COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

jeudi, 01 février 2024 09:33

Quand les touristes se font rares

Créer de nouveaux sites touristiques, privilégier l’agrotourisme, profiter du passage des bateaux de croisière ; tout cela fait partie de la survie des acteurs touristiques pendant la basse saison. C’est ce que témoigne Eliane Andrianjatovo, gérante de l’Ariane tour Toamasina. Pendant cette période, ces tours opérateurs perdent jusqu’à 50 % de leurs clientèles. Pour cause, la saison des pluies. Et pour cette partie Est de l’île, l’accumulation des déchets n’arrange pas non plus la situation, de même pour le mauvais état des routes.

Mamorona toerana tsidihana vaovao, manome lanja ny agrotourisme, manararaotra ny fandalovan'ny sambo mpitondra mpizahantany ; izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ny fomba hanarenan’ireo mpisehatry amin’ny fizahantany ny fidiram-bolany mandritra ny vanim-potoana sarotra ho azy ireo. Io no nambaran’i Eliane Andrianjatovo, mpitantana ny Ariane tour Toamasina. Mihena hatramin’ny 50% mihitsy izy ireo rehefa fotoana mahavitsy azy izay. Antony mahatonga izany ny vanim-potoanan'ny orana. Ary ho an’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny dia manampy trotraka ny fiandronan’ny fako sy ny faharatsian’ny lalana.

Le taux de la vente locale de bandes dessinées dans notre pays est encore faible par rapport au niveau international. Il y a plusieurs raisons liées à cela, selon le bédéiste Razafindrabe Rindra. Mis appart que les Malgaches ne sont pas intéressés par l’achat de ces livres, le pouvoir d'achat en est aussi une raison.

Mbola kely ny tahan’ny fanjifana anatiny ny boky tantara antsary eto amintsika, raha oharina amin’ny sehatra iraisam-pirenana. Maro ny antony mahatonga an’izany hoy ny mpanao boky tantara an-tsary Razafindrabe Rindra toy ny hoe tsy dia mahaliana ny Malagasy loatra ny mividy izany, eo ihany koa ny fahefa-mividy.

jeudi, 01 février 2024 08:34

Le marché du tissu à Ambodin'Isotry

On compte une dizaine de vendeurs de tissus à Ambodinisotry. Il y a ceux qui vendent du tissu en mètre, ceux qui vendent des housses d'oreiller et des rideaux. En général, c'est chez les commerçants Indiens que les vendeurs s’approvisionnent, mais il y a aussi ceux qui les font importer par des entreprises.

Amam-polony maro ireo mpivarotra lamba eny Ambodin’isotry. Hita eny avokoa na ireo mivarotra lamba amin’ny metatra na ireo mpivarotra an’irony fonon’ondana sy ny lambam-baravarana, na antsoina ihany koa hoe « rideaux ». Amin’ny Ankapobeny dia eny amin’ny karana no tena fangalan’ireo mpivarotra eny entana ho amidy, misy ihany koa nefa ireo izay mampanafatra entana any amin’ny orinasa. Fanadiadihana niarahana tamin’i Désiré sy i Sylvie, mpivarotra lamba ao Ambodin’Isotry. 

Ça fait plus de 10 ans que Ben’Ando pratique le design 3D. Son travail est plus centré dans le recyclage des cartons et qu'il utilise les cartons recyclés pour les transformer en « lettres box ». Il reçoit environ 2 ou 3 commandes par mois. Ce sont les associations engagées dans la protection de l'environnement qui travaillent le plus avec lui puisqu’il s’exerce dans le domaine du recyclage.

Le Club des entrepreneurs Aina Vao est un groupe de jeunes ayant reçu une formation en Développement des Entreprises à Madagascar. Il en existe déjà à Antananarivo et à Toamasina. Pour ceux de Toliara, certains jeunes sont déjà en formation. Entretien avec Ambinintsoa, ​​​​présidente de l'Association des entreprises Aina Vao.

Amam-polo-taonany izao no niseharan’i Ben’Ando tao anatin’ny fanaovana Design en 3D. Ny baoritra no tena akora fototra fampiasany anatin’izany ary ireny no ahodiny ho lasa zavatra iray mivaingana ohatra soratra na sary. Mandray komandy eo amin’ny 2 na 3 isam-bolana eo izy. Ireny vondrona mpiaro ny tontolo iainana ireny no tena miara misa aminy noho izy misehatra amin’ny resaka fanodinana.

Fivondronan’ireo tanora nahazo fiofanana tao amin’i Madagascar Entreprises Developpement ny Club des entrepreneurs Aina Vao.  Efa misy azy eto Antananarivo sy Toamasina. Ho an’ireo any Toliara kosa dia efa misy manaraka fiofanana ihany ireo tanora. 

Resaka nifanaovana tamin’i Ambinintsoa, filohan’ny fivondronan’ny Mpandraharaha Aina Vao.

jeudi, 01 février 2024 08:19

Le DPN est une tumeur bénigne cutanée

Le DPN est une tumeur bénigne cutanée. C’est une affection cutanée qui se compose de petites bosses sombres qui apparaissent généralement sur le visage et le cou. Le DPN apparait à l’adolescence et il est héréditaire.

Fitambarana tandra na kambo  maro ary mety matevitevina eo amin’ny tarehy ny  DPN. Mety manelingelina ilay olona misy azy ireny. Manomboka eo amin’ny adolantseto izy io no mipoitra dia mihabetsaka araky ny fitombon’ny taona. Mety nolovaina avy amin’ny fianakaviana izy io na héréditaire.

Un « wedding planner » organise un mariage. Il assure le bon déroulement et la réussite du mariage, à partir du plus petit détail jusqu’au plus grand. Ses principaux clients sont, pour la plupart, les jeunes mariés qui vivent à l’étranger et ceux qui n’ont pas le temps de l’organiser. Le contrat se fait entre les mariés et le wedding planner, qui vont négocier directement avec les prestataires.

Un orchestre s’investit beaucoup sur la répétition, la qualité des instruments et les costumes de scènes. Il doit marquer son style spécial pour le différencier des autres.

Ny mpikarakara lanonam-panambadiana na « wedding planner » dia mandamina ny pitsopitsony hatramin’ny lehibe indrindra amin’ny mariazy. Matetika dia ireo mpifamofo mipetraka any ivelany na ireo tsy manampotoana hikarakarana no maka azy ireny. Aminy no mandoha vola ny mpivady dia izy indray no mifanaraka amin’ireo mpanatontosa lanonana.

Asa ilaina fahaiza-manao hiavahana amin’ny hafa ny maha mpanentana sy manafana lanonana na « orchestre ». Ny famerenana sy ny haingo entina miantsehatra ary ny kalitaon’ny fitaovana ampiasaina no antoka mahatsara azy. Mifameno ny ekipa rehetra ary mitovy avokoa ny karaman’ireo mpikambana.

jeudi, 01 février 2024 07:44

Le Club d’anglais et ses avantages

Le Club d’Anglais est un moyen plus divertissant pour pratiquer et utiliser davantage la langue anglaise. La séance est animée par des chants, danses et divers jeux et animations. Un reportage auprès du Lycée Moderne Ampefiloha.

Le volontariat en Allemagne permet au jeune d’échanger et se développer à l’étranger. Les jeunes intéressés peuvent s’exercer dans le social ou l’environnement. Interview avec Loucas Ravoniarison, président de l’association des jeunes étudiants en Allemand à Madagascar.

Fomba iray ahafahana mampihatra sy manatsara ny fahaizana teny anglisy ny fidirana « Club d’anglais ». Atao amin’ny alalan’ny lalao, hira, dihy ny fampiasana ny teny anglisy amin’izany. Fanadihadiana natao tao amin’ny lisea moderne Ampefiloha.

Fomba iray ahafana mandroso sy mivoatra any ivelany ny firotsahana an-tsitrapo any Allemagne. Afaka misehatra eo amin’ny sosialy ny tanora lahy sy vavy liana. Resadresaka niarahana tamin’ny filohan’ny fikambanan’ny tanora mpianatra teny alimaina eto Madagasikara.

jeudi, 01 février 2024 07:24

Le Journal du 31 Janvier 2024

  • Inscription à examen CEPE : les centres d'examen refusent de recevoir les dossiers des écoles privées
  • Saison de reboisement : le Ministère de l’Environnement projette de reboiser sur 75.000 Ha cette année
  • Reforestation : les acteurs environnementaux se focalisent sur les plantes médicinales
  • Andriel : s’attendre à du trilinguisme et de l’afrobeats pour son prochain EP

  • Fisoratana anarana amin’ny fanadinana CEPE : tsy mandray ny antontan-taratasy avy amin’ireo sekoly tsy miankina ireo foibe-panadinana
  • Mikasa ny hamboly hazo amin’ny velaran-tany 75.000 Ha ny Ministeran’ny tontolo iainana
  • Fambolen-kazo : miompana amin’ny fambolena zava-maniry fitsaboana ireo mpisehatra amin'ny tontolo iainana
  • Mpanakanto Andriel : ahitana fiteny maro sy gadona “afro beats” ny raki-kirany vaovao

jeudi, 01 février 2024 07:12

Le Journal des régions du 31 Janvier 2024

  • Vigilance jaune pour la montée de l'eau sur les côtes de Mananjary jusqu'à Toliara
  • Les deux nouvelles citernes d'eau à Ambalavao ont une capacité de stockage de 500 m³
  • Des machines ont été mises en place à Ihosy pour transformer le manioc en farine

  • Nahazo fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny ranomasina any Mananjary hatrany Toliara
  • Ambalavao : afaka hamatsy rano hatramin’ny 500 m³ isan’andro avy ireo fitehirizan-drano miisa roa
  • Tonga aty Ihosy ny milina fanodinana mangahazo ho lafarinina
jeudi, 01 février 2024 07:06

Le Journal des régions du 25 Janvier 2024

  • Coupure de la RN6 : l’installation d’un pont modulaire est la solution
  • Coupure de l’électricité depuis hier 24 janvier à Morondava
  • Antananarivo : sensibilisation des étudiants à la rage
  • Santara Ferme Mandritsara : production de provende à plus de 120 kg par mois

  • Fahatapahan’ny RN°6 : tsy maintsy hametrahana « pont modulaire »
  • Tapaka nanomboka omaly 24 janoary ny jiro tao Morondava
  • Antananarivo renivohitra : entanina momban’ny haromotana ny mpianatra
  • Santara Ferme Mandritsara : mamokatra mongo hatramin’ny 120 kg isam-bolana

mardi, 30 janvier 2024 13:23

Le Journal du 30 Janvier 2024

  • Indice de Perception de la Corruption 2023 : Madagascar perd un point et recule de 3 places
  • Programme Fihariana : plus de 70.000 emplois crées
  • Certains redoublants ne reviennent sur les bancs qu’au mois de janvier
  • Informations électorales : traiter des informations constructives par rapport à l’élection

  • Maridrefy Itarafana ny kolikoly 2023 : very isa iray Madagasikara ary nihemotra laharana telo
  • Tetikasa Fihariana : asa mihoatran’ny fito alina no niforona
  • Kilasy famaranana : misy amin’ireo mamerin-taona no miandry ny telo volana faharoa vao miverina indray
  • Vaovao momba ny fifidianana : mila vaovao mampandroso kokoa mahakasika ny fifidianana

  • Les transporteurs du port de Nosy Be réclament la démission du directeur de l'APMF de Nosy Be
  • L'association prendra en charge les personnes âgées à Mananjary
  • La RN5A, qui relie Antalaha à Maroantsetra, est actuellement coupée

  • Mitaky ny hanalana ny talen’ny APMF ao Nosy Be ny mpitatitra eo amin’ny seranan-tsambo
  • Hatsangana ao Mananjary ny fikambanan’ireo beantitra marefo
  • Tapaka noho ny rotsakorana nifanesy ny lalam-pirenena faha dimy (RN5A)
  • 9 jeunes ont reçu un financement à Toamasina pour leurs projets
  • Le marché central de l’artisanat sera construit à Imeritsiatosika
  • La circulation sur la RN6 est rétablie

  • Tanora 9 avy ao Toamasina nahazo tohana amin’ny fandraharahany
  • Ho atsangana ao Imeritsiatosika ny foibe-toeram-pividianana asa-tanana
  • Niverina tamin’ny laoniny ny fifamohivoizana amin’ny lalam-pirenena faha 6
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter