahajanga : miverina mampianatra sy manentana ireo mpianatra ny EPP amin’ny fepetra ara-pahasalamana ireo mpampianatra
- Toamasina : mpanao vola sandoka valo no voasambotry ny zandary
- Avaratra Atsinanana: hanohy ny diany any amin’ny faritra Sofia sy Boeny ilay rivodoza Eloise

mercredi, 20 janvier 2021 13:29

Sifflet du 20 décembre 2021

  • CHAN 2021 : premier match arbitré par Andofetra Rakotojaona
  • Basket N1A : Ascut Atsinanana, GNBC, Sebam et Cospn se retrouveront au quart de finale
  • Twirling : une discipline qui mélange danse sportive, gymnastique et maniement de bâtons

  • CHAN 2021 : lalao voalohany notsarain’i Rakotojaona Andofetra
  • Basket N1A : hiakatra ampahefa-dalana ny Ascut Atsinanana, ny GNBC, ny Sebam ary ny Cospn
  • Twirling : fifangaroana dihy, gymnastique, ary filalaovana ireny hazo voatokana ireny amin’ny fomba kanto

Manamboatra taratasy ao amin’ny biraom-pokontany I Solofo. Mbola sahirana anefa izy handoa ireo adidy isan-taona atao ao amin’ny fokontany. Adidy tsy maintsy atao ho fampandehan-draharaha izany hoy I Besoa. Etsy an-daniny, milaza I Valitera fa hisy fiofanana ho an’ny mpamboly sy mpiompy ao Andranofady ho valin’ny hetaheta tamin’ny fakan-kevitra.


Solofo effectue des démarches administratives auprès du fokontany. Besoa lui informe qu’il devrait d’abord régler ses contributions annuelles pour avoir ces papiers. D’un autre côté, Valitera parle de formation pour les fermiers et agriculteurs d’Andranofody suite à l’enquête effectuée au village

mercredi, 20 janvier 2021 09:22

Sifflet du 13 janvier 2021

  • Baolina kitra : misokatra ho an’ireo klioba rehetra any amin’ny faritra Atsinanana ny tournoi des jeunes Atsinanana
  • Rugby : nahazo vatsim-pianarana avy amin’i World Rugby i Ando Herimahefa, mpitsara vehivavy Malagasy
  • Tsipy kanetibe : vita ny 12 janoary ny fifaninana doublette Elite nokarakarain’ireo efa matihanina tetsy Ambohidahy

 


  • La ligue Atsinanana organise un tournoi pour les clubs et les écoles de foot U14 et U15
  • Ando Herimahefa, l’ambassadrice de rugby féminin à Madagascar a obtenu une bourse du WorldRugby
  • Pétanque : victoire de l’équipe de Cobra et Balôtty lors de la compétition pour la préparation des tournois de pétanque pour 2021 au boulodrome BCA Ambohidahy

Facebook est omniprésent dans le quotidien des jeunes malgaches d’aujourd’hui et bon nombre d’entre eux se servent de ces réseaux sociaux comme outils de communication pour trouver du travail et approcher des recruteurs. En effet, c’est possible et certains employeurs le cautionnent, mais un minimum de méthodologie et de stratégie est  tout de même nécessaire. L’authenticité de votre profil, la manière de communiquer avec autrui, à savoir la formulation des phrases, la manière d’écrire, chacun de ces éléments peut être un atout ou un point en moins pour les jeunes à la recherche d’emploi sur Facebook. Jean Luc Ramamonjiarisoa, président du FMFP ou fonds Malgache de formation professionnelle – enseignant, et Tiasoa Samantha, CEO ny Book News Madagascar – formatrice, nos invités du jour font le point sur le nettoyage du profil avant d’entamer une démarche professionnelle. On ne parle pas que de la photo de profil, du nom, mais de tout ce que vous publiez et partagez.  Ces professionnels nous font part de leurs avis sur la question.


Efa saika mampiasa ny tambazotran-tserasera Facebook avokoa ny tanora malagasy. Misy mihitsy ary ireo izay mitady sy mangataka asa amin’ny alalan’io fitaovampifandrasaina io. Azo atao tsara ny mampiasa azy io raha ny araka ny hevitry Jean Luc Ramamonjiarisoa, talen’ny FMFP na ny Fonds Malgaches de formation professionnelle – mampianatra sy Tiasoa Samantha, CEO ny Book News Madagascar- mpampianatra, fa amin’ny fomba matianina. Ny fomba fanoratra, ny teny nosafidiana ampiasaina, fa indrindra ny profil anao dia samy singa entina andrefesana ny maha matihanina anao avokoa.  Notsindrian’ireto vahinintsika ireto ny fanadiovana ny profil anao raha hiditra amin’ny sehatr’asa matihanina. Manazava bebe kokoa ny heviny izy ireo ato anatin’ny Ndao Hilaoeky.

Le complexe industriel de Manatsoa a été créé par Jean Laborde durant son 2ème contrat avec la reine Ranavalona I. Ce complexe est composé du Haut fourneau, du Four à cimentier, des bâtiments où l’on fabrique du savon et du sucre. Les dortoirs des ouvriers s’y trouvent également. Actuellement, les bâtiments sont devenus des établissements scolaires où se trouve le renommé « Lycée Jean Laborde » et le lycée technique de Mantasoa. Selon nos guides locaux, Rabearindranto Maminiriana Ezekia et Rabearindranto Fanomezantsoa Edickel, durant la 1ère république, l’école régionale qui était à la place de ces lycées.

 


Naorin’i Jean Laborde nandritra ny fifanarahana faharoa nataony tamin’ny mpanjaka Ranavalona I ny « complexe industriel » tao Mantasoa. Tao amin’io toerana io no nisy ny Haut fourneau na ny afo mahery, ny toerana fanamboarana savony sy siramamy sy ny toerana maro hafa. Tao ihany koa no nitoeran’ireo mpiasa. Ankehitriny, efa lasa fianarana ireo trano lehibe. Eo amin’ny toerana misy ny complexe industriel io ankehitriny no misy ilay ivotoerana malaza lisea « Jean Laborde », eo ihany koa no misy ny lisea teknika. Araka ny nambaran’ireo mpitaridia, Rabearindranto Maminiriana Ezekia sy Rabearindranto Fanomezantsoa Edickel, dia teo ihany koa no nisy ny école Régionale, talohan’ny nisian’ireto lisea roa ireto.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter