Pour maîtriser une langue, il faut savoir la comprendre, la parler, savoir l’écrire et la lire. Voniary, auteure et professeur de malgache nous explique qu’il existe des pages facebook qui utilisent le malgache officiel, il est recommandé de les suivre pour lire et comprendre la langue. Et surtout, il faut la pratiquer, la parler à chaque fois qu’on le peut. Mais non pas qu’on trouve aucun terme adéquat en malgache et on fait recours au français. Il faut se forcer un peu. Pour ceux qui n’aiment pas lire, elle nous recommande d’écouter les théâtres radiophoniques. Pour Mose Njo, il conseille de lire à haute voix, de chercher la définition et la signification d’un mot et de l’utiliser dans la vie de tous les jours.
Mba hifehezana teny iray dia mila mahay manoratra, miteny, mihaino ary mahazo azy. Araka ny fanazavan’i Voniary, mpanoratra sady mpampianatra Malagasy, rehefa misy an’ireny pejy Facebook mampiasa ny teny Malagasy ofisialy ireny dia arahina sy vakiana izy ireny. Ilaina ihany koa ny miteny azy ary miezaka mba hiteny madio fa tsy afangaro teny hafa. Raha ho an’ny olona tsy zatra mamaky teny ohatra na mamaky boky dia tsara ihany koa ny mihaino tantara amin’ny radio. Nizara i Mose Njo, mpanoratra amin’ny teny Malagasy izy fa mila mamaky teny malagasy mafy, mitady ny dikan’ilay teny tsy azo na tsy fantatra dia hampiasaina amin’ny andavan’andro io teny vaovao vao azonao io.
Les Bédéistes malgaches comme Catmouse par exemple, brillent plus sur la scène internationale. Le problème du BD local c’est qu’il y a un manque de soutien et d’initiative. Selon les explications de Catmouse, il n’y a pas trop de solidarité pour faire avancer ensemble le BD. Il y aussi le manque de soutien venant de l’Etat. Quant à Riri, un autre bédéiste malgache, membre de l’association de jeune bédéiste Tantsary, une des associations qui ont organisé le festival de BD malgache, Gasy Bulle. Le festival a connu un déclin en 10 ans. Riri nous explique que les éditeurs n’osent pas se lancer dans la bande dessinée. Deuxièmement, la consommation pose un problème aussi parce que les livres coutent cher par rapport aux pouvoirs d’achat des malgaches. Et aussi, la technologie, le cinéma etc. dépassent la passion pour la lecture en général à Madagascar.
Mamiratra kokoa ny mpanao tantara an-tsary malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy an-dry Catmouse ohatra. Tsy misy mitantsoroka sy manohana ny tantara an-tsary eto an-toerana. Araka ny fanazavan’I Catmouse, tsy misy firaisan-kina mba hanosehina izany tantara an-tsary izany eto an-toerana. Eo ihany koa ny tsy fisian'ny tosika avy amin’ny fanjakana. Ao anaty fikambana Tantsary, fikambanana tanora mpanao tantara an-tsary I Riri. An’isan’ny nikarakara ny hetsika “festival Gasy bulle” momba ny tantara an-tsary izy ireo. Hita anefa fa nitotongana izany hetsika izany tao anatin’ny 10 taona. Manazava I Riri fa tsy sahy mamoaka tantara an-tsary ireo trano mpanota boky. Eo ihany koa hoy izy ny fahefa-mividin’ny Malagasy izay ambany dia ambany miohatra ireo vidin’ny boky. Etsy an-daniny ny teknolojia sy ny sinema sns izay nisongona ny fitiavana famakian-teny eto Madagascar.
A l’occasion de la journée mondiale de la radio, le 13 février, Studio Sifaka a organisé un débat autour du rôle de la radio : informer, éduquer et divertir. Les intervenants, Fetra Rakotondrasoava – Secrétaire Général au Ministère de la communication, Jean-Claude Andrianaivo – journaliste ancien et enseignant, Dina Rakotomanga – jeune journaliste ont discuté des émissions radio qui devraient assurées ce rôle de la radio avec des contenus à la fois informatifs, éducatifs et divertissants. Ils ont également traité de l’accès à l’information des journalistes. « Si la porte est fermée, on entre par la fenêtre. Et même si la fenêtre est fermée, on trouve d’autres façons d’entrer » ont argumenté les intervenants. Jean-Claude Andrianaivo a surtout insisté sur le fait que c’est au journaliste de trouver les informations. Et à par ce rôle de la radio, nous avons discuté de l’avenir de la radio face à l’avancée technologique. Les intervenants sont unanimes sur le fait que la technologie ne surpassera jamais la radio et qu’au contraire elle devrait être exploitée pour donner une valeur ajoutée à la radio.
Par la diffusion du débat sur les radios partenaires du Studio Sifaka durant cette journée mondiale de la radio, l’émission a aussi été diffusée sur la radio nationale malgache le 18 février.
Nikarakara adihevitra mahakasika ny anjara asan’ny radio (manome vaovao, manabe, mampiala voly) ny Studio Sifaka nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny radio ny 13 febroary. Nandray anjara tamin’izany i Fetra Rakotondrasoava – Sekretera Jenaraky ao amin’ny ministeran’ny serasera, Jean-Claude Andrianaivo – mpanao gazety tranainy, Dina Rakotomanga – mpanao gazety tanora. Noresahina nandritra izany fa tokony mahafeno ireo anjara asan’ny radio ireo ny fandaharana iray, izany hoe sady tokony hanome vaovao no hanabe no hampiala voly. Niresaka ny fahafahan’ny mpanao gazety mahazo vaovao ihany koa ireo mpandray anjara : « raha midy ny varavara dia miditra amin’ny varavarankely. Fa na dia mihidy aza ny varavaran-kely dia tokony mitady fomba hahazoana ilay vaovao ny mpanao gazety ». Nanamafy i Jean Claude Andrianaivo fa anjara asan’ny mpanao gazety ny mitady voavao fa tsy toloram-potsiny izy. Ankoatra izay anjara asan’ny radio izay dia noresahina nandritra ny fandaharana ihany koa ny ho avin’ny radio manolona ny fivoaran’ny teknolojia. Mitovy hevitra ireo mpandray anjara fa tsy ho fatin’ny teknolojia ny radio ary tokony hanampy amin’ny fivoaran’ny radio aza ny teknolojia.
Ankoatran’ny fandefasana ny adihevitra tamin’ireo radio mpiara-miasa amin’ny Studio Sifaka ny andron’ny 13 febroary io dia nandefa izany ihany koa ny radio nasionaly malagasy ny 18 febroary.