COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Même si la poursuite d’études supérieures n’est pas une condition sine qua non de la réussite financière, cela aide toujours les jeunes à affronter le monde du travail. Ceux qui n’ont pas pu poursuivre leurs études peuvent toujours suivre des formations professionnelles pour acquérir les connaissances et expériences nécessaire pour réussir. Lanto Ratsida - sociologue au sein de l’Observatoire de la jeunesse, Lucky Rajaobelison - Conseiller d’orientation scolaire et professionnel, et Sylviane Ranaivontiavina – sociologue et entrepreneure, discutent des caractères que les jeunes devraient avoir pour réussir financièrement et professionnellement.

Na dia tsy fepetra mamaritra ny fahombiazana ara-bola aza ny fanohizana fianarana ambony, dia isan’ny manampy ny tanora hiatrika ny tontolo ny asa foana izany. Ireo izay tsy afaka nanohy kosa dia afaka manaraka karazana fampiofanana hafa, ahazoany ny traikefa sy ny fahaiza-manao ilainy ahombiazany.  Miresadresaka momba ireo toetoetra mila hananan’ny tanora raha te hahomby ara-bola sy eo amin’ny tontolo ny asa Lanto Ratsida - mpandinika fiarahamonina avy eo amin’ny Observatoire de la jeunesse, sy Rajaobelison Lucky – Conseiller d’orientation scolaire et professionnel, ary Ranaivontiavina Sylviane – Mpandinika fiarahamonina sady mpandraharaha.

Pendant la période de révision annuelle de la liste électorale (RALE) ou en cas de refonte de la liste électorale comme ce fut le cas à Madagascar en 2023, un comité spécial est mis en place au sein des fokontany pour assurer le recensement des électeurs. Ce dernier est appelé Comité Local de Recensement des Electeurs ou CLRE. Seta Dera Rafidison de l’Association Liberty 32 nous explique les modalités de fonctionnement de ce comité.


Mandritra ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy toy ny natao teto Madagasikara ny taona 2023 teo, dia misy komity manokana atsangana isaky ny fokontany hiandraikitra ny fanisana ny mpifidy. Hazavain-dRafidison Seta Dera, avy ao amin’ny fikambanana Liberty 32 amintsika ny mombamomba io rafitra io. 

Run& Bike, un évènement initié par l’association Tao pour stopper le viol sur mineur entame sa quatrième edition à Ambohibe Antananarivo. 

Il s’agit de plusieurs courses à pied et à vélo ouverts à tous à partir de 6ans.  Chaque participant porte des maillots et des tee-shirt où il est ecrit « Stop au viol » et prend ainsi part a la sensibilisation publique de l’assocition Tao.  Ecoutons les explications de Andry Nandrasaana Yvette de l’Association Tao dans l’emlission Question A.

Hetsika iray ataon’ny fikambanana Tao izay hanentanana ho amin’ny fampitsaharana ny fanolanana amin’ireo zaza tsy ampy taona ny Run&Bike andiany fahaefatra izay atao eny Ambohibe Antananarivo.

Dian-tongotra sy fifaninanana bisikleta no atao anatin’izany. Misokatra ho an’ny olona rehetra manomboka enina taona izy io.  Hitondra ambonin’akanjo hahitana soratra “Stop au viol” na hoe hatsaharo ny fanolanana ny mpandray anjara tsirairay avy ka hiditra anatin’ilay fanentanana ho an’ny daholobe izay ataon’ny fikambanana Tao.  Henointsika ny  fanazavan’i Andry Nandrasaana Yvette de avy ao amin’ny fikambanana  Tao ato anatin’ny fandaharana Hono oah.

L’industrialisation figure parmi les 4 grandes axes à prioriser dans la politique générale de l’Etat de cette année. Madagascar possède des matières premières innombrables et de bonne qualité. Les problèmes de l’énergie, le mauvais état des routes et le manque de compétentes techniques sont les princiuax blocages à l’industrialisation rapporte Tiana Rasamimanana, président du syndicat des industries de Madagascar.

Donner beaucoup plus de formations techniques qui répondent aux besoins des sociétés industrielles est parmi la solution qu’a proposée Randriamboavonjy Angelson, sociologue et spécialiste en développement durable.


Isan’ireo tanjona ao anatin’ny politikam-panjakana amin’ity taona ity ny fampiroboroboana ny indostria. Manana akora fototra betsaka sy tsara kalitao isika. Olana sy sakana lehibe tsy ahafahana mametraka betsaka ny olan’ny angovo, ny haratsian’ny lalana ahafahana mampiakatra ny akora fototra ary ny tsy fahavitsian’ny mpiasa manana fahaiza-manao, hoy i Rasamimanana Tiana, filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara.

Vahaolana ahatongavana amin’izany ny fanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny filan’ny indostria ho an’ireo tanora, hoy i Randriamboavonjy Angelson, mpanay fiaraha-monina sy manam-pahaizana momba ny fampandrosoana maharitra.

Les étudiants en philosophie choisissent leur mention spécifique après la troisième année, d’après Herimampita Rarivomanantsoa, Chef du département de la philosophie auprès de l’Université d’Antananarivo. Ils peuvent se lancer dans l’enseignement après la licence. Ou continuer la recherche, travailler en tant qu’expert dans des projets sociaux ou en tant que conseiller d’un politicien.

Misy safidy maromaro azo atao ny fianarana filozofia manomboka eo amin’ny taona fahatelo, araka  ny fanazavan’i Herimampita Rarivomanantsoa, filohan’ny Departemanta Filozofia eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Asa misokatra ho azy ireo ny fampianarana aorian’ny licence. Azo atao koa anefa ny manohy ny fikarohana. Asa azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny ho panolontsaina mpanao politika, mpanolontsaina amina tetikasa sy ny sisa.

mercredi, 24 avril 2024 07:43

Comment fonctionne une station de radio ?

Les clients qui confient leurs postes radios à réparer deviennent de plus en plus nombreux selon un technicien d’un atelier d’appareil électronique à Ambohijatovo. L’invasion des JBL et auto radio sur le marché en est la principale raison. Ils sont plus pratiques et moins chers par rapport aux mini chaine de marque. Un employé de l’atelier répare 4 à 5 radios par semaines.

Une radio commerciale est financièrement indépendante. Les spots publicitaires et les émissions payantes en sont les principales sources de revenus. La création d’une antenne radio coute environ 250 000 d’ariary. Une fois mis en place, le cout de la Jirama, le loyer ainsi que les salaires des personnels sont les principales dépenses mensuelles.

Mihamitombo hatrany ireo mpanjifa tonga manamboatra radio eo amin’ny orinasa iray eo Ambohijatovo raha oharina amin’ny tany amin’ny 10 taona lasa. Ireo radio carte sy auto radio izay be mpampiasa ankehitriny sady mora vidy kokoa oharina amin’ny radio « mini chaine » taloha no anton’izany. Manamboatra radio 4 hatramin’ny 5 isan-kerinandro eo ny mpanamboatra iray ary ny piesy mampaneno azy indrindra matetika no mila soloina.

Orinasa mampidi-bola sy mamelon-tena ny onjam-peo iray, raha tsy miankina amina fikambanana manokana.  Ny dokam-barotra, ny vidina fandaharana no fampidiram-bola ho ana radio iray. Ankoatra ny fananganana azy izay manodidina ny 250 0000ar dia fandaniana avoakan’ny orinasana radio isam-bolana kosa ny Jirama, ny hofantrano, ny karaman’ny mpiasa sy ny sisa.

mercredi, 24 avril 2024 07:15

Alimentation pendant la grossesse

Les aliments crus et mal lavés sont interdits pour les femmes enceintes. Cela inclut les fritures et les saignants. Selon les explications de la sage-femme Henintsoa, ces aliments contiennent des bactéries qui mettent en danger la santé de la femme enceinte. Les aliments conseillés sont ceux qui apportent de bons nutriments et équilibrés comme les légumes, les fruits, les produits laitiers. Mais La sage-femme Ny Avo explique que ces aliments varient selon le mois de grossesse, par exemple il ne faut pas manger des plats qui contiennent trop de farine durant les trois derniers mois de grossesse.

En ce qui concerne les mouvements à risques, c’est-à-dire qui peuvent provoquer une fausse-couche, il ne faut pas faire beaucoup d’effort par exemple si vous n’être pas sportive, il ne faut pas faire trop d’exercice physique. Par contre, si vous en avez l’habitude cela n’a aucun risque. Par exemple si vous êtes habitué à monter des escaliers cela n’aura aucun effet sur la grossesse. Si vous vous sentez fatiguée, il faut tout de suite prendre une pause et s’allonger.

 

Ireo sakafo manta sy tsy voasasa tsara no tsy azon’ny vehivavy bevohoka ho hanina. Ao anatin’izany ihany koa ny kihendihendy sy ireo tsy masaka tsara. Araka ny fanazavan’ny rasazy Henintsoa, misy otrikaretina izay tsy tsara amin’ny fahasalaman’ny vehivavy bevohoka ireo sakafo ireo. Ny sakafo tsara ho hanin’izy ireo kosa dia izay mitondra otrikaina sy ara-pasahalamana tsara toy ny legioma sy ny voankazo ary ireo vokatra avy amin’ny ronono ohatra. Manazavny rasazy Ny Avo fa miovaova arakaraky ny volana itondrana vohoka ireo sakafo ireo. Ohatra tsy azo atao ny mihinana sakafo be lafarinina aty amin’ny telo volana faran’ny fitondrana vohoka.

Raha ireo fihetsika mahatonga fahafahan-jaza kosa no resahina, tsy afaka mampiasa herim-batana be loatra ireo vehivavy bevohoka. Ohatra hoe tsy mpanao fanatanjahan-tena ianao dia tsy tsara no mandany hery be loatra. Nefa kosa raha efa zatra miakatra tohatra foana ohatra dia tsy misy fiantraikany izany. Raha mahatsiaro reraka ny vehivavy bevohoka dia tokony maka aina mitsotsotra.

L’exercice périnéal est utile pour garder le périnée ferme. Pour qu’il n’y ait pas de fuite urinaire. Il est recommandé pour les femmes qui viennent d’accoucher, même celle qui ont eu une opération césarienne. Selon les explications de la sage-femme Henintsoa, à part les femmes enceintes, il est également recommandé pour les femmes d’un certain âge.

L’enfant malnutri sévère a vraiment besoin d’un aliment spécial pour l’aider à s’améliorer. Selon les explications de Fanja Rakotondrasoa, spécialiste en nutrition, si l’enfant est en phase de malnutrition sévère, il n’y a que cet aliment spécial qui lui convient et aucun autre aliment, même les fruits et légumes ne peuvent subvenir à son besoin en nutrition. Tous les CSBII possède cet aliment spécial, surtout ceux qui se trouvent dans les régions concerné par la malnutrition.

 

 Ny fikolokoloina ny « périnée » dia tena ilaina ho an’ireo vehivavy avy teraka mba tsy handitsaka na hipipy kely. Na ireo vehivavy avy nodidiana aza dia tsara ny manao azy ity. Araka ny fanazavan’ny rasazy Henintsoa, ankoatra ireo vehivavy bevohoka, dia tsara manao azy ity koa ireo vehivavy efa nahazo taona.

Mila sakafo manokana ny zaza tratran’ny tsy fanjariantsakafo. Araka ny fanazavan’I Rakotondrasoa Fanja, rehefa ao anatin’izay tsy fanjarian-tsakafo izay ny zaza dia tsy mety aminy intsony ireo sakafo an-davanandro na dia ny legioma sy ny voankazo aza fa tsy maintsy mila an’io sakafo manokana io izy. Hita any amin’ny CSBII rehetra io sakafo io ary indrindra any amin’ireo CSBII any amin’ny faritra tena ahitana izay tsy fanjarian-tsakafo izay.

L’acte de viol est souvent associé à des troubles psychologiques chez son auteur, estiment les psychologues. Si on va plus loin, des psychologues, uniquement sur consultance du tribunal, peuvent attester qu’un auteur de viol est atteint de démence. Selon les explications du juriste Rakotoarizafy Noelinarisetra, ceux qui sont diagnostiqués atteint de démence n’encourent aucune peine selon l’article 64 du code pénale malgache. Cela s’explique par le fait que l’individu n’est pas responsable de ses actes. Et les évaluations faites par les psychologues ne concernent que son état durant l’acte de viol et non ni avant ni après.

Matetika vokatry ny fikorontanana ara-tsaina no mahatonga ny olona iray hanolana hoy ireo mpahay toetr’olona. Raha halalinina kokoa izay, dia afaka miteny fa tsy salama saina ny olona iray nanao fanolanana rehefa avy nandalo fizahana avy amin’ny mpahay toetr’olona nirahan’ny tribonaly. Araka ny fanazavan’ny mpahay lalana, Rakotoarizafy Noelinarisetra tsy mihatra amin’ireo olona marary saina ny lalana famaizana araka ny andininy faha-64 ao amin’ny lalana famaizana malagasy. Satria tsy tompon’ny tenany izy ary tsy tonga saina amin’izay ataony. Ny fizahana ataon’ireo mpahay toetr’olona dia mijery ny toe-tenany nandritran’izy nanao ilay fanolanana fa tsy aloha na aoriana.

Le premier CPN ou Control Prénatal doit être effectué durant le premier trimestre de grossesse, c’est-à-dire avant le troisième mois. Selon les explications de la sage-femme Henintsoa, c’est durant ce premier CPN que le gynécologue ou la sage-femme vérifie la position du bébé dans l’utérus ou que ce n’est pas une grossesse extra-utérine. On vérifie également que le bébé va bien et que ce ne soit pas un œuf-clair. Pour le premier CPN, il faut boire beaucoup d’eau pour l’échographie et apporter un carnet de consultation. C’est à ce moment également que la femme enceinte est envoyé à faire les analyses nécessaires pour la grossesse : toxoplasmose, VIH, etc.

L’implant est une méthode contraceptive qui consiste à inserer une sorte de petite tige mince dans le bras. Selon les explications de la sage-femme Ny Avo, l’implant se remplace tous les 3 ans. Quand le couple veut avoir un bébé, nul besoin d’attendre. C’est l’avantage de cette méthode par rapport aux autres. Même quand les 3 ans ne sont pas encore écoulés.

 

Atao ao anatin’ny telo volana voalohany amin’ny fitondrana vohoka ny fisafoana voalohana. Araka ny fanazavan’ny rasazy Heninstoa, mandritra io fotoana io no ahitana hoe ao amin’ny tranon-jaza tsara ve ny zaza, izany hoe tsy ety ivelany izy no mihalehibe. Mandritra izany ihany koa no hahafantarana hoe tsy poakaty ny atody fa misy zaza salama tsara. Alohan’ny andanana misafo dia mila misotro rano betsaka satria hanao fitiliana ary mitondra karne ihany koa. Ny fisafoana voalohany no maniraka ny vehivavy hanao ireo fitiliana isan-karazany toy ny VIH sy ireo aretina rehetra marosamihafa toy ny toxoplasmose.

Karazana fandrindram-piterahana iray ny “implant” na ny “telo taona an-tsandry”. Karazana hazokely lavalava manify izay izy ity hatsofoka ao amin’ny sandry. Araka ny fanazavan’ny rasazy Ny Avo, tonga dia afaka miteraka ny mpivady eo no hoe vao esorina ity fitaovana iray ity fa tsy mila miandry ela intsony. Eny, na dia tsy feno aza ilay telo taona dia azo atao tsara izany, izay hoy izy no mampiavaka azy amin’ireo karazana fandrindram-piterahana hafa.

Reportage

Pas besoin d’aller bien loin pour trouver des cas de malnutrition. Dans le district d’Atsimondrano, à une vingtaine de kilomètres de la capitale, un enfant sur deux est concerné par cette situation. Dans ce reportage, notre journaliste a rencontré Sidonie. Elle est veuve et lavandière à plein temps. Elle prend en charge 5 enfants âgés entre 2 ans et 5 ans. Elle raconte que ses enfants mangent de façon très irrégulière, parfois un seul repas par jour. Depuis que les hotelin-jazakely existe dans son quartier, elle a pu se procurer des repas nutritifs pour ses enfants.

Interview

La lutte contre la malnutrition devient de plus en plus difficile en raison de la pauvreté multidimensionnelle à Madagascar. Beaucoup de ménages sont contraints de vendre meme les ustensiles de cuisine pour avoir un peu d’argent. Certaines personnes n’ont plus de vêtements sur elles ou n’ont vraiment plus rien. Interview avec Berengère Guais, du Medecin Sans Frontières.

 

 

 Fanadihadiana

Tsy mila mandeha lavitra an’Antananarivo intsony dia efa mahita trangana tsy fahampian-tsakafo. Any amin’ny distrikan’Atsimondrano, roapolo kilometatra miala ny renivohitra, dia zaza iray amin’ny roa no voalaza fa tsy ampy sakafo. Mitaiza zaza dimy i Sidonie, mpanano tena sady mpanasa lamba. 2 taona hatramin’ny 5 taona ireo zaza ireo. Mitantara izy fa miovaova be ihany ny sakafo hohanin’izy ireo, indraindray sakafo iray ihany anatin’ny indray andro. Misy kosa anefa ny hotelin-jazakely ao amin’ny tanana misy azy, mba hanomezany sakafo ara-pahasalamana ho an’ireo zanany.

Resadresaka

Mihasarotra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara vokatry ny fahantrana lalina iainan’ny mponina. Betsaka ny tokantrano efa tsy manana na fitaovan-dakozia handrahoana sakafo ary, fa aleo namidy hahazoana vola kely. Resadresaka tamin’i Berengère Guais, avy amin’ny Medecin Sans Frontières

 

 

Reportage 

Chaque année, environ 10 000 personnes sont menacées par les risques d’éboulement et de glissement de terrain dans la capitale. Ce sont dans la majorité des habitants des quartiers de la haute ville: Ambohipotsy, Andafiavaratra, Manjakamiadana, Ampamarinana. Razafimamonjy Leonie, chef fokontany Ampamarinana, raconte qu’au moins une cinquantaine de ménages sont déplacés  à chaque saison cyclonique. Ils sont transférés vers un abri temporaire pour une durée qui peut varier d’une semaine à un mois. C’est le BNGRC ou Bureau national de gestion des risques et des catastrophes qui délimite les zones rouges à chaque saison. Il prend aussi les mesures préventives avec les autorités locales.

Interview 

Les actions anticipatoires regroupent toutes les activités réalisées à partir du moment où un risque de catastrophe se présente jusqu’au moment où il survient effectivement. Seheno Andrianiana, coordinateur national de Start Network Madagascar explique.

Infos pratique 

Comment réagir quand une personne se trouve bloquée sous un effondrement ?

 

Fanadihadiana

Isantaona, olona 10 000 eo no ahiana ho tratry ny loza vokatry ny fihotsahan’ny tany eto andrenivohitra. Mponina any amin’ny faritra avo eto Antananarivo izy ireo :  Ambohipotsy, Andafiavaratra, Manjakamiadana, Ampamarinana. Manazava i Razafimamonjy Leonie, sefo fokontany Ampamarinana fa tokantrano 50 eo farafahankeliny no tsy maintsy afindra toerana rehefa vanim-potoanan’ny orana. Omena toerana hipetrahana vonjimaika izy ireo, izay mety hijanonany hatramin’ny iray volana. Ny BNGRC no mamaritra ireo faritra mena. Izy koa no manao ny fandaminana rehetra isorohana ny loza miaraka amin’ny tompon’andraikitra eny antoerana.

Resadresaka

Manazava ny atao hoe « actions anticipatoires » rehefa amin’ny fotoanan’ny rivodoza i Seheno Andrianiana, mpandrindra nasionaly ny Start Network Madagascar

Torohevitra ampiharina

Ahoana ny atao raha sendra misy olona tototry ny vato na tany ka tsy afa-mihetsika ?

Reportage

Les pompiers interviennent dans plusieurs situations différentes : incendie, inondation, éboulement, effondrement, activités de secours, noyade, accidents divers. La détection des dangers potentiels dans les villes et les endroits publics font également partie de leur travail. Dans ce reportage, on a suivi une intervention d’abatage d’arbres jugés dangereux pour la sécurité publique, dans la haute-ville d’Antananarivo. Ces arbres interfèrent avec les câbles électriques de la Jirama et gênent la circulation des voitures. Rakotomalala Haja, adjudant-chef, mène la mission. 

 Interview 

La surabondance de l’eau, ou au contraire, sa rareté peut être à l’origine de catastrophe naturelle. Entre inondation et sécheresse, la gestion de l’eau est un élément crucial dans une réponse à une urgence. Quels sont les enjeux de l’eau dans un pays comme Madagascar ? Interview avec Andriamamonjy Mahavonjiniaina, chef de service humanitaire au Ministère de l’eau, de l’assainissement et de l’hygiène.

 Infos pratique

Comment prévenir la noyade des enfants ? 

Fanadihadiana

Toe-javatra isankarazany no mety hiantsoana mpamonjy voina : trano may na ala may, tondra-drano, fihotsahan’ny tany na trano, vonjy aina, loza andrano na andranomasina sns. Asan’izy ireo ihany koa ny misoroka mialoha ny loza mety hitrana any amin’ireny toerana falehan’ny daholobe ireny na eny andalana. Ohatra hoe fanapahana hazo mety hitera-doza ho an’ny mpandeha an-tongotra sy mpampiasa lalana. Rakotomalala Haja, adjudant-chef, no nitarika ny ekipa teto.  

Resadresaka

Ny fitobahan’ny rano be loatra na ny tsy fisiany mihitsy dia samy mitarika ambana sy loza ho an’ny olombelona sy ny tontolo iainana. Singa iray lehibe ny fitantanana ny rano araka izany, indrindra amin’ireo toerana tena ahitana tondra-drano na haitany. Resadresaka tamin’i Andriamamonjy Mahavonjiniaina, tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana.

Torohevitra ampiharina

Inona ny fitandremana atao mba tsy ho lasan’ny rano ny ankizy ?

 

 

 

 

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter